Boky sy lesona
Toko 15: Ny Vahoakan’ny Fanekempihavanan’ny Tompo


Toko 15

Ny Vahoakan’ny Fanekempihavanan’ny Tompo

Sary
The Old Testament prophet Abraham kneeling in prayer. Abraham is holding a staff in one hand and is looking toward the heavens as he prays. Sarah, the wife of Abraham, is depicted watching and with a look of humor on her face, from a tent portrayed in the background. Abraham and Sarah are depicted as elderly people.

Ny Votoatin’ny Fanekempihavanana

  • Inona no atao hoe fanekempihavanana? Nahoana no antsoina hoe vahoakan’ny fanekempihavanana ny Olomasin’ny Andro Farany?

Efa nanao fanekempihavanana tamin’ny zanany teto an-tany ny Tompo hatrany am-boalohany. Rehefa manao fanekempihavanana (na fampanantenana) Aminy ny vahoakany dia fantatr’izy ireo ny zavatra antenainy amin’izy ireo sy ny fitahiana izay mety ho azon’izy ireo avy Aminy. Afaka manatanteraka tsara kokoa ny Asany eto an-tany izy ireo. Ny vahoaka izay manao fanekempihavanana amin’ny Tompo ary izay anaovan’ny Tompo fanekempihavanana dia fantatra amin’ny hoe vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo. Ao anatin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo ny mpikamban’ny Fiangonana.

Ao anatin’ny filazantsara, ny dikan’ny hoe fanekempihavanana dia fifanekena masina na fampanantenana ifanaovan’Andriamanitra sy ny olona iray na vondron’olona iray. Rehefa manao fanekempihavanana, dia mampanantena fitahiana iray noho ny fankatoavana didy manokana Andriamanitra. Izy no mametraka ireo fepetran’ny fanekempihavanany ary ambarany amin’ny mpaminaniny izy ireo. Raha misafidy ny hankatò ny fepetran’ny fanekempihavanana isika, dia mahazo ireo fitahiana nampanantenaina. Raha misafidy ny tsy hankatò isika dia tsy omeny ireo fitahiana ary any amin’ny toejavatra sasany dia misy sazy omena koa.

Ohatra, rehefa miditra ho mpikamban’ny Fiangonana isika, dia manao fanekempihavanana maromaro amin’Andriamanitra (jereo ny toko 20 ao amin’ity boky ity). Manao fanekempihavanana amin’ny Mpamonjy isika amin’ny batisa mba hitondra eo amintsika ny anarany. Nampanantena Izy hoe: “izay rehetra mibebaka sy atao batisa amin’ny anarako, dia i Jesoa Kristy, ary maharitra hatramin’ny farany dia izy no hovonjena” (F&F 18:22). Manao fanekempihavanana amin’ny Tompo isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo (jereo ny toko 23 ao amin’ity boky ity). Mampanantena ny hitondra ny anarany eo amintsika isika ary hahatsiaro Azy sy hankatò ny didiny. Nampanantenaina isika fa hiaraka amintsika ny Fanahy Masina. (Jereo F&F 20:77–79.) Rehefa mandray ny ôrdônansin’ny tempoly isika, dia manao fanekempihavanana masina hafa ary ampanantenaina fa hahazo fisandratana raha mankatò amim-pahatokiana (jereo F&F 132; jereo koa ny toko 47 ao amin’ity boky ity).

Nanao fanekempihavanana manokana koa tamin’olona na tamin’ny vondron’olona manokana Andriamanitra. Nanao fanekempihavanana manokana tamin’i Adama, Enoka, Noa, ny zanak’i Isiraely ary i Lehia Izy (jereo Mosesy 6:31–36, 52; Genesisy 9:9–17; Eksodosy 19:5–6; 2 Nefia 1). Nanao fanekempihavanana manokana tamin’i Abrahama sy ny taranany Izy izay mitondra fitahiana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana sy ny firenena rehetra eto an-tany amin’izao fotoana izao.

  • Eritrereto ireo fanekempihavanana nataonao tamin’Andriamanitra sy ny fitahiana nampanantenainy anao raha mitandrina ireo fanekempihavanana ireo.

