Boky sy lesona
Toko 34: Mampivelatra ny Talentansika


Toko 34

Mampivelatra ny Talentansika

Sary
A male art student painting as he looks away at a model or object that he is painting.

Manana Talenta sy Fahaiza-manao Samihafa Isika Rehetra

Manana fanomezam-pahasoavana, talenta ary fahaiza-manao manokana nomen’ny Raintsika any An-danitra isika. Rehefa teraka isika dia nentintsika niaraka tamintsika ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta ary fahaiza-manao ireo (jereo ny toko 2 ao amin’ity boky ity).

Ny mpaminany Mosesy dia mpitarika lehibe, saingy nila ny rahalahiny Aharôna izy mba ho mpandaha-teny (jereo Eksodosy 4:14–16). Mpitarika toa an’i Mosesy na mpandaha-teny mahay toa an’i Aharôna ny sasany amintsika. Mahay mihira na milalao zava-maneno ny sasany amintsika. Mety havanana amin’ny fanatanjahantena na mahavita zavatra tsara amin’ny alalan’ny tanantsika kosa ny sasany amintsika. Ireo talenta hafa mety ananantsika dia ny fahatakarana ny zavatra tsapan’ny hafa, ny faharetana, ny fahamiranana, na ny fahaizana mampianatra ny hafa.

  • Inona no tombontsoa azonao avy tamin’ny talentan’ny hafa?

Tokony Hampiasa sy Hanatsara ny Talentantsika Isika

  • Ahoana no fomba hampivelarantsika ny talentantsika?

Manana andraikitra ny hampivelatra ny talenta nomena antsika isika. Mieritreritra isika indraindray fa tsy manana talenta maro na mieritreritra hoe manana fahaiza-manao betsaka kokoa noho izay ananantsika ny olona sasany. Tsy ampiasaintsika ny talentantsika indraindray satria matahotra sao tsy hahomby isika na hotsikerain’ny hafa. Tsy tokony hafenintsika ny talentantsika. Tokony hampiasaintsika izy ireny. Dia ho hitan’ny hafa ny asa soa ataontsika ary hankalazainy ny Raintsika any An-danitra (jereo Matio 5:16).

Misy zavatra vitsivitsy tokony hataontsika mba hampivelarana ny talentantsika. Voalohany, tokony hamantatra ny talentantsika isika. Tokony handinika ny tenantsika isika mba hahitana izay herintsika sy fahaiza-manaontsika. Afaka manampy antsika hanao izany ny fianakaviantsika sy ny namantsika. Tokony hangataka ny Raintsika any An-danitra koa isika mba hanampy antsika hahafantatra ny talentantsika.

Faharoa, tokony ho vonona ny hanokana fotoana sy hanao ezaka hampivelarana ny talenta izay katsahintsika isika.

Fahatelo, tokony hanana finoana isika fa hanampy antsika ny Raintsika any An-danitra ary tokony hanana finoana ny tenantsika isika.

Fahaefatra, tokony hianatra izay fahaiza-manao ilaintsika isika hampivelarana ny talentantsika. Afaka manao izany isika amin’ny alalan’ny fanarahana fampianarana iray, na fangatahana namana iray hampianatra antsika na famakiana boky iray.

Fahadimy, tokony hizatra hampiasa ny talentantsika isika. Mitaky ezaka sy asa ny fampivelarana ny talenta rehetra. Avy amin’ny ezaka hatao ihany no ahafahana mifehy tsara ny talenta iray.

Fahenina, tokony hozaraintsika amin’ny hafa ny talentantsika. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny talentantsika no hitomboany (jereo Matio 25:29).

Moramora kokoa ireo dingana arahana ireo raha mivavaka sy mikatsaka ny fanampian’ny Tompo isika. Tiany mba hampivelatra ny talentantsika isika ary hanampy antsika Izy.

Afaka Mampivelatra ny Talentantsika Isika na dia Eo Aza ny Fahalementsika

  • Ahoana no ahafahantsika mampivelatra ny talentantsika na dia eo aza ny fahalementsika?

