Tahirim-pitaovana
Fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy


“Fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy,” Lohahevitra sy Fanontaniana (2023)

vehivavy iray mijoro eo akaikin’ny rano

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy

Fiovam-po izay tonga avy amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy

Efa nahita bibin-dandy teny amin’ny zavaboary teny ve ianao? Makà iray minitra hieritreretana hoe tena mahagaga fa amin’ny alalan’ny herin’ny fiovana endrika, ilay olimpanjehy tsotra dia afaka ny hiova ho lolo tsara tarehy. Mitombo sy miova tsikelikely ilay olimpanjehy ka lasa zavatra vaovao tanteraka.

Ny fiovam-po dia manolotra izany karazana fiovana tena kanto izany ho antsika. Rehefa mampitodika ny fontsika amin’i Jesoa Kristy isika sy manao fanekempihavanana ny hitandrina ny didiny ary mikatsaka ny hanao ny sitrapony, dia miova ny fiainantsika. Lasa “olom-baovao” tsikelikely isika (2 Korintiana 5:17), manana toetra tahaka ny an’ Andriamanitra kokoa ary vonona kokoa handray ny fiainana mandrakizay.

Inona no atao hoe fiovam-po?

Ny fiovam-po dia dingana izay entin’i Jesoa Kristy hanampiana antsika mba hanova ny finoantsika sy ny fontsika ary ny fiainantsika ho tonga tahaka Azy sy ny Raintsika any An-danitra. Izany dia ahitana ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny batisa, ny fitandremana ny didy, ny fandraisana ilay fitaomana manamasin’ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany. Afaka miova sy mandresy ireo fitaoman-dratsin’izao tontolo izao isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fanarahana ny fitarihan’ny Fanahy. Io fiovana io dia mitondra fiadanana sy fifaliana ho antsika eto amin’ity fiainana ity ary fiainana mandrakizay any amin’ilay tontolo ho avy.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fiovam-po

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Finoana an’i Jesoa Kristy, Fibebahana, Faharetana hatramin’ny farany

Fizarana 1

Mety hitaky fotoana sy ezaka ary faharetana ny fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy

I Kristy miarahaba olona

Manasa antsika rehetra hanatona Azy i Jesoa Kristy. Rehefa manaraka ny Mpamonjy isika dia miova sy lasa mitovy kokoa Aminy. Ho an’ny olona maro, ny fiovam-po dia dingana mandeha tsikelikely fa tsy vokatry ny zava-nitranga mahery vaika na mahatalanjona iray monja. Mitaky fotoana sy ezaka isan’andro izany.

Mba hitrangan’ny fiovam-po dia mila mandray andraikitra eo anatrehan’ny finoana sy ny fahalalana izay raisintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika. Rehefa miova fo “amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy [isika] … dia miova ny fo[ntsika].” Mifanaraka amin’ny an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny faniriantsika. Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny fiovam-po tena marina dia mitondra fiovana eo amin’ny zavatra inoan’ny olona iray, sy ny fony, ary ny fiainany mba hanaiky sy hankatò ny sitrapon’ Andriamanitra. … Vokatry ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra izany miaraka amin’ny fibebahan’ny tena manokana sy ny fankatoavana ary ny fahavitrihana.”

Saingy ny hoe miova fo ho an’i Jesoa Kristy dia tsy midika fa tonga lafatra isika. Mbola manao fahadisoana avokoa isika rehetra eo amin’ilay lalan’ny fiovam-po. Saingy amin’ny alalan’ny finoana tsy tapaka an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana isan’andro, dia afaka mitombo ny fahafahantsika mahazo ny herin’i Jesoa Kristy ary afaka mampitombo ny fiovam-pontsika ho Azy amin’ny maha-mpianany antsika isika.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ireto andinin-tsoratra masina anankiroa momba ny Apôstôly Petera ireto: Matio 16:13–17 sy Lioka 22:31–32. Nahoana ny fiovam-po tanteraka ao amin’i Kristy no dingana manan-danja aorian’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba Azy? Inona avy ireo fitahiana azontsika amin’ny alalan’ny fiovam-po marina ho an’i Kristy?

