Boky torolalana sy antso
33. Rejisitra sy tatitra


“33. Rejisitra sy tatitra,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“33. Rejisitra sy tatitra,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
lehilahy mijery solosaina

33.

Rejisitra sy tatitra

33.0

Teny fanolorana

Ireo dingana arahina ao amin’ity toko ity dia miantefa amin’ny ankapobeny amin’ireo rantsana izay mampiasa ny fitaovana fanaovana firaketana an-jotra, ka tafiditra ao anatin’izany ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG), ny Outils pour les membres, ary ny Annuaire de la paroisse et plan. Ny rantsana izay tsy afaka mampiasa ireo fitaovana ireo dia tokony hiara-hiasa amin’ny Global Services Department (Departemanta misahana ny fanolorana fanohanana eo amin’ny sehatra maro samihafa maneran-tany) na ny biraon’ny vondromparitra.

Nanan-danja foana ny fanaovana firaketana tato amin’ny Fiangonan’ny Tompo. Ohatra:

I Adama dia nitana “bokim-pahatsiarovana” (Mosesy 6:5).

Nampianatra i Môrônia fa ny anaran’ireo izay natao batisa tato amin’ny Fiangonan’i Kristy dia voarakitra mba “hahatsiarovana azy sy hamahanana azy amin’ny teny soan’ Andriamanitra” (Môrônia 6:4).

Nampianatra i Joseph Smith fa tokony hisy mpihazona firaketana antsoina isaky ny paroasy mba “hanao ny rakitsoratry ny fahamarinana eo anoloan’ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:2). Nohamafisiny koa ny maha-zava-dehibe ny fihazonana firaketana amim-pahavitrihana raha nanoratra izy hoe: “Na inona na inona raketinareo an-tsoratra ety an-tany dia horaketina an-tsoratra any an-danitra, ary na inona na inona no tsy raketinareo an-tsoratra ety an-tany dia tsy horaketina an-tsoratra any an-danitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:8; jereo koa ny andininy 2–9).

33.1

Topimaso mikasika ny rejisitry ny Fiangonana

Masina ireo rejisitry ny Fiangonana. Saro-pady sy tokony harovana ny fampahalalana ao anatin’izy ireo. Ireo rafitry ny rejisitry ny Fiangonana dia manome lalana ny hahitana fampahalalana mombamomba ny maha-mpikambana izay mifototra amin’ireo antso. Ireo nomena lalana ihany no tokony hahita izany. Tsy tokony hampiasain’izy ireo izany fampahalalana izany raha tsy noho ny antony manokana mifandray amin’ny antson’izy ireo (jereo ny 33.8).

Ireo rejisitra dia afaka manampy ireo mpitarika mba:

  • Hahafantatra izay mety mila fikarakarana manokana.

  • Hahafantatra izay ôrdônansin’ny famonjena efa voarain’ny olona iray na mety ilainy.

  • Hahita ny toerana misy ireo mpikambana.

Ireto manaraka ireto ny karazana rejisitra hazonina any amin’ireo rantsan’ny Fiangonana:

  • Tatitra mikasika ny fandraisan’ny mpikambana anjara (jereo ny 33.5)

  • Firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana (jereo ny 33.6)

  • Raki-tantara (jereo ny 33.7)

  • Rejisitra ara-bola (jereo ny toko 34)

33.2

Torolalana ankapobeny ho an’ny mpitamboky

Ny mpitamboky rehetra dia tokony hanana fahamarinan-toetra tsy misy isalasalana ary tokony hanaraka ny didin’ny Tompo. Izy ireo dia tokony ho:

  • Manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly.

  • Mpihazona firaketana malina.

  • Mpampianatra sy mpitantan-draharaha havanana.

Tokony hanaraka amim-pitandremana ireo fitsipika amin’izao fotoana izao ny mpitamboky mba hiarovana ny tahirim-bolan’ny Fiangonana sy mba hahazoana antoka fa mazava tsara ireo rejisitry ny Fiangonana. Tokony hampahafantatra avy hatrany ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mikasika izay zavatra tsy mety ny mpitamboky. Raha misy fahasarotana eo amin’ny famahana ireo zavatra tsy mety dia tokony hifandray amin’ny Confidential Records Office (Birao misahana ireo rejisitra tsiambaratelo) any amin’ny foiben’ny Fiangonana ny mpitamboky. Io ambany io ny nomeraon’ny telefaonina sy ny adiresin’ny email ahafahana mifandray:

Laharana an-tariby: 1-801-240-2053 na 1-800-453-3860, extension 2-2053

Azo antsoina maimaim-poana (Telefaonina GSD ): 855-537-4357

Email: ConfidentialRecords@ChurchofJesusChrist.org

Ny faharetan’ny asa fanompoana ataon’ny mpitamboky dia tokony ho ampy mba hianaran’izy ireo ny andraikiny sy hihazonany ny fanohizany ny asany (jereo ny 30.5). Noho izy ireo tsy mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ao amin’ny episkôpà dia tsy voatery isaorana izy ireo rehefa ovaina ny fiadidian’ny tsatòka na ny episkôpà.

33.3

Rejisitra sy tatitra eo anivon’ny tsatòka

33.3.1

Fiadidian’ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka no manara-maso ny fihazonana rejisitra eo anivon’ny tsatòka. Azony ampiandraiketina an’ireo mpanolotsainy sy mpitambokiny ny ampahany misimisy amin’ity asa ity. Maka antoka izy fa manaraka ireo fitsipika sy ireo dingana arahina eo anivon’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao izy ireo.

33.3.2

Mpitamboky eo anivon’ny tsatòka

Tokony hanana mpitamboky eo anivon’ny tsatòka izay mahay ilay asa sy mazoto miasa ny tsatòka rehetra. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka no miantso sy manokana azy. Tokony hihazona ny Fisoronana Melkizedeka izy ary manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly. Mpikambana ao amin’ny filankevitry ny tsatòka izy. Manatrika ireo fivorian’ny tsatòka araka ny voafaritra ao amin’ny 29.3 izy.

Hofanin’ny fiadidian’ny tsatòka ny mpitamboky eo anivon’ny tsatòka ary miasa eo ambany fitarihany. Azo atao ny miantso mpitamboky mpanampy eo anivon’ny tsatòka mba hanampy (jereo ny 33.3.3).

33.3.2.1

Andraikitra eo amin’ny fihazonana rejisitra

Ireto manaraka ireto ny andraikitry ny mpitamboky eo anivon’ny tsatòka sy ny mpitamboky mpanampy eo anivon’ny tsatòka:

  • Manolotra fanohanana ny fiadidian’ny tsatòka eo amin’ny lafin’ny fitantanan-draharaha.

  • Mirakitra an-tsoratra ireo asa ampanaovina sy ireo fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivorian’ny mpitarika.

  • Manara-maso ireo asa nampanaovina.

  • Maka antoka fa marina tsara ary alefa ara-potoana ireo rejisitra sy ireo tatitra.

Tokony hahay hikirakira ireo fitaovana ampiasaina eo amin’ny fihazonana rejisitry ny Fiangonana ny mpitamboky eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 33.0). Ampiasainy ireo fitaovana ireo mba hanampiana ireo mpitarika hahita:

  • Ireo zavatra ilain’ireo mpikambana sy ireo rafitra.

  • Ireo loharanom-panampiana misy, ka tafiditra ao anatin’izany ny lafiny ara-bola.

  • Ireo fironana sy tanjaka ary fahalemena eo anivon’ny tsatòka.

  • Ireo lafin-javatra manahirana.

