Seminera
Matio 19:1–12


Matio 19:1–12

Tendrin’ Andriamanitra ny Fanambadiana

Sary
Temple Marriage

Namaly fanontaniana sy nampianatra fahamarinana mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba anomezan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy fomba ahafahanao manana fanambadiana sambatra mandrakizay amin’ny hoavinao.

Ampahany ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fanambadiana

Sary
A bicycle wheel photographed against a white background.
  • Inona no mety hitranga amin’io kodiarana bisikileta io raha esorina ny ivon’ny kodiarana?

Vakio ny andiam-pehezan-teny voalohany ao amin’ny “ Ny fianakaviana: fanambarana ho an’izao tontolo izao ” (ChurchofJesusChrist.org), ka tadiavo izay ivon’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.

Izahay, Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia manambara amim-boninahitra fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra ary ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany.

(“ Ny fianakaviana: fanambarana ho an’izao tontolo izao ,” ChurchofJesusChrist.org)

  • Ahoana no azo ampitahana ny anjara asan’ny fianakaviana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra amin’ny ivon’ny kodiarana iray?

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe “tendrin’ Andriamanitra” ny fanambadiana?

  • Iza amin’ireto manaraka ireto no mamaritra ny zavatra tsapanao momba ny fanambadiana? (Safidio izay rehetra mety.)

  • Mientanentana—“Tsy andriko izay hahatongavan’ny fotoana mampety izany.”

  • Sahiran-tsaina—“Hahita namana hiaraka amiko mandrakizay ve aho?”

  • Manahy—“Mahita fanambadiana tsy misy fahasambarana sy fisaraham-panambadiana maro loatra aho.”

  • Very hevitra—“Maro be ny hevitra samy hafa momba ny fanambadiana.”

Natao ho mandrakizay ny fanambadiana

Tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao dia nilaza ny olona sasany fa manamarina ny fisaraham-panambadiana ny lalàn’i Mosesy eny fa na dia noho ny fahadisoana kely sy ny fitiavan-tena aza no anton’izany. Nampianatra fahamarinana manan-danja mikasika ny fanambadiana ny Mpamonjy ho valin’ny fanontanian’ny Fariseo momba ny fisaraham-panambadiana. Rehefa mandalina ny fampianarany ianao dia saintsaino ny fomba ahafahanao matoky ny zavatra ampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny fanambadiana na dia tsy mitovy amin’izay ampianarin’izao tontolo izao aza izany.

Vakio ny Matio 19:3–8 . Asio marika ireo teny na andian-teny izay mampiseho ny fomba fijerin’ny Tompo ny fanambadiana. Mariho fa ny hoe “misaotra” ao amin’ireo andininy ireo dia midika hoe fisaraham-panambadiana, ny hoe “hampisarahina” dia midika hoe sarahana, ary ny hoe “tamin’ny voalohany” dia midika hoe araka ny nanorenan’ Andriamanitra azy tamin’ny namoronana izao tontolo izao.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ireo fahamarinana nampianarin’i Jesoa Kristy mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana izay irinao ho takatry ny olona maro eto amin’izao tontolo izao? Nahoana?

  • Inona avy ireo andian-teny manokana ao amin’io andinin-tsoratra masina io izay manampy anao hahatakatra ny zavatra nampianarin’i Jesoa?

  • Raha toa ianao ka afaka mametraka fanontaniana amin’ny Mpamonjy mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana tahaka ny nataon’ny vahoaka ao amin’ny Matio 19 , dia inona no tianao ho fantatra?

Iray amin’ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ny hoe ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia fifandraisana masina naorin’ Andriamanitra ary natao haharitra mandrakizay.

  • Ahoana no mety hanampian’io fahamarinana io amin’ny famaliana ny sasany amin’ireo fanontanianao na ireo fanontaniana izay ananan’ny olona hafa eto amin’izao tontolo izao mikasika ny fanambadiana?