  • Eritrereto ny fanasana atolotry ny Mpamonjy sy ny heriny mba hanampiana antsika hiova sy ho tonga tahaka Azy. Nampianatra ny Loholona Eduardo Gavarett hoe: “Manasa antsika ny Tompo amin’ny fampiasana matoanteny samihafa: –Mankanesa aty amiko–, –Manaraha Ahy–, –Miaraha-mandeha Amiko–. Ao amin’ireo toe-javatra tsirairay ireo dia tsy fanasana hiandry ny hohetsehina izany fa fanasana hihetsika. Miantefa amin’ny olona rehetra izany.” Eritrereto ny fomba hanasan’ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny fampianarany anao hiova. Azonao vakina ny Lioka 22:39–44; Jaona 6:51; Hebreo 5:9; 10:1–10; 2 Nefia 2:3–10; 9:5–24; ary ny Fanekem-pinoana 1:3 mba hahitana hevi-baovao. Eritrereto ny zavatra azonao atao anio na amin’ity herinandro ity mba hanehoana amin’ny Mpamonjy fa manaiky ny fanasany sy ny fanampiany mba hanova ny fiainanao ianao.

Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Azonao atao ny mijery horonan-tsary iray na mijery sarina biby iray izay mandalo fiovana endrika, toy ny tsiboboka izay mivadika ho sahona na ny olimpanjehy miova ho lolo. Resaho ny fiovana mahatalanjona andalovan’ireo biby ireo. Avy eo dia azonao atao ny mamaky ny zavatra nampianarin’ny Apôstôly Paoly momba ny fahatongavana ho “olom-baovao” ao amin’i Kristy (2 Korintiana 5:17). Inona no mampitovy ny fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy amin’ny fahatongavana ho olom-baovao? Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks fa “ireo olona izay miroso mankany amin’ilay fiovam-po ilaina dia manomboka mahita ireo zavatra amin’ny fomba fahitan’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany azy ireo. Mandre ny feony izy ireo fa tsy ny feon’izao tontolo izao, ary manao zavatra araka ny fombany fa tsy araka ny fomban’izao tontolo izao.” Nanao ahoana ny fivoaranao sy ny fiovanao rehefa nampifototra ny zavatra ataonao amin’ilay fiovam-ponao ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao? Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny eritreritrao ary koa ny fankasitrahanao ny fiovan’ny fiainanao.

  • Maro ireo tantara mahatalanjona momba ny fiovam-po ao amin’ny soratra masina. Azonao atao ny misafidy iray na maromaro amin’ireo tantara ireo sy ny mandalina na mijery azy ireo ary ny milalao an-tsehatra izany mihitsy aza angamba. Anisan’ny ao anatin’ireo ohatra ireo ny tantaran’i Rota (jereo ny Rota 1), i Enôsa (jereo ny Enôsa 1, na jereo ny horonan-tsary “Énos prie avec ferveur”), i Almà Zanany (jereo ny Môzià 27, na jereo ny horonan-tsary “Alma le Jeune est converti au Seigneur”), i Lamônia Mpanjaka (jereo ny Almà 17–19, na jereo ny horonan-tsary “Ammon sert et instruit le roi”). Ifanakalozy hevitra ny zavatra nianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’ilay olona ao amin’ilay tantara. Na dia dingana mandeha tsikelikely kokoa noho ny zava-nitranga teo amin’ireo olona ireo aza ny fiovam-po dia afaka mianatra zavatra maro avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo isika. Ahoana no fomba anatanjahan’ny zavatra niainan’izy ireo ny fanirianao manokana hanaraka ny fanasan’i Kristy mba hiova?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Zavatra atao mandritra ny androm-piainana ny fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy

fianakaviana mivavaka

Zavatra iray ny fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy sy ny fanolorantena hanaraka Azy. Zavatra iray hafa koa ny fihazonana izany fanolorantena izany mandritra ny fiainanao. Izao no fomba nilazan’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf izany: “Ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy dia tsy ny fanaovana ezaka indray mandeha isan-kerinandro, na indray mandeha isan’andro. Ezaka tokony hatao mandrakariva izany.”

