Testamenta Taloha 2022
18–24 jolay. Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8: “Asa lehibe no ataoko”


“18–24 jolay. Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8: -Asa lehibe no ataoko-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“18–24 jolay. Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
tempolin’i Zerobabela

Sary maneho ny tempolin’i Zerobabela, nataon’i Sam Lawlor

18–24 jolay

Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–68

“Asa lehibe no ataoko”

Eo am-pandalinanao dia eritrereto hoe inona amin’ireo hafatra ao amin’ny Ezra sy Nehemia no tena ilain’ireo ankizy ampianarinao. Manaova drafi-pampianarana ahitana ireo fahatsapana voarainao avy tamin’ny Fanahy Masina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Zerobabela, Ezra, ary Nehemia. Manaova na manehoa sary izay misy ifandraisany amin’ireo olona ireo, toy ny tempoly, soratra masina, ary ny mandan’i Jerosalema. Ampio ireo ankizy hampifandray ireo anarana amin’ireo soratra masina, ary avelao izy ireo hizara ny zavatra fantany momba ny zavatra nataon’ireo olona ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Ezra 3:8–13

Afaka mitondra fifaliana ho ahy ny tempoly.

Ny tantaran’i Zerobabela sy ny Jiosy nanorina indray ny tempoly dia afaka manampy ireo ankizy ampianarinao hifaly amin’ireo fitahiana tonga noho ny tranon’ny Tompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hiresaka momba ny zavatra izay mahafaly azy ireo. Mampisehoa sarin’olona mitsiky eo anoloan’ny tempoly (tahaka ny sary ato amin’ity rindran-damina ity), dia anontanio ny ankizy ny mety mahafaly be an’izany olona izany. Mijoroa ho vavolombelona fa ny tempoly dia tranon’ny Tompo, ary miresaha momba ny fotoana iray izay nahatsapanao fifaliana noho ny tempoly.

  • Vakio amin’ny ankizy ny ampahany farany amin’ny Ezra 3:12, ary hazavao fa rehefa nametraka ny fototr’ilay tempoly ny Jiosy dia, “maro … no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly.” Asao ireo ankizy hihiaka fifaliana. Ampio izy hieritreritra ireo antony ahafahantsika ho faly mikasika ny tempoly. Ohatra, any amin’ny tempoly isika dia mifanome fampanantenana amin’ Andriamanitra izay manome fahafahana ny fianakaviantsika hiaraka mandrakizay.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny hira iray momba ny tempoly, toy ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99). Miatoa isaky ny andalana mba hangatahana ankizy iray hizara zavatra tiany momba ny tempoly.

    Sary
    fianakaviana mandeha eo an-tokotanin’ny tempoly

    Ny tempoly dia afaka ny ho loharanom-pifaliana eo amin’ny fiainantsika.

Nehemia 2:17–20; 6:1–9

Hanampy ahy hanatanteraka ny asany ny Tompo.

Rehefa nanarina ireo manda nanodidina an’i Jerosalema i Nehemia dia niezaka nanajanona azy ireo fahavalony, saingy nijanona ho mahatoky tamin’ny zavatra nataony izy. Inona avy ireo zavatra manan-danja sasany tian’ny Tompo hataon’ireo ankizy, ary ahoana no hitaomanao azy ireo ho mahatoky amin’izany asa izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao amin’ny ankizy ny tantaran’i Nehemia (jereo ny Nehemia 2:17–20; 6:1–9; Dieter F. Uchtdorf, “We Are Doing a Great Work and Cannot Come Down,” Liahona, May 2009, 59–62). Lazao amin’ireo ankizy ny zavatra nolazain’i Nehemia rehefa niomehezan’ny olona izy satria naniry ny hanamboatra ny mandan’i Jerosalema: “Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay, ka dia hitsangana handrafitra izahay mpanompony” (Nehemia 2:20). Asao ireo ankizy mba hitsangana ary mody hanao hoe manamboatra ny mandan’i Jerosalema.

  • Mitondrà biriky vitsivitsy ao an-dakilasy ary avelao ireo ankizy hampiasa izany mba hanampy anao hanamboatra rindrina (na manaova sarina rindrina eny amin’ny solaitrabe). Ampio ireo ankizy hieritreritra zavatra manan-danja vitsivitsy izay mety hangatahin’ny Ray any An-danitra mba hataon’izy ireo, toy ny mianatra mamaky ny soratra masina. Isaky ny manome hevitra izy ireo dia asao mba hanampy biriky iray eo amin’ilay rindrina. Hazavao fa rehefa nanao ilay asa manan-danja fanamboarana ny mandan’i Jerosalema i Nehemia dia niezaka nanajanona azy ny olona. Vakio ny Nehemia 6:9 dia asao ireo ankizy hanangana ny tanany rehefa mamaky ny hoe “ampaherezo ny tanako” ianao. Tantarao amin’ny ankizy ny momba ny fotoana iray nahatsapanao an’ Andriamanitra nampahery ny tananao mba hanao ny asany.

Nehemia 8:1–12

Fitahiana ny soratra masina.

