Boky torolalana sy antso
5. Mpitarika maneran-tany sy ao amin’ny Vondromparitra


“5. Mpitarika maneran-tany sy ao amin’ny Vondromparitra,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2021).

“5. Mpitarika maneran-tany sy ao amin’ny Vondromparitra,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Sary
Fiadidiana Voalohany

5.

Mpitarika maneran-tany sy ao amin’ny Vondromparitra

5.0

Teny fanolorana

I Jesoa Kristy no “fehizoro indrindran’” ny Fiangonany (Efesiana 2:20). Mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra Izy. Miantso apôstôly sy mpaminany Izy mba hanampy Azy amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Nomeny an’ireo mpanompo nofinidiny ireo ireo fanalahidy rehetra izay mahakasika ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12–13; jereo koa ny 3.4.1 ato amin’ity boky torolalana ity.)

Amin’ny alalan’ireo mpaminany sy apôstôly no hiantoan’ny Tompo lehilahy maro ho amin’ny anjara fanompoan’ny Fitopololahy mba hanampy amin’ny asany manerana an’izao tontolo izao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:38). Ankoatra izany, ny Episkôpà Mpiahy, sy ireo Mpiandraikitra Ambony ary ireo lehilahy sy vehivavy hafa mpitarika dia omena andraikitra manan-danja mba hanampy eo amin’ny asa.

Ity toko ity dia mamaritra ireo anjara asan’ireo mpitarika maneran-tany sy ao amin’ny vondromparitra ao amin’ny Fiangonana.

5.1

Mpitarika ny Fiangonana maneran-tany

Ny mpitarika ny Fiangonana maneran-tany dia ahitana ireo Manampahefana Ambony sy Mpiandraikitra Ambony rehetra. Ny teny hoe maneran-tany dia maneho fa tsy voafetran’ireo sisin-tany mahazatra ny fahefana sy ny andraikitra mifandray amin’ireo antso. Ireo izay mihazona ireo antso ireo dia mitarika sy mampianatra ary manompo ireo mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany.

Ity fizarana ity dia mamintina ny anjara asan’ireo Manampahefana Ambony sy ireo Mpiandraikitra Ambony, ary ireo filankevitra sy kômity izay hanompoan’izy ireo.

5.1.1

Manampahefana Ambony

5.1.1.1

Fiadidiana Voalohany sy Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Filohan’ny Fiangonana. Efa hatramin’ny andro fahiny ny Tompo no nitarika ny vahoakany tamin’ny alalan’ireo mpaminany (jereo ny Amosa 3:7; Efesiana 4:11–13). Mpaminany sy mpahita ary mpanambara ny Filohan’ny Fiangonana. Izy koa no Apôstôly ela niasana indrindra. Miahy ny Fiangonana izy eo ambany fitarihan’ny Tompo ary izy no hany olombelona eto ambonin’ny tany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidy rehetra an’ny fisoronana (jereo ny Matio 16:16–19; jereo koa ny 3.4.1.1 ao amin’ity boky torolalana ity). Manana ny fahefana handraisana fanambarana sy hanambarana ny sitrapon’ Andriamanitra ho an’ny Fiangonana iray manontolo izy. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:2–3; 107:91–92; 128:11.)

Fiadidiana Voalohany. Miantso mpanolotsaina ny Tompo, amin’ny alalan’ny Filohan’ny Fiangonana mba hanampy eo amin’ny asa. Ny Filohan’ny Fiangonana sy ny mpanolotsainy no “Mpisorona avo Miahy telo … [izay] miforona ho kôlejin’ny Fiadidian’ny Fiangonana” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:22). Antsoina hoe Fiadidiana Voalohany io kôlejy io. Ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia Apôstôly ary noho izany dia “vavolombelona manokan’” ny anaran’i Kristy izy ireo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23). Ny Fiadidiana Voalohany dia miahy sy mitarika ny raharahan’ny Fiangonana rehetra.

Nisahana izany anjara asa izany i Petera sy i Jakôba ary i Jaona tao amin’ny Fiangonana fahiny. Niaraka tamin’ny Mpamonjy izy ireo nandritra ireo fotoana masina maro ary nandray ireo fanalahidin’ny fanjakana. (Jereo ny Matio 16:18–19; 17:1–5; Marka 14:32–42; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12–13; 81:1–2.)

Rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana dia rava ho azy ny Fiadidiana Voalohany. Miverina mamonjy ny laharany arakaraka ny naha-ela niasany tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireo mpanolotsaina. Mitarika ny Fiangonana ny Kôlejin’ny Roambinifololahy eo ambany fitarihan’ilay Apôstôly ela niasana indrindra. Miara-midinika izy ireo amin’ny maha-kôlejy azy ireo mikasika ny fotoana hananganana indray ny Fiadidiana Voalohany. Aorian’ny fanapahan-kevitra niombonana, dia ilay apôstôly efa ela niasana indrindra no tendrena ho filohan’ny Fiangonana vaovao ary izy no miantso ireo mpanolotsainy.

Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Fahiny dia niantso Apôstôly roa ambin’ny folo i Jesoa Kristy mba hanampy eo amin’ny fitarihana ny Fiangonany (jereo ny Lioka 6:12–13; Efesiana 4:11–13; 1 Nefia 27 13:40). Amin’izao androntsika izao dia miantso lehilahy maro ny Tompo, amin’ny alalan’ny filohan’ny Fiangonana mba hotendrena ho Apôstôly sy hanompo ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:26–28). Io kôlejy io dia miasa eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany mba hanorenana sy handrindrana ny Fiangonana manerana ny firenena rehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:33). Manambara ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao ireo mpikambana ao amin’ny Roambinifololahy (jereo ny Matio 28:19–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:35).

Ny Apôstôly tsirairay dia mihazona ireo fanalahidin’ny fanjakana sy mampiasa ireo fanalahidy ireo eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:30–32). Ireo Apôstôly Roambinifolo dia “vavolombelona manokan’” ny anaran’i Kristy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23; jereo koa ny 27:12). Mijoro ho vavolombelona amin’izao tontolo izao izy ireo momba ny maha-Andriamanitra Azy sy ny tena fisian’ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Asan’ny Apostoly 1:8, 22; 4:33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24).

Manompo amin’ny fotoana feno mandritra ny androm-piainan’izy ireo sisa ireo Apôstôly (jereo ny Matio 4:18–22).

Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Izy rehetra miaraka no mandrafitra ny Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Eo ambany fitarihan’ny Tompo ary amin’ny alalan’ny firaisan’ny feo no hananan’io filankevitra io fahefana hanambara sy hanazava ny hevitry ny fotopampianarana ary hametraka fitsipika ho an’ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38; 107:27–31).

Sary
Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy

5.1.1.2

Ny Fitopololahy

Ny anjara fanompoan’ny Fitopololahy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka dia resahina ao amin’ny Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao (jereo ny Eksodosy 24:1, 9–10; Nomery 11:16–17, 24–25; Lioka 10:1, 17). Amin’izao fotoana izao dia misy Fitopololahy Manampahefana Ambony sy Fitopololahin’ny Vondromparitra (jereo ny 5.2.2). Miasa eo ambanin’ireo fanalahidin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy eo ambany fitarihan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy ireo. Manampy ny Roambinifololahy izy ireo hanorina sy handrindra ny Fiangonana manerana ny firenena rehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107: 34– 35, 38).

Fiadidian’ny Fitopololahy. Mpikambana miisa fito ao amin’ny Fitopololahy no antsoina ho filoha hiahy ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Fitopololahy. Ny iray amin’ireo filoha fito ireo no fidina hiahy ny enina hafa. Izy ireo no mandrafitra ny Fiadidian’ny Fitopololahy. (Jereo ny Asan’ny Apostoly; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:93–94; 124:138.)

Fitopololahy Manampahefana Ambony. Ny Fitopololahy Manampahefana Ambony dia antsoin’ny Fiadidiana Voalohany mba ho vavolombelona manokana izay mijoro ho vavolombelona momba ny anaran’i Jesoa Kristy sy mampianatra ny filazantsara manerana izao tontolo izao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:25; 124:139).

Manompo amin’ny fotoana feno ao amin’ny Fiangonana ny Fitopololahy Manampahefana Ambony. Amin’ny ankapobeny dia isaorana izy ireo manomboka amin’ny taona izay mahafeno 70 taona azy ireo ary apetraka eo amin’ny toeran’ny Manampahefana Ambony nahavita ny asany tamim-pahamendrehana. Na dia mihazona ny anjara fanompoan’ny Fitopololahy aza izy ireo dia tsy miahy fivoriana intsony.

