Avia, hanaraka Ahy
23–29 desambra Apokalypsy 12–22: -Izay maharesy no handova izany zavatra izany-


“23–29 desambra. Apokalypsy 12–22: -Izay maharesy no handova izany zavatra izany-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“23–29 desambra. Apokalypsy 12–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
i Jesoa Kristy miarahaba ireo olona amin’ny Fiaviany Fanindroany.

Ilay Tanàna Mandrakizay, nataon’i Keith Larson

23–29 desambra

Apokalypsy 12–22

“Izay maharesy no handova izany zavatra izany”

Inona no ampianarin’ny ady eo amin’ny tsara sy ny ratsy izay nofariparitana ao amin’ny Apokalypsy anao mikasika ny maha zava-dehibe ny fanarahana an’i Kristy eto an-tany? Rehefa avy mandalina an’io fitsipika io ianao dia eritrereto ireo zavatra izay ilain’ny mpianatrao. Inona avy ireo fahamarinana ao amin’ny Apokalypsy izay afaka hanampy ny mpianatrao hanao safidy tsara?

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Koa satria tonga eo am-pamaranana ny fandalinana ny Testamenta Vaovao ny mpianatrao dia amporisiho izy ireo hizara ireo eritreriny mikasika ny Testamenta Vaovao. Ahoana no fomba nampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo tamin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Apokalypsy 12:7–11

Mandresy an’i Satana isika “amin’ny alalan’ny ran’ny Zanak’ondry, sy amin’ny alalan’ny teny filazan[tsika] azy.”

  • Ny fianarantsika mikasika ny Ady tany An-danitra dia afaka manampy antsika hahatakatra kokoa ny fiainana an-tany. Azon’ny mpianatra vakina ny Dikantenin’i Joseph Smith, Apokalypsy 12:7-11 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra masina) ary jereo hoe ahoana no fomba nandresentsika an’i Satana sy ny tafiny tany amin’ny Ady tany an-Danitra. Inona no hevitra fanampiny azontsika avy amin’ny fisian’ny Ady tany An-danitra ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na ny Sujets de l’Evangile? (topics.lds.org). Inona no zavatra ianarantsika izay afaka manampy antsika hanohitra ny fahavalo mandritra ny fiainantsika eto an-tany?

  • Inona no dikan’ny hoe ny Zanak’ondry dia “voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao”? (Apokalypsy 13:8; jereo ihany koa ny Apokalypsy 5:6). Hevero ny hanampiana ny mpianatrao hitady ny valin’io fanontaniana io amin’ny fiarahan’ny kilasy mamaky ny Môsià 3:13 sy ny Mosesy 7:47. Inona no dikan’ny hoe maharesy an’i Satana “amin’ny alalan’ny ran’ny Zanak’ondry”? (Apokalypsy 12:11).

Apokalypsy 17–18

Tsy maintsy mihataka amin’ny fahavetavetan’izao tontolo izao isika.

  • Tsy dia mahafinaritra loatra ny mamaky mikasika ny fahavetavetan’i Babylona sy ny faharavany ao amin’ny Apokalypsy 17–18, kanefa mampianatra zavatra izany satria i Babylona dia azo raisina ho toy ny tandindon’ny tontolo ratsy izay iainantsika ankehitriny. Mety ho azonao zaraina amina vondrona mpianatra vitsivitsy ireo toko ireo, ary iangavio izy ireo hitady valiny ho an’ny fanontaniana toy ny hoe: Fa nahoana ny olona no voasarika ho any Babylona, na any amin’ny fiainana araka izao tontolo izao? Nahoana no mampidi-doza i Babylona? Inona no hitranga amin’i Babylona? Inona no fampitandremana nomen’i Jaona hanampiana antsika hiala amin’ny faharatsian’i Babylona?

