“Tempoly,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Tempoly
Voatahy isika rehefa mitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo
Eritrereto ireo toerana tsara indrindra sy feno filaminana efa nalehanao. Inona no tianao momba azy ireo? Nahatsapànao inona izany? Rehefa afaka mitsidika na miditra ao amin’ny tempolin’ny Tompo isika dia afaka mahatsapa fiadanana ihany koa. Saingy tsy izany no tena antony maha-manan-danja azy amintsika. Ireo tempoly dia tsy tahaka ny toerana hafa eto an-tany satria tranon’ny Tompo izy ireo. Afaka manao fanekempihavanana isika ao anatin’ny tempoly mba hanakaiky Azy sy hiomanana amin’ny fiainana mandrakizay.
Hoy ny Filoha Jeffrey R. Holland hoe: “Tiantsika sy ankamamiantsika ireo tempoly natokana ho antsika sy ireo ôrdônansy manan-danja sy manandratra izay tanterahina any. Misaotra ny lanitra isika fa betsaka tokoa amin’izy ireo no miorina, ka manome antsika tsirairay avy fahafahana bebe kokoa. Ny tempolin’ny Tompo no tena trano masina indrindra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”
Inona no atao hoe Tempoly?
Ny tempoly dia tena tranon’ny Tompo ara-bakiteny mihitsy. Ao amin’ireo trano masina ireo, ireo mpikamban’ny Fiangonana mendrika dia mandray anjara amin’ireo ôrdônansy masina ary manao fanekempihavanana amin’ny Tompo. Ohatra, ny ôrdônansin’ny famehezana dia mamela antsika hiaraka amin’ny fianakaviantsika mandrakizay raha toa ka mitandrina ny fanekempihavanantsika isika. Afaka mandray ôrdônansy ho an’ireo razambe izay efa nodimandry ihany koa isika any amin’ny tempoly. Mamangy ny tempoliny ny Tompo, ary anisan’ireo toerana masina indrindra eto an-tany izy ireo.
Topimaso momba ny lohahevitra: Tempoly
Torolalana ho an’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fanekempihavanana sy ôrdônansy, ôrdônansin’ny fanafiana masina sy famehezana, fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, ôrdônansy hisoloana tena ny maty
Fizarana 1
Nandidy ny vahoakany Andriamanitra mba hanorina tempoly
Nandidy ny vahoaka lalandava Andriamanitra mba hanorina tempoly. Ny tempolin’ny Fiangonana ankehitriny dia manana fitoviana maro amin’ireo tempoly ao amin’ny soratra masina fahiny ary hita any amin’ny firenena maro manerana izao tontolo izao. Tsy mitovy amin’ireo trano fivorian’ny Fiangonana izy ireo, amin’ny maha toerana hanaovantsika fanekempihavanana manokana sy handraisantsika anjara amin’ireo ôrdônansy masina azy ireo. Afaka manatanteraka ôrdônansy amin’ny alalan’ny fisoloan-tena ho an’ireo razambeny efa nodimandry sy ireo olona hafa izay tsy nanana fahafahana handray azy ireo teto amin’ity fiainana ity ihany koa ireo mpikamban’ny Fiangonana ao anatin’ireo tempoly masina. Avy eo dia afaka misafidy ny hanaiky ireo ôrdônansy ireo sy handray ny famonjena sy ny fisandratana ny maty.
Ny zavatra rehetra ao an-tranon’ny Tompo dia mampianatra antsika momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ary ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra. Ny tempoly dia toerana ahafahantsika manakaiky an’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany. Toerana masina natokana ho an’ny fitsaohana sy ny fampianarana izy ireo. Afaka mahatsapa ny Fanahin’ Andriamanitra sy ny fitiavany isika any amin’ny tempoly.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Ny Tempolin’i Kirtland no tempoly voalohany naorin’ireo Olomasin’ny andro farany. Nitaky fahafoizan-tena maro izany, saingy nampanantenaina fitahiana maro ihany koa ireo Olomasina noho ny fanaovana ireo fahafoizan-tena ireo. Vakio ireo fampanantenana ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8–16. Avy eo dia azonao atao ny mamaky momba ny sasany amin’ireo zavatra niainana ara-panahy niainan’ireo Olomasina tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110 sy ao amin’ny toko 21 an’ny Olomasina: Ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao, boky 1, The Standard of Truth, 1815–1846 (2018), 232–43. Ahoana no nahatsapanao ny fanatrehan’ny Tompo tao amin’ny tranony masina? Inona avy ireo fitahiana hafa azonao noho ny fananganana tempoly amin’izao androntsika izao? Azonao atao ihany koa ny misaintsaina ireo fahafoizan-tena azonao atao mba hahazoana fitahiana avy amin’ny Tompo ao an-tranony.