Ireo Kôlejin’ny Fitopololahy. Avondrona ao anatina kôlejy ireo mpikambana ao amin’ny Fitopololahy, ka tafiditra ao anatin’izany ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra. Ny Fiadidian’ny Fitopololahy no miahy ireo kôlejy ireo. Mety mitombo ny isan’ny Fitopololahy sy ireo Kôlejin’ny Fitopololahy rehefa mitombo ny Fiangonana. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:95–96; 124:138–39).

5.1.1.3

Episkôpà Mpiahy

Ny Episkôpà Mpiahy dia ahitana ny Eveka Mpiahy sy ireo mpanolotsainy anankiroa. Ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Episkôpà Mpiahy dia Manampahefana Ambony ary mihazona ny anjara fanompoan’ny eveka. Ny Fiadidiana Voalohany no miantso azy ireo ary miasa eo ambany fitarihany izy ireo.

Ny Episkôpà Mpiahy dia misahana ireo raharaha ara-batana, toy ny fifanampiana, ny fitantanam-bola, ireo trano sy fananan’ny Fiangonana, ary ireo ezaka eo amin’ny fanaovana asa soa, ho an’ny Fiangonana iray manontolo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:68). Mampianatra ny filazantsara koa izy ireo ary manorina ny fanjakan’ Andriamanitra manerana izao tontolo izao.

5.1.2

Mpiandraikitra Ambony

Ny Fiadidiana Voalohany dia miantso vehivavy sy lehilahy mba handrafitra ireo Fiadidiana Maneran-tany an’ireto rafitra eo anivon’ny Fiangonana manaraka ireto:

  • Fikambanana Ifanampiana

  • Zatovolahy

  • Ny Zatovovavy

  • Ny Kilonga

  • Sekoly Alahady

Ireo Mpiandraikitra Ambony ireo dia miasa eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany, ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary ireo Fitopololahy Manampahefana Ambony nomena andraikitra hisahana izany. Manompo mandritra ny dimy taona eo izy ireo raha ny mahazatra.

Mety misahana ireto andraikitra manaraka ireto ireo Mpiandraikitra Ambony:

  • Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

  • Mpikambana ao amin’ireo filankevitry ny Fiangonana maneran-tany sy ireo kômitin’ny Fiangonana maneran-tany araka izay anendrena azy ireo.

  • Manatanteraka andraikitra ampanaovina manerana an’izao tontolo izao mba hanompo ireo mpikambana.

  • Manome torolalana mikasika ireo fandaharam-pampianarana, sy ireo fandaharan’asa ary ireo loharanom-pitaovana ao amin’ny rafitra sahanin’izy ireo.

  • Manome torolalana ho an’ireo filankevitry ny rafitra maneran-tany sahanin’izy ireo (jereo ny andiam-pehezan-teny manaraka).

  • Manome torolalana sy fanohanana an’ireo mpanoro hevitra ny rafitra eo anivon’ny vondromparitra izay manompo eo ambany fitarihan’ireo Fiadidian’ny Vondromparitra (jereo ny 5.2.5.1).

Ny rafitry ny Fiangonana maneran-tany tsirairay dia afaka manana filankevitra iray mba hanampy ny Fiadidiana.

Sary
Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany

5.2

Mpitarika ao amin’ny Vondromparitra

Narafitra ho vondromparitra ara-jeôgrafika izay mandrakotra an’izao tontolo izao ny Fiangonana. Ity fizarana ity dia mamintina ny momba ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana any amin’ireo vondromparitra ireo.

5.2.1

Fiadidian’ny Vondromparitra

Any amin’ny vondromparitra tsirairay dia misy Fitopololahy Manampahefana Ambony tendren’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba ho filohan’ny Vondromparitra. Misy mpanolotsaina anankiroa, izay Fitopololahy Manampahefana Ambony na Fitopololahin’ny Vondromparitra, izay tendrena hanampy ny filoha.