Ireo andraikitra hafa eo amin’ny fihazonana rejisitra dia mety ahitana ny:

  • Fakana antoka fa voarakitra araka ny tokony ho izy sy voarakitra haingana ireo fanendrena ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka.

  • Fikarakarana ireo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mba hanan-kery.

  • Fampidirana fampahalalana ara-pahasalamana ao anatin’ireo taratasy firotsahana ho misiônera.

  • Fanomanana ny Taratasy fanohanana ireo mpiandraikitra sy ireo tatitra hatao mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka.

  • Fanaraha-maso ny famindrana ny rejisitra an’ny paroasy rehefa misy paroasy vaovao iray naorina na paroasy noravana, na fanovana ireo faritra sahanina.

  • Firaketana fampahalalana ho an’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 32.9.6).

  • Fihazonana rejisitra ara-bola (jereo ny 34.1.2).

33.3.2.2

Fandinihana ireo rejisitra sy tatitra an’ny paroasy

Mihaona amin’ny mpitamboky vaovao eo anivon’ny paroasy tsirairay fotoana fohy aorian’ny niantsoana azy ny mpitamboky eo anivon’ny tsatòka. Mihaona matetika amin’ireo mpitamboky eo anivon’ny paroasy izy araka izay ilana izany, fa farafahakeliny indroa isan-taona. Tanterahina ireo fihaonana ireo mba hakana antoka fa:

  • Araka ny tokony ho izy ny firaketana ny fahafolonkarena sy ny rejisitra ara-bola hafa (jereo ny 34.1.2 sy ny 34.2.2).

  • Vita fanavaozana haingana sy mazava tsara ireo firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana.

  • Mahay mikirakira ireo fitaovana ampiasaina eo amin’ny fihazonana rejisitry ny Fiangonana ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy.

  • Nomena ireo mpikambana ao amin’ny paroasy ny taratasy fanamarinana ny nanaovana ny fitsofan-drano, ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ary ny fanendrena ho amin’ny fisoronana.

  • Tanterahina ny fanamarinana isan-taona ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ary voahitsy avy hatrany izay tranga maningana rehetra amin’ny fanamarinana ny fampiasam-bola (jereo ny 33.6.19).

  • Alefa any amin’ny tsatòka isaky ny faran’ny taona ny firaketana ny tantara isan-taonan’ny paroasy (jereo ny 33.7).

33.3.2.3

Fanamarinana ny fampiasam-bola

Jereo ny 33.6.19 sy ny 34.7.

33.3.2.4

Raki-tantaran’ny tsatòka

Jereo ny 33.7.

33.3.3

Sary
sary famantarana, loharanom-panampiana tsy voatery ampiasaina
Mpitamboky mpanampy eo anivon’ny tsatòka

Afaka miantso sy manokana mpitamboky mpanampy iray na mihoatra araka izay ilaina eo anivon’ny tsatòka ny filohan’ny tsatòka na ny mpanolotsaina notendrena anankiray. Ireo rahalahy ireo dia tokony ho mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka izay manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly. Miasa eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka sy ny mpitamboky eo anivon’ny tsatòka izy ireo.

Raha ilaina dia azo atao ny miantso mpitamboky mpanampy amin’ireto anjara toerana tsirairay sahanina manaraka ireto:

  • Mpitamboky mpanampy eo anivon’ny tsatòka

  • Mpitamboky mpanampy eo anivon’ny tsatòka—lafiny ara-bola (jereo ny 34.1.2)

  • Mpitamboky mpanampy eo anivon’ny tsatòka—miandraikitra ny maha-mpikambana (jereo ny 33.5 sy ny 33.6).

33.4

Rejisitra sy tatitra eo anivon’ny paroasy

33.4.1

Ny Episkôpà

Ny eveka no manara-maso ny fihazonana ny rejisitra ao amin’ny paroasy. Azony ampiandraiketina an’ireo mpanolotsainy sy mpitambokiny ny ampahany misimisy amin’ity asa ity. Maka antoka izy fa manaraka ireo fitsipika sy ireo dingana arahina eo anivon’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao izy ireo.

33.4.2

Mpitamboky eo anivon’ny paroasy

Tokony hanana mpitamboky eo anivon’ny paroasy mahay ilay asa sy mazoto miasa ny paroasy tsirairay. Ny episkôpà no manolotra azy ary mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay voatendry hisahana izany no miantso sy manokana azy. Tokony hihazona ny Fisoronana Melkizedeka izy ary manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly. Mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy izy. Manatrika ireo fivorian’ny paroasy araka ny voalaza ao amin’ny 29.2 izy.

Hofanin’ny episkôpà sy ireo mpitamboky eo anivon’ny tsatòka ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy. Miasa eo ambany fitarihan’ny episkôpà izy. Azo atao ny miantso mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy mba hanampy (jereo ny 33.4.3)

33.4.2.1

Andraikitra eo amin’ny fihazonana rejisitra

Ireto manaraka ireto ny andraikitry ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy sy ny mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy:

  • Manolotra fanohanana an’ny episkôpà eo amin’ny lafin’ny fitantanan-draharaha.

  • Mirakitra an-tsoratra ireo asa ampanaovina sy ireo fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivorian’ny mpitarika ao amin’ny paroasy.

  • Manara-maso ireo asa nampanaovina.

  • Maka antoka fa marina tsara ary alefa ara-potoana ireo rejisitra sy ireo tatitra.

  • Mitady ireo ôrdônansy izay mitaky fanamafisana (jereo ny 38.2.6 sy ny 18.10.3).

Tokony hahay hikirakira ireo fitaovana ampiasaina eo amin’ny fihazonana rejisitry ny Fiangonana ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy (jereo ny 33.0). Ampiasainy ireo fitaovana ireo mba hanampiana ireo mpitarika hahita:

  • Ireo zavatra ilain’ireo mpikambana sy ireo rafitra.

  • Ireo loharanom-panampiana misy, ka tafiditra ao anatin’izany ny lafiny ara-bola.

  • Ireo fironana sy tanjaka ary fahalemena eo anivon’ny paroasy.

  • Ireo lafin-javatra manahirana.

Rehefa manambatra ireo tatitra mikasika ny fandraisan’ny mpikambana anjara dia miara-miasa amin’ireo mpitantsoratra ny mpitamboky mba hamaha ireo olana madinidinika. Resahiny amin’ny eveka ireo olana goavana.

Ampisehon’ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy na ny mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy an’ireo mpikambana ny fomba hijerena ny mombamomba ny maha-mpikambana azy ireo ao amin’ny application Outils pour les membres. Afaka manome azy ireo tahadikan’izany vita printy izy. Ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy dia mamporisika ireo mpikambana mba hanao tatitra mikasika izay zavatra diso ao anatin’ny fampahalalana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy ireo.

Ireo andraikitra hafa eo amin’ny fihazonana rejisitra dia mety ahitana ny:

  • Fakana antoka fa voarakitra araka ny tokony ho izy sy voarakitra haingana ireo ôrdônansy.

  • Fanomanana ny Taratasy fanohanana ireo mpiandraikitra mandritra ny fihaonamben’ny paroasy.

  • Firaketana fampahalalana ho an’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 32.9.6).

  • Fihazonana rejisitra ara-bola (jereo ny 34.2.2).

Sary
fitsofan-drano zaza

33.4.2.2

Fanofanana ireo mpitamboky sy mpitantsoratra

Ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy dia manofana ireo mpitamboky mpanampy sy ireo mpitantsoratra ao amin’ny kôlejy sy ao amin’ireo rafitra eo anivon’ny paroasy. Ampiany izy ireo hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fampahalalana avy amin’ireo fitaovana ampiasaina amin’ny fihazonana ny rejisitry ny Fiangonana manampy ireo mpitarika.

