“Fahamarinana,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Fahamarinana
Ny fahalalana izay mitondra antsika hiverina any amin’ Andriamanitra
Feno fomba fijery sy hevitra samy hafa ny tontolontsika. Sarotra indraindray ny mamantatra hoe iza na inona no inoana. Hoy ny Loholona Dieter F. Uchtdorf fony izy nanompo tao amin’ny Fiadidiana Voalohany: “Tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao nahafahantsika niditra mora kokoa amina fampahalalana misimisy kokoa toy ny amin’izao—ny sasany amin’izany dia marina, ny sasany diso ary betsaka amin’izany no marina amin’ny ampahany. Noho izany dia tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ny naha-zava-dehibe kokoa ny fianarana ny fomba fanavahana marina ny marina sy diso noho ny amin’izao.” Afaka manavaka ny marina sy ny tsy marina isika amin’ny alalan’ny fikatsahana loharano azo antoka sy ny fianteherana amin’ny fitarihan’ny Fanahy.
Inona no atao hoe fahamarinana?
Ny soratra masina dia mamaritra ny fahamarinana ho ny “fahalalana ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy ary araka ny haha-izy azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24). Ampitahaina amin’ny fahazavana sy ny fanambarana avy any an-danitra ny fahamarinana ao amin’ny soratra masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:45; 88:66–67; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahamarinana,” Médiathèque de l’Évangile). Andriamanitra mihitsy no loharanon’ny fahamarinana mandrakizay. Ny fahamarinana masina dia nambara amin’izao androntsika izao tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpaminanin’ny andro farany hafa. Ireo fahamarinana hita ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tena ilaina mba hanomanana antsika ho amin’ny famonjena sy ny fisandratana (jereo ny 2 Nefia 31:19–21; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:10–12).
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Conversion, Learning and Teaching the Gospel of Jesus Christ
Fizarana 1
Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana maharitra mandrakizay
Andriamanitra Ray “[dia] feno fahasoavana sy fahamarinana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:12). Hoy i Jesoa Kristy: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Manambara ny fahamarinana Izy—matetika amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina sy amin’ny alalan’ireo mpaminany—ary tsy afaka mandainga (jereo ny Jakôba 4:13; Etera 3:12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38).
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia ahitana ny fahafenoan’ny fahamarinana masina izay nambara amin’izao androntsika izao. Ny fahamarinana masina dia tsy miova sy mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:39; 88:66).
Manasa antsika Andriamanitra hianatra ireo fahamarinana masina momba an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany ary ny sorona fanavotany. Ireto ny sasantsasany amin’ireo fahamarinana manan-danja indrindra izay nambara: (jereo ny 2 Nefia 2:6–7; 31:15, 21; 3 Nefia 21:6).
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Tsy mitovy daholo ny lanjan’ny fahamarinana rehetra. Namaritra ireo fahamarinana manan-danja indrindra ao amin’ny filazantsara ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ireo fitsipika fototry ny fivavahantsika dia ny fijoroan’ireo Apôstôly sy Mpaminany vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy, fa maty Izy ka nalevina ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo ary niakatra ho any an-danitra; ary ny zavatra hafa mikasika ny fivavahantsika dia tovana napetaka amin’izany.” Afaka manao sarina hazo maniry ianao dia manoratra hoe “Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy” eo amin’ny vatan-kazo. Avy eo dia azonao soratana eo amin’ireo sampana na “tovany” ireo fahamarinana hafa izay fantatrao fa teraka avy amin’io fahamarinana fototra io. Inona no mety hitranga raha toa ireo fahamarinana hafa ireo ka tafasaraka amin’io fahamarinana fototra io? Nahoana ny tenivavolombelon’ireo mpaminany sy apôstôly momba an’i Jesoa sy ny Fitsanganany tamin’ny maty no tena manan-danja amin’ny finoantsika ireo fahamarinana hafa? Saintsaino ny fomba ahafahanao manamafy orina ny finoanao ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty, ary eritrereto ny fomba ahafahan’izany mamelona ny finoanao ireo fahamarinana hafa ao amin’ny filazantsara.
-
Tian’ Andriamanitra hianatra fahamarinana masina ny zanany rehetra. Ao amin’ny fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny dia nampianatra izao ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Amin’ny maha-Apôstôlin’i [Kristy] anay no anasanay ny rehetra hahafantatra, tahaka ny ahafantaranay, fa misokatra ny lanitra. Ambaranay fa ampahafantarin’ Andriamanitra ny sitrapony, ho an’ireo zanakalahy sy zanakavavy malalany. Mijoro ho vavolombelona izahay fa ireo izay mandalina ombam-bavaka ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny sy manao asa amim-pinoana dia ho voatahy amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona an’ny tenan’izy ireo manokana momba ny maha-avy amin’ Andriamanitra izany sy ny tanjon’izany, dia ny manomana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjintsika Fanindroany izay efa nampanantenaina.” Azonao atao ny mikaroka ao amin’ny Fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny ireo fahamarinana izay manan-danja aminao. Avy eo dia saintsaino hoe nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra ny fahamarinana tsirairay avy ary inona no mety ho akon’izany eo amin’ny safidy ataonao.