Manana fahalemena isika satria mety maty ary olona lavo. Noho ny fanampian’ny Tompo dia azo resena ny fahalementsika sy ny maha-lavo antsika (jereo Etera 12:27, 37). Namorona ny mozikany tena tsara indrindra i Beethoven rehefa lasa narenina izy. Nandresy ny fiakanakanany teo amin’ny fitenenana i Enoka ary lasa mpampianatra nanana ny maha izy azy (jereo Mosesy 6:26–47).

Misy mpanao fanatanjahantena sasantsasany izay tsy maintsy nandresy ny fahasembanany talohan’ny nahazoany fahombiazana teo amin’ny fampivelarana ny talentany. Ohatra iray amin’izany i Shelly Mann. “Tamin’izy dimy taona dia tratran’ny aretina lefankozatra. … Nentin’ny ray aman-dreniny isan’andro tany amin’ny dobo filomanosana izy satria nanantena izy ireo fa mba hampihetsika ny tanany ilay rano noho izy miezaka ny mampiasa izany indray. Rehefa afaka namoaka ny tanany tao anaty rano tamin’ny herin’ny tenany manokana izy dia nihobim-pifaliana. Dia nanao tanjona ny hamita hilomano ny sakan’ilay dobo filamanosana izy ary avy eo hanao ny halavany, dia nanao imbetsaka ny halavany. Nanohy nanao ezaka sy nilomano ary nanohy ny fananana faharetana isan’andro isan’andro izy mandrapahazony ny medaly volamena [Ôlimpika] teo amin’ny lomano tsipisandry—iray amin’ireo karazan-domano tena sarotra indrindra” (Marvin J. Ashton, tao amin’ny Tatitry ny Fihaonambe, Apr. 1975, 127; na Ensign, Mey 1975, 86).

Nandresy ny fahalemeny maro i Heber J. Grant ary nanova izany ho lasa talenta. Izao teny izao no teny filamatra nananany: “Rehefa mikiry manao zavatra iray isika dia lasa mora kokoa ho antsika ny manao azy; tsy hoe miova akory ny endrik’ilay izy fa lasa nitombo ny herintsika hanaovana azy” (ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Eglise): Heber J. Grant [2002], 35).

Hitahy Antsika ny Tompo Rehefa Mampiasa Amim-pahendrena ny Talentantsika Isika

Hoy ny Filoha Joseph F. Smith hoe: “Nahazo anjara talenta ny zanakalahy sy ny zanakavin’Andriamanitra rehetra, ary samy ho tompon’andraikitra amin’izay fomba nampiasana izany ny tsirairay na araka ny tokony ho izy izany na ny mifanohitra amin’izany” (Gospel Doctrine, boky nivoaka faha-5 [1939], 370). Ny talenta dia karazana fitantanan-draharaha iray (andraikitra iray ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra). Ny fanoharana momba ny talenta dia milaza amintsika fa rehefa mahasahana tsara ny fitantanan-draharahantsika isika dia homena andraikitra lehibe kokoa. Raha tsy mahasahana tsara ny fitantanan-draharahantsika isika dia hoesorina amintsika izany amin’ny farany. (Jereo Matio 25:14–30.)

Lazaina koa isika ao amin’ny soratra masina fa hotsaraina araka ny asantsika (jereo Matio 16:27). Rehefa mampivelatra ny talentantsika sy mampiasa izany ho an’ny hafa isika dia manao asa tsara.

Faly ny Tompo rehefa mampiasa ny talentantsika amim-pahendrena isika. Hitahy antsika Izy raha mampiasa ny talentantsika ho tombontsoan’ny hafa sy hanorenana ny fanjakany eto an-tany isika. Ny sasany amin’ireo fitahiana azontsika dia fifaliana sy fitiavana avy amin’ny fanompoana ny rahalahintsika sy anabavintsika eto an-tany. Mianatra fifehezan-tena koa isika. Ilaina ireo zavatra rehetra ireo raha te ho mendrika ny hiaina miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra indray isika.

  • Manomeza ohatra vitsivitsy momba ireo olona izay lasa nampivelatra ny talentany satria nampiasainy tamim-pahendrena izany? (Eritrereto ireo olona fantatrao na olona ao amin’ny soratra masina na ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana.)

Soratra Masina Fanampiny