Manan-danja manokana io fanofanana io rehefa:

  • Olona vao nantsoina ireo mpitamboky mpanampy sy ireo mpitantsoratra ao amin’ny kôlejy sy ao amin’ireo rafitra eo anivon’ny paroasy.

  • Misy fampahafantarana na fanavaozana fitaovana ampiasaina amin’ny fihazonana ny rejisitry ny Fiangonana.

  • Tsy nofenoina araka ny tokony ho izy ireo rejisitra.

33.4.2.3

Raki-tantaran’ny paroasy

Jereo ny 33.7.

33.4.3

Sary
sary famantarana, loharanom-panampiana tsy voatery ampiasaina
Mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy

Azo atao raha ilaina ny miantso mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy. Ny episkôpà no manolotra azy ireo ary mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay voatendry hisahana izany no miantso sy manokana azy ireo. Tokony ho mendrika ny hihazona ny Fisoronana Melkizedeka na ny Fisoronana Aharôna izy ireo. Tokony hanana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly ihany koa izy ireo. Raha voatendry hisahana ny lafiny ara-bola ny mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy iray dia tokony hihazona ny Fisoronana Melkizedeka izy. Miasa eo ambany fitarihan’ny episkôpà sy ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy ny mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy.

Raha ilaina dia azo atao ny miantso mpitamboky mpanampy amin’ireto anjara toerana tsirairay sahanina manaraka ireto:

  • Mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy

  • Mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy—lafiny ara-bola (jereo ny 34.2.2)

  • Mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy—miandraikitra ny maha-mpikambana (jereo ny 33.5 sy ny 33.6)

33.4.4

Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ireo mpitarika rafitra

Manara-maso ny fihazonana rejisitra ao amin’ny rafitra sahanin’izy ireo ireo mpitarika ao amin’ny kôlejy sy ireo mpitarika rafitra. Afaka manendry ireo mpitantsoratra izy ireo mba hanao ny ankamaroan’io asa io. Miara-miasa amin’ireo mpitantsoratra izy ireo mba hakana antoka fa marina tsara ary alefa ara-potoana ireo rejisitra sy ireo tatitra.

33.5

Tatitra mikasika ny fandraisan’ny mpikambana anjara

Ny tatitra mikasika ny fandraisan’ny mpikambana anjara dia manampy ireo mpitarika hifantoka amin’ny fivoaran’ny mpikambana sy ny zavatra ilainy. Raha azo atao dia tokony haverina jerena amin’ny alalan’ny fitaovana eletrônika ireo tatitra toy izay hatao printy. Rehefa ilaina ireo tatitra vita printy, dia tokony hampiasaina amim-pitandremana izy ireo mba hanajana ny tsiambaratelo momba ny mpikambana sy mba hanarahana ireo lalàna mifehy ny fiarovana ny lahatahiry eo an-toerana.

33.5.1

Ireo karazana tatitra

33.5.1.1

Tatitra momba isan’ny olona nanatrika fivoriana

Ny isan’ny olona nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ny fivorian’ny fisoronana sy ny rafitra isaky ny alahady dia raketina amin’ny fomba elektrônika amin’ny alalan’ny fampiasana ny DDG na ny Outils pour les membres.

Fivoriana fanasan’ny Tompo. Ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy na ny mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy no mirakitra ny isan’ny olona nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Ny isa amin’izany dia ny isan’ny olona manatrika mivantana ilay fivoriana na manatrika izany an-jotra, ka tafiditra ao anatin’izany ireo mpitsidika. Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izay tsy manatrika noho ny fananan’izy ireo andraikitra hafa na noho ny fanatrehany paroasy hafa dia isaina any amin’ny paroasy izay atrehan’izy ireo.

Fivorian’ny kôlejy sy ny rafitra isaky ny alahady. Ny isan’ny olona nanatrika dia raketin’ireo mpitantsoratra sy mpanoro hevitra ao amin’ny kôlejy sy ny rafitra isan-kerinandro. Afaka manampy amin’ny firaketana ny isan’ny olona nanatrika koa ireo mpitarika ny zatovo. Ny isa amin’izany dia ny isan’ny olona manatrika mivantana ilay fivoriana na manatrika izany an-jotra, ka tafiditra ao anatin’izany ireo mpitsidika. Tafiditra ao anatin’ireo olona nanatrika koa ireo mpikambana izay manompo any amin’ny Kilonga na manompo amin’ny maha-mpitarika ny zatovo azy ireo ao amin’ny paroasy. Ireo mpikambana izay manatrika paroasy hafa dia isaina any amin’ny paroasy izay atrehan’izy ireo.

Ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy dia afaka mirakitra ny isan’ny olona nanatrika amin’ny anaran’izay rafitra misy.

33.5.1.2

Tatitra momba ireo dinidinika momba ny fanompoana

Jereo ny 21.3.

33.5.1.3

Tatitra isaky ny telo volana

Ny tarehimarika tsirairay ao anatin’ny tatitra iray dia maneho olona tena misy iray izay manana filana manokana (jereo ny Helamàna 15:13). Mikatsaka fitarihana avy amin’ny Tompo ny mpitarika rehefa mieritreritra izay olona mety mila ny fanampian’izy ireo izy ireo.

Ny Rapport trimestriel (Tatitra isaky ny telo volana) dia ahitana fampahalalana mahasoa izay afaka manome hevi-baovao an’ireo mpitarika rehefa mikatsaka fitaomam-panahy mahakasika ireo ezaka ataon’izy ireo eo amin’ny fanompoana izy ireo. Hita ao amin’ny Outils pour les membres na ao amin’ny DDG ilay tatitra.

Mijery tsy tsapaka ny Rapport trimestriel (Tatitra isaky ny telo volana) ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy mba hijerena ny fivoaran’ny olona tsirairay. Ny tatitra dia ahitana fampahalalana momba:

  • Ny toe-java-misy mahakasika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izay hazonin’ireo mpikambana efa nandray ny fanafiana masina na izay hazonin’ny zatovo.

  • Ireo lehilahy 18 ka hatramin’ny 25 taona izay manao asa fitoriana na efa nahavita ny asa fitoriana.

  • Ny toe-java-misy mahakasika ireo tafa sy dinika momba ny fanompoana (jereo ny 21.3).

  • Ireo olona azo aroso ho loholona izay mila fanohanana eo amin’ny fiomanana mba handray ny Fisoronana Melkizedeka.

  • Isan’ny ankizy, ny zatovo, sy ny tanora tokan-tena ary ny olon-dehibe nanatrika ny fivoriana isaky ny alahady (jereo ny 33.5.1.1).

  • Ny fivoaran’ireo mpikambana vaovao izay natao batisa sy noraisina ho mpikambana tao anatin’ny 12 volana lasa.

Voarakitra ao amin’ny Outils pour les membres na ao amin’ny DDG ny tatitra rehetra momba ny isan’ny olona nanatrika fivoriana sy ireo tafa sy dinika momba ny fanompoana. Ity fampahalalana ity dia mameno ho azy ireo faritra mifanaraka amin’izany ao amin’ny Rapport trimestriel (Tatitra isaky ny telo volana).

Fenoin’ny paroasy tsirairay ny Rapport trimestriel (Tatitra isaky ny telo volana) ary alefany any amin’ny foiben’ny Fiangonana. Miara-mandinika ilay tatitra amin’ny eveka ny mpitamboky ary mandefa izany alohan’ny faha-15 amin’ilay volana aorian’ny faran’ny telo volana tsirairay.

