Boky sy lesona
Sasinteny


Sasinteny

Boky Fandalinana sy Bokin’ny Mpampianatra

Ny Fitsipiky ny Filazantsara dia sady nosoratana mba ho boky fandalinan’ny tena manokana no ho bokin’ny mpampianatra. Rehefa mandalina azy ianao, sady mikatsaka ny Fanahin’ny Tompo, dia afaka mampitombo ny fahatakaranao sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’Andriamanitra Ray, sy i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ary ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Afaka mahita ireo valin’ny fanontaniana mikasika ny fiainana ianao sy mahazo toky momba ny tanjonao sy ny lanjan’ny tenanao ary miatrika amim-pinoana ireo fanambin’ny tena manokana sy ny an’ny fianakaviana.

Torolalalana ho an’ny fampianarana any am-piangonana sy any an-trano

Andraikitra lehibe ny maha-mpampianatra, izay ahitana fahafahana maro hankaherezana ny hafa sy hijerena fa “nofahanana tamin’ny teny soan’Andriamanitra izy ireo” (Môrônia 6:4). Hampianatra amim-pahombiazana ianao rehefa manaraka ireto fitsipika ireto:

  • Tiavo ireo izay ampianarinao.

  • Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy.

  • Ampianaro ny fotopampianarana.

  • Amporisiho ny olona hianatra amim-pahavitrihana.

Tiavo ireo izay ampianarinao

Rehefa mampiseho fitiavana an’ireo izay ampianarinao ianao dia lasa mihaino bebe kokoa ny Fanahin’ny Tompo izy ireo. Lasa mazoto bebe kokoa ny hianatra izy ireo ary misokatra bebe kokoa aminao sy amin’ny hafa. Miezaha hifankafantatra amin’izay ampianarinao ary ataovy fantany fa miray fo marina amin’izy ireo ianao. Fantaro tsara ny olan’ireo izay mila fanampiana manokana. Amboary ho toerana hahazoana aina tsara ny kilasinao mba ahafahan’ireo mpandray anjara hazoto hangataka fanampiana avy aminao momba ireo fanontaniana izay ananany mikasika ny fitsipiky ny filazantsara sy ny fomba hampiharana izany.

Hanatrika eo ny Fanahin’ny Tompo rehefa misy ny fitiavana sy ny firaisan-kina. Hoy ny Tompo hoe: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa” (Jaona 13:34).

Ho fampahalalana bebe kokoa momba io lohahevitra io, dia jereo ny Teaching, No Greater Call, pejy 31–39.

Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy

Ny zavatra tena manan-danja indrindra azonao ampianarina dia ny fotopampianaran’i Kristy izay nambara tamin’ny alalan’ny soratra masina sy ny mpaminany maoderina ary namafisin’ny Fanahy Masina. Mba hanaovana izany amim-pahombiazana dia tsy maintsy manana ny Fanahin’ny Tompo ianao. “Ary homena anareo ny Fanahy amin’ny fivavaky ny finoana,” hoy ny Tompo, “ary raha tsy mandray ny Fanahy ianareo dia tsy hampianatra” (F&F 42:14; jereo koa F&F 50:13–22). Ny Fanahy Masina no tena mpampianatra, noho izany dia zava-dehibe ny famoronana toerana izay ahafahan’ny Fanahin’ny Tompo manatrika eo.

Ho fampahalalana bebe kokoa momba io lohahevitra io, dia jereo ny Teaching, No Greater Call, pejy 41–48.

Ampianaro ny Fotopampianarana

Alohan’ny hampianaranao ilay toko iray dia halalino tsara izany mba hahazoana antoka fa takatrao ilay fotopampianarana. Halalino ihany koa ireo soratra masina fanampiny voatanisa any amin’ny faran’ilay toko. Rehefa nisy fiantraikany manokana teo aminao ny fampianarana tao amin’ilay toko dia hampianatra amin’ny fo sy amin-kery bebe kokoa ianao. Aza mamorona zavatra hafa velively momba ny fotopampiaran’ny Fiangonana. Izay zavatra tohanan’ny soratra masina sy ny tenin’ny mpaminany sy ny apôstôly amin’ny andro farany ary ny Fanahy Masina ihany no ampianaro (jereo F&F 42:12–14; 52:9).

Raha toa ianao ka nantsoina mba hampianatra ao amin’ny kôlejy na kilasy iray ka mila mampiasa ity boky ity, dia aza soloina boky hafa izany na dia mahaliana toy inona aza izany. Mifantoha amin’ny soratra masina sy ny teny ao anatin’ilay boky. Rehefa ilaina dia ampiasao ny zavatra niainan’ny tena manokana sy ny lahatsoratra avy amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana mba hanampiana ny lesona.

Ho fampahalalana bebe kokoa momba io lohahevitra io, dia jereo ny Teaching, No Greater Call, pejy 50–59.

Amporisiho ny Olona Hianatra Amim-pahavitrihana.

Rehefa mampianatra ianao dia ampio ny hafa hahita ny fomba fihatran’ny fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainana andavanandro. Amporisiho izy ireo hiresaka momba ny fomba fiantraikan’ireo fitsipika ireo eo amin’ny zavatra tsapantsika momba an’Andriamanitra sy momba ny tenantsika ary momba ny fianakaviantsika sy ireo mpifanolobodirindrina amintsika. Amporisiho ny mpandray anjara mba hiaina araka ny fitsipika.

Ataovy izay ampandraisana anjara olona faran’izay betsaka ao anatin’ny lesona. Afaka manao izany ianao amin’ny alalan’ny fanasanao azy ireo hamaky teny mafy na hamaly fanontaniana na hizara zavatra niainana, nefa aza mampanao azy izany ianao raha tsy efa azonao antoka fa tsy hahasanganehana azy izany. Afaka manome andraikitra manokana an’ireo mpandray anjara ianao rehefa manomana ny lesona. Fantaro tsara ny zavatra ilain’ny hafa sy ny zavatra tsapany. Mety mila miresaka manokana amin’ny olona ianao alohan’ny lesona iray ary manontany izay eritreriny raha ampandraisana anjara izy.

Ho fampahalalana bebe kokoa momba io lohahevitra io, dia jereo ny Teaching, No Greater Call, pejy 61–74.

Fanampiana Fanampiny ho an’ny Mpampianatra

Ny toko tsirairay ao amin’ity boky ity dia ahitana fanamarihana iray na roa ho an’ny mpampianatra. Izany fanamarihana izany dia ahitana hevitra izay afaka manampy anao amin’ny ezaka ataonao mba hitia ireo izay ampianarinao, sy hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy, sy hampianatra ny fotopampianarana ary hamporisika ireo izay ampianarinao mba hianatra amim-pahavitrihana.