Avia, hanaraka Ahy
9–15 desambra. Apokalypsy 1–11: -Ho an’ny Zanak’ondry anie ny … voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay-


“9–15 desambra. Apokalypsy 1–11: -Ho an’ny Zanak’ondry anie ny … voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“9–15 desambra. Apokalypsy 1–11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
i Kristy miambina andian-ondry

Ilay Mpiandry ondry tsara, nataon’i Del Parson

9–15 desambra

Apokalypsy 1–11

“Ho an’ny Zanak’ondry anie ny … voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay”

Ny fahazoana fahatsapana ara-panahy dia manampy anao hanaiky fa te hampianatra anao ny Fanahy Masina. Ny firaketana an-tsoratra sy ny fanarahana ireo fahatsapana ireo dia maneho fa manisy lanja azy ireny ianao ary maniry ny handray bebe kokoa.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Rehefa manomboka fifanakalozan-kevitra momba ny Apokalypsy ianao dia mety hanampy ny manasa ny mpianatra hizara izay fampahalalana ara-tantara nianaran’izy ireo momba ny bokin’ny Apokalypsy nandritra ny fandalinana nataony manokana na niaraka tamin’ny fianakaviany. Afaka miara-mamaky ny sasany amin’ireo fampahalalana nomena ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ianareo na miara-mamaky ny teny iditra ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina hoe “Jaona zanakalahin’i Zebedio” sy ny “Fanambaran’i Jaona.”

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Apokalypsy 1

I Jesoa Kristy no Zanakalahy Velon’ilay Andriamanitra Velona.

  • Noho ny nampiasan’i Jaona sarin-teny sy tandindona ao amin’ny Apokalypsy 1 hamariparitana ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty sy ny asa nataony, dia fomba iray tena tsara ny fandalinana ity toko ity hampiorenana finoana fa velona Izy ary mitarika ny Fiangonany. Azon’ny mpianatra atao tsara ny manoratra andian-teny maromaro avy ao amin’ny Apokalypsy 1 eny amin’ny solaitrabe izay ahitana sarin-teny na tandindona, ary mizara ny zavatra ampianarin’ny tsirairay avy amin’izany azy ireo momba an’i Jesoa Kristy. Ohatra hoe inona no ianarantsika avy amin’ireo tandindona ireo mikasika ny fomba hitarihan’i Kristy ny Fiangonany amin’izao fotoana izao? Toy ny ahoana ny famaritan’i Jaona ny Mpamonjy raha ampitahaina amin’ilay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–4?

Apokalypsy 2–3; 7:13–17

Afaka mandresy ireo olana isika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

  • Misy zavatra itovizantsika amin’ireo Olomasina nanoratan’i Jaona, farafahakeliny amin’ny lafiny iray: miatrika fahoriana isika. Asao ny mpianatra hikaroka ao amin’ny Apokalypsy 2–3 dia hamantatra ireo fitsapana nolalovan’ireo Olomasina tamin’ny andron’i Jaona, ary ampio izy ireo hahatakatra fa nahafantatra ny fitsapana sy ny tanjaky ny sampana tsirairay i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo atao tsara ny mizara zavatra niainana izay nahatsapan’izy ireo fa nahafantatra ny toe-javatra miavaka niainan’izy ireo ny Mpamonjy. Inona no torohevitra nomen’ny Tompo ny Olomasina izay afaka manampy antsika ihany koa handresy ny ady ataontsika?

  • Nanome fampanantenana manentana ny fanahy ho an’ireo izay mandresy ny Tompo ao amin’ireo toko ireo ihany. Afaka manasa ny mpianatra ianao hiara-hiasa tsiroaroa mba hikaroka ao amin’ny Apokalypsy 2–3; 7:13–17 mba hahitana ireo fampanantenan’ny Tompo. Azon’izy ireo atao tsara koa ny manao sary mba hanehoana ny sasany amin’ireo fampanantenana ireo, dia hizara amin’ny mpianatra ny zavatra hitany avy eo. Ahoana no hitaoman’ireo fampanantenana ireo azy ireo hanohy hiezaka handresy ny fitsapana sy fahalemena lalovan’izy ireo manokana?

Apokalypsy 5

I Jesoa Kristy no ilay hany tokana afaka nanao izay hahatanteraka ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  • Hanampy ny mpianatrao hahatakatra ny tandindona ao amin’ny Apokalypsy 5 momba ny Mpamonjy manokatra ilay boky misy tombo-kase ve ny lesona maneho ohatra mivaingana iray? Afaka mitondra tsakitsaky kely ao anatina fitoeran-javatra mihidy mba hozaraina amin’ny mpianatra ianao. Omeo mangingina, mialoha ny fotoam-pianarana, an’ny olona iray ny fanalahidin’izany. Fariparito amin’ny mpianatra izay ao anatin’ilay fitoeran-javatra, dia avelao ny mpianatra maromaro hiezaka hamaha ilay boaty alohan’ny hamahan’ilay olona manana ilay fanalahidy izany. Aorian’izay dia afaka mampitaha io lesona fanehoan-javatra io amin’ny Apokalypsy 5 ny mpianatra. Mety hanampy ny fanontaniana tahaka ireto: Inona no mampitovy ny famonjena ireo zanaky ny Ray any An-danitra amin’ilay fitoeran-javatra mihidy na ilay boky misy tombo-kase? Nahoana no i Jesoa Kristy no ilay hany afaka manokatra ireo tombo-kase? (jereo ilay teny nindramina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”) Inona avy ireo fitahiana niankina tamin’ny fahamendrehan’ny Mpamonjy hanokatra ireo tombo-kase? (jereo ny Apokalypsy 7:14–17).