Afaka mandinika ny Rapport trimestriel (Tatitra isaky ny telo volana) izay nalefan’ny paroasy tsirairay ny fiadidian’ny tsatòka. Izany dia hanampy azy ireo hanara-maso ny fivoarana sy hahafantatra izay mila fanohanana sy fanofanana. Afaka mijery ny Rapport trimestriel (Tatitra isaky ny telo volana) koa ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny tsatòka.

33.5.2

Lisitry ny mpikambana

Ny fitaovana ampiasaina amin’ny fihazonana ny rejisitry ny Fiangonana dia manome fahafahana ireo mpitarika hahita ireo lisitry ny mpikambana. Ireo lisitra ireo dia afaka manampy ireo mpitarika mba hahita izay:

  • Mpikambana tsy mbola nandray ireo ôrdônansy izay azon’izy ireo raisina.

  • Zatovolahy sy zatovovavy afaka manao asa fitoriana.

  • Zatovo tsy manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery.

  • Zatovo ilaina hanaovana fotoana mba hihaona amin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.

Tokony hanana fahafahana hahita ireo lisitra ahitana ireo izay ao anatin’ny kôlejiny na ny rafitra misy azy ireo mpitarika ao amin’ny kôlejy na ao amin’ny rafitra.

33.6

Firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana

Ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana dia ahitana ny anaran’ny mpikambana, ny fampahalalana momba ny fomba ahafahana mifandray aminy, sy ny antsipiriany mikasika ny ôrdônansy ary fampahalalana manan-danja hafa. Tokony hanana firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ho an’ny mpikambana tsirairay mipetraka ao anatin’ny faritra sahaniny ilay paroasy.

Ireo firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana dia tokony hotehirizina ao amin’ilay paroasy izay misy ny toeram-ponenan’ilay mpikambana. Ireo toe-javatra maningana, izay tokony ho vitsy, dia mitaky ny fankatoavana avy amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka voakasik’izany. Raha hanao fangatahana momba ny toe-javatra maningana iray, dia mampiasa ny DDG ny filohan’ny tsatòka mba handefasana ilay fangatahana any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany.

Ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ihany no azo ampiasaina mba hiraketana ireo ôrdônansy sy ireo dingana ôfisialy hafa natao ao anatin’ireo rejisitra maharitra an’ny Fiangonana. Noho izany dia maka antoka ny eveka fa mazava tsara ny firaketana ataon’ny mpitamboky. Maka antoka koa izy fa manavao fampahalalana ny mpitamboky amin’ny alalan’ny fampiasana ny DDG. Zava-dehibe ny fanaovana ireto manaraka ireto avy hatrany:

  • Firaketana ny fampahalalana mikasika ny ôrdônansy.

  • Famindrana ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo izay nifindra ao amin’ny paroasy na niala tao amin’ny paroasy.

  • Famoronana firaketana ho an’ireo mpikambana vaovao sy ireo zanaka vaovao an’ny ray aman-dreny mpikambana.

  • Firaketana ny fahafatesan’ny mpikambana iray. (Tsy maintsy raketina ny fahafatesan’ny mpikambana iray vao azo tanterahina ho azy ireo ôrdônansin’ny tempoly. Jereo ny 28.1.)

  • Firaketana ny fampahalalana mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana.

Ny eveka na ny filohan’ny tsatòka dia maka antoka fa ao amin’ilay paroasy tokony hisy azy ny firaketana mombamomba ny maha-mpikambana mialoha ny hanaovana tafa sy dinika amin’ny mpikambana iray mba handray:

  • Antso ao amin’ny Fiangonana.

  • Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

  • Ny Fisoronana Melkizedeka na mba hotendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’izany fisoronana izany.

Maka antoka koa izy fa tsy ahitana an’ireto manaraka ireto ilay firaketana:

  • Fanamarihana iray

  • Fanamarihana iray mikasika ny famerana tsy ahafahana manatanteraka famehezana na ôrdônansy

  • Famerana ôfisialy ny zo maha-mpikambana

Indraindray misy mpikambana izay tsy ampy herintaona no nonenany tsy tapaka tao amin’ny faritry ny paroasy iray. Ao anatin’izany toe-javatra izany dia mifampiresaka amin’ilay evekany teo aloha ilay eveka na ny mpanolotsaina iray voatendry alohan’ny hanatanterahana tafa sy dinika hanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly na hanolorana azy mba hotendrena ho amina anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Ny tanjon’izany fifandraisana izany dia ny hanontany raha toa ka misy olana mahakasika ny fahamendrehana tokony hodinihina. Raha mahafantatra ny mpanolotsaina iray fa misy fampahalalana tsiambaratelo zarainy, dia faranany hatreo ilay fifampiresahana. Mampahafantatra ny evekany izy mba hifandray amin’ilay eveka teo aloha alohan’ny hanaovana ilay tafa sy dinika.

Tsy azo omena na aseho an’iza na iza na inona na inona zava-miseho ankoatra ny eveka na ny mpitamboky ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana.

Ny mpikambana dia afaka mijery ny fampahalalana mombamomba ny maha-mpikambana ho azy ireo manokana sy an’ireo zanaka mbola miankina amin’izy ireo izay mipetraka ao an-trano ao amin’ny application Outils pour les membres. Afaka mangataka tahadika vita printin’ny Taratasy famintinana ny ôrdônansy nataon’ny tena manokana izy ireo any amin’ny mpitamboky. Raha misy diso hita dia manao izay hanitsiana izany ao amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ny mpitamboky.

Hita ao amin’ny DDG ny torolalana mikasika ny fomba famoronana firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana. Hita ao koa ireo torolalana momba ny firaketana ny momba ny fanambadiana na ny fahafatesana.

Ho an’ireo toe-javatra izay tsy noresahina tato amin’ity fizarana ity dia tokony hifampiresaka amin’ny Global Services Department (Departemanta misahana ny fanolorana fanohanana eo amin’ny sehatra maro samihafa maneran-tany) na ny biraon’ny vondromparitra ireo mpitarika.

33.6.1

Anarana ampiasaina ao anatin’ny rejisitra an’ny Fiangonana

Ny anaran’ilay olona feno ara-dalàna araka izay hamaritan’ny lalàna sy ny fomba amam-panao eo an-toerana no tokony hampiasaina ao anatin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana sy ireo taratasy fanamarinana momba ny ôrdônansy.

33.6.2

Mpikambana voasoratra

Ireto manaraka ireto dia mpikambana voarakitra ao anatin’ny rejisitra ary tokony hanana firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana:

  • Ireo izay vita batisa sy noraisina ho mpikambana

  • Ireo latsaky ny 9 taona izay notsofina rano nefa tsy vita batisa

  • Ireo izay tsy afaka ny ho tompon’andraikitra noho ny fahasembanana ara-tsaina na firy taona na firy taona

  • Ireo ankizy latsaky ny 9 taona izay tsy notsofina rano rehefa feno ireto fepetra anankiroa manaraka ireto:

    • Mpikamban’ny Fiangonana farafaharatsiny ny rainy na ny reniny, na ny raibeny na ny renibeny.

    • Samy nanome lalana ny hamoronana firaketana ny ray sy ny reny. (Raha toa ka ny ray na ny reny ihany no manana zo ara-dalàna hitaiza ilay zaza, dia ampy ny fanomezan-dalana avy amin’io ray io na avy amin’io reny io.)

Ny olona 9 taona no ho miakatra izay manana firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana nefa tsy vita batisa sy tsy noraisina ho mpikambana dia tsy raisina ho toy ny mpikambana voarakitra ao anatin’ny rejisitra. Tazonin’ilay paroasy izay misy ilay olona anefa ilay firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana mandra-pahafeno 18 taona an’ilay olona. Amin’izay fotoana izay rehefa misafidy ny tsy hatao batisa ilay olona dia foanan’ny eveka tsy hanan-kery ilay firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy. Takina ny fahazoan-dalana avy amin’ny filohan’ny tsatòka.