Azonao ampiasaina ny tantaran’i Ezra mamaky ny lalàna mba hanampiana ny ankizy hieritreritra momba ny fitahiana ananantsika noho ny fananantsika ny soratra masina.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ireo ankizy fa namaky ny soratra masina tamin’ny vahoaka i Ezra. Vakio mafy ireo andian-teny vitsivitsy ao amin’ny Nehemia 8:2–3, 5–6, 8–9, 12 izay manoritsoritra ny zavatra nataon’ny vahoaka rehefa naheno ny soratra masina izy ireo, ary asao ny ankizy mba hilalao an-tsehatra ireo andian-teny ireo. Nahoana isika no feno fankasitrahana noho fananana ny soratra masina?

  • Asao ireo ankizy mba handoko ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity. Eo am-panaovany izany dia zarao amin’ny ankizy ny nitondran’ny famakiana ny soratra masina anao ho akaiky kokoa ny Mpamonjy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Ezra 3:8–13; 6:16–22

Manome antony hifaliana ho ahy ny tempoly.

Rehefa miaraka mijery amin’ny ankizy ny tantaran’i Zerobabela sy ny Jiosy nanorina indray ny tempoly ianao dia mitadiava fomba hijoroana ho vavolombelona momba ny fifaliana tonga amintsika noho ny fananantsika tempoly ankehitriny.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hiara-hiasa mba hitady ireo andian-teny ao amin’ny Ezra 3:10–13 izay maneho ny fahatsapana nananan’ireo Jiosy rehefa naverina naorina ny tempolin’i Jerosalema. Ahoana no ahafahantsika maneho ny fifaliantsika noho ny fananana ny tempoly eto an-tany ankehitriny? Ampio ireo ankizy hieritreritra momba ireo fomba ahafahan’izy ireo miomana ho any amin’ny tempoly.

  • Zarao amin’ireo ankizy ny zavatra tsapanao mikasika ny tempoly. Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny tempoly anao hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy? Nahoana isika no manao fankalazana rehefa misy tempoly tokanana? Omeo fotoana ireo ankizy hanoratana ny zavatra tsapany momba ny tempoly, ary amporisiho izy ireo hizara ny zavatra nosoratany amin’ny fianakaviany.

Nehemia 2; 46

Hankahery ahy ny Tompo mba hanao “asa lehibe.”

Manana asa manan-danja ho an’ireo ankizy ampianarinao ny Tompo. Inona no azon’izy ireo ianarana avy amin’i Nehemia momba ny faharetana amin’izany asa izany rehefa miatrika fanoherana izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Jereo miaraka amin’ireo ankizy ny tantaran’i Nehemia manamboatra ny rindrina nanodidina an’i Jerosalema, tafiditra amin’izany ny fanoherana izay niainany. Vakio miaraka ny Nehemia 2:19, dia angataho ireo ankizy hizara toe-javatra izay mety hihomehezan’ny olona antsika noho ny fanaovana ny mety. Araka ny Nehemia 2:20, ahoana no navalin’i Nehemia? Ahoana no azontsika avaly rehefa ihomehezan’ny olona na tsikerain’ny olona isika noho ny fanaovana ny mety?

  • Iaraho vakiana ny Nehemia 6:1–9. Tamin’ny fomba ahoana no niezahan’ireo fahavalon’i Nehemia hanakanana azy tsy hiasa amin’ilay manda, ary ahoana no namaliany izany? Inona no asa tian’ny Tompo hataontsika? (jereo ohatra ny Môzià 18:8–10). Ahoana no hanarahantsika ny ohatr’i Nehemia ao amin’ny andininy 9 rehefa sarotra ny manao ny zavatra nangatahin’ Andriamanitra hataontsika?

Nehemia 8:1–12

Voatahy aho rehefa mandalina ny soratra masina.

Tsy naheno ny tenin’ Andriamanitra nandritra ny fotoana ela ireo vahoaka tao Jerosalema talohan’ny namakian’i Ezra izany tamin’ny vahoaka. Ny tantaran’i Ezra dia mampahatsiahy antsika ny tokony haha-manan-danja ny soratra masina amintsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hikaroka ao amin’ny Nehemia 8:1–12 ireo teny na andian-teny izay maneho ny zavatra tsapan’ny vahoaka momba ny fihainoana ny tenin’ Andriamanitra. Angataho ireo ankizy hizara ny fahatsapana ananany rehefa mamaky ny soratra masina izy ireo, ary zarao ihany koa ny fahatsapana anananao.

  • Asao ireo ankizy hamaky ny Nehemia 8:8, ary anontanio ny ankizy ny zavatra nanampy azy ireo hahatakatra ny soratra masina. Asehoy azy ireo ny fampiasana ireo fanampiana amin’ny fandalinana ny soratra masina tahaka ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Asao ny ankizy hizara zavatra izay nianarany momba ny Mpamonjy avy ao amin’ny soratra masina.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hisafidy zavatra nianarany androany izay tian’izy ireo zaraina amin’ny fianakaviany.

Manatsara ny fampianarantsika

Miomana ara-panahy “Ny fampianarana filazantsara mafonja dia midika hoe tsy manomana lesona fotsiny fa manomana ny tenantsika. … Ny mpampianatra filazantsara mahomby, mialoha ny hieritreretany ny hameno ny fotoam-pianarana, dia mifantoka amin’ny famenoana ny fony amin’ny Fanahy Masina” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 12).