Testamenta Taloha 2022
12–18 desambra. Malakia: “Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah”


“12–18 desambra. Malakia: -Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“12–18 desambra. Malakia,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
Ilay sarivongana Christus

12–18 desambra

Malakia

“Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah”

Tian’ny Tompo ireo ankizy ampianarinao. Ahoana no hanampianao ireo ankizy hahatsapa ny fitiavany rehefa mampianatra ny fotopampianarana hita ao amin’ny bokin’ny Malakia ianao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Vakio izao fehezan-teny manaraka avy tao amin’ny Malakia 1:2 izao: “Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah.” Asao ny ankizy tsirairay hizara fomba iray izay ahafantarany fa tia azy ireo ny Tompo. Rehefa avy mizara ny ankizy tsirairay dia isaory izy ary zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fitiavan’ny Tompo izany ankizy izany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Malakia 3:10–12

Hitahy ahy ny Ray any An-danitra rehefa mandoa fahafolonkarena aho.

Na dia mbola tsy mandray vola aza ireo ankizy kely ampianarinao, dia mbola afaka mianatra momba ireo fitahiana amin’ny fandoavana fahafolonkarena izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ireo ankizy hanisa zavatra madinika folo, toy ireo vola vy ao amin’ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity. Asao izy ireo hanasaraka ny iray amin’izany zavatra izany amin’ny hafa, dia hazavao fa tahaka izany ny fahafolonkarena omentsika ny Tompo. Omentsika ny ampahafolon’izay azontsika Izy. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fomba hitahian’ny Tompo antsika rehefa mandoa fahafolonkarena isika. Miaraha mihira amin’ny ankizy hira momba ny fahafolonkarena.

  • Manaova sarina varavarankely eny amin’ny solaitrabe, dia vakio amin’ny ankizy ny Malakia 3:10. Asao izy ireo hanondro eo amin’ilay varavarankely rehefa mamaky ny hoe “varavaran’ny lanitra” ianao. Hazavao fa midika izany fa manome antsika fitahiana lehibe ny Ray any An-danitra rehefa mandoa fahafolonkarena isika. Eo am-pandokoan’ireo ankizy ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity dia miresaha momba ny antony andoavantsika ny fahafolonkarena.

  • Mizarà tantara iray avy ao amin’ny gazetiboky Namana na avy amin’ny fiainanao manokana momba ny fandoavana fahafolonkarena. Asao ireo ankizy hihaino ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena.

Malakia 3:23–24

Fehezina ho fianakaviana isika any amin’ny tempoly.

Noho ny fanalahidin’ny famehezana an’ny fisoronana izay nomen’i Elia an’i Joseph Smith tao amin’ny tempolin’i Kirtland dia afaka ny ho iray mandrakizay ny fianakaviana. Rehefa mampianatra io fahamarinana io ianao dia mahaiza mihaino ny fahatsapan’ireo ankizy izay tsy mbola nofehezina tany amin’ny tempoly ny fianakaviany.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Malakia 4:5. Avy eo dia lazao azy ireo fa io fampanantenana io dia tanteraka rehefa niseho tamin’i Joseph Smith tao amin’ny tempolin’i Kirtland i Elia (jereo ny “Toko 40: Ireo fahitana tao amin’ny Tempolin’i Kirtland,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana,157). Asehoy ny sarin’io tantara io (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.95), avy eo dia asao ny ankizy hanondro an’i Elia sy i Joseph Smith. Hazavao fa noho ny fahatongavan’i Elia dia azo fehezina any amin’ny tempoly ny fianakaviantsika. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha-zava-dehibe ny famehezana ny fianakaviana.

  • Lazao amin’ireo ankizy ny momba ny fitiavanao ny fianakavianao, manehoa sary raha azo atao. Manasà ankizy vitsivitsy hizara ny zavatra tsapany momba ny fianakaviany. Miaraha mihira hira iray momba ny fianakaviana, tahaka ny “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 98), ary mijoroa ho vavolombelona fa tian’ny Ray any An-danitra ho fehezina ny fianakaviana rehetra ary izany no antony iray isian’ny tempoly. Ampio ireo ankizy hahatakatra fa noho i Jesoa Kristy dia afaka ny hofehezina amin’ireo fianakaviana izay tsy nanana fahafahana nankany amin’ny tempoly fony fahavelony isika. Asao ireo ankizy hanao sarin’ny fianakaviany miaraka any an-danitra.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Malakia 3:8–10

Hitahy ahy ny Ray any An-danitra rehefa mandoa fahafolonkarena aho.