Tsy foanana ny firaketana ny mombamomba ny olona iray ho an’ireo izay tsy vita batisa noho ny fahasembanana ara-tsaina raha tsy hoe mangataka ny hanaovana izany ilay olona na ny olona mpiantoka azy ara-dalàna, ka isan’izany ny ray na reny.

33.6.3

Firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny paroasy

Mihaona amin’ireo mpikambana vaovaon’ny paroasy ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy na ny mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy fotoana fohy aorian’ny fahatongavan’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana mba hijerena raha marina ny ao anatin’ny Taratasy famintinana ny ôrdônansy nataon’ny tena manokana.

Mba hahitana torolalana momba ny fampahafantarana ireo mpikambana vaovao aorian’ny fahazoana ny taratasy firaketana ny mombamomba azy ireo na aorian’ny batisany sy ny fandraisana azy ho mpikambana dia jereo ny 29.2.1.1.

33.6.4

Firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo mpikambana izay hifindra monina na handao ny toeram-ponenany mandritra ny fotoana voafetra

Angatahan’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy, na ireo rahalahy manompo na ireo rahavavy manompo, na ny mpitamboky ny adiresy vaovaon’ireo mpikambana raha vao fantany fa misy mpikambana mikasa ny hifindra monina. Afindran’ny mpitamboky any amin’ilay paroasy vaovao ireo firaketana rehefa tena mifindra ireo mpikambana. Azon’ny mpitamboky angatahina ny hamindrana ireo firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ho ao amin’ny paroasiny rehefa mbola tsy nalefan’ilay paroasy teo aloha ireo firaketana.

Raha ohatra ka tsy hitan’ny mpitamboky ny toerana nifindran’ireo mpikambana dia afindra ao amin’ny lisitry ny fitadiavana ireo mpikambana tsy hita ao amin’ny DDG ilay firaketana. Mijery tsy tapaka io firaketana io ireo mpitarika ao amin’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana ary mampiasa ireo loharanom-panampiana misy mba hitadiavana ireo mpikambana ireo. Afaka manampy ireo mpikambana hafa ao amin’ny filankevitry ny paroasy na ireo misiônera.

Rehefa hita ny toerana misy ilay mpikambana dia afindran’ny mpitamboky amin’izay tokony hisy izany ilay firaketana. Rehefa tsy hita ny toerana misy an’ilay mpikambana taorian’ny fampiasana ireo loharanom-panampiana rehetra nanaovana fitadiavana, dia mahazo fankatoavana avy amin’ny eveka ny mpitamboky mba hamindra ilay firaketana any amin’ny foiben’ny Fiangonana.

Ireo firaketana ao anatin’ny lisitry ny fitadiavana ireo mpikambana tsy hita dia mbola ampiandraiketina an’ilay paroasy ihany saingy tsy mipoitra ao amin’ireo lisitry ny mpikambana sy ireo tatitra izany ary tsy tafiditra ao anatin’ny antontan’isa ao amin’ny paroasy.

Rehefa mandao ny paroasy mandritra ny telo volana mahery ny olona iray dia afindran’ny mpitamboky any amin’ilay paroasy vaovao ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana raha tsy hoe mikasa ny hiverina aorian’ny fandehanany mandritra ny fotoana voafetra na aorian’ny fanaovany asa isan-tonontaona na ny fianarany izay mety haharitra telo volana mahery ilay mpikambana.

Rehefa mandao ilay paroasy mandritra ny telo volana latsaka ny olona iray ary mikasa ny hiverina dia tazonina ao amin’ilay paroasy niaviany ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana.

Raha toa ka tsy fantatr’ireo mpitarika loatra ny faharetan’ny fotoana tsy maha-eo an’ilay olona dia tazonin’izy ireo any amin’ny paroasy izay afaka manome tsara ny zavatra ilain’ilay olona ilay firaketana.

33.6.5

Firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ho an’ireo mpikambana tsy ao anatin’ny rantsana

Ao amin’ny paroasy iray ihany no azo hitehirizana ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ny olona iray. Ny eveka ao amin’io paroasy io ihany no afaka manara-maso ny fanavaozana ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana, ny fanatanterahana ireo ôrdônansy, ary ny fanaovana tafa sy dinika ho an’ilay mpikambana.

Misy toe-javatra sasany mitaky ny hiraketana ny anaran’ny mpikambana sy ny fomba ahafahana mifandray aminy any amin’ny paroasy iray faharoa (jereo ny 33.6.11 sy ny 33.6.13 mba hahitana ohatra). Ao anatin’ireo toe-javatra ireo dia mamorona firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ho an’ny mpikambana tsy ao anatin’ny rantsana ny mpitamboky ao amin’ilay paroasy faharoa. Mampiasa ny DDG izy mba hamoronana io firaketana io.

Ny mpikambana manana firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ho an’ny mpikambana tsy ao anatin’ny rantsana dia afaka mahazo antso ao amin’izany paroasy izany. Tafiditra ao anatin’ny fizahana adiresy sy nomeraon’ny telefaonina an’ny paroasy sy ao anatin’ireo rejisitra ihany koa izy ireo.

33.6.6

Firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo izay manompo any ivelan’ny faritra misy ny paroasy niaviany

33.6.6.1

Firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo izay olona manana asa hafa ampanaovin’ny Fiangonana

Raha toa ka manao asa ampanaovin’ny Fiangonana any ivelan’ny faritra misy ny paroasy niaviany ny mpikambana dia tazonina ao amin’ny paroasy niaviany ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy ireo sy ny rejisitra ara-bolan’izy ireo. Raha toa ilay asa ampanaovina ka mitaky ireo mpikambana mba handao ny paroasy niaviany mandritra ny telo volana na mihoatra ary raha toa ka miaraka amin’izy ireo ny zanany dia afindra any amin’ilay paroasy vaovao ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy ireo. (Jereo ny 33.6.4.)

33.6.6.2

Rejisitry ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno

Jereo ny 24.6.2.8

33.6.7

Firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo tanora tokan-tena

Ny tanora tokan-tena izay 18 taona hatramin’ny 30 taona dia afaka misafidy ny ho mpikambana ao amin’ny paroasy niaviany na ao amin’ny paroasin’ny tanora tokan-tena iray raha toa ka misy anankiray naorina ao amin’ny faritra misy azy ireo. Raha misafidy ny paroasin’ny tanora tokan-tena izy ireo dia manatrika ilay paroasy natokana ho amin’izany ao amin’ireo faritra voasoritra izay misy ny toeram-ponenan’izy ireo. Ampahafantarin’izy ireo ny evekan’ilay paroasy niaviany koa izany. Tazonina ao amin’ny paroasy izay atrehan’izy ireo ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana.

Ireo fitsipika ireo dia mihatra ihany koa amin’ireo olon-dehibe tokan-tena 31 taona hatramin’ny 45 taona izay misafidy ny ho mpikambana ao amina paroasin’ny olon-dehibe tokan-tena iray.

Raha mikasa ny hanatrika ao amina paroasy iray mandritra ny fotoana voafetra ny olon-dehibe tokan-tena iray (ohatra hoe mandritra ny fotoana ianarany), dia tazonina ao amin’ilay paroasy izay hatrehany ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana. Rehefa nahazoana lalana avy amin’ilay mpikambana dia afaka mamorona firaketana ivelan’ny rantsana ho azy ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy izay ipetrahan’ny fianakavian’ilay mpikambana (jereo ny 33.6.5).

