Avia, hanaraka Ahy
2–8 desambra. 1–3 Jaona; Joda: -Andriamanitra dia fitiavana-


“2–8 desambra. 1–3 Jaona; Joda: -Andriamanitra dia fitiavana-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“2–8 desambra. 1–3 Jaona; Joda,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
i Jesoa Kristy mitsiky sady miara-mipetraka amin’ny ankizy kely iray mitsikitsiky

Fitiavana Tanteraka, nataon’i Del Parson

2–8 desambra

1–3 Jaona; Joda

“Andriamanitra dia fitiavana”

Inona no lohahevitra sy maodely izay hitanao mivohitra rehefa mamaky ny 1–3 Jaona sy ny Joda? Ahoana no ahafahanao mampiasa izany mba hanampiana ny mpianatrao?

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Manasà mpianatra maromaro hizara lohahevitra na fahamarinana voafaritra mazava izay manan-danja amin’izy ireo rehefa nandalina ny Epistilin’i Jaona sy Joda izy ireo. Inona no hafatra avy tao amin’ireo Epistly ireo, izay tena mihatra amin’izy ireo sy ny fianakaviany?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Jaona 1:5–10; 2:3–11; 3:1–3; 4:7–21; 5:1–3

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia ohatra tonga lafatra amin’ny fahazavana sy ny fitiavana.

  • Ahoana no fomba ahafahanao manampy ireo olona izay ampianarinao hamantatra ny fahazavan’ny Ray any An-danitra sy ny fitiavany eo amin’ny fiainan’izy ireo? Azonao atao ny manoratra ny teny hoe fahazavana sy fitiavana eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hizara ireo teny voalohany tonga ao an-tsain’izy ireo rehefa mieritreritra ireo teny roa ireo. Azonao zaraina ho vondrona maromaro ny mpianatra ary omena iray avy amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny vondrona tsirairay: 1 Jaona 1:5–10; 2:3–11; 3:1–3; 4:7–12; 4:16–21; 5:1–3. Ireo vondrona dia afaka mikaroka ao amin’ireo andininy ireo mba hahitana porofon’ny fahazavan’ Andriamanitra sy ny fitiavany sy zavatra izay azontsika atao hanehoana ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ireo zanany. Avy eo ny olona ao anatin’ny vondrona tsirairay dia afaka mizara amin’ny mpianatra ny zavatra hitan’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo izay nahatsapany ny fahazavan’ Andriamanitra sy ny fitiavany.

  • Ahoana no hahafahanao manampy ny mpianatra handalina ny fahazavana ara-panahy eo amin’ny fiainan’izy ireo? Afaka manasa ny mpianatra ianao hijery jiro na hazavana miditra amin’ny varavarankely, ary asao izy ireo hizara izay zavatra fantany mikasika ny fahazavana ara-batana. Inona no mampitovy ny fahazavana ara-nofo amin’ny fahazavana ara-panahy? Azonao atao tsara ny mamakafaka ny Salamo 27:1; Jaona 1:4–5; 1 Jaona 1:5–7; 3 Nefia 11:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6–13 ary hitady hevi-baovao fanampiny eo amin’ny fomba hanomezan’ Andriamanitra sy ny Zanakalihiny fahazavana eo amin’ny fiainantsika. Ny mpianatra dia afaka mizara ny zavatra niainan’izy ireo ihany koa tamin’izy ireo nitady sy nandray fahazavana ara-panahy teo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Mety ho tia miara-mihira ny mpianatrao na miara-mihaino hira iray mikasika ny fahazavana, toy ny “Christ est ma lumière” (Cantiques, lah. 50). Inona no ampianarin’io hira io mikasika ny maha toy ny fahazavana ny Tompo? Ny teny nolazain’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny” dia mety hanome hevitra fanampiny mikasika ny fomba hahazoana fahazavana lehibe kokoa eo amin’ny fiainantsika.