Ny Fanekempihavanana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy ny Taranany

  • Inona no atao hoe fanekempihavanan’i Abrahama?

I Abrahama, izay mpaminany iray ao amin’ny Testamenta Taloha, dia lehilahy tena marina tokoa (jereo ny sary ao amin’ity toko ity). Nandà ny hivavaka amin’ny sampin’ny rainy izy. Nitandrina ny didin’ny Tompo rehetra izy. Noho ny fahamarinan’i Abrahama, dia nanao fanekempihavanana taminy sy tamin’ny taranany ny Tompo.

Nampanantena an’i Abrahama ny Tompo fa hanana taranaka maro tsy tambo isaina izy. Nampanantena Izy fa hanana fahafahana ny handray ny filazantsara sy ny fitahian’ny fisoronana ary ny ôrdônansin’ny fisandratana rehetra izy ireo. Hitondra ny filazantsara manerana ny firenena rehetra amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana ireo taranaka ireo. Ho voatahy ny fianakaviana rehetra eto an-tany amin’ny alalan’izy ireo (jereo Abrahama 2:11). Nampanantena koa Andriamanitra fa raha mitoetra ho marina izy ireo dia haoriny ho amin’ny taranak’i Abrahama rehetra ny fanekempihavanany (jereo Genesisy 17:4–8).

  • Ahoana no fomba fihatran’izany didy sy fampanantenana ao amin’ny fanekempihavanan’i Abrahama izany eo amintsika? (Eritrereto ny fomba fihatran’izany fanontaniana izany ao anatin’ny toe-javatra samihafa, toy ny ao an-tokantrano, any amin’ny toeram-piasana, eo amin’ny fiaraha-monina na amin’ny maha-misiônera.)

Vahoakan’ny Fanekempihavanana ny Mpikamban’ny Fiangonana

  • Inona avy ireo fitahiana sy andraikitra azon’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’Andriamanitra amin’izao fotoana izao?

Tsy ireo taranak’i Abrahama mivantana fotsiny ihany no vahoaka izay nantsoin’Andriamanitra ho vahoakan’ny fanekempihavanany. Raha niresaka tamin’i Abrahama Andriamanitra dia nilaza hoe: “Fa izay rehetra mandray ity filazantsara ity dia hantsoina araka ny anaranao ary hisaina ho isan’ny taranakao, ka hitsangana sy hitso-drano anao ho toy ny rainy” (Abrahama 2:10). Noho izany dia vondron’olona anankiroa no tafiditra ao anatin’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama: (1) ny taranak’i Abrahama mivantana izay marina sy (2) ireo izay nisafidy ny ho ao anatin’izany taranaka izany tamin’ny alalan’ny fanekena sy ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (jereo 2 Nefia 30:2).

Rehefa vita batisa ao amin’ny Fiangonana isika, dia miditra ao anatin’ilay fanekempihavanana nataon’ny Tompo tamin’i Abrahama, Isaka ary Jakoba (jereo Galatiana 3:26–29). Raha mankatò isika dia mandova ireo fitahiana avy amin’izany fanekempihavanana izany. Manana zo hahazo fanampiana sy fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina isika. Manana zo hihazona ny fisoronana ny lehilahy mendrika. Afaka mahazo ny fitahian’ny fisoronana ny fianakaviana. Afaka mahazo ny fiainana mandrakizay isika any amin’ny fanjakana selestialy. Tsy misy fitahiana lehibe kokoa noho izany.

Manana andraikitra lehibe isika miaraka amin’ireo fitahiana azontsika amin’ny maha vahoakan’ny fanekempihavanana antsika. Nampanantena an’i Abrahama ny Tompo fa hoentina manerana an’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny taranany ny filazantsara. Manatanteraka izany andraikitra izany isika amin’ny alalan’ilay fandaharan’asa fitoriana ny filazantsara mandritra ny fotoana maharitra ao amin’ny Fiangonana ary ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana. Izany fahafahana mitory ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao izany dia an’ny Fiangonan’ny Tompo sy ny vahoakan’ny fanekempihavanany irery ihany.