-
Na dia tsy misy tempoly roa tena mitovy aza, ny tempoly tsirairay kosa dia samy manana efitra manan-danja handraisana fampianarana, fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy masina, ary fanaovana fanekempihavanana. Afaka mianatra misimisy kokoa momba ny tanjon’ireo efitrano ireo ianao amin’ny alalan’ny famakiana ilay lahatsoratra fohy hoe “Inside Temples” (ChurchofJesusChrist.org). Inona no ianaranao avy amin’ilay lahatsoratra izay mitaona anao hitsaoka any amin’ny tempoly na hanao izany matetika kokoa?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Raha azonareo atao dia miaraha mandeha any amin’ny tempoly akaiky iray. Angamba afaka mandehandeha mangina manodidina ny tokontanin’ny tempoly ianareo. Na azonareo atao ny mijery ny sarin’ny tempoly. Rehefa manao izany ianao dia vakio na hirao mora ny tonon’ny “Mahita ny tempoly no tiako.” Avy eo dia mifampizara izay eritreritra na fahatsapana anananao momba ny tempoly. Azonareo atao ny mifanakalo hevitra amin’ny vondrona iray hoe nahoana ianao no mahatsapa fa nandidy antsika hanangana tempoly amin’izao androntsika izao ny Tompo. Amin’ny fomba ahoana no hitahiana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny fanorenana tempoly maro kokoa?
Hianatra misimisy kokoa
-
Eksodosy 26–27; 40; 2 Tantara 5; 2 Nefia 5:16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119; 95:8–17; 124:38–42
-
“Why Latter-day Saints Build Temples,” ChurchofJesusChrist.org
-
“Welcome to the House of the Lord” (horonan-tsary), youtube.com
-
Ireo lohahevitry ny tantaran’ny Fiangonana, “Fananganana Tempoly,” Médiathèque de l’Évangile
-
Lohahevitra mikasika ny tantaran’ny Fiangonana, “Fanokanana tempoly sy vavaka fanokanana tempoly,” Médiathèque de l’Évangile
Fizarana 2
Mahazo hery sy fitarihana ara-panahy isika ao amin’ny tranon’ny Tompo
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny tempoly dia toeran’ny fanambarana. Aseho anao ao ny fomba hivoarana mankany amin’ny fiainana selestialy. Hampanatonina ny Mpamonjy ianao ao ary omena fahafahana lehibe kokoa hahazo ny heriny. Rehefa ao ianao dia tarihina amin’ny famahana ireo olana eo amin’ny fiainanao, na dia ireo olana maha very hevitra anao indrindra aza.” Afaka mahita fanampiana sy hery ara-panahy ianao any amin’ny tempoly. Afaka mahita fampiononana sy hery handrosoana hatrany ianao mandritra ireo olana sy fitsapana.
Afaka mampitombo ny fahafahanao mandray fanampiana sy fitarihana ara-panahy ao amin’ny tranon’ny Tompo ianao rehefa manomana ny tenanao sy mikatsaka ny hanana “tanana madio sy fo mahitsy” (Salamo 24:4). Ao anatin’izany toerana malalaka sy masina sy natokana izany dia matetika mora kokoa ny mahatsapa ho akaiky Azy sy mandre ny bitsiky ny Fanahiny.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Mety manana fanontaniana manan-danja na olana sarotra angamba ianao. Moa ve ianao efa nandinika ny hanokana fotoana any amin’ny tempoly mba hikatsahana ny fitarihan’ny Tompo? Eritrereto ny fomba mety hanampian’ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly anao hahazo fahazavana momba ny fanontanianao na ny fanamby atrehanao. Raha tsy manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ianao dia angamba azonao atao ny mandehandeha manodidina ny tokotanin’ny tempoly ary mandany fotoana amin’ny vavaka sy fisaintsainana ao. Hevero ny hirakitra izany fitaomam-panahy voarainao.
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ry rahalahy sy anabavy malalako, enga anie ianareo hifantoka amin’ny tempoly amin’ny fomba izay tsy mbola nataonareo hatrizay. Mitsodrano anareo aho mba hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy isan’andro.” Mba hahatakarana ny dikan’ny hoe mifantoka amin’ny tempoly dia azonao atao ny miresaka momba ireo fitaovana izay manampy antsika hampifantoka ny fahitantsika. Azonao atao ny mifandimby mijery amin’ny alalan’ny solomaso,na masolavitra, na teleskaopy (na mijery ny sarin’ny iray amin’ireo zavatra ireo). Avy eo dia resaho ny fomba azonao hampitomboana ny fifantohanao amin’ny tempoly amin’ny fomba izay tsy mbola nataonao teo aloha. Azonao atao ihany koa ny misaintsaina sy mirakitra ireo fitahiana azonao rehefa mifantoka amin’ny tempoly ianao mandritra ny volana maromaro manaraka.
Hianatra misimisy kokoa
-
Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 93–96
-
Dale G. Renlund, “Mahazo ny herin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana,” Liahona, mey 2023, 35–37
Fizarana 3
Manasa ny olon-drehetra ho any amin’ny tempoly ny Tompo
Tian’ny Tompo ho tonga ao amin’ny tranony masina ny olona rehetra ary hanao fanekempihavanana Aminy. Saingy tiany hiomana aloha isika. Fantany fa ny fanaovana ireo fanekempihavanana ireo alohan’ny hahavonona antsika dia tena hametra ny fahafahantsika migoka ireo fitahian’ny tempoly. Izany no antony nametrahany fenitry ny fiomanana ara-panahy amin’ny fidirana ao amin’ny tempoly—fenitra izay asainy hiainan’ny rehetra mba hahafahan’ny rehetra mandray ireo fitahiana avy Aminy.
