Ankizy sy Zatovo
Tanjona


“Vina,” Torolalana fampahafantarana ho an’ny ankizy sy ny zatovon’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2019)

“Vina,” Torolalana fampahafantarana ho an’ny ankizy sy ny zatovon’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Tanjona

Sary
Jesoa Kristy

Hanamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy ary hanampy anao sy ny fianakavianao handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana eo am-piatrehanareo ireo fahasarotana amin’ny fiainana.

Mikatsaka fanambarana

Sary
zazavavy mivavaka

Azonao ianarana amin’ny tenanao, amin’izao fotoana izao, amin’izao taonanao izao, ny fomba fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana. Ary tsy hisy zavatra hafa hitondra fiovana goavana kokoa amin’ny fiainanao mihoatra izany!

Filoha Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely,” Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona, 2018, fanampin’ny New Era sy ny Ensign, 2, ChurchofJesusChrist.org

Mampiasa ny fahafahana misafidy

Sary
zatovo mandeha eo akaikin’ny tempoly

Ny faniriana no milaza izay tokony ho laharam-pahamehantsika, ny laharam-pahamehana no mamolavola ny safidintsika ary ny safidy no mamaritra ny zavatra ataontsika. Ireo faniriana izay asehontsika amin’ny asa no mamaritra ireo fiovana misy eo amintsika, ireo tanjona tratrantsika ary ny iafarantsika.

—Filoha Dallin H. Oaks, “Ny faniriana,” Liahona, mey 2011, 42

Manorina fifandraisana

Sary
olona miresaka

Isika rehetra dia mila namana hitia antsika, hihaino antsika, sy hanoro lalana antsika, ary hijoro ho vavolombelona amintsika momba ny fahamarinana mba hahatonga antsika hihazona ny Fanahy Masina miaraka amintsika. Tokony ho namana tsara toy izany ianao.

—Filoha Henry B. Eyring, “True Friends,” Ensign, May 2002, 29