Tsy midika anefa izany fa tsy maintsy miantehitra amin’ny herintsika manokana isika mba haharetana hatramin’ny farany. Andriamanitra dia manome antsika fanampiana eny an-dalana eny. Mitarika sy mampionona antsika amin’ny alalan’ny Fanahiny Izy, mampianatra antsika tsy tapaka amin’ny alalan’ireo mpaminaniny Izy, ary nandefa ny Zanany ho faty ho antsika Izy mba hahafahantsika mahazo hery amin’ny alalan’ny finoana Azy rehefa solafaka isika.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Inona no zavatra ilaina mba hijanonana ho miova fo lalina ao amin’ny filazantsara sy mba haharetana hatramin’ny farany? Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund hoe: “Izany dia midika hoe mihazona ny finoana an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fivavahana, ny fandalinana ny soratra masina, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro, ary ny fananana ny Fanahy Masina ho namantsika mandrakariva. Mila manampy sy manompo ny hafa amim-pahavitrihana isika ary mizara ny filazantsara amin’izy ireo. Mila mahitsy sy marin-toetra tanteraka amin’ny zava-drehetra isika. … Tsy maintsy mamantatra ireo fakam-panahy izay mora mahazo antsika isika ary mampanalavitra azy ireny, faran’izay lavitra tsy hahatratrarana izany.” Moa ve ianao mihazona ireo zavatra tsotra mahazatra fanao isan’andro sy isan-kerinandro izay hanampy anao hanohy amim-pinoana? Moa ve ianao mampanalavitra ny fakam-panahy? Manaova fandinihana ary soraty ireo lafin-javatra izay mety tianao hovaina eo amin’ny fiainanao mba hanampiana anao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ny Bokin’i Môrmôna dia mitantara tantara iray mahatalanjona momba ny vondron’olona iray antsoina hoe Antia-Nefia-Lehia izay “niova fo ho an’ny Tompo, [ary] tsy nihemotra na oviana na oviana” (Almà 23:6). Halalino ny Almà 23–25 ary manaova lisitra iray ahitana ny zavatra nianaranao momba io vondron’olona io. Ahoana no fomba nanampian’ny Mpamonjy azy ireo ho lasa tena matanjaka tokoa tao amin’ny finoan’izy ireo? Azonareo tsirairay avy atao avy eo ny manoratra zavatra iray eo amin’ny tapa-taratasy iray izay azonareo “[alevina] … lalina” (jereo ny Almà 24:16–17) ka hanampy anareo hijanona ho feno fanolorantena lalina amin’i Jesoa Kristy. Na afaka mandevina zavatra iray azo tsapain-tanana ianareo mba hanehoana ny fanolorantenanareo hijanona ho mahatoky.

  • Ny fiovam-po mandritra ny fiainana ho an’i Jesoa Kristy dia avy amin’ny fiainana ny filazantsarany isan’andro. Nizara fahazarana manan-danja maromaro izay miteraka fiovam-po maharitra ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson: “Mitranga ny fiovam-po marina rehefa manohy mandray andraikitra eo anatrehan’ireo fotopampianarana fantatrao fa marina ianao sy mitandrina ireo didy isan’andro ary mandavantaona. … Miseho ny fiovam-po rehefa mazoto mivavaka isika, mamaky ny soratra masintsika, sy miangona, ary mendrika ny handray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly. Tonga ny fiovam-po rehefa mandray andraikitra eo anatrehan’ireo fitsipika marina ianarantsika any an-tokantranontsika sy any amin’ny kilasy misy antsika isika.”

    Mba hanampiana anao hanohy eo amin’ny lalan’ny fiovam-po dia azonao atao ny manatanteraka ity fanamby ity ao anatin’ny vondrona iray: Isan’andro mandritra ny 30 andro, rehefa miatrika safidy ianao, dia manontania tena hoe, “Inona no tena ho ataon’ny Olomasin’ny Andro Farany iray niova fo marina?” Hevero ny hanao ny tenanao ho tompon’andraikitra amin’ny olona iray mba hanatanterahana io tanjona io. Rehefa vitanao ilay fanamby dia azonao atao ny mifanakalo hevitra momba ny zavatra niainanao ao anatin’ny vondrona. Ahoana no nanampian’ny Mpamonjy anao mba hiova rehefa niezaka nanao safidy nifanaraka tamin’ny fampianarany ianao?

Hianatra misimisy kokoa