Miahy ireo filohan’ny tsatòka sy ireo filohan’ny misiôna ao amin’ny vondromparitra ary miara-midinika amin’izy ireo ny Fiadidian’ny Vondromparitra Manohana ny filohan’ny tempoly sy ny vadin’ny filohan’ny tempoly koa izy ireo. Rehefa avy maka hevitra amin’ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Fiadidian’ny Fitopololahy izay hanaovan’izy ireo tatitra izy ireo, dia manapa-kevitra mikasika ny fomba hampiharana ny fitsipiky ny Fiangonana sy ny torolalan’ny Fiangonana maneran-tany mba hanomezana ireo zavatra ilain’ny vondromparitra sahanin’izy ireo.

Ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia manao dia ao anatin’ilay vondromparitra asaina sahanin’izy ireo mba hanompoana sy hampianarana ary hampaherezana ireo mpitarika eo an-toerana sy ireo misiônera ary ireo mpikamban’ny Fiangonana. Tendren’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy ireo mba hiahy fihaonamben’ny tsatòka sy fivoriana hafa.

5.2.2

Ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra

Ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra dia antsoin’ny Fiadidiana Voalohany mba ho vavolombelona manokana izay mijoro ho vavolombelona momba ny anaran’i Jesoa Kristy sy mampianatra ny filazantsara any amin’ny vondromparitra asaina sahanin’izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:25; 124:139). Eo am-piasana eo ambany fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra, dia manampy ny Roambinifololahy izy ireo amin’ny fanorenana sy fandrindrana ny Fiangonana ao amin’ny vondromparitra sahanin’izy ireo.

Tsy antsoina hanompo amin’ny fotoana feno ny Fitopololahin’ny Vondromparitra. Manompo mandritra ny dimy taona eo izy ireo raha ny mahazatra. Tendrena hanompo any amin’ny vondromparitra misy ny fonenany izy ireo raha ny mahazatra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:38, 98). Tohanana mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny Fitopololahin’ny Vondromparitra.

Ny Fitopololahin’ny Vondromparitra tsirairay dia mpikambana ao amina kôlejin’ny Fitopololahy iray. Ireo kôlejy ireo dia aorina ara-jeôgrafia. Amin’ny maha-mpikambana an’ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ao amin’ireo kôlejy ireo, dia ny Fiadidian’ny Fitopololahy no miahy azy ireo.

Ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra dia miara-miasa sy miara-midinika amin’ireo mpitarika ny Fiangonana eo an-toerana mba hanampiana azy ireo amin’ny fanatanterahana ny andraikitr’izy ireo. Ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra dia azo tendrena:

  • Hanompo ao amin’ny filankevitry ny vondromparitra (jereo ny 5.2.3).

  • Hiahy ireo fivoriana filankevitra enti-mandrindra (jereo ny 5.2.4).

  • Hiahy fihaonamben’ny tsatòka sy hanome torolalana an’ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka.

  • Hanorina tsatòka na hanova ny mpitarika ao amin’ny tsatòka sy hanokana ireo fiadidian’ny tsatòka vaovao ary hanome ny filohan’ny tsatòka ireo fanalahidy.

  • Handrindra ireo andraikitra samihafa manerana ny vondromparitra, ka tafiditra ao anatin’izany ireo fiaraha-mientana (jereo ny 20.3.3), ny JustServe.org (raha misy izany), ny fanarenana aorian’ny loza nitranga, na andraikitra hafa.

  • Hitety ireo misiôna sy hanome torolalana an’ireo mpitarika eo anivon’ny misiôna sy ireo misiônera.

  • Ho mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

Ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra dia miahy ireo fivoriana rehetra ao amin’ny Fiangonana izay atrehan’izy ireo ao anatin’ny vondromparitra sahanin’izy ireo raha tsy hoe misy Manampahefana Ambony manatrika eo. Na izany aza dia tsy miahy ny asa isan’andro ataon’ireo filohan’ny tempoly na misiôna na tsatòka izy. Manompo eo ambany fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ireo filoha ireo.