Ny fandoavana fahafolonkarena dia resaka finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy fa tsy dia resa-bola loatra. Inona no takatr’ireo ankizy ampianarinao momba ny fahafolonkarena? Ahoana no hanampianao azy ireo hanana ny finoana handoavana fahafolonkarena?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana momba ny fahafolonkarena tahaka ireto manaraka ireto: Inona no atao hoe fahafolonkarena? Ahoana no fomba handoavako ny fahafolonkarena? Inona no ilana ny fahafolonkarena? Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena? Asao ireo ankizy hikaroka ao amin’ny Malakia 3:8–12 sy ny “Fahafolonkarena” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) ka hanoratra ny valiny izay hitan’izy ireo. Asao izy ireo hifampizara ny valinteniny. Lasa karazana olona manao ahoana isika rehefa mandoa fahafolonkarena?

  • Vakio miaraka ny Marka 12:41–44. Inona no ampianarin’io tantara io antsika momba ny fahatsapan’ny Tompo ny fanatitra ataontsika?

  • Manaova sarina varavarankely eny amin’ny solaitrabe, dia asao ireo ankizy hanoratra ao anatin’ilay varavarankely ireo fiahiana izay mety ho azon’ny olona iray noho ny fandoavana fahafolonkarena (mba hahitana hevitra dia jereo ny Malakia 3:10–12). Asao ireo ankizy hizara ohatra manokana momba ny fomba nahavoatahy azy ireo na ny fianakaviany tamin’ny fandoavana fahafolonkarena tamim-pinoana. Na afaka mizara ohatra avy amin’ny fiainanao manokana ianao momba ny fomba nampitomboan’ny fandoavana fahafolonkarena ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sary
Elia miseho amin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny tempolin’i Kirtland

Sary fanehoana ny nisehoan’i Elia tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny tempolin’i Kirtland, nataon’i Robert T. Barrett

Malakia 3:23–24

“Izaho haniraka an’ i Elia mpaminany.”

Ny faminanian’i Malakia momba an’i Elia mpaminany dia tanteraka rehefa niseho tamin’i Joseph Smith tao amin’ny tempolin’i Kirtland i Elia ka nanome azy ireo fanalahidin’ny fisoronana izay mamela ny fianakaviana ho fehezina mandrakizay. Azonao atao ny manasa olona iray ao amin’ny paroasy izay manana andraikitra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana (toy ny mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona na Fikambanana Ifanampiana) mba hanampy anao hampianatra io fotopampianarana io amin’ireo ankizy. Tsarovy ny hihaino ny fahatsapan’ireo ankizy izay tsy mbola nofehezina ny fianakaviany.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eo amina tapa-taratasy misaraka ny andian-teny tsirairay ao amin’ny Malakia 3:23–24. Omeo ny ankizy ireo tapa-taratasy ary asao izy ireo handamina ireo tapa-taratasy araka ny filaharany. Vakio miaraka ireo andininy ary ifanakalozy hevitra ny fanontaniana toy ireto: Iza no nampanantenain’ny Tompo fa halefany? Oviana no nolazainy hahatongavan’io olona io? Inona no nolazain’ny Tompo fa hataon’io olona io? Nahoana no ilaina ny fahatongavan’io olona io? Taiza io faminaniana io no tanteraka? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16).

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana toy izao: Midika inona ny hoe ny fon’ny zanaka hitodika ho amin’ny rainy? (jereo ny Malakia 3:24). Asao ireo ankizy hizara ny eritreriny momba ny fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Resadresaho ny zavatra niainanao na niainan’ireo ankizy nianatra momba ny tantaram-pianakaviana.

  • Asehoy ny sarin’i Elia ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Asao ireo ankizy hizara ny zavatra fantany momba ny zava-mitranga asehon’io sary io (jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16). Mijoroa ho vavolombelona fa ny herin’ny famehezana izay naverin’i Elia tamin’ny laoniny dia mamela ny fianakaviana ho iray mandrakizay, tafiditra amin’izany ireo fianakaviana tsy nanana izany fahafahana izany tamin’ny fahavelony. Raha efa nandray anjara tamin’ny famehezana ianao, na ho an’ny tenanao na olona efa maty, dia resaho ny zavatra tsaroanao nandritra izany ôrdônansy izany. Angataho ireo ankizy hizara ny fahatsapany momba ny fianakaviany sy momba ny drafitr’ Andriamanitra hanampiana ny fianakaviana hiaraka mandrakizay.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hieritreritra zavatra izay nianarany nandritra ny fampianarana androany, ary mangataha ankizy vitsivitsy hizara. Amporisiho ny ankizy rehetra hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra izay nianarany momba ny fampianaran’i Malakia.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny ankizy mba handray anjara ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara. Azonao atao ny mieritreritra fomba tsara hamporisihana ny ankizy kely mba handray anjara ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara. Ohatra, afaka mifanipy baolina ireo ankizy ary hizara ny valinteniny amin’ny fanontaniana iray rehefa mihazona an’ilay baolina.