Seminera
Matio 20:1–16


Matio 20:1–16

Ilay fanoharana momba ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka

Sary
Men and women working in a vineyard picking grapes. Outtakes include the Lord of the vineyard, hiring workers to work in the vineyard, people picking grapes, being paid for their labors and also some pictures of the surrounding countryside/landscape and people working on the film

Nanontany i Petera hoe: “Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay?” (Matio 19:27). Namaly izany ny Mpamonjy tamin’ny fanomezana ilay fanoharana momba ireo mpiasa tao amin’ny tanimboaloboka. Ity fanoharana ity dia mampianatra fa ireo rehetra izay misafidy ny hanokana ny fiainany ho Azy dia hahazo ilay valisoa nampanantenaina, na oviana na oviana izy ireo no nanomboka nandeha teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa fanantenana fa handray ireo fitahiana atolotr’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany ianao.

Alaivo sary an-tsaina ity rafi-tantara manaraka ity:

Vao haingana i Marisol no lasa mpikamban’ny Fiangonana niaraka tamin’ny reniny sy ny ray aman-drenibeny. Tsy ela taorian’izay dia nodimandry ny raibeny. Manontany tena i Marisol raha toa ka hahazo fitahiana mitovy amin’izay ho azony ny raibeny, na dia efa tatỳ aoriana aza izy vao nanaiky ny filazantsara.

  • Inona no holazainao amin’i Marisol?

Nampianatra ny Apôstôliny fanoharana iray ny Mpamonjy izay mampiseho ny fiahiany ireo rehetra izay misafidy ny hanaraka Azy. Katsaho ny fitaoman’ny Fanahy Masina mandritra ity lesona ity rehefa mitady ireo fahamarinana izay hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny zavatra irin’ny Mpamonjy ho antsika ianao.

Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka

Rehefa mandalina ity fanoharana ity ianao dia manampy ny fahafantarana fa ny andro fiasana mahazatra tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao dia teo ho eo amin’ny adiny 12 teo, manomboka vao maraina ary mifarana amin’ny hariva. Ny teny hoe denaria ao amin’ireo andininy ireo entina ilazana ilay vola madinika romana izay mazàna nampiasaina handoavana ny karaman’ny mpiasa iray tamin’ny asa iray andro tontolo nataony.

Vakio ny Matio 20:1–7 , dia tadiavo ny fomba nanakaraman’ny tompon’ny tanimboaloboka ireo mpiasa.Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka” manomboka eo amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny faha-1:33, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Tamin’ ny fotoanandron’ ny Mpamonjy, ny lehilahy iray nanana fari-piainana antonony sy ny fianakaviany tamin’ ny ankapobeny dia tsy afaka nanao inona firy afa-tsy ny miaina amin’ izay azony iny andro iny. Raha toa ianao ka tsy miasa na miompy na manjono na mivarotra dia tena tsy hihinana ianao.

(Jeffrey R. Holland, “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka,” Liahona, mey 2012, 31)

  • Araka ny hevitrao dia maneho an’iza avy ny tompon’ny tanimboaloboka sy ny mpiasa?

  • Toy ny ahoana araka ny eritreritrao izany hoe raha isan’ireo mpiasa nokaramaina voalohany hiasa mandritra ny tontolo andro izany?

  • Inona araka ny eritreritrao no zavatra neritreretin’ireo mpiasa sy ny zavatra tsapany teo am-piandrasana ny hokaramaina rehefa nandroso ny fotoana?

Vakio ny Matio 20:8–16 , dia tadiavo ny fomba nifaranan’ilay andro ho an’ireo mpiasa rehetra.Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka” manomboka eo amin’ny minitra faha-1:34 ka hatramin’ny faha-3:00, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Mety hanampy ny fahafantarana fa ny hoe nokaramain’ny tompon’ny tanimboaloboka ao amin’ity fanoharana ity dia afaka maneho ny fidirana ao amin’ny fanekempihavanana miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny karama dia afaka maneho ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ho tsapanao mikasika ny tompon’ny tanimboaloboka raha toa ianao ka isan’ireo nokaramaina voalohany? Isan’ireo nokaramaina farany?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny tompon’ny tanimboaloboka fitiavana sy fiahiana ny mpiasa rehetra?

  • Rehefa takatrao fa afaka maneho ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy ny tompon’ny tanimboaloboka, dia inona ireo toetran’ Andriamanitra hitanao ao aminy?

  • Inona avy ireo lesona azontsika ianarana avy amin’io fanoharana io?

Ny famindrampon’ny Tompo

Ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nizara fahamarinana manan-danja azontsika ianarana mikasika ny Tompo avy amin’io fanoharana io. Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary “Ireo mpiasa ao amin’ ny tanimboaloboka,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny minitra faha-10:02 ka hatramin’ny faha-11:42 na vakio ity lahatsoratra manaraka ity.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no tanjon’ny fiasana ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Ny valisoa homen’ny Mpampianatra mandritra ny Fitsarana Farany dia tsy hiankina amin’ny faharetan’ny fotoana efa niasantsika tao amin’ny tanimboaloboka. Tsy ny firaketana ny fotoana efa niasantsika no hahazoantsika ny valisoantsika avy any an-danitra. Ny tena manan-danja dia ny hoe ny niasantsika tao amin’ny toeram-piasan’ny Tompo dia nahatonga antsika ho lasa manana ny maha-izy azy. Ho an’ny sasantsasany amintsika dia mitaky fotoana lavalava kokoa noho ny an’ny hafa izany. Ny tena zava-dehibe dia ny hoe lasa toy ny ahoana isika noho ny asantsika.

(Dallin H. Oaks, “The Challenge to Become,” Ensign, Nôv. 2000, 34)

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Mijoro ho vavolombelona aho mikasika ny herin’ ny fitiavan’ Andriamanitra izay manavao sy ny fahagagana avy amin’ ny fahasoavany. Izay finoana ho azonareo amin’ ny farany no zava-dehibe Aminy, fa tsy izay ora hahazoanareo izany.

Noho izany raha efa nanao fanekempihavanana ianareo dia tandremo izany. Raha mbola tsy nanao izany ianao dia mandehana manao izany. Raha efa nanao izany ianao ary nandika azy ireo dia mibebaha ary amboary izy ireny. Tsy hisy mihitsy izany hoe tara loatra izany raha toa ka mbola miteny ny Tompon’ ny tanimboaloboka hoe misy ny fotoana. … Aza ahemotra izany. Efa hariva ny andro.

(Jeffrey R. Holland, “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka,” Liahona, mey 2012, 33)