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Miaraha mamaky ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ity:
“Tsy araka ny fiahiahian’ny olona sasany fa tena misy izany hoe marina sy diso izany. Tena misy ilay fahamarinana tanteraka, dia ny fahamarinana mandrakizay izany. Isan’ireo zava-doza amin’izao androntsika izao ny hoe vitsy loatra ny olona mahafantatra izay tokony haleha mba hahitana ny fahamarinana [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12]. …
“Mahery vaika ny fotopampianarana madion’i Kristy. Izany dia manova ny fiainan’ny olona tsirairay izay mahatakatra izany sy mikatsaka ny hampihatra izany eo amin’ny fiainany.”
Afaka miara-miasa ianareo mba hanao lisitra ireo fahamarinana tsy azo ovaina na mandrakizay (toy ny hoe: “Andriamanitra no Raintsika any An-danitra”) sy ireo fahamarinana tsy maharitra (toy ny hoe “Mena ny lobaka anaovako” na hoe “avy ny orana ao ivelany ao”). Nahoana no zava-dehibe ny mamantatra ny maha-samy hafa ny fahamarinana mandrakizay sy ireo fahamarinana tsy maharitra? Azonareo atao ihany koa ny miresaka momba ny toerana “tokony haleha[nareo] mba hahitana ny fahamarinana,” indrindra fa izay ahitana ny fahamarinana mandrakizay.
Hianatra misimisy kokoa
-
Almà 12:9–11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:57–59
-
Russell M. Nelson, “Inona no marina?,” Liahona, nôv. 2022, 29–30
-
“God’s Words Never Cease” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Evangile
-
“O, toi vérité,” Cantiques, no. 175
Fizarana 2
Tian’ Andriamanitra isika hianatra sy hizara fahamarinana masina
Tian’ny Raintsika any An-danitra hahafantatra sy hino ireo fahamarinana masin’ny filazantsara isika. Avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fahatakarantsika ny fahamarinana mandrakizay. Mitarika antsika mankany amin’ny fahamarinana ny Fanahy Masina (jereo ny 1 Korintiana 2:9–10, 14; Môrônia 10:4–5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:44–47). Rehefa misafidy ny hanao zavatra mifototra amin’ny fahamarinana azontsika isika dia afaka mandray fahamarinana bebe kokoa avy amin’ Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 28:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:26–28).
Tian’ Andriamanitra ihany koa ireo izay manana ny fahamarinana mba hizara izany amin’ny hafa (jereo ny Enôsa 1:26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:47; 75:3–5). Ireo ray aman-dreny, ohatra, dia nomena torohevitra mba hitaiza ny zanany amin’ny fahazavana sy fahamarinana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40, 42). Ary azontsika atao koa ny mizara ny filazantsara amin’ireo olona maro izay tsy mahita ny fahamarinana satria tsy fantatr’izy ireo izay ahitana izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12).
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Nampianatra ny Loholona John C. Pingree Jr. hoe:
“Manambara fahamarinana mandrakizay amin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina dia manamafy amintsika manokana ireo fahamarinana ireo. Tokony hikatsaka sy hiomana ny handray ireo fahatsapana ara-panahy ireo isika rehefa tonga izany. Ho mora mandray kokoa ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy isika rehefa manetry tena, sy mivavaka amin-kitsim-po sy mandalina ny tenin’ Andriamanitra, ary mitandrina ny didiny.
“Rehefa hamafisin’ny Fanahy Masina amintsika ny fahamarinana manokana iray dia mihalalim-paka ny fahatakarantsika rehefa mampihatra izany fitsipika izany. Rehefa mandeha ny fotoana, rehefa miaina tsy tapaka ilay fitsipika isika dia mahazo fahalalana azo antoka momba izany fitsipika izany.”
