Ankizy sy Zatovo
Manaraka ny Mpamonjy amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao


“Manaraka ny Mpamonjy amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao,” Torolalana fampahafantarana ho an’ny ankizy sy ny zatovon’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2019)

“Manaraka ny Mpamonjy amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao,” Torolalana fampahafantarana ho an’ny ankizy sy ny zatovon’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Manaraka ny Mpamonjy amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao

Sary
ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-tsaina, ara-batana

Tian’ny Ray any An-danitra hianatra sy hivoatra ianao. Nandefa an’i Jesoa Kristy Zanany Izy mba ho ohatra tonga lafatra ho antsika rehetra amin’ny fomba rehetra. Mampianatra ny soratra masina fa nandritra ny naha-zatovo azy i Jesoa dia “nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona” (Lioka 2:52).

Nitombo tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny fiainany i Jesoa Kristy:ara-panahy (nandroso fitia tamin’ Andriamanitra), ara-piarahamonina (nandroso fitia tamin’ny olona), ara-batana (ny tenany), ary ara-tsaina (saina), ianao koa dia afaka ny ho toy izany!

Inona sahady no efa ataonao amin’ireo lafiny ireo? Eritrereto izay tianao hatsaraina na tianao hatomboka.

Soraty na ataovy sary ao anatin’ireto efajoro manaraka ireto ny hevitrao:

Ara-panahy

Ara-piarahamonina

Ara-batana

Ara-tsaina