  • Rehefa avy mamaky ny Apokalypsy 18:4, dia mety misy mpianatra haniry hiresaka mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo hiala tao Babylona ary “tsy hiombona ota aminy.” Ohatra, inona no soratra masina na hafatra avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana nanampy antsika hahatohitra ireo fakam-panahin’ny Babylona na izao tontolo izao? Diniho ny hijerena ilay horonan-tsary hoe “Ne craignez pas d’être seul” na “Nous séparer du monde” (LDS.org) na ny hamakiana ny tenin’ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny.” Inona avy ireo hevitra azon’ny mpianatra zaraina mikasika ny fomba hampiarana ireo fitsipika roa voalazan’ny Loholona Cook? Amin’ny lafiny inona no hahafahantsika “mivoaka” tao Babylona. (jereo ohatra ny, FF 133:12–14). Inona no azontsika atao mba hamporisihana ny hafa hanao tahaka izany koa?

Apokalypsy 19:5–20:15

Afaka miomana ho amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany sy ny Andron’ny Fitsarana isika.

  • Mazàna ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany no antsoina hoe “andron’i Jehovah izay sady lehibe no mahatahotra” (Joela 3:4), ary raha ny ao amin’ny Apokalypsy 19–20, dia toa famaritana tsara izany. Hevero ny hanoratana ny sasany amin’ireo zava-nitranga notantaraina ao amin’ny Apokalypsy 19:5–20:15 eo amin’ny solaitrabe. Asao ireo mpianatra hitady ireo andininy izay mamaritra ireo zava-nitranga ireo. Nahoana ireo zava-nitranga ireo no antsoina hoe lehibe sy mahatahotra? Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny Mpamonjy sy ireo mpanaradia azy? Inona no azontsika atao dieny izao mba ho anisan’ireo izay hifaly amin’ny fotoana hiaviany?

  • Mba hitaomana ny mpianatra hanao fifanakalozan-kevitra momba ny bokin’ny fiainana, dia azonao asaina ny mpianatra hamorona bokikely avy amina taratasy mivalona efatra. Avy eo izy ireo dia hamaky ny Apokalypsy 20:12–15, sy handalina izay tian’izy ireo hosoratana mikasika azy ireo ao amin’ny bokin’ny fiainana, ary hanoratra izany ao anatin’ny bokin’izy ireo. (Azo jerena ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ny famaritana ny atao hoe “bokin’ny fiainana.“) Inona no ho tsapantsika raha toa antsoina eo anoloan’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra isika androany? Ampiasao mandritra ny fifanakalozan-kevitra ny hafatry ny Loholona Jörg Klebingat ao amin’ny “Manatona ny seza fiandrianan’ Andriamanitra amim-patoakiana” (Liahona, nôv. 2014, 34–37). Azonao averina jerena ihany koa ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe “Aoka ho tanteraka ianareo—amin’ny farany” (Liahona, nôv. 2017, 40–42). Inona no hidiran’ireo hafatra ireo amin’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fiomanana amin’ny Andron’ny Fitsarana?

Apokalypsy 21:1–22:5

Hotahiana amin’ny voninahitra selestialy isika raha toa ka mahatoky.

  • Na dia voambara mialoha aza fa izao andro farany izao dia feno faharatsiana sy fahoriana, ny valisoa izay hitan’i Jaona ho an’ireo mahatoky dia lehibe lavitra noho ireo fahoriana izay nialoha izany. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny hatsaran’ny famaranana ny Apokalypsy dia asao izy ireo hamaky ny Apokalypsy 21:1–22:5, ary hikaroka ireo andian-teny izay mitaona fanahy azy ireo hiezaka hahazo ny voninahitra selestialy. Inona no fampanantenana natao tamin’ny mahatoky? Ahoana no fomba hanampian’io famaritana io antsika rehefa miatrika ny fanamby na fitsapana eo amintsika isika?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanentanana ny mpianatra handalina ny Bokin’i Môrmôna amin’ny taona ho avy—izy ireo manokana sy miaraka amin’ny fianakaviany—dia zarao ny sasany amin’ireto fampanantenana miendrika faminaniana ireto.