33.6.8

Firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo izay mipetraka any amin’ny hôpitaly na akanin’ny beantitra

Ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo izay mipetraka any amin’ny hôpitaly na akanin’ny beantitra dia tokony ho any amin’izay paroasy afaka manompo tsara azy ireo. Amin’ny ankapobeny, dia ilay paroasy ahitana ny faritra misy ilay hôpitaly na ilay akany izany.

33.6.9

Firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo izay any amin’ny tafika

Rehefa miditra ao amin’ny tafika ny mpikambana iray hanaraka fanofanana dia tazonina any amin’ny paroasy niaviany ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana mandra-pandefasana azy any amin’ny toby miaramila iray mandritra ny fotoana maharitra kokoa. Tokony hifandray amin’ny paroasy niaviany ilay mpikambana amin’izay fotoana izay ary manome ny anarana sy ny adiresin’ilay paroasy vaovao.

33.6.10

Firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo izay manana fahasembanana ara-tsaina

Raha misy olona iray 8 taona no ho miakatra izay manana fahasembanana ara-tsaina dia miara-midinika ny ray aman-dreniny (raha azo atao) sy ny eveka mba hamaritana raha toa ka afaka ny ho tompon’andraikitra ilay olona. Rehefa voafaritra fa tsy afaka ny ho tompon’andraikitra ilay olona dia soratan’ny eveka na soratan’ny mpitamboky eo amin’ilay fizarana mikasika ny batisa ao amin’ilay firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ilay olona ao amin’ny DDG ny hoe “Tsy afaka ny ho tompon’andraikitra.” Tsy foanana ilay firaketana. Tsy ilaina ny fanatanterahana ôrdônansy ho an’ny olona iray izay ahitana ny hoe, tsy afaka ny ho tompon’andraikitra, ao amin’ny firaketany.

Indraindray miara-midinika aty aoriana ny olona iray, sy ny rainy na ny reniny ary ny eveka ka mamantatra raha toa ka afaka ny ho tompon’andraikitra ny olona iray rehefa avy nasiana fanamarihana ny firaketana hoe “Tsy afaka ny ho tompon’andraikitra.” Ao anatin’izay toe-javatra izay dia afaka manala ilay fanamarihana hoe “Tsy afaka ny ho tompon’andraikitra” ny eveka na ny mpitamboky (rehefa nahazo fantakoavana tamin’ny eveka). Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 38.2.4.

33.6.11

Firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo izay marenina na manana olana amin’ny fandrenesana

Ny mpikambana mampiasa fiteny tanana sy ny fianakaviany akaiky na ireo mpiantoka ara-dalàna dia afaka misafidy ny hametraka ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy ireo any amin’ny iray amin’ireto toerana ireto:

  • Ny paroasy misy azy

  • Paroasy ho an’ny olona marenina sy manana olana amin’ny fandrenesana izay mipetraka ao anatin’ny faritr’io paroasy io

  • Paroasy iray izay mampiantrano vondrona ho an’ny mpikambana marenina sy manana olana amin’ny fandrenesana izay mipetraka ao anatina faritra ara-jeôgrafia iray manokana izay nofaritan’ny filohan’ny tsatòka na ny Filohan’ny Vondromparitra.

Ao anatin’io toe-javatra io dia azo apetraka ao amin’ny rantsana iray ny firaketana ny mombamomba ny olona iray na ny fianakaviana iray, ary azo atao hoe mpikambana tsy ao anaty rantsana izy ireo any amin’ny iray hafa. Ohatra, ny firaketana ny mombamomba ny ampahany amin’ny fianakaviana iray dia azo tehirizina ao amin’ny rantsana iray ho an’ny olona marenina sy manana olana amin’ny fandrenesana, ary azo atao mpikambana tsy ao anatin’ny rantsana izy ireo ao amin’ny rantsana misy azy ireo eo an-toerana. Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 33.6.25.

Ireo mpikambana marenina na manana olana amin’ny fandrenesana dia afaka manatrika amin’ny fomba virtoaly ny paroasy na vondrona iray najoro ho an’ireo olona marenina sy manana olana amin’ny fandrenesana any ivelan’ny faritra ara-jeôgrafia misy ilay mpikambana. Afaka manao izany izy ireo na dia tsy ao amin’io rantsana io aza ny firaketana ny mombamomba azy ireo. Alohan’ny hanatrehan’izy ireo fivoriana amin’ny fomba virtoaly dia tokony hiresaka amin’ny eveka ao amin’ilay paroasy izy ireo ary mampahafantatra azy ny fanirian’izy ireo mba hanatrika izany.

33.6.12

Firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo zanaka natsangana

Ny taratasy firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo zanaka natsangana dia tsy azo amboarina na havaozina raha tsy vita tanteraka ny fananganan-jaza. Tokony hifanaraka amin’ny didy manan-kerin’ny fananganan-jaza ny anarana ao amin’ilay taratasy firaketana. Rehefa vita tanteraka ny fananganan-jaza vao azo havaozina ireo taratasy firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo ray aman-dreny mpanangana.

33.6.13

Firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo zanaka nateraky ny ray aman-dreny nisara-panambadiana

Ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana rehetra dia mampiasa ny anaran’ilay olona ara-dalàna araka izay hamaritan’ny lalàna sy ny fomba amam-panao eo an-toerana. Ao anatin’izany ny zanaky ny ray aman-dreny nisara-panambadiana. Ilay anarana ara-dalàna ao amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana dia tokony horaketina koa ao anatin’ireo taratasy fanamarinana ny fitsofan-drano sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Matetika ireo zanaka manana ray aman-dreny nisara-panambadiana no mamonjy fivoriam-piangonana any amin’ireo paroasy roa ivavahan’ny rainy sy ivavahan’ny reniny. Na dia rantsana iray ihany aza no afaka mihazona sy manavao ny firaketana ôfisialy ny mombamomba ny maha-mpikambana ny zanaka iray, dia azo atao ny mamorona firaketana mombamomba ny maha-mpikambana ho an’ny mpikambana tsy ao anatin’ny rantsana any amin’ilay paroasy iray hafa falehany (jereo ny 33.6.5). Izany dia ahafahana mampiditra ny anaran’ilay zanaka sy ny fomba ahafahana mifandray aminy ho ao amin’ireo lisitra an’ny paroasy sy ireo rejisitry ny kilasy.

Ny zanaka manana firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ho an’ny mpikambana tsy ao anatin’ny rantsana dia afaka mahazo antso ao amin’izany rantsana izany. Manampy izany amin’ny fakana antoka fa tsy voailikilika izy ireo ary afaka mandray anjara feno na aiza na aiza hanatrehany fivoriana.

33.6.14

Taratasy firaketana misy fanamarihana

Jereo ny 32.14.5.

33.6.15

Famerana ny famindrana eo amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana

Raha toa ka mifindra monina ny mpikambana iray ka mbola mihatra ny famerana ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikambana na misy olana goavana iray hafa mbola mandalo fandinihana, dia azon’ny eveka atao na ny mpitamboky iray nahazo lalana ny mametraka famerana ny famindrana ilay taratasy firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana. Mampiasa ny DDG izy mba hanaovana izany.

Ny taratasy firaketana izay ahitana famerana ny famindrana dia tsy afindra mankany amin’ny rantsana iray vaovao raha tsy rehefa manome lalana ny hanafoanana izany ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana nametraka ny famerana.

