Testamenta Taloha 2022
5–11 desambra. Hagay; Zakaria 1–3; 7–14: “Hamasinina ho an’i Jehovah”


“5–11 desambra. Hagay; Zakaria 1–3; 7–14: -Hamasinina ho an’i Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“5–11 desambra. Hagay; Zakaria 1–3; 7–14,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
Tempolin’i Laie Hawaii

5–11 desambra

Hagay; Zakaria 1–3; 7–14

“Hamasinina ho an’i Jehovah”

Vakio ombam-bavaka ny Hagay sy ny Zakaria, dia saintsaino ireo fahatsapana voarainao. Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana ao amin’ireo boky ireo manampy amin’ny fanomezana ny zavatra ilain’ireo ankizy?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Manaova sarin’endrika faly eo amin’ ny taratasy iray, dia avelao ny ankizy tsirairay hifandimby hihazona izany. Mandritra ny fotoana hihazonan’izy ireo izany dia asao izy ireo hizara zavatra izay nianarany momba ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy ka mahafaly azy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Hagay 1:6–8

Azoko atao lohalaharana eo amin’ny fiainako Andriamanitra.

Ny fianarana mikasika ny torohevitry ny Tompo hoe “hevero ny làlanareo” dia fahafahana ho an’ny ankizy haka antoka fa manao ireo zavatra manan-danja asain’Andriamanitra ataontsika izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao amin’ny ankizy fa tian’ny Tompo hanangana tempoly ny Isiraelita, saingy zavatra hafa kosa no nataon’izy ireo. Vakio mafy ny Hagay 1:7, dia hazavao fa ny hoe “hevero ny làlanareo” dia midika hoe tian’ny Tompo hieritreritra ireo Isiraelita raha toa izy ireo ka manao ireo zavatra manan-danja indrindra na tsia. Vakio amin’ny ankizy ny andininy 8 dia asao izy ireo hanao fihetsika toy ny hoe “[miakatra] any an-tendrombohitra,” “[maka] hazo,” ary “[manao] ny trano[n’ny Tompo].” Inona no zavatra manan-danja tian’Andriamanitra ataontsika?

  • Ataovy mihohoka eo amin’ny latabatra iray ireo sary izay maneho ny sasany amin’ireo zavatra manan-danja amin’Andriamanitra, toy ny soratra masina, ny vavaka, ary ny tempoly. Avelao ny ankizy hifandimby hifidy sary iray ary hampiseho izany amin’ny iray kilasy. Ampio izy ireo hahatakatra ny antony maha-manan-danja ny fakana antoka fa manokana fotoana ho an’ny tsirairay avy amin’ireo zavatra ao amin’ireo sary isika.

Zakaria 3:1–7

Afaka manadio ny fanahiko i Jesoa Kristy.

Ilay fitafiana maloton’i Josoa mpisoronabe voafariparitra ao amin’ny Zakaria 3:1–7, dia maneho ny zavatra mitranga rehefa manota isika. Afaka ny ho lasa madio isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy, tahaka ny nanadiovana an’i Josoa rehefa nahazo fitafiana vaovao izy.

Asa atao azo tanterahina

  • Avelao ny ankizy hifanolotolotra lobaka maloto iray, dia vakio ny Zakaria 3:3. Avy eo dia mifanolotolora lobaka madio iray, ary vakio ny andininy 4. Resaho amin’ny ankizy ny antony mampitovy ny fanaovana safidy ratsy amin’ny fahatongavana ho maloto ara-panahy, kanefa afaka manadio antsika indray ny Mpamonjy. Inona no tsapantsika rehefa madio isika? Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa noho i Jesoa Kristy nijaly sy maty ho antsika, dia hadio amin’ny fahotantsika isika rehefa mibebaka.

  • Raha azo atao dia ampisehoy ny ankizy ny sarin’ny olona iray fantatr’izy ireo, izay manao akanjo fotsy nandritra ny batisany (na jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 103, 104). Nahoana isika no manao akanjo fotsy mandritra ny batisantsika? Mihirà hira momba ny batisa, toy ny “Rehefa atao batisa aho”Bokin-kiran’ny ankizy,53). Asao ny ankizy hanao ny sariny atao batisa sy hizara ny fahatsapany mikasika ny hanaovana batisa azy ireo indray andro any.

Zakaria 2:10; 9:9; 14:3–9

Mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany.

Tahaka ireo mpaminany hafa ao amin’ny Testamenta Taloha, i Zakaria dia naminany momba an’i Jesoa Kristy. Inona no azon’ireo faminaniana ao amin’ny Zakaria 2:10; 9:9; 14:3–9 ampianarina an’ireo ankizy momba Azy?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy miditra ao Jerosalema mitaingina zana-boriky (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 49). Lazao amin’ny ankizy fa taona maro talohan’ny nahatongavan’i Jesoa teto an-tany dia naminany i Zakaria fa hitaingina zana-boriky i Jesoa Kristy rehefa hiditra ao Jerosalema alohan’ny hahafatesany ho antsika. Eo am-pamakianao ny Zakaria 9:9, dia angataho ny ankizy hanondro ireo olona ao amin’ilay sary izay “[mifaly] indrindra” ary hanondro ihany koa ilay Mpanjaka. Iza ilay Mpanjaka? Asao ny ankizy hizara ny antony maha-velom-pankasitrahana azy ireo noho i Jesoa.

