Ankizy sy Zatovo
Mandrosoa hatrany


“Mirosoa hatrany,” Torolalana fampahafantarana ho an’ny ankizy sy ny zatovon’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2019)

“Mirosoa hatrany,” Torolalana fampahafantarana ho an’ny ankizy sy ny zatovon’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Mandrosoa hatrany

Hahazo fanampiana ianao amin’ireo ezaka ataonao hanaraka an’i Kristy rehefa mitombo amin’ireo lafiny efatra ireo amin’ny alalan’ny fianarana ny filazantsara, ny asa fanompoana sy ireo fiaraha-mientana, ary ny fivoaran’ny tena manokana.

Fianarana ny filazantsara

Ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano sy any am-piangonana dia manome fototra ara-panahy ho anao eo amin’ny zavatra rehetra amin’ny fiainanao. Rehefa mampihatra ny zavatra nohalalininao ianao dia hahita fomba ahafahanao manaraka manokana an’i Jesoa Kristy, na miaraka amin’ny fianakavianao, na miaraka amin’ny kôlejy na kilasy misy anao.

Sary
olona iray mamaky soratra masina

Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

Rehefa mandray anjara amin’ny asa fanompoana sy fiaraha-mientana ianao dia afaka mahita fahafinaretana miaraka amin’ny fianakavianao sy ireo namanao ary ireo mpitarika anao sady mianatra fahaiza-manao, sy miaina traikefa vaovao ary manompo ny hafa. Afaka manompo ihany koa ianao amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy masina. Mifototra amin’ny Lioka 2:52 ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana ary izany dia ahitana fiaraha-mientana atao an-davanandro ary koa fiaraha-mientana maharitra andro maromaro toy ny lasy sy ny dia mankany amin’ny tempoly ary ny Ry Tanora Mahereza (RTM) sy ireo fihaonamben’ ny zatovo.

Sary
zatovo manao asa fanompoana

Fivoaran’ny tena manokana

Afaka manaraka an’i Jesoa Kristy ianao amin’ny fivoaranao manokana eo am-pikatsahanao fanambarana momba ny fomba hitomboanao amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao. Safidio izay ataonao sy izay ahafahanao mahazo fanampiana avy amin’ny fianakaviana sy ireo namana ary ireo mpitarika.

Sary
vehivavy iray sy lehilahy iray miara-mihazakazaka