Ny episkôpà
Fanomezana trano fiangonana sy toeram-pitsaohana hafa


“Fanomezana trano fiangonana sy toeram-pitsaohana hafa,” Fanomezana trano fiangonana sy toeram-pitsaohana hafa (2021)

“Fanomezana trano fiangonana sy toeram-pitsaohana hafa,” Fanomezana trano fiangonana sy toeram-pitsaohana hafa

Fanomezana trano fiangonana sy toeram-pitsaohana hafa

Ireo fitsipika arahina

Rehefa misy ny fandinihana toerana vaovao iray hananganana trano fiangonana, dia tokony hampihatra ireto fitsipika arahina ireto ireo mpitarika sy mpiasa ao amin’ny Fiangonana:

  1. Fizakan-tena—Miezaka isika mba hanohana ny fivoaran’ny Fiangonana izay hitohy maharitra. Tokony hanana tanjona mba ho lasa mizaka tena ara-nofo ny faritra tsirairay an’ny Fiangonana.

  2. Fanamorana ny fahazoana ny zavatra ilaina—Ataontsika izay hahamora ny fahazoan’ny rehetra ireo fampianaran’ny filazantsara sy ireo loharanom-pitaovana ary ireo fanolorana fanampiana. Tokony hanampy ireo faritra tsy mbola afaka mizaka tena ireo faritra efa matanjaka.

  3. Fitantanan-draharaha feno fahamalinana—Mpitantan-draharaha malina an’ireo fitaovana masina isika. Dinihintsika ny ho fiantraikan’ireo fanapahan-kevitra eo amin’ny fiainana andavanandron’ireo mpikambana sy eo amin’ny fahafahan’ny Fiangonana mitondra ny anjarany.

Miezaka mampihatra ireo fitsipika hazavaina ao amin’ny tahirin-kevitra Principles and Guidelines for Meetinghouse Planning (Ireo fitsipika sy torolalana momba ny fanaovana drafitra momba ny trano fiangonana) ireo mpitarika ao amin’ny Vondromparitra sy ireo mpitarika eo an-toerana mialoha ny hangatahana toerana fanampiny.

Ny fitoviam-pitantanana sy ny fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy

Ny trano fivoriana rehetra dia tokony hanana endrika izay manohana ny fahafahana mitsaoka sy ireo fandaharan’asan’ny Fiangonana. Tafiditra ao anatin’izany ny toerana ho an’ny fivoriambe, sy ho an’ny fampianarana ary ho an’ireo fiaraha-mientana. Ny toe-javatra misy eo an-toerana, tafiditra ao anatin’izany ny haben’ny rantsana sy ireo mpitarika, dia mety hitaky fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy rehefa manolotra trano fiangonana.

Ny toerana iray hivoriana dia mety ho tranon’ny mpikambana anankiray, sekoly iray na tranom-pokonolona iray eo an-toerana, na toerana hofaina mandritra ny fotoana maharitra, na toerana naorin’ny Fiangonana na novidin’ny Fiangonana, na zavatra hafa. Ny tsirairay avy amin’izy ireo dia mety ho vahaolana maharitra ho an’ireo rantsana na manao ahoana na manao ahoana ny habeny, araka izay ankatoavin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Mety manamora ny fampifanarahana toy izany ny fampiasana teknôlôjia, toy ny fitaovana fampitana sary sy feo.

Fanolorana toerana arakaraka izay zavatra ilaina

Miezaka mampivelatra amim-pahendrena ny fampiasana ireo trano fiangonana ireo mpitarika eo anivon’ny Vondromparitra sy eo an-toerana mialoha ny hangatahana toerana fanampiny. Tsy tokony hisy ny fanolorana toerana raha tsy aorian’ny fandinihana ny tarehimarika ambony indrindra tamin’ny fanatrehana ny fivoriam-piangonana na ny isan’ireo rantsana mampiasa ilay trano, ary koa ireo loharanom-panampiana any ivelan’ireo faritry ny sampana na ny tsatòka ao anatin’ilay fotoana lany hanaovana ny dia atao izay nofaritan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Ireo mpiasan’ny Fiangonana ao amin’ilay faritra, miara-miasa amin’ireo mpitarika eo an-toerana, no hangataka ny mba hampitomboana faran’izay azo atao ny fampiasana ireo loharanom-pitaovan’ny Fiangonana, tsy miankina amin’ireo faritra iadidian’ny tsatòka.