1 Jaona 2:18–23, 26–28; 4:3; 2 Jaona 1:7–11; 3 Jaona 1:9–11; Joda

Tsy maintsy manamafy ny tenantsika isika hanohitra ny fampianaran-diso.

  • Ny sasany amin’ireo mpianatrao na ireo olona tian’izy ireo dia mety sahirana manoloana ny fampianaran-diso izay manozongozona ny finoan’izy ireo. Mety hanampy azy ireo ny mianatra ny zavatra nampianarin’i Jaona sy Joda mikasika ny apôstazia. Diniho ny hanasana ny antsasaky ny mpianatra hikaroka ny famariparitana ny hoe fampianaran-diso na ny apôstazia ao amin’ny 1 Jaona 2:18–23, 26–28; 4:3; 2 Jaona 1:7–11; 3 Jaona 1:9–11 ary ny antsasany ambiny hikaroka ireo famaritana ireo ao amin’ny Joda. Na ihany koa afaka mitady ny valin’ny fanontaniana tahaka izao izy ireo: Ahoana no hamaritan’i Jaona sy Joda ny antikristy? (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Antikristy,” scriptures.lds.org). Misy zavatra ve ao anatin’ireo andininy ireo izay mety azo ampiharina manokana eo amin’ny fanamby izay hatrehantsika ankehitriny? Ahoana no fomba hanamafisantsika ny tenantsika amin’ny fanoherana ny fampianaran-diso?

  • Nampiasa sariohatra mahaliana i Joda hamariparitana ireo mpampianatra sandoka, na ireo izay “miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory” (Joda 1:10). Afaka manasa mpianatra vitsivitsy ianao ho eny amin’ny solaitrabe hanao ny sarin’ireo sariohatra nofaritana ao amin’ny Joda 1:12–13 raha ny mpianatra hafa kosa hamantatra hoe inona ireo andian-teny asehon’ilay olona manao sary. Ahoana no fomba hanehoan’ireo sary ireo ny mpampianatra sandoka sy ny antikristy? Ohatra, amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fomba fanao ratsy hiteraka “haram-bato voasaron-drano eo amin’ny fanasam-pifankatiavan[tsika]”? Inona no azontsika atao mba hanamifisana ny tenantsika eo anoloan’ireo “mpaniratsira“? (jereo ny Joda 1: 18–21). Inona no antony hanoloran’i Joda soso-kevitra antsika mba “hamindra fo” (Joda 1:22) amin’ireo izay maniratsira ny filazantsara?

1 Jaona 5

Rehefa mampihatra finoana an’i Kristy isika ary aterak’Andriamanitra, dia ho afaka handresy an’izao tontolo izao.

  • Ny iray amin’ny ireo asa atao ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mandroso hevitra ny hikarohana ao amin’ny 1 Jaona 5 mba hahitana ny fomba hahafahantsika mandresy an’izao tontolo izao. Azonao atao tsara ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra izay hitan’izy ireo ary hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe. (Azonao omena fotoana kely ny mpianatra hamerina hijery fohifohy ilay toko.) Na azonao asaina ny mpianatra hamaky ny ampahany amin’ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen hoe “Mandresy izao tontolo izao” (Liahona, Mey 2017, 58–62) ary hizara ny zavatra izay nianaran’izy ireo. Ohatra, inona no fahalalana fanampiny azon’izy ireo avy amin’ny tantara nozarain’ny Loholona Andersen mikasika ny Filoha David O. McKay sy ny Loholona Bruce D. Porter? Angamba afaka mizara ny ohatra manokana avy amin’olona izay tsapan’izy ireo hoe manao ezaka handresena izao tontolo izao ny mpianatra.

    Sary
    fianakaviana miara-mandohalika mivavaka

    Afaka manampy antsika hahita fiadanana anatin’ny tontolo feno korontana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

3 Jaona 1:1–4

Ho tonga ny fifaliana rehefa manampy ny hafa isika “handeha amin’ny fahamarinana.”