Mba hidirana ny tempoly dia mila fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ianao, izay azonao raisina aorian’ny tafa sy dinika miaraka amin’ireo mpitarika anao ao amin’ny fisoronana. Ny fitarihana nentanim-panahy avy amin’izy ireo dia manampy anao hahafantatra ny fomba hiomanana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Ny fahazoan-dalanao hidirana ny tempoly dia famantarana ara-batana ny fiomananao manokana hiditra ny tranon’ny Tompo. Famantarana ny hoe miezaka mankatò ny didin’ Andriamanitra ianao. Midika izany fa ianao sy ny Tompo ary ireo solontenany dia “manome fahazoan-dalana” anao mba hiditra ao amin’ny tranon’ny Tompo.
Avy eo raha vantany vao nandray ny fanafiana masina sy ireo ôrdônansin’ny tempoly hafa ianao dia aza mijanona eo! Miomàna hiverina any amin’ny tranon’ny Tompo ary hianatra misimisy kokoa. Nampianatra ny rahavavy Silvia H. Allred hoe, “Isika rehetra dia mahazo toromarika mitovy, saingy ny fahatakarantsika ny dikan’ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana dia hitombo rehefa miverina matetika any amin’ny tempoly isika miaraka amin’ny toe-tsaina te hianatra sy te handinika ireo fahamarinana mandrakizay izay ampianarina.”
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Mieritrereta zavatra manan-danja iray izay tsy maintsy niomananao, toy ny fitsapam-pahaizana tany an-tsekoly, na tafa sy dinika tamin’ny asa, na lesona iray tany am-piangonana. Ahoana no niomananao ho amin’izany? Inona no mety ho nitranga raha toa ka tsy niomana ianao? Avy eo dia saintsaino ny antony ilantsika miomana hiditra ny tranon’ny Tompo. Azonao vakina ny Eksodosy 40:7–15 ary mieritreritra ny zavatra nataon’i Aharôna sy ireo zanany lahy mba hiomanana hiditra ny tabernakely. Azonao atao ihany koa ny mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15–16 ary misaintsaina ny dikan’ny hoe madio am-po aminao. Eritrereto raha toa ka misy fomba mety hiezahanao madio am-po sy vonona ara-panahy bebe kokoa hitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo.
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty dia namangy olona tany Amerika Izy. Ny toerana voalohany nisehoany dia tao amin’ny tempolin’i Bountiful. Vakio ny 3 Nefia 11:1–10, ary resaho araky ny eritreritrao ny antony nisafidianan’ny Tompo ny hiseho tamin’ireo olona izay nandehanany. Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Zava-dehibe ny nisafidianan’ny Mpamonjy hiseho amin’ireo olona tao amin’ny tempoly. Tranony izany. … Mampanantena aho fa ny fandaniana fotoana bebe kokoa any amin’ny tempoly dia hitahy ny fiainanareo amin’ny fomba izay tsy ho vitan’ny zavatra hafa.” Resaho ny antony tian’ny Tompo handehanantsika ihany koa any amin’ny tempoly. Raha toa ka tany amin’ny tempoly ianao dia eritrereto ireo fitahiana noraisinao noho ny fankanesanao tany. Raha tsy misy ny tempoly akaiky anao na tsy afaka mitsaoka any amin’ny tempoly amin’izao fotoana izao noho ny antony hafa, dia afaka miresaka momba ireo fomba ahafahan’ny tempoly ho lasa ampahany manan-danja eo amin’ny fiainanao, toy ny fisaintsainana tsy tapaka ireo fitahiana azontsika avy amin’ny fitsaohana any amin’ny tempoly na ny fahatsiarovana ireo fanekempihavanan’ny tempoly.
-
Afaka mahita ireo fanontaniana apetraka mandritra ny tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana ianao ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022), pejy 36–37. Mba hifanampiana hahatakatra ireo fenitry ny Tompo amin’ny fidirana ny tempoly dia azonao atao ny maka ny iray amin’ireo fanontaniana hohalalinina. Azonao ampiasaina ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina sy ireo fitaovana hafa an’ny Fiangonana mba hianarana misimisy kokoa momba ny lohahevitra momba ilay fanontaniana. Manontania tena hoe: Nahoana no ampahany manan-danja amin’ny fiomanana ho amin’ny tempoly izany? Avy eo dia hifapizarao ny zavatra nianaranao.
Hianatra misimisy kokoa
-
Salamo 122:1; Isaia 2:2–3
-
Ronald A. Rasband, “Mendrika ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2020, 22–25
-
Se préparer à aller au temple,” ChurchofJesusChrist.org
-
“Preparing to Enter the Holy Temple,” Médiathèque de l’Évangile