Seminera
Matio 21:1–11; Jaona 12:27–36


Matio 21:1–11; Jaona 12:27–36

Ny fidiran’ny Mpamonjy ny tanàna tamim-boninahitra

Sary
Jesus Christ’s triumphal entry into Jerusalem. altered version

Niditra tamim-boninahitra tao Jerosalema ny Mpamonjy, ary nandritra izany ny olona dia nidera sy nitsaoka Azy tamin’ny antsoantso hoe “Hosana” (jereo ny Matio 21:9). Avy eo i Jesoa dia nampianatra ny olona mikasika ny asa nanirahana Azy mba hamonjena azy ireo. Ity lesona ity dia ahitana topimaso mikasika ny herinandro farany nahaveloman’i Jesoa Kristy teto an-tany, izay afaka manampy anao hahatsapa fanajana sy hanome voninahitra bebe kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny iraka notanterahiny mba hamonjena antsika.

Filàna ny famonjena

Eritrereto ny fotoana iray izay niainanao toe-java-tsarotra ka nilanao olon-kafa hanampy na hamonjy anao.

  • Nahoana ianao no nila fanampiana na famonjena?

  • Inona no mety ho nitranga raha tsy nahazo fanampiana ianao?

  • Inona no fiantraikan’ilay zavatra niainanao amin’ny fahatsapanao momba ilay olona izay nanampy na namonjy anao?

Mila ny hery manavotr’i Jesoa Kristy isika rehetra. Isika rehetra dia manao fahadisoana izay tsy azontsika amboarina, miaina fahavoazana izay tsy azo harenina, ary mandalo fahoriana, sy miatrika fanenjehana, loza, sy enta-mavesatra ary fahadisoam-panantenana izay tsy ho tantitsika irery.Saintsaino ny filanao an’i Jesoa Kristy. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra ilanao ny hery manavotr’i Jesoa Kristy mba hanampiana anao.

Mandritra ity lesona ity dia katsaho ny fitaoman’ny Fanahy Masina mba hianarana bebe kokoa momba ny antony ahafahan’i Jesoa Kristy Mpamonjy mamonjy antsika amin’ny fahadisoana, ny fahavoazana, sy ny fahoriana ary ny toe-javatra izay tsy azontsika amboarina.

Ny fidiran’i Jesoa Kristy ny tanàna tamim-boninahitra

Talohan’ny fotoana farany nidirany tao Jerosalema, dia nangataka ny mpianany i Jesoa mba hitondra zanak’ampondra ho eo Aminy, izay atao koa hoe zana-boriky. Norakofan’ny mpianatra ny lambany ny boriky sy ny zanany, ary nampitaingeniny teo ambonin’ny zanaboriky ny Mpamonjy (jereo ny Matio 21:1–7; Jaona 12:14–15).

Vakio ny Matio 21:8–11 sy ny Jaona 12:12–13, ka tadiavo ny fomba nandraisan’ny vahoaka an’i Jesoa Kristy rehefa niditra tao Jerosalema Izy. Rehefa mamaky ianao, dia alaivo sary an-tsaina hoe manatrika izany ianao.

Vahoaka maro no niantsoantso hoe “Hosana,” teny Hebreo izay “ -vonjeo re izahay- no heviny ary ampiasaina ho fiderana sy fitalahoana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Hosana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny hevitry ny fihetsiky ny vahoaka manoloana ny fidiran’ny Mpamonjy tao Jerosalema:

Sary
Head and shoulders portrait of Elder Bruce R. McConkie.

Ny mpanjaka sy mpandresy an’ady irery ihany no nandray izany karazana fanehoam-panajana mahatalanjona izany. … Tao anatin’ny hiaka maneho dera sy fangatahana famonjena ary fanavotana dia mahita an’ireo mpianatra mandrakotra ny lalan’ny Tompontsika amin’ny sampan-drofia ho famantarana ny fandresena isika. Izany tranga mahavariana rehetra izany dia nilaza mialoha fivondronan’ny “olona betsaka” amin’ny fotoana ho avy izay tsy tambo isaina, … hijoro “[eo] anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry, [hiakanjo] fotsy lava sady [hitana] sampan-drofia [eny] an-tanany,” dia [hiantso] amin’ ny feo mahery [hanao] hoe, “Ny famonjena anie ho an’ Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, sy ho an’ ny Zanak’ ondry.” ( Apo. 7:9–10 .)