Amin’ny maha-vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo antsika dia tokony hitandrina ny Didiny isika. Hoy ny Tompo hoe: “Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko; fa rehefa tsy ataonareo kosa izay lazaiko, dia tsy manana fampanantenana ianareo” (F&F 82:10). Raha mandà ny fanekempihavanantsika isika taorian’ny nanekentsika ny filazantsara, dia tsy hanan-kery ilay fanekempihavanana ary ho voaheloka eo anatrehan’Andriamanitra isika (jereo F&F 132:4). Hoy Izy hoe: “Fadio ny fahotana fandrao hianjera eo ambony lohanareo ny famaizana mafy. Fa amin’izay omena be no takiana be; ary izay manota amin’ny hazavana lehibe kokoa dia handray fanamelohana lehibe kokoa” (F&F 82:2–3).

Ny Fanekempihavanana Vaovao sy Maharitra Mandrakizay

  • Inona no ampanantenaintsika fa hataontsika rehefa manaiky ny filazantsara isika? Inona no fampanantenana omen’ny Raintsika any an-danitra rehefa mitandrina ireo fampanantenana ireo isika?

Ny fahafenoan’ny filazantsara dia antsoina hoe fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay. Ahitana ireo fanekempihavanana atao amin’ny batisa, mandritra ny fanasan’ny Tompo sy any amin’ny tempoly ary any amin’ny fotoana hafa izany. Antsoin’ny Tompo hoe maharitra mandrakizay izany satria naorin’ilay Andriamanitra maharitra mandrakizay izany ary tsy hiova na oviana na oviana izany fanekempihavanana izany. Nomeny izany fanekempihavanana izany koa i Adama, Enoka, Noa, Abrahama, ary ireo mpaminany hafa. Raha amin’izay lafiny izay dia tsy vaovao izany. Saingy antsoin’ny Tompo hoe vaovao izany isaky ny averina amin’ny laoniny eto an-tany ny filazantsara rehefa nesorina teto an-tany, ary dia vaovao ho an’ny olona izay mandray azy izany (jereo Jeremia 31:31–34; Ezekiela 37:26).

Rehefa manaiky ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay isika, dia manaiky ny hibebaka, hatao batisa, handray ny Fanahy Masina, handray ny fanafiana masintsika, sy handray ny fanekempihavanan’ny fanambadiana any amin’ny tempoly ary hanaraka sy hankatò an’i Kristy hatramin’ny farany. Rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia mampanantena antsika ny Raintsika any An-danitra fa hahazo ny fisandratana any amin’ny fanjakana selestialy isika (jereo F&F 132:20–24; jereo koa ny toko 47 ao amin’ity boky ity).

Sarotra ho an’ny olona ny mahatakatra ny halehiben’izany fampanantenana izany. Ireo didy izay omeny dia mba ho tombontsoantsika ary rehefa mahatoky isika dia afaka hianoka ny fitahiana sy ny hatsaran’ny lanitra sy ny tany. Afaka ny hiaina eo anatrehany isika ary hahazo anjara amin’ny fitiavany, ny fangorahany, ny heriny, ny halehibeny, ny fahalalany, ny fahendreny ary ny voninahiny sy ny fizakany.

  • Inona no ifandraisan’ny maha vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo antsika amin’ny fomba fiakanjontsika sy ny asa ataontsika ary ny fitandremantsika ny didin’Andriamanitra?

Soratra Masina Fanampiny sy Loharano Hafa

  • 1 Petera 2:9–10 (vahoaka voafidy)

  • F&F 54:4–6 (ny vokatry ny fitandremana ny fanekempihavanana sy ny fandravana izany)

  • F&F 132:7 (fanekempihavanana atao amin’ny alalan’ny fahefana marina)

  • F&F 133:57–60 (tanjon’ny fanekempihavanana)

  • F&F 35:24 (fampanantenana amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana)

  • Hebreo 8:6 (I Jesoa Kristy no mpanalalana amin’ny fanekempihavanana tsara lavitra kokoa)

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanekempihavanana,” 71–72