Ny Filoha Gordon B. Hinckley : “Tsy amim-pisalasalana no hampanantenako anareo fa raha toa ny tsirairay aminareo [hamaky ny Bokin’i Môrmôna], na efa impiry na impiry ianareo no namaky izany teo aloha, dia ho tonga eo amin’ny fiainanareo sy ao amin’ny tokantranonareo amin’ny fatra bebe kokoa ny Fanahin’ny Tompo, sy ny fanapahan-kevitra matanjaka kokoa hankatò ny didiny, ary fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa ny amin’ny maha-velona marina ny Zanak’Andriamanitra”(“A Testimony Vibrant and True,” Ensign, aog. 2005, 6).

Filoha Thomas S. Monson: “ Miangavy antsika tsirairay aho mba handalina sy hisaintsaina amim-bavaka isan’andro ny Bokin’i Môrmôna. Raha manao izany isika, dia ho afaka mandre ny feon’ny Fanahy, manohitra ny fakam-panahy, mandresy ny ahiahy sy ny tahotra, ary mandray ny fanampian’ny lanitra eo amin’ny fiainantsika.”(“Ny herin’ny Bokin’i Môrmôna,” Liahona, mey 2017, 87)

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Apokalypsy 12–22

Misafidy ny fahamarinana eo anoloan’ny faharatsian’i Babylona.

Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook hoe:

“Tsy afaka miala amin’izao tontolo izao isika. Tsy vahaolana ny fitokana-monina. Amin’ny lafiny tsara, ny fifandraisantsika amin’izao tontolo izao dia anisan’ny fanamby ho antsika ary tena ilaina rehefa hampitombo ny talentantsika isika. … Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tokony hiaina ao anatin’izao tontolo izao amin’ny lafiny tsara. Ahoana ny fomba hampifandanjatsika ilay filàna ny fandraisana anjara amin’ny lafiny tsara eo amin’izao tontolo izao kanefa sady tsy lavo voampetimpetin’ny fahotan’izao tontolo izao? (Jereo ny FF 25:10; FF 59:9.) Fitsipika roa no hampisy fahasamihafana manan-danja.

“1. Aoka ho fantatr’olona fa ianao dia Olomasin’ny Andro Farany mpanolo-tena. …

“2. Aoka ianao ho mahatoky sy hiaina ny finoanao” (“Lesona avy amin’ny Testamenta Taloha: Eo amin’izao tontolo izao fa tsy anisan’izao tontolo izao,” Ensign, feb. 2006, 54–55).

Ny bokin’ny fiainana.

Filipiana 4:3; Apokalypsy 3:5; 17:8; 2 Nefia 29:11; Almà 5:58; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:6–7, 9; 128:6–7.

“Amin’ny lafiny iray, ny Bokin’ny Fiainana dia ny fitambaran’ireo eritreritra sy zavatra rehetra nataon’ny olona iray—ny tantaran’ny fiainany. Na izany aza anefa, dia manambara ny soratra masina fa misy rakitsoratra masina avy any an-danitra, tanana momba ireo mahatoky, ka ao anatin’izany ny anarany sy ny fitantarana ny zavatra marina vitany” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Bokin’ny fiainana”)

Manatsara ny fampianarantsika

Tsy maninona ny miteny hoe “tsy fantatro.” “Na dia zavatra mahazatra aza ny faniriana hamaly ny fanontaniana rehetra dia tsara ao anatin’ny toe-javatra sasany ny miteny tsotra fotsiny hoe: -Tsy fantatro. Ndeha hohalalinintsika manokana izany fanontaniana izany amin’ity herinandro ity dia azontsika ifanakalozana hevitra izany amin’ny manaraka.-”(Mampianatra araka ny fomban’ny Tompo, 24). Angataho ny mpianatra hitady valinteny ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ireo loharano hafan’ny Fiangonana.