Zavatra tsotra mifanaraka amin’ny enti-manana

Ireo mpitarika eo anivon’ny Vondromparitra sy eo an-toerana dia mikaroka vahaolana mifono fitsitsiana izay araka ny tokony ho izy sy maharitra ela mahakasika ny filana trano fiangonana. Ny toerana vaovao dia tokony haneho ilay endriky ny fanehoana fanajana sy voninahitra, fahatsorana, ary mifanaraka amin’ny firafitra sy ny endriky ny tontolo manodidina azy. Tokony hampiasa koa ireo zavatra sy fitaovana ary fanaka misy eo an-toerana izany raha mety. Ny dingana arahina amin’ny fanomezana sy fampandehanana ny trano fiangonana dia tokony hanampy eo amin’ny fampatanjahana ny fizakan-tenan’ny Fiangonana eo amin’ilay faritra.

Fisorohana ny fifandroritana tombontsoa

Ireo mpitarika sy ireo mpikambana eo an-toerana dia tsy tokony hitady fifampiraharahana ara-barotra mahakasika ireo fananan’ny Fiangonana. Ohatra, tsy mahazo manao fifampiraharahana mba hivarotana na hanofana mandritra ny fotoana maharitra trano na tany izy ireo na hanao fifanarahana izay manery ny hampiasana ny kitapom-bola faoben’ny Fiangonana. Ireo tranga maningana dia tsy maintsy mahazo fankatoavana voasoratra nataon’ny biraon’ny vondromparitra na ny Departemanta misahana ny tany sy ny trano an’ny Fiangonana.

Drafitra faobe momba ny trano fiangonana

Mba hanamafisana orina ireo mpikamban’ny Fiangonana, dia manomana drafitra faobe maharitra momba ny trano fiangonana ireo vondromparitra. Ireo drafitra ireo dia ahitana fanapahan-kevitra mba hanampy toerana ho an’ny trano fiangonana na hanajanona izany fanampiana toerana izany. Ny drafitra faobe maharitra momba ny trano fiangonana dia manohana ny drafitry ny vondromparitra mba hanamafy orina ny fianakaviana sy ny mpikambana ary ireo rantsana amin’ny alalan’ny fanomezana trano fiangonana amin’ny fomba tsotra sy mora. Tanterahina izany amin’ny alalan’ny fampiasana amim-pahendrena ireo loharanom-pitaovana, sy ny fandinihana ny fiantraikan’ireo fanapahan-kevitra raisina eo amin’ny fanamafisana orina ny mpikamban’ny Fiangonana ary ny fanolorana toerana izay mifanaraka amin’ny toe-javatra misy eo an-toerana.

Eo ambany fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra, ny Fitopololahin’ny Vondromparitra, ny talen’ny raharaha ara-nofo ary ireo mpiara-miasa eo anivon’ny vondromparitra, dia mamelabelatra fanolorana fanorenana trano amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, sy miara-miasa amin’izy ireo mba hamahana ireo olana, ary mamorona sosokevitra farany mikasika ilay trano fiangonana mba ho ampidirina ao amin’ilay drafitra faobe. Azo tanterahina mandritra ny fivorian’ny filankevitra fandrindrana izany miaraka amin’ireo filohan’ny tsatòka voatendry hiandraikitra izany. Ny fiadidian’ny tsatòka dia mety mila manome fampahalalana ny Fiadidian’ny Vondromparitra, izay hanampy ny talen’ny raharaha ara-nofo eo amin’ny famolavolana sy fanavaozana ilay drafitra faobe.

Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa dia tokony hamaky ilay boky kely Meetinghouse Master Planning Guidelines (Torolalana momba ny drafitra faobe mahakasika ny trano fiangonana) ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana.