(Doctrinal New Testament Commentary [1965], 1:578)

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no mety ho nolazainao sy nataonao ary tsapanao raha nanatrika ny fiakaran’ny Mpamonjy tao Jerosalema tamim-boninahitra ianao? Nahoana?

  • Oviana ianao no nahatsapa te-hihiaka hoe “Hosana” (manolotra fiderana sy fankasitrahana amin-kitsimpo) ho an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no antony mety hahatonga anao hihiaka “Hosana” ho an’ny Mpamonjy amin’izao fotoana izao? Amin’ny ho avy?

Rehefa niditra tao Jerosalema nitaingina zanak’ampondra i Jesoa, dia maro ny vahoaka no niaiky izany ho fanambarana ampahibemaso fa tsy vitan’ny hoe ilay Mesia nampanantenaina ihany Izy fa ilay Mpanjakan’ny Isiraely nampanantenaina ihany koa. Maro no nahita izany ho fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny soratra masina toy ilay voarakitra ao amin’ny Zakaria 9:9 .

Maro no nihevitra fa ny Mesia no ho mpitari-tafika lehibe izay hamonjy azy ireo amin’ny fampahorian’ny Romana. Tsy nahatakatra ny asa famonjena nanirahana ny Mpamonjy izy ireo.

  • Inona no zavatra nanirahan’ny Ray any An-danitra an’ i Jesoa Kristy mba hamonjena antsika?

Ny tanjon’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy

Taorian’ny fiakaran’ny Mpamonjy ny tanàna tamim-boninahitra, dia nangataka mba hahita Azy ny “Grika sasany” izay tonga tany Jerosalema mba hitandrina ny Paska (jereo ny Jaona 12:20–21). Rehefa nahafantatra ny fangatahan’izy ireo i Jesoa dia nampianatra mikasika ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny Fitsanganany amin’ny maty izay efa antomotra Izy. Nohazavainy fa ireo zava-niseho farany tao Jerosalema ireo, isan’izany ny Fanomboana Azy efa antomotra, no tanjona manontolo amin’ny fiaviany eto an-tany (jereo ny Jaona 12:23–33).

Vakio ny Jaona 12:27–28, 32–33, ka tadiavo ny zavatra nolazain’i Jesoa mikasika ny tanjony sy ny asa nanirahana Azy. (Mariho fa ilay feo miteny avy any an-danitra dia feon’ny Ray any An-danitra izay maneho fahatokisana fa hamita ny Sorompanavotany i Jesoa Kristy.)

  • Inona no nampianarin’i Jesoa mikasika ny tanjony sy ny asa nanirahana Azy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatokisan’ny Ray any An-danitra an’i Jesoa Kristy mampitombo ny fahatokisanao ny Mpamonjy amin’ny fahafahany sy ny fahavononany hamonjy anao?

Fomba iray hamintinana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 12:27–28, 32–33 ny hoe Nanatanteraka ny Sorompanavotany i Jesoa Kristy mba hahafahany mitaona antsika rehetra hanatona Azy.

Nijoro ho vavolombelona momba izany fahamarinana izany ihany koa ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 27:13–15 . Vakio ity andalan-tsoratra masina ity ka tadiavo ny zavatra ampian’ ireo andininy ireo amin’ny fahatakaranao io fahamarinana io. Azonao atao ny mampifandray na mampifandrohy io andinin-tsoratra masina io amin’ny Jaona 12:32 .

Topimaso mikasika ireo zava-nitranga tamin’ny herinandro farany teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy

Zava-nitranga maro tamin’ny herinandro farany teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy teto an-tany no zava-dehibe tamin’ny asa nanirahana Azy sy ny tanjony mba hamonjena antsika amin’ny alalan’ny fitaomana antsika hanatona Azy.

Ity kisary fanazavana manaraka ity dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa momba ireo zava-nitranga ireo.