33.6.16

Firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ao anatin’ireo lahatahiry misy ireo “Tsy fantatra adiresy”

Indraindray hita ny mpikambana iray taorian’ny nametrahana ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy tao amin’ny “lahatahiry misy ireo tsy fantatra adiresy” tany amin’ny Foiben’ny Fiangonana. Ao anatin’izany toe-javatra izany dia angatahin’ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy izany firaketana izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny DDG. Hahitana hafatra iray izay mamporisika ny eveka sy ireo mpitarika ao amin’ny kôlejy sy ireo rafitra izany mba hamangy faran’izay haingana an’ilay olona ary haka azy ho namana. Azo angatahina mba hamangy sy hinamana amin’ireo mpikambana ireo koa ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno.

33.6.17

Firaketana sy fanitsiana ny fampahalalana mikasika ny ôrdônansy

Jereo ny toko 18.

33.6.18

Firaketana sy fanitsiana fampahalalana ara-panjakana momba ny olona iray

Jereo ny 33.6.

33.6.19

Fanamarinana ireo firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana

Isan-taona ny mpitamboky eo anivon’ny tsatòka na ny mpitamboky mpanampy iray eo anivon’ny tsatòka dia maka antoka fa misy fanamarinana ireo firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana tanterahina isaky ny paroasy tsirairay amin’ny alalan’ny fampiasana ny DDG. Azon’ny filohan’ny tsatòka atao ny miantso olon-kafa izay manana traikefa amin’ny fanaovana firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana mba hanampy amin’izany fanaovana fanamarinana izany. Ny fanamarinana dia tokony ho vita ny 30 jona isan-taona.

33.7

Raki-tantara

33.7.1

Tantaran’ny paroasy sy ny tsatòka

Nanome didy ny Tompo ny tokony hanoratana sy hiraketana “ny tantaran’ireo zavatra manan-danja” mikasika ny Fiangonany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69:3; jereo koa ny andininy 5; Almà 37:2).

Ny rantsana tsirairay ao amin’ny Fiangonana dia tokony hanao firaketana momba ireo zavatra manan-danja rehetra momba ilay rantsana. Tafiditra ao anatin’ireo zavatra ireo ireo tantara avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny rantsana. Ny fomba tsara indrindra hamantarana ireo zavatra manan-danja dia amin’ny alalan’ny:

  • Fieritreretana ireo asa natao mba hanampiana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

  • Famantarana ireo zavatra niainana manan-danja izay maneho ny fitarihan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ireo zanany.

Ny firaketana tantara dia asa ara-panahy izay hampatanjaka ny finoan’ireo izay manoratra na mamaky izany. Ny firaketana an-tsoratra ireo tantara mandritra ny taona dia hanatsara ny kalitaon’ilay tantara.

Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ireo mpitarika rafitra eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy dia manolotra tantara amin’ny alalan’ny fampiasana ny Unit History tool (Fitaovana firaketana ny tantaran’ny rantsana) ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ireo mpitamboky eo anivon’ny tsatòka sy ny sampana no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fandaminana sy fandrindrana io ezaka atao io. Afaka miantso tompon’andraikitra iray misahana ny tantara eo anivon’ny tsatòka na eo anivon’ny sampana ny fiadidian’ny tsatòka sy ny episkôpà mba hanampy. Misy torolalana fanampiny ao amin’ny Quick Start Guide (Torolalana mba hanombohana haingana) an’ilay fitaovana.

Ny mpikambana dia afaka mampiasa ny Unit History tool (Fitaovana firaketana ny tantaran’ny rantsana) mba hijerena ireo tantara izay navoakan’ireo mpitarika azy ireo eo anivon’ny paroasy sy tsatòka. Tonga dia voatahirin’ny Fiangonana avy hatrany ireo tantara navoaka.

33.7.2

Tantaran’ny Fiangonana

Ny Departemanta misahana ny tantaran’ny Fiangonana dia mitahiry raki-tantara voafantina hafa, ka tafiditra ao anatin’izany ireo raki-tantaran’olona manokana sy ny taokanto ary ireo vakoka “ho tombontsoan’ny fiangonana sy ny taranaka vao misondrotra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 69:8). Ireo fanontaniana mikasika ny maha-zava-dehibe ara-tantara ireo tahirintsoratra dia azo alefa any amin’ny:

Church History Library

15 East North Temple Street

Salt Lake City, UT 84150-1600

Telefaonina: 1-801-240-5696

Email: history@ChurchofJesusChrist.org

33.8

Fihazonana ireo rejisitra ho tsiambaratelo

Hazonina ho tsiambaratelo ireo rejisitry ny Fiangonana na amin’ny taratasy izany na amin’ny endrika nomerika. Tafiditra ao anatin’izany:

  • Ireo firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana.

  • Ireo rejisitra ara-bola.

  • Ireo fanamarihana noraketina an-tsoratra nandritra ireo fivoriana.

  • Ireo taratasy ôfisialy sy antontan-taratasy (tafiditra ao anatin’izany ireo firaketana ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana).

  • Ireo fanamarihana noraketina an-tsoratra avy amin’ireo tafa sy dinika manokana.

Natao hiaro ireo rejisitry ny Fiangonana ny mpitarika sy ny mpitamboky amin’ny alalan’ny fampiasana sy fampirimana ary famotehana azy ireny amin’ny fomba ahafahana miaro ny fiainan’olona manokana. Maka antoka ireo mpitarika fa ny fampahalalana izay voangona avy amin’ny mpikambana dia:

  • Voafetra amin’izay zavatra ilain’ny Fiangonana ihany.

  • Tsy ampiasaina raha tsy amin’ireo antony izay nahazoana fankatoavana avy amin’ny Fiangonana.

  • Tsy azo omena, fa izay nomena lalana mba hampiasa izany ihany no azo omena izany.

Ny fampahalalana notehirizina any amin’ny fitaovana elektrônika dia tsy maintsy atao tsara ambina sy arovana araka ny tokony ho izy (jereo ny 33.9.1). Maka antoka tsara ireo mpitarika fa tsy ampiasaina amin’ny antony mahakasika ny tena manokana na ara-pôlitika na ara-barotra ny fampahalalana toy izany. Tsy azo omena olona na sampan’asa iray manao fikarohana na fanadihadiana ny fampahalalana avy amin’ireo rejisitry ny Fiangonana ka tafiditra ao anatin’izany ny fampahalalana ara-tantatra (jereo ny 38.8.37).

Tsy maintsy manaraka ireo torolalana ao amin’ny 38.8.13 ireo mpitarika sy mpikambana mba hiarovana ny fizahana adiresy sy nomeraon’ny telefaonina an’ny tsatòka sy an’ny paroasy.

33.9

Fandrindrana ny rejisitra

Tokony hampidirin’ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka sy paroasy ao anatin’ny dingana ataony eo amin’ny fihazonana rejisitra ny fananana fomba mahomby handrindrana ny rejisitra. Misy lafin-javatra telo manan-danja eo amin’ny fandrindrana ny rejisitra izay voafaritra ao anatin’ity fizarana ity.

33.9.1

Fiarovana

Tokony harovana amin’ny fampiasana, na fanovana na famotehana na famoahana tsy nahazoana lalana ireo rejisitra sy tatitra ary fampahalalana rehetra an’ny Fiangonana. Tokony hotehirizana any amin’ny toerana azo antoka izany. Tokony hotehirizina ao anaty vatasarihina na lalimoara mihidy ao amin’ny biraon’ny mpitarika ireo rejisitra tena saro-pady rehefa tsy ampiasaina izy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ireo zavatra avy amin’ny solosaina natao printy.