Famatsiam-bola ho an’ny trano fiangonana

Ny toerana hanaovana trano fiangonana dia vatsina vola amin’ny alalan’ny drafitra isan-taona mikasika ny trano fiangonana. Alefan’ireo Fiadidian’ny Vondromparitra any amin’ny Kômity misahana ny tetibola sy ny fanolorana vatsim-bola ny drafitr’izy ireo isan-taona amin’ny alalan’ny Episkôpà Mpiahy.

Fanombantombanana ny filana toerana vaovao hitsaohana

Anisan’ireo lafin-javatra izay misy fiantraikany eo amin’ny fandrafetana ny fahazoana trano fiangonana sy toeram-pitsaohana hafa any aoriana ny mombamomba ireo rantsan’ny Fiangonana fahita mahazatra ao amin’ilay faritra; ny tahan’ny fivoarana sy ireo endriky ny fivoarana taloha; ny fitomboana kasaina hotratrarina; ny fizarana ireo rantsana efa voaomana; ary ny haben’ny trano efa ampiasaina sy ny toerana misy izany ary ny habetsak’ireo zavatra tanterahina ao anatin’izany.

Safidy azo atao mba hahazoana toerana fanampiny

Mandinika safidy azo atao maro ny biraon’ny vondromparitra mba hamantarana ny fomba tena tsara hamaliana ilay filana toeram-pitsaohana bebe kokoa. Ireo safidy azo atao ireo dia ahitana fanovana ireo fandaharan’asan’ny rantsana eo an-toerana, ny fifampizarana toerana amin’ireo rantsana hafa an’ny Fiangonana, ny famerenana manamboatra ilay toerana efa ampiasaina, ny fanorenan-javatra fanampiny eo amin’ilay toerana efa ampiasaina, fanofana toerana, fividianana ilay trano efa ampiasaina na fanorenana trano fiangonana vaovao.

Fanoloran-tany aman-trano maimaim-poana

Mifidifidy ihany ny Fiangonana eo amin’izay fanoloran-tany aman-trano maimaim-poana tokony ho ekena. Raha misy olona te hanao fanoloran-tany aman-trano maimaim-poana ho an’ny Fiangonana dia mifandray amin’ny biraon’ny vondromparitra ireo mpitarika ny Fiangonana eo an-toerana. Ho an’ireo any Etazonia na Kanadà, dia antsoy ny Sampan-draharaha misahana ny tany sy trano ao amin’ny Departemanta misahana ny tany sy ny trano an’ny Fiangonana amin’ny laharan-tariby 1-801-240-5685 na 1-800-453-3860.

Tsy manaiky na manome rosia manamarina ilay tany aman-trano natolotra maimaim-poana ireo mpitarika eo an-toerana. Ny fanoloran-tany aman-trano maimaim-poana sy ny fandraisana tany aman-trano lova izay tolotra nataon’olona dia tokony hatolotra tsy misy fepetra tsy maintsy raha ny mikasika ny fampiasana azy.

Drafitra ara-haisoritranon’ny trano fiangonana manaraka ny fenitra

Nanomana drafitra ara-haisoritranon’ny trano fiangonana manaraka ny fenitra ireo mpiasan’ny Fiangonana eo anivon’ny vondromparitra mba hifanaraka amin’ireo toe-javatra misy eo an-toerana sy ireo zavatra ilaina eo an-toerana. Rehefa misy trano fiangonana iray tokony haorina, dia misy drafitra manaraka ny fenitra ho an’izany izay fantenina. Io drafitra io dia ahitana ireo fitsipika arahina mikasika ireo efitrano sy ny endrikendriny ary ireo fitaovana izay hampidirina ao anatin’ireo toeram-pitsaohana ireo.