Hevero ny hanoratra ny sasany amin’ireo fahamarinana nambaran’ Andriamanitra taminao tamin’ny alalan’ireo mpaminany. Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina nanamafy ireo fahamarinana ireo taminao? Ahoana no ahafahanao miomana amin’ny nahim-po kokoa handray fahatsapana ara-panahy momba ireo fahamarinana ara-potopampianarana? Ahoana no ahafahanao mampihatra ny fahalalana anananao momba ireo fahamarinana ireo?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Vakio ny 2 Nefia 28:26–30 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:11–13. Ifanakalozy hevitra ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo momba ny fianarana sy ny fandraisana fahamarinana avy amin’ Andriamanitra. Azonareo atao angamba ny miresaka momba ireo ohatra hafa amin’ny zavatra izay mitranga na mitombo “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” na “etsy kely ary eroa kely.” Inona no ambaran’ireo ohatra ireo momba ny fampitomboana ny fahalalantsika ny fahamarinana? Vakio avy eo ity torohevitra nomen’ny Filoha Nelson ity: “miangavy anareo aho izao—mba handray an-tanana ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Miasà ho an’izany. Kolokoloy izany mba hitomboany. Fahano fahamarinana izany. Aza lotoina amin’ny filôzôfia sandoka ataon’ny lehilahy sy vehivavy tsy mino izany. Rehefa manao ny fanamafisana orina tsy tapaka ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy ho laharam-pahamehana ambony indrindra ianareo dia andrandrao ireo fahagagana hitranga eo amin’ny fiainanareo.” Ifampizarao ny fomba nitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona anananareo tamin’ny endrika “fahasoavana miampy fahasoavana” sy “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra.” Inona no tsapanareo fa dikan’ny hoe “handray an-tanana ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy”? Azonareo atao ny mamboly zavatra iray sy miara-mikolokolo izany ary mijery ny fanirian’izany. Avy eo ianareo dia afaka miresaka momba ny zavatra mampitovy ny fikolokoloana zavamaniry sy ny fikolokoloana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika sy ireo “voa” azontsika otazana avy amin’ny tsirairay avy amin’izy ireo.
Hianatra misimisy kokoa
-
Jaona 14:16–17, 26; 15:26; 16:13–14
-
Alexander Dushku, “Andrim-pahazavana sy tara-pahazavana,” Liahona, mey 2024, 14–16
-
Alan R. Walker, “Ilay hazavan’ny filazantsaran’ny fahamarinana sy fitiavana,” Liahona, mey 2021, 120–22
-
“Hanafaka anao ny fahamarinana,” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022), 30–33
Fizarana 3
Ny fikatsahana fahamarinana amin’ny alalan’ny fandalinana sy amin’ny alalan’ny finoana dia afaka mitarika antsika mba hahazo fiarovana ara-panahy
Manasa antsika ny Tompo mba “[hikatsaka] ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118). Izany dia midika, ho fanampin’ireo zavatra hafa, fa rehefa manana fanontaniana momba ny tantaran’ny Fiangonana sy ny fotopampianaran’ny Fiangonana ary ny fomba amam-panaony isika dia mandalina ireo loharano azo antoka sy mampihatra finoana sy fitokiana an’i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka valinteny. Mikatsaka ny hampiala ny fontsika amin’ny fahamarinana mandrakizay ny fahavalo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:10; 93:39). Ny fanekena ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra dia afaka manampy antsika handà ny ratsy sy hisoroka ny fahotana, ny fahadisoana ary ny fitaka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25; 93:37).
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Nahatsapa ho sahiran-tsaina i Joseph Smith, fony izy zatovolahy, rehefa nikatsaka ny valin’ireo fanontaniany ara-panahy. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:5–6, 10–13 mba hahafantarana ny fomba nanampian’ny Tompo azy. Nitondra azy ho amin’ny fiarovana ara-panahy tamin’ny fomba ahoana ny fikatsahany ny fahamarinana? Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith izay afaka manampy anao amin’ny fikarohanao ny fahamarinana?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fiarovana ara-panahy izay mety ho azo avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny fahamarinana dia azonareo atao ny miresaka momba ireo zavatra ataonareo mba ho voaro amin’ny loza, ny aretina, na ny loza voajanahary. Inona no holazaintsika amin’ny olona iray izay mihevitra fa tsy ilaina na tsy mendrika hanaovana ezaka ireo fitandremana ireo? Avy eo dia afaka miara-mamaky ireto tenin’ny Filoha Thomas S. Monson ireto ianareo: “Miaina ao anatin’ny fotoana tena sarotra sy feno haratsiana lehibe isika. Inona no hiaro antsika amin’ny fahotana sy ny faharatsiana izay tena miparitaka eto an-tany ankehitriny? Manambara aho fa ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny Filazantsarany dia hitarika antsika amin’ny toerana azo antoka. … Zava-dehibe ho anareo ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona anareo manokana amin’izao andro sarotra izao, satria ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny hafa dia tsy afaka ny hanampy anareo ho lasa lavitra.” Ifampizarao ny fomba niarovana anareo ara-panahy tamin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona anananareo manokana momba ny fahamarinana.
Hianatra misimisy kokoa
-
Lawrence E. Corbridge, “Mitoera eo amin’ny vatolampin’ny fanambarana,” Liahona, ôkt. 2020, 24–29
-
Lohahevitra sy fanontaniana, “Mampiasà loharanom-pahalalana azo antoka,” Médiathèque de l’Évangile