  • Tahaka ireo olona falifaly voalaza ao amin’ny Apokalypsy 5, isika dia afaka ihany koa amin’izao fotoana izao manandratra ny feontsika hidera ny Mpamonjy ho ilay Hany mendrika ny hanolotra antsika ny famonjena. Azon’ny mpianatra atao tsara ny miara-mihira hira fiderana izay tian’izy ireo indrindra momba ny Mpamonjy. Ohatra, afaka mihira ny “Gloire au Dieu tout puissant!” (Cantiques, lah. 32; ianareo dia mitady ireo fahamarinana ampianarin’io hira io momba an’i Jesoa Kristy. Inona avy ireo zavatra niainana izay nanampy antsika hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ireo fahamarinana ireo? Inona no zavatra mitovy hitantsika ao amin’ny hafatra ao anatin’ilay hira fiderana nataontsika sy ireo fanambarana ao amin’ny Apokalypsy 5:9–14? Ahoana no ahafahantsika mampiasa amin’ny fomba tsaratsara kokoa ireo hira ao amin’ny fihirana any an-trano sy any am-piangonana mba hitsaohana sy hiderana ny Tompo?

Apokalypsy 7

Mialoha ny Fiaviana Fanindroany dia hanangona ny olo-marina ny Tompo ary hanomana azy ireo hiara-hiaina Aminy.

  • Ny Apokalypsy 7 dia mitantara ireo zava-nitranga tao amin’ilay “tombo-kase fahenina,” ary ny sasany amin’izany dia maneho izao androntsika izao. Izy io ihany koa dia mamaly ilay fanontaniana any amin’ny fiafaran’ny toko faha-6 hoe: “Fa tonga ny andro lehiben’ny fahatezeran’ireo, ka iza no mahajanona?” (andininy 17). Azon’ny mpianatra atao tsara ny mitady ny valin’io fanontaniana io ao amin’ny toko 7. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hafa azon’izy ireo hifanakalozana hevitra: Nahoana ny Tompo no nanemotra ny fandravana ny tany ho amin’ny fotoana hafa? Amin’ny fomba ahoana no “[hamehezan’ny ôrdônansy sy fanekempihavava antsika] ho amin’ny andro izay hampidinana tsisy fetra ny fisafoakan’ Andriamanitra”? (FF 1:9). Inona no asa tokony ataontsika amin’ny fanomanana izao tontolo izao amin’ny Fiaviana Fanindroany? Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4–23; 77:8–11 dia mety hanome hevitra fanampiny.

Apokalypsy 1–11

Ny fahitana hitan’i Jaona dia mampianatra ny fomba hanavotan’ny Ray any An-danitra ny zanany.

  • Mety hahita ny mpianatra sasany fa sarotra takarina ny bokin’ny Apokalypsy. Mety hanampy ny fieritreretan’izy ireo ny asasoratr’i Jaona amin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny Ray any An-danitra hanandratana ireo zanany. Rehefa namaky ny Apokalypsy 1–11 tany an-trano ny mpianatra dia mety nahita fahamarinana izay nanampy azy hahatakatra ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany. Mety ho hitan’izy ireo koa fa manampy ny mamaky ny fizarana ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” izay mitondra ny lohateny hoe “Soratra masina momba ny drafitry ny famonjena.” Amporisiho ny mpianatra hanohy hitady ireo soratra masina izay mampianatra ireo fahamarinana momba ny drafitry ny famonjena rehefa mamaky ny sisa tavela amin’ny Apokalypsy izy ireo, ary omeo fahafahana izy ireo mandritra ireo lesona amin’ny ho avy hizara ny zavatra hitany.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny mpianatra hieritreritra ny fombafomba fanao tena tian’izy ireo isaky ny Krismasy. Asao izy ireo hamaky ny rindran-damina ho an’ny herinandro manaraka mba hitadiavana hevitra mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo mampifantoka ny fankalazany amin’i Jesoa Kristy.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Apokalypsy 1–11

Soratra masina momba ny drafitry ny famonjena.

Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Fiainana talohan’ny nahaterahana

Fiainana an-tany

Fiainana aorian’ny fiainana an-tany

I Jesoa Kristy irery ihany no afaka nanatontosa ny Sorompanavotana ho antsika.

Rehefa namariparitra ireo zava-nitranga tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nampianatra hoe:

“Nanolo-tena i Kristy ny hanaja ny safidim-pitondrantenan’ny olombelona rehetra na dia teo am-panaovany ny sorom-panavotana noho ny fahotan’izy ireo aza. Ao anatin’izany dingana izany dia ho averiny amin’ny Ray ny voninahitra rehetra noho ny fanomezana izany fitiavana manavotra izany.

“Azo notanterahina io Sorompanavotana tsy misy fetra nataon’i Kristy io satria (1) Izy no hany olona tsy nanam-pahotana tamin’izay rehetra niaina teto amin’ity tany ity ka noho izany dia tsy niharan’ny fahafatesana ara-panahy vokatry ny fahotana, (2) Izy no Zanaka tokan’ny Ray ka noho izany dia nanana ny toetran’ny Andriamanitra izay nanome Azy ny hery handresena ny fahafatesan’ny vatana, ary (3) Izy no hita miharihary fa hany nanana fanetrentena ampy sy vonona tany amin’ny filankevitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana mba hotendrena mialoha hanao izany asa fanompoana izany” (“The Atonement of Jesus Christ,” Ensign na Liahona, mar. 2008, 35).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampiasao ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany. “Nandidy antsika ny Tompo mba -hifamp[ianatra] ny fotopampianaran’ny fanjakana- (F&F 88:77) sy hampiasa ny soratra masina mba -hampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara[ny]- (F&F 42:12). Ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny andro farany no loharanon’ireo fahamarinana ampianarintsika” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 21).