Famolavolana tetikasa fanorenana trano fiangonana

Rehefa feno daholo ireo fepetra ahafahana manorina trano fiangonana vaovao ary nahazo fankatoavana sy nampidirana ao anatin’ny drafitra isan-taona, ary nahazo famatsiam-bola sy daty hanombohana sy hamitana ny tetikasa fanorenana natolotra iray dia miditra ao anatin’ilay dingan’ny famolavolana tetikasa ilay tetikasa fanorenana trano fiangonana.

Amin’ny fotoana mahamety azy mandritra ilay famolavolana ny tetikasa, ilay mpitantana tetikasa izay avy nifandinika tamin’ireo mpitantana ny tany sy ny trano, dia mihaona amin’ny fiadidian’ny tsatòka mba hijery sy hisafidy amin’ireo karazana endri-trano atolotra ao anatin’ireo drafitra manaraka ny fenitra. Azo resahina koa ilay safidy mba hanatanteraka lanonana fangadiana fototra. Omen’ny mpitantana ny tany sy ny trano tsy tapaka ny fiadidian’ny tsatòka mandritra ny dingan’ny famolavolana ny tetikasa.

Tetikasa fanorenana

Rehefa vita ilay dingana famolavolana tetikasa dia atolotra an’izay orinasa na olona hiandraikitra izany ilay fifanarahana fanamboarana trano. Manatanteraka fivoriana mialoha ny fanorenana miaraka amin’ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka sy ilay mpiantoka ny fanorenana ilay mpitantana ny tetikasa miaraka amin’ny fanampian’ireo mpitantana ny tany sy ny trano. Ireo izay manatrika ilay fivoriana dia mamerina mamantatra ny anjara asan’izy ireo tsirairay avy, sy mamarana ny fifidianana ny endri-trano sy ireo fanaka sy entana araka ilay drafitra manaraka ny fenitra ho an’ilay faritra eo an-toerana ary mamerina mandinika ny fotoana hanombohana sy hamitana ilay tetikasa.

Fanolorana ny trano fiangonana

Rehefa tontosa ilay tetikasa, dia “atolotr’ilay” mpitantana ny tetikasa amin’ny fomba ôfisialy an’ilay mpitantana ny tany sy ny trano ilay trano na ilay trano fanampiny. Manao drafitra sy mandrindra ny fanadiovana lalina sy ireo dingan’ny fikojakojana ny mpitantana ny tany sy ny trano ary manatanteraka ireo asa hafa rehetra tokony hatao mba hanomanana ilay trano ho azo ampiasaina.

Manatanteraka fivoriana fanomezana torolalana sy fiarahana mitety ilay toerana ho an’ireo mpitarika eo an-toerana ilay mpitantana ny tany sy ny trano. Manome ireo toromarika voalohany mikasika ireo karazan-javatra mandrafitra ilay trano an’ireo tompon’andraikitra misahana ny trano fiangonana eo anivon’ny tsatòka sy paroasy izy. Omeny an’ireo mpitarika eo an-toerana ireo fanalahidy ary resahiny ny mikasika ny fandaharam-potoana hanaovana fanadiovana sy ny fandraisan’ny mpikambana anjara.

Fanofana toerana atao trano fiangonana mandritra ny fotoana maharitra

Mikasika ny fanofana mandritra ny fotoana maharitra trano fiangonana vaovao dia mifandinika amin’ny mpitantana ny fandaminana ny drafitr’asa momba ny trano fiangonana eo anivon’ny vondromparitra ireo mpitarika eo an-toerana mba hahafantarana ireo fepetra hahafahana manatanteraka izany. Aloa avy amin’ny tetibola ampiasain’ny vondrona mitantana ny tany sy ny trano ny hofan-trano.

Mahakasika ny fanavaozana ireo fanofana trano mandritra ny fotoana maharitra dia mifandinika amin’ny mpitantana ny tany sy ny trano ireo mpitarika eo an-toerana, izay hanamora ny fangatahana. Azo hofaina mandritra ny fotoana fohy ny trano iray raha toa ka tsy afaka mandray paroasy ireo trano fiangonana efa ampiasaina mandritra ny fanavaozana trano fiangonana iray.