5.2.3

Filankevitry ny Vondromparitra

Ny filankevitry ny vondromparitra any amin’ny vondromparitra tsirairay dia mivory araka izay ilaina (isan-telo volana raha ny mahazatra) mba handrindrana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ao amin’ny vondromparitra sahanin’izy ireo. Ny Fiadidian’ny Vondromparitra no miahy ny filankevitry ny vondromparitra. Io filankevitra io dia ahitana ny Fiadidian’ny Vondromparitra sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra manompo ao amin’ilay vondromparitra. Afaka manatrika ampahan’ilay fivoriana filankevitra na izy iray manontolo ny hafa rehefa ilaina izany ary rehefa mahazo fanasana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

5.2.4

Filankevitra enti-mandrindra

Mametraka ireo filankevitra fandrindrana asa ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Ny filankevitra tsirairay dia ahitana ireo tsatòka sy misiôna voafaritra manokana ao amin’ny vondomparitra iray. Ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia manendry Fitopololahin’ny Vondromparitra iray hitarika ny filankevitra tsirairay.

Manatrika ny fivoriana filankevitra enti-mandrindra ireo filohan’ny tsatòka sy filohan’ny misiôna. Ireo filohan’ny tempoly, izay ao anatin’ny faritra sahanin’ny filankevitra enti-mandrindra ireo distrikan’ny tempoly sahanin’izy ireo, dia asaina hanatrika rehefa afaka.

Afaka manatrika ampahan’ny fivoriana na izy iray manontolo ny hafa rehefa ilaina izany ary rehefa mahazo fanasana avy amin’ilay Fitopololahin’ny Vondromparitra. Dinihan’ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ny halaviran-toerana, sy ny toe-javatra iainan’ny fianakaviana ary ny dia ilaina atao rehefa mandroso ireo fanasana ireo.

Ny tanjon’ny fivoriana filankevitra enti-mandrindra dia ny hanampy ny filohan’ny tsatòka, sy ny filohan’ny misiôna ary ny filohan’ny tempoly hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana ao anatin’ny firaisan-kina. Mifanoro hevitra izy ireo sy mandrindra ireo ezaka atao mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny andraikiny mba handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

Mikarakara fivoriana filankevitra enti-mandrindra ilay Fitopololahin’ny Vondromparitra fotoana fohy aorian’ny fivoriana filankevitra enti-mandrindra eo anivon’ny vondromparitra fanao isan-telo volana (jereo ny 29.4). Azo atao ny manatanteraka fivoriana fanampiny raha ilaina.

5.2.5

Ireo antso eo anivon’ny Vondromparitra

Ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia afaka miantso mpikambana hanompo ao anatina antso eo anivon’ny vondromparitra mba hanampiana ny Fiadidian’ny Vondromparitra eo amin’ny andraikitr’izy ireo. Mpikambana iray ao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra na Fitopololahin’ny Vondromparitra iray voatendry no manolotra ny antso sy manokana an’ireo izay manompo ao amin’ireo antso ireo. Tsy tohanana izy ireo.

Ireo karazana antso eo anivon’ny vondromparitra dia mety ahitana ny mpitantsoratra mpanatanteraka eo anivon’ny vondromparitra, ny mpanamarim-bola eo anivon’ny vondromparitra, ny talen’ny serasera eo anivon’ny vondromparitra, ny mpanoro hevitra momba ny asa atao any amin’ny tempoly eo anivon’ny vondromparitra ary ny mpanoro hevitra ny rafitra eo anivon’ny vondromparitra.

5.2.5.1

Mpanoro hevitra ny rafitra eo anivon’ny vondromparitra

Any ivelan’i Etazonia sy i Kanadà dia afaka miantso vehivavy ho mpanoro hevitra ny rafitra eo anivon’ny vondromparitra ireo Fiadidian’ny Vondromparitra Ireo mpanoro hevitra ireo dia afaka manampy amin’ny fanofanana sy fanoroan-dalana ireo fiadidiana vaovaon’ny Fikambanana Ifanampiana, sy ny an’ny Zatovovavy ary ny an’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka, eo ambany fitarihan’ny filohan’ny tsatòkan’ireo mpitarika ireo (jereo ny 6.2.1.6). Mandray anjara ao anatin’izany fanofanana izany ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay nomena andraikitra hisahana izany.

Ireo mpanoro hevitra eo anivon’ny vondromparitra dia manompo eo ambany fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra misahana azy ireo. Mandray torolalana tsy tapaka koa avy amin’ireo fiadidian’ireo rafitra maneran-tany izy ireo. Manompo mandritra ny telo taona izy ireo raha ny mahazatra.