Tian’ny Ray any An-danitra haharitra mandrakizay ny fanambadiana. Na dia mahazatra aza ny fisaraham-panambadiana eto amin’izao tontolo ankehitriny izao,Ny Filoha Dallin H. Oaks dia nampianatra hoe: “Ho an’ny ankamaroan’ny olana ara-panambadiana dia tsy ny fisaraham-panambadiana no vahaolana fa ny fibebahana” (“Divorce,” Ensign or Liahona, May 2007, 71). Ny Raintsika any An-danitra dia nanao izay hahatonga ny fanambadiana ho mandrakizay sy ny mba hahasambatra ny mpivady sy ny hahatanteraka azy ireo rehefa miezaka ny hitandrina ny fanekempihavanany sy miaina ny fampianaran’ny Mpamonjy ary mampihatra tsy tapaka ny fitsipiky ny fibebahana izy ireo. Indrisy anefa fa ilaina ny fisaraham-panambadiana indraindray. Araka ny nohazavain’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) hoe: “Mety hisy tsindraindray ny antony ara-dalàna ho an’ny fisaraham-panambadiana” (“What God Hath Joined Together,” Ensign, May 1991, 74). Na dia tsy tokony hitsara ny fanapahan-kevitra noraisin’ny hafa aza isika, isika tsirairay avy dia afaka manomana tsara kokoa ny tenantsika amin’ny fanambadiana ho avy izay haharitra mandrakizay amin’ny alalan’ny fahatokiana ny Ray any An-danitra sy ny Zanakalahiny ary ny fianarana hanaraka Azy Ireo amin’ny fontsika manontolo.

  • Inona no ianaranao mikasika ny Ray any An-danitra rehefa fantatrao fa tiany haharitra mandrakizay ny fanambadiana?

Ampiasao ny sasany amin’ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto mba hitadiavana fahamarinana fanampiny izay manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana mety anananao na ananan’ny hafa mikasika ny fanambadiana. Saintsaino ny fomba hanampian’ny fahalalanao ny drafitry ny famonjena amin’ny famaliana ny fanontaniana sasany. Miomàna hizara izay zavatra nianaranao.

  • Lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany na horonan-tsarin’ny Fiangonana izay mampianatra mikasika ny fanambadiana (karohy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ao amin’ny fanoroana ireo lohahevitry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany araka ny abidia ao amin’ny Liahona)

  • Olona akaiky ny fo azo itokisana izay sambatra am-panambadiana ary azonao resahina mandritra ny lesona

Teny ao amin’ny fizarana “Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” ao amin’ny lesona

2. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny fahamarinana fanampiny roa farafahakeliny izay hitanao sy ireo fanontaniana mety ho voavalin’ireo fahamarinana ireo.

Mianatra avy amin’ny ohatra tsara

I Paoly dia nilaza ny fitiavan’ny Mpamonjy ny Fiangonana ho ohatra amin’ny fitiavana tokony hisy ao anatin’ny fanambadiana. Vakio ny Efesiana 5:25 , ary alaivo sary an-tsaina ny mety ho endriky ny fanambadiana raha toa ka mifampiahy ny mpivady tahaka ny fomba iahian’ny Mpamonjy ny mpikamban’ny Fiangonany.

Ny fifantohana amin’ny ohatra asehon’ ireo olona manana fanambadiana marina dia afaka manamafy orina ny finoantsika fa Andriamanitra dia hanome izany fitahiana izany ho an’ireo rehetra izay mikatsaka izany amim-pahatokiana, eny fa na dia mila miandry aorian’ny fiainany an-tany aza ny sasany mba hahazoany izany fitahiana izany.

Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary “Les bénédictions éternelles du marriage” (6:23-8:40:), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ka tadiavo ny fifaliana azo avy amin’ny fanambadiana feno fitiavana sy marina.

Sary
A bicycle wheel photographed against a white background.
  • Iza no ohatra naneho fanorenana fanambadiana sambatra sy marina ho anao? Inona avy ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay nanampy azy ireo hanatsara ny fanambadiana ananany?

  • Nahoana no zava-dehibe ho anao ny miomana ankehitriny ho amin’ ny fanambadianao amin’ny ho avy?

Saintsaino ny zavatra nianaranao tao amin’ity lesona ity mikasika ny anjara asan’ny fanambadiana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra sy ny zavatra tsapanao rehefa miandrandra ny hoavinao ianao.

  • Inona no hataonao ankehitriny mba hiomanana amin’ny fanambadiana mandrakizay?

  • Inona no azonao atao hahazoana fanampiana avy amin’ny Mpamonjy mba hiomananao?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no mitranga amin’ireo olona mahatoky izay tsy manana fahafahana hanao fanambadiana mandrakizay eto amin’ity fiainana ity?