Ny biraon’ny vondromparitra no manao ny fifampiraharahana mikasika ireo fepetra mandrafitra ireo fifanarahana fanofana trano mandritra ny fotoana maharitra rehetra.

Fanofana toerana iray mandritra ny fotoana fohy

Azo atao ny manofa trano mandritra ny fotoana fohy izay aloan’ny Fiangonana ny hofany rehefa tsy afaka mandray fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka ny toerana efa eo, toy ny fihaonamben’ny tsatòka sy ny fihaonamben’ny faritra, na ny takariva amorom-patana, na ny fanatanjahan-tena atao anaty trano na hetsika ifangaroan’ny kolontsaina maro. Tokony hodinihina ireo vahaolana hafa, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanatanterahana fotoam-pivoriana maro na ny fampiasana ny teknôlôjia (toy ny fampitana mivantana), mialoha ny hanofana toerana iray mandritra ny fotoana fohy.

Raha lasa ilaina ny fanofana toerana iray mandritra ny fotoana fohy, dia mifandinika amin’ny mpitantana ny tany sy ny trano ireo mpitarika eo an-toerana mba handrindrana izay fifanarahana ilaina atao. Alefan’ny mpitantana ny tany sy ny trano any amin’ny biraon’ny vondromparitra avy eo ilay fifanarahana sy ilay taratasy “Fangatahana fanofana toerana mandritra ny fotoana fohy”. Tokony halefa mialoha lavitra an’ilay fotoana ilana toerana ireo fangatahana. Rehefa arahina ireo dingana ireo dia aloa avy amin’ny kitapom-bola faoben’ny Fiangonana ny hofan-trano.

Ny hofan’ireo toerana hanatanterahana hetsika ara-panatanjahan-tena ankalamanjana dia aloan’ilay rantsana eo an-toerana.

Lanonana fangadiana fototra

Rehefa nahazoana fankatoavana ny fananganana trano fiangonana vaovao, dia afaka manome lalana mba hanatanteraka lanonana fangadiana fototra ho fiomanana ho amin’ny fanorenana ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Tsy azo atao ny alahady izany lanonana izany. Mifampidinika amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra mba hahazoana torolalana ny filohan’ny tsatòka voakasik’izany.

Fanokanana trano fiangonana

Ny fankatoavana farany ho an’ny fanokanana dia omen’ny Fiadidian’ny Vondromparitra, ka mifandrindra amin’ny talen’ny raharaha ara-nofo izy ireo amin’izany. Miara-miasa amin’ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna ny Fiadidian’ny Vondromparitra, ary manendry izay ho tompon’andraikitra amin’ny fanokanana ilay trano.

Ny fandaharam-potoana mandritra ny fanokanana dia tokony hifanaraka amin’ny tanjon’ilay hetsika. Tsy tokony ho lava loatra izany ary tsy tokony hahitana fanolorana hira lava be. Tokony homena fotoana ampy ilay mpitarika voatendry mba handraisana fitenenana sy hanokanana ilay trano.

Aorian’ny vavaka fanokanana, dia tokony hisy hira na feonkira voafantina, ary vavaka fohy hamaranana ny fotoana.

Ny vavaka fanokanana trano dia azo raisina feo mba horaketina raha nahazoana lalana avy amin’ny manampahefana mpiahy.

Ireo trano fiangonana hofaina dia azo atokana raha voahaja ireto fepetra rehetra manaraka ireto:

  1. Ny Fiangonana irery ihany no mampiasa ny toerana nofaina rehetra, ankoatra ireo faritra tsy maintsy hitambarana amin’olon-kafa (toy ny fidirana, ny lalan-tsara, ary ny toeram-pivoahana).

  2. Mihoatra ny herintaona ilay fanofana.

  3. Manome fankatoavana ny hanokanana ilay trano fiangonana nofaina ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

Raha voahaja ireo fepetra ireo ary atokana ilay trano fiangonana, dia tsy maintsy tafiditra ao anatin’ny tonon’ny vavaka ny hoe atokana “mandritra ny fotoana hanofana” azy ilay trano fiangonana.