  • Vakio amin’ny ankizy ny sasany amin’ireo faminaniana nataon’i Zakaria mikasika ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany, toy ireo izay hita ao amin’ny Zakaria 2:10; 14:9. Angataho ny ankizy hanao sary maneho ny zavatra mety hitranga rehefa miverina indray i Jesoa, na miaraha-mihira hira momba ny Fiaviana Fanindroany, toy ny “Raha ho avy indray Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 46–47).

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Hagay 1:2–8

“Hevero ny làlanareo”

Zava-dehibe ho antsika rehetra ny mahafantatra ireo zavatra tokony hataontsika laharampahamehana sy ny fakana fotoana “[hiheverana] ny lala[ntsika].” Ahoana no ahafahanao manentana ny ankizy hanokana fotoana ho an’ireo zavatr’Andriamanitra eo amin’ny fiainany?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Hagay 1:2–5 mba hahitana ny antony tsy nahafaly ny Tompo tamin’ny Israelita. Angataho ireo ankizy hifidy andian-teny iray avy ao amin’ny andininy 6 dia hanao sary izany. Avelao ny mpianatra hamantatra ny andian-teny asehon’ny sary tsirairay. Miresaha mikasika ny fomba mampitovy ny fanokanana fotoana amin’ireo zavatra ankoatra izay ilain’ny Tompo amin’ny fihinanana sakafo kanefa tsy voky, ny fanaovana akanjo kanefa tsy mafana, sns. Nahoana no zava-dehibe ny manokana fotoana ho an’ireo zavatra manan-danja amin’ny Tompo?

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe “Hevero ny làlanareo” (andininy 7). Asao ny ankizy tsirairay hanao lisitra ireo zavatra mety ho ataony amin’ny andro iray manokana, tafiditra ao anatin’izany ireo zavatra asain’ny Tompo ataontsika. Angataho ny ankizy “[hihevitra] ny lala[n’izy ireo]” amin’ny alalan’ny fanisiana faribolana ny zavatra mety holazain’ny Tompo fa zavatra manan-danja indrindra ao anatin’ny lisitra nataon’izy ireo. Ahoana no ahafahantsika maka antoka fa manokana fotoana isan’andro isika ho an’ireo zavatra tian’ny Tompo ataontsika?

Sary
zazavavy kely ataon’ny lehilahy iray batisa

Manao akanjo fotsy isika amin’ny batisantsika mba hanehoana fa afaka manadio antsika i Jesoa Kristy rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika isika (jereo ny Zakaria 3:3–4).

Zakaria 3:1–7

Ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana dia afaka manampy ahy ho lasa tahaka ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa.

Tao anatin’ny fahitana iray no nahitan’i Zakaria ny mpisoronabe iray nantsoina hoe Josoa, izay “nitafy fitafiana maloto” (Zakaria 3:3). Nanome azy fitafiana madio ny anjely iray ary nanazava fa izany dia tandindon’ny fanadiovana azy tamin’ny fahotany. Azonao ampiasaina io fahitana io mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ireo fanekempihavanana sy fitahiana mifandray amin’ny batisa.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Zakaria 3:1–7 dia hifanakalozy hevitra ny fanontaniana tahaka ireto: naneho inona ny “fitafiana maloto” nanaovan’i Josoa? Ahoana no ahatongavantsika ho madio amin’ny fahotantsika? Ahoana no hanampian’ny fanekempihavanantsika tamin’ny batisa antsika “[h]izotra amin’ny lala(n’ny Tompo]”?

  • Asao andro vitsivitsy alohan’ny fotoam-pianarana ny ankizy iray mba hiomana hiresaka mikasika ny batisany ao an-dakilasy. Iaraho mijery ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny batisa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37). Hanampy antsika hitovy kokoa amin’ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fitandremana ny fampanantenana nataontsika? Ahoana no hanampian’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro antsika hitandrina ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa?

Zakaria 9:9–11; 11:12; 13:6–7

I Jesoa Kristy no ilay Mesia nampanantenaina.

Inona no azon’ny ankizy ianarana avy amin’ireo faminanian’i Zakaria momba an’i Jesoa Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao tsiroaroa ny ankizy. Omeo ny vondron’olon-droa tsirairay ny iray amin’ireto faminaniana avy amin’i Zakaria ireto, miaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Testamenta Vaovao izay mamariparitra ny fahatanterahan’izany: Zakaria 9:9 sy Matio 21:5–9; Zakaria 9:11 sy 1Petera 3:18–19; Zakaria 11:12 sy Matio 26:14–16; Zakaria 13:7 sy Matio 26:31. Angataho ny vondron’olon-droa tsirairay hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andinin-tsoratra masin’izy ireo sy ny antony hankasitrahan’izy ireo Azy.

  • Asehoy ny sary 50, 60, ary64 ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto toko sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto dia asao ny ankizy hampifandray ireo toko sy andininy amin’ireo sary: Zakaria 9:9; 13:6; 13:7. Asao ny ankizy hizara ny zavatra tsapany momba an’i Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hirakitra an-tsoratra ny fahamarinana iray izay nianaran’izy ireo tao an-dakilasy. Asao izy ireo hifanakalo hevitra miaraka amin’ny fianakaviany mikasika ny fomba ahafahany mahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba izany fahamarinana izany.

Manatsara ny fampianarantsika

Asehoy ny fahaizanao mamorona. Avelao ireo hevitra ato amin’ity rindran-damina ity hamporisika ny fahaizanao mamorona. Eritrereto ny zavatra ho ankafizin’ireo ankizy ao amin’ny kilasinao sy hanampy azy ireo hahita fifandraisana eo amin’ireo soratra masina sy ny fiainan’izy ireo.