Raha azo atao dia tokony hiendrika soramiafina sy hanana tenimiafina voaro ireo tahadika eletrônikan’ireo rejisitra sy tatitra ary fampahalalana. Ireo fitaovana na fitahirizan-javatra eletrônika an’ny Fiangonana izay very na nisy nangalatra dia tokony hatao tatitra avy hatrany any amin’ny incidents.ChurchofJesusChrist.org. Tokony hatao tatitra koa ny fampiasana tsy ara-dalàna ny fampahalalana an’ny Fiangonana.

33.9.1.1

Solonanarana sy tenimiafina

Ireo filohan’ny tsatòka, ireo eveka ary ireo mpitarika hafa dia tsy tokony hizara na oviana na oviana amin’ireo mpanolotsaina, na ireo mpitamboky, na ireo mpitantsoratra mpanatanteraka, na olona hafa ny solonarana sy tenimiafiana an’ny Fiangonana izay ampiasain’izy ireo. Tsy tokony hotehirizin’izy ireo ao anatina fitaovana izay hitan’ny hafa sy azon’izy ireo ampiasaina izy ireo.

Tokony ho tarehintsoratra miisa 12 na mihoatra izany ny tenimiafina ary tsy tokony ho mora fantatra. Amporisihina mafy ireo mpitarika mba hamela ny fanaovana fanamarinana mandalo dingana roa (izay fantatra koa amin’ny hoe fanamarinana mifono anton-javatra maro) eo amin’ny kaontin’izy ireo raha azo atao.

33.9.1.2

Solosaina iombonana sy fitehirizana fampahalalana

Ireo mpitarika sy ireo mpitamboky dia tsy tokony hitahiry fampahalalana momba ny maha-mpikambana na fampahalalana mikasika ny lafiny ara-bola ao anatin’ny solosaina iombonana izay afaka ny ho hitan’ny olona hafa izay tsy mahazo lalana ny hahita izany fampahalalana izany.

33.9.1.3

Fiarovana ireo fampahalalana

Firenena maro no namoaka lalàna mikasika ny fiarovana ireo fampahalalana izay mifehy ny fikirakirana fampahalalana izay an’ny tenan’olona manokana. Tafiditra ao anatin’izany ny fampahalalana ao anatin’ireo firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana sy ireo rejisitra hafa an’ny Fiangonana izay mampahafantatra ny momba ny olona tsirairay. Ireo mpitarika izay manana fanontaniana momba ny fampiharana ny lalàna mikasika ny fiarovana ireo fampahalalana eo amin’ny fitantanana ny rejisitry ny Fiangonana eo an-toerana dia afaka mifandray amin’ny birao misahana ny fiarovana ireo fampahalalana an’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny DataPrivacyOfficer@ChurchofJesusChrist.org.

33.9.2

Fihazonana

Tsy tokony hotehirizina ny rejisitra raha tsy hoe ilaina izany eo amin’ny lafiny ara-pitantanan-draharaha sy eo amin’ny lafiny mifandray amin’ny lalàna ary eo amin’ny lafiny ara-tantara. Tokony hazonina mandritra ny telo taona farafahakeliny ankoatra ilay taona diavina ny rejisitra ara-bola. Ireo mpitarika izay manana fanontaniana momba ny hoe hafiriana ireo rejisitra no azo tehirizina dia afaka mifandray amin’ny Global Services Department (Departemanta misahana ny fanolorana fanohanana eo amin’ny sehatra maro samihafa maneran-tany) na ny biraon’ny vondromparitra.

33.9.3

Famotehana

Ny rejisitra izay efa lany andro na tsy ilaina intsony dia tokony hopotehina mba tsy hahafahana maka na mamerina manambatra izay fampahalalana tao anatiny. Rehefa mamono fampahalalana mikasika ny mpikambana na fampahalalana ara-bola amin’ny endrika nomerika dia tsy maintsy maka antoka ny mpitarika fa tsy azo alaina intsony amin’izay fomba heverina fa mahamety azy izany.

Ny rejisitra izay mety hanana lanjany ara-tantara lehibe dia tsy tokony hariana na hopotehina na hapetraka any amin’ny toerana ahitana loharanom-pitaovana izay an’ny paroasy (tranomboky). Azo alefa any amin’ny Tranombokin’ny tantaran’ny Fiangonana ireo fanontaniana mikasika ireo raki-tantara manan-danja (jereo ny adiresy ahafahana mifandray ao amin’ny 33.7.2).

33.10

Manam-pahaizana momba ny teknôlôjia eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy

Miantso mpikambana iray na maromaro ny fiadidian’ny tsatòka ho manam-pahaizana momba ny teknôlôjia eo anivon’ny tsatòka. Afaka miantso mpikambana iray na maromaro ny episkôpà ho manam-pahaizana momba ny teknôlôjia eo anivon’ny paroasy. Afaka manatanteraka io antso io ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zatovo.

Manompo eo ambany fitarihan’ny mpitamboky eo anivon’ny tsatòka ny manam-pahaizana momba ny teknôlôjia eo anivon’ny tsatòka. Manompo eo ambany fitarihan’ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy na ny mpitantsoratra mpanatanteraky ny paroasy ny manam-pahaizana momba ny teknôlôjia eo anivon’ny paroasy, araka izay fanapahan-kevitry ny eveka. Mety ahitana izao manaraka izao ny andraikitr’izy ireo:

  • Manampy ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka na ny paroasy eo amin’ireo filàna ara-teknika.

  • Mampianatra ny mpikambana ny fomba hidirana sy hampiasana ny haino vaky jerin’ny Fiangonana, ireo applications, ary ireo fitaovana hafa ampiasana fitaovana ara-teknôlôjia hafa, ka tafiditra ao anatin’izany ny FamilySearch.org.

  • Manohana ireo mpitarika sy mpampianatra izay mampiasa ireo fitaovana ara-teknôlôjia hanatanterahana ny antson’izy ireo.

  • Mitantana ny fandefasana mivantana an-tsary ireo fivoriana sy ireo kilasy ho an’ireo izay tsy afaka manatrika (jereo ny 29.7).

Ankoatra izay, ny manam-pahaizana momba ny teknôlôjia eo anivon’ny tsatòka dia manana ireto andraikitra manaraka ireto eo amin’ny fitantanana ireo solosaina ao amin’ny Fiangonana ary tafiditra ao anatin’izany ireo solosaina any amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch:

  • Manatanteraka ny toromarika avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka mikasika ny fametrahana, ny fizarana, sy ny famindrana any amin’ny toerana hafa indray ary ny fandrindrana ny fotoana hampiasana ireo solosaina rehetra an’ny tsatòka.

  • Mitahiry sy manavao hatrany ny lisitry ny fitaovan’ny solosaina rehetra eo anivon’ny tsatòka, miaraka amin’ny numéros de série, ny modèles, ny capacité de mémoires ary ireo toerana nametrahana fitaovana.

  • Maka antoka tsara fa (1) voaro ny solosaina, ny logiciel sy ireo zavatra tsiambaratelo ao anatiny ary (2) hanaovana tahadika ombieny ombieny ny lahatahirin’ireo fampahalalana.

  • Mizatra tsara amin’ireo fitsipika amin’ny ankapobeny mikasika ireo solosaina an’ny Fiangonana ( jereo ny 38.8.10).

  • Mizatra tsara amin’ireo torolalana mikasika ny fomba hahazoana sy hitantanana ireo solosain’ny Fiangonana.

Raha ilaina dia mandrindra ny asan’ny manam-pahaizana momba ny teknôlôjia eo anivon’ny paroasy ny manam-pahaizana momba ny teknôlôjia eo anivon’ny tsatòka. Manome fampiofanana koa izy ireo.