  • Mety misy olona ao amin’ny kilasinao izay afaka mahatsapa ny fahatsapana nananan’i Jaona raha nilaza izy fa “tsy manana fifaliana mihoatra” noho ny fandrenesany fa i Gaio (iray amin’ireo “zanany”) dia nandeha araka ny fahamarinana. Hahazo tombontsoa ireo mpianatra amin’ny fifampihainoana ny zavatra niainan’ny tsirairay. Mety ho afaka manomboka ianareo amin’ny fiarahana mamaky ny 3 Jaona1:1–4 sy ny soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny.” Inona no ampianarin’ireo soratra masina ireo mikasika ny loharano mitondra fifaliana marina? Afaka miresaka mikasika ny zavatra tsapany ireo mpianatra amin’ny maha ray aman-dreny azy ireo, na amin’ny maha misiônera sy mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na amin’ny maha mpampianatra rehefa nahafantatra izy ireo fa ny olona izay nampianarin’izy ireo dia mandeha araka ny fahamarinana. Azonao atao ny miantso mpianatra vitsivitsy mialoha ny kilasy, ary miangavy azy ireo hitondra ny sarin’ireo olona izay nampian’izy ireo hanatona an’i Kristy, ary hiresaka mikasika ny zavatra niainan’izy ireo tamin’izany.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ahoana ny fomba ahafahan’ny famantarana tahaka ny dragona, biby manidina, sy ny zanak’ondry novonoina mampianatra antsika mikasika ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny zanany? Asao ny mpianatra hieritreritra io fanontaniana io rehefa mandalina ny Apokalypsy mandritry ny herinandro vitsivitsy ho avy izy ireo.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

1–3 Jaona; Joda

Mampisava ny haizina ny hazavana.

Ny Loholona Robert D. Hales dia nampianatra ny fomba hahafahantsika mandroaka ny haizina eo amin’ny fiainantsika sy ny fandehanana araka ny fahazavana:

“Fony aho zazalahy dia nahazatra ahy ny nandeha bisikleta mody rehefa avy nanao fanazara-tena nanao basikety amin’ny alina. Apetako amin’ny kodiaran’ny bisikiletako ny dynamo kely mamokatra herinaratra. Ka rehefa mivohy aho, dia manodina rotor kely ilay kodiarana, izay mamokatra herinaratra ary miteraka tara-pahazavana tokana tena andrandraina. Tsotra izany milina izany nefa nahomby. Saingy nila nivohy aho mba hampandeha azy! Nianatra haingana aho fa rehefa mijanona tsy mamohy an’ilay bisikiletako aho, dia ho faty ilay jiro. Nianatra ihany koa aho fa rehefa -mazoto mirotsaka- [FF 58:27] amin’ny fivoizana aho dia miha-mazava kokoa ilay fahazavana ary miha-misava ny haizina eo anoloako.

“Ny famokarana fahazavana ara-panahy dia tonga amin’ny alalan’ny fivoizana ara-panahy. Izany dia tonga amin’ny alalan’ny vavaka, ny fandalinana soratra masina, ny fifadian-kanina, ny fandalinana soratra masina, ary ny fanompoana—amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsara sy ny fankatoavana ireo didy”. (“Out of Darkness into His Marvelous Light,” Ensign, mey 2002, 71).

Soratra Masina mikasika ny fanampiana ny hafa handeha amin’ny fahamarinana.

Manatsara ny fampianarantsika

Mivavaha ho an’ny mpianatrareo. Tahaka ny nivavahan’ny Mpamonjy ho an’i Petera (jereo ny Lioka 22:32), dia tokony hivavaka ho an’ireo izay ampianarinao ianao sady manonona ny anaran’izy ireo, ary hiezaka ny hahatakatra izay zavatra ilain’izy ireo manokana. Raha manao izany ianao, dia “hanomana ny fon’izy ireo” (Almà 16:16) ny Ray any An-danitra ary hanampy anao hahafantatra ny zavatra ho ampianarina mba hifanaraka amin’izay ilain’izy ireo (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 6).