Nilaza ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Ny sasany aminareo dia tsy afaka mahazo ireo fitahiana avy amin’ny fanambadiana noho ny antony maro ka tafiditra ao anatin’izany ny tsy fisian’ny olona mendrika azo vadina, ny fironana any amin’ny samy lahy na ny samy vavy, ny fahasembanana ara-batana na ara-tsaina, na fahatahorana tsy fahombiazana tsotra fotsiny izay manarona ny finoana amin’izao fotoana izao. …

… Mijoro ho vavolombelona amim-pahatokiana isika fa efa noraisin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy an-tanana mialoha ary amin’ny farany honerany daholo ny fihafiana sy ny famoizan-javatra rehetra nozakain’ireo izay mitodika any Aminy. Tsy misy na iza na iza voafidy mialoha mba hahazo kely kokoa noho ny zavatra rehetra omen’ny Ray ny zanany.

(D. Todd Christofferson, “Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana,” Liahona, mey 2015, 52)

Inona no nampianarin’ny Tompo momba ny famadihana ho ara-dalàna ny fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia manaja ireo lalàna ao amin’ny tany sy ny firenena isika …, tafiditra ao anatin’izany ny fanambadiana ara-panjakana. Ny marina anefa dia ny hoe … efa tendrin’ Andriamanitrahatrany am-boalohany ny fanambadiana! Ary hatramin’izao dia nofaritany ho fiarahan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray izany. Tsy nanova ny famaritany ny fanambadiana Andriamanitra.

(Russell M. Nelson, “The Love and Laws of God” [Fampaherezam-panahy an’ny Brigham Young University, 17 sept. 2019], speeches.byu.edu)

Inona no azoko atao ankehitriny mba hanampiana ahy hahita vady tsara amin’ny fotoana maha-mety izany?

Ny Filoha Tad R. Callister, Filohan’ny Sekoly Alahady Maneran-tany teo aloha, dia nizara fomba iray ahafahana mamaly io fanontaniana io tamin’ny zavatra nampianarin-dreniny azy fony izy 17 taona teo ho eo:

Sary
Brother Tad R. Callister, Sunday school General President. Official Portrait 2018.

Hoy izy hoe: “Mba mangataka ny Tompo hanampy anao hahita vady tsara ve ianao ry Tad?”

… Ka dia namaly aho hoe: “Tsia,” izay novaliany hoe: “Tokony hanao izany ianao anaka; izany no fahapahan-kevitra lehibe indrindra horaisinao.” Tafalatsaka lalina tao am-poko ireo teny ireo, ka noho izany aho, nanditra ny enin-taona manaraka, dia nivavaka mba hanampian’ Andriamanitra ahy hahita vady tsara. Ary eny, tena novaliany tokoa moa izany vavaka izany.

(Tad R. Callister, “Ray aman-dreny: mpampianatra voalohany ny filazantsara ho an’ny zanany,” Liahona, nôv. 2014, 33)

Matio 19:9 . Mety ve mety ny manambady indray aorian’ny fisaraham-panambadiana?

Hoy ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Brother Tad R. Callister, Sunday school General President. Official Portrait 2018.

Ilay karazana fanambadiana takina hahazoana ny fisandratana—mandrakizay raha ny faharetany ary araka an’ Andriamanitra raha ny toetrany—dia tsy mieritreritra momba ny fisaraham-panambadiana. … [Saingy] noho ny “hamafin’ny fon[tsika]” [ Matio 19:8 ], dia tsy mampihatra ireo vokatry ny fitsipika selestialy ny Tompo amin’izao fotoana izao. Mamela ny olona nisara-panambadiana hanambady indray Izy ka tsy voapentipentin’ny tsy fahadiovam-pitondrantena voalaza ao amin’ny lalàna ambony.

(Dallin H. Oaks, “Divorce,” Ensign na Liahona, May 2007, 70)

Ahoana no ahafahan’ny finoako ny Mpamonjy manampy ahy rehefa mitady namana mandrakizay aho?

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Minoa fa ny finoanao dia misy ifandraisany amin’ny fiainam-pitiavana satria tena izay tokoa no izy. Toy ny mampananontanon-doza ihany ny fampisarahanao ny fifankafantarana bebe kokoa aman’olona amin’ny maha-mpianatra. Na, raha lazaina amin’ny fomba tsara kokoa, dia i Jesoa Kristy, ilay Fahazavan’izao tontolo izao, no hany jiro ahafahanao mahita amim-pahombiazana ny lalan’ny fitiavana sy ny fahasambarana ho anao sy ho an’ilay olon-tianao.

(Jeffery R. Holland, “How Do I Love Thee?” [Fampaherezam-panahy an’ny Brigham Young University, 15 feb. 2000], speeches.byu.edu)