Sary
New Testament Seminary Teacher Manaul - 2023

Diniho tsara ilay kisary fanazavana. Vakio ny andinin-tsoratra masina sasany mba hahafantarana bebe kokoa mikasika ireo zava-nitranga voalaza. Eritrereto ny fomba ifandraisan’ireo zava-nitranga ireo tamin’ny iraka ho famonjena nataon’i Jesoa Kristy, ary saintsaino ny fomba ahafahany manampy sy mamonjy anao amin’ny alàlan’ny zavatra nampianariny sy nataony nandritra io herinandro io.

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fanontaniana anananao momba ireo zava-nitranga ireo ary raiso an-tsoratra hoe inona no zava-nitranga tianao hianarana bebe kokoa ary nahoana.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fanontaniana anananao momba ny iray amin’ireo zava-nitranga ireo?

  • Inona no tianao fantarina bebe kokoa? Nahoana?

  • Araka ny eritreritrao dia manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny fahafahan’i Jesoa Kristy sy ny faniriany hamonjy antsika amin’ny fomba ahoana ny fianarana bebe kokoa momba ireo zava-nitranga ireo?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Midika inona amin’ny Jiosy ilay fidirana tamim-boninahitra ny tanàna, ary midika inona amintsika izany?

Ny fiakaran’ny Mpamonjy tamim-boninahitra tao Jerosalema nandritra ny andro firavoravoana tamin’ny Paska dia nanatanteraka mivantana ilay faminaniana voarakitra ao amin’ny Zakaria 9:9–10 ary nanambara ampahibemaso fa i Jesoa no ilay Mesia nampanantenaina sy Mpanjakan’ny Isiraely. Fahiny, ny ampondra na boriky dia mariky ny maha-panjakan’ny Jiosy. Nandritra ny fotoana fahapanjaka tany amin’ny Isiraely fahiny, taorian’ny nanomezana seza fiandrianana ny Mpanjaka Saoly, dia nanao fombafomba famerenana manome seza fiandrianana ny mpanjaka ny Jiosy isan-taona izay nahitana mpanjaka iray nitaingina boriky niditra an’i Jerosalema. Nanatona an’i Jerosalema avy any atsinanan’ny tanàna ilay mpitaingina boriky ka nankao amin’ny tempoly. Ireny fombafomba ireny dia manambara mialoha fa amin’ny fomba toy izany no hisehoan’ny fotoana hanatonan’ny Mesia ny vahoakany. Noho izany, rehefa feno Jiosy nankalaza ny Paska i Jerosalema, dia niditra tao Jerosalema i Jesoa tamin’ny fomba mampiseho fa Izy no Mesia, Mpanjakan’ny Isiraely. Ny fitaingenana boriky ihany koa dia nampiseho fa tonga tamin’ny maha-Mpamonjy feno fiadanana sy “malemy fanahy” Azy i Jesoa fa tsy mpandresy nitaingin-tsoavaly (jereo ny Zakaria 9:9–10).

Hiverina eto an-tany amin’ny hery sy voninahitra lehibe i Jesoa amin’ny Fiaviana Fanindroany. Ho mariky ny voninahiny dia ho avy eo ambony “soavaly fotsy” Izy fa tsy eo ambony boriky izay notaingenany nankao Jerosalema (jereo ny Apokalypsy 19:11–16). Ho tonga hanjaka amin’ny maha “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” koa Izy ( Apokalypsy 17:14 ; jereo koa ny Apokalypsy 19:16).

Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fampiasana sampan-drofia amin’ilay fidirana tamim-boninahitra?

Ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of Gerrit W. Gong. Photographed in 2018.

Ny sampan-drofia dia tandindona masina hanehoana ny fifaliana ao amin’ny Tompontsika, tahaka ny tamin’ilay fidiran’i Kristy tamim-boninahitra tao Jerosalema, izay nahitana “vahoaka betsaka … naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy” [ Jaona 12:12–13 ; jereo koa ny Matio 21:8–9 ; Marka 11:8–10 ]. … Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, ireo izay midera an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry dia “niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany” [ Apokalypsy 7:9 ]. Tafiditra tao amin’ny vavaka fanokanana ny Tempolin’i Kirtland miaraka amin’ny “akanjon’ny fahamarinana” sy ny “satroboninahitra” ny sampan-drofia [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:76 ]. …

(Gerrit W. Gong, “Hosana sy Haleloia!—Ilay Jesoa Kristy Velona: Ivon’ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny Paska,” Liahona, mey 2020, 53)