Testamenta Taloha 2022
27 jona–3 jolay. 1 Mpanjaka 17–19: “Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy”


“27 jona–3 jolay. 1 Mpanjaka 17–19: -Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“27 jona–3 jolay. 1 Mpanjaka 17–19,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
i Elia mijoro eo akaikin’ny alitara mirehitra

Elijah Contends against the Priests of Baal [I Elia nandresy ireo mpisoron’i Bala], nataon’i Jerry Harston

27 jona–3 jolay

1 Mpanjaka 17–19

“Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy”

Tia tantara ny ankamaroan’ny ankizy. Ampio ireo ankizy hamantatra ireo fahamarinana ao amin’ireo tantara hita ao amin’ny 1 Tantara 17–19 izay hanamafy orina ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asehoy ny ankizy ireo sary ao amin’ny rindran-dmina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Angataho izy ireo hizara ny zavatra fantany momba ireo tantara asehon’ireo sary. Inona no ianarantsika avy amin’ireo tantara ireo?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

1 Mpanjaka 17

Mitahy an’ireo izay manana finoana ny Tompo.

Ny 1 Mpanjaka 17 dia mirakitra ohatra maro maneho finoana lehibe. Ho vokatry ny fananana finoana lehibe dia nofahanan’ny goaika i Elia nandritra ny mosary, nampitomboina ny hanin’ny mpitondratena iray miaraka amin’ny zanany, ary natsangan’i Elia tamin’ny maty ny zanak’ilay mpitondratena.

Asa atao azo tanterahina

  • Manehoa sary na zavatra mifanaraka amin’ireo tantara ao amin’ny 1 Mpanjaka 17, toy ny vorona na mofo na zazalahy. Tantarao amin’ny ankizy ireo tantara ireo (afaka manampy ny “Elisa mpaminany” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha) dia asao izy ireo hitady ilay sary na zavatra mifanaraka amin’ny tantara tsirairay. Hazavao tsara fa nanana finoana an’i Jesoa Kristy i Elia sy ilay mpitondratena ary nandray fitahiana lehibe.

  • Ampio ireo ankizy hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo maneho fa manana finoana ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy izy ireo, izay midika fa mino sy matoky Azy ireo ny ankizy. Miaraha mihira amin’izy ireo hira iray momba ny finoana, toy ny “He! Velona ny Ray” (Bokin-kiran’ny ankizy, 8).

1 Mpanjaka 18:17–39

Afaka misafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy aho.

Nanentana ny vahoaka i Elia mba hanapa-kevitra ny hanaraka an’i Jesoa Kristy. Ampio ireo ankizy hahita fa afaka manao io safidy io koa izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao amin’ireo ankizy fa ny olona tamin’ny andron’i Elia dia tsy nahazo antoka tsara hoe te hanaraka ny Tompo. Zarao ny tantaran’ny nanasan’i Elia azy ireo mba hanaraka ny Tompo, hita ao amin’ny 1 Mpanjaka 18:17–39 (jereo koa ny “Elisa sy ireo mpisoron’i Bala” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha). Lazao amin’ireo ankizy ny antony hisafidiananao ny hanaraka an’i Jesoa Kristy, dia anontanio azy ireo ny antony isafidianany ny hanaraka Azy.

  • Vakio amin’ny ankizy ny zavatra nolazain’i Elia tamin’ny vahoaka: “Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy” (1 Mpanjaka 18:21). Inona no dikan’ny hoe manaraka an’i Jesoa Kristy? Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra manokana hataon’izy ireo mba hanarahana an’i Jesoa Kristy, dia asao izy ireo hanao sarin’ny tenan’izy ireo manao ireo zavatra ireo.

    Sary
    ankizilahy

    Afaka misafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy isika.

1 Mpanjaka 19:9–12

Miresaka amiko amin’ny feo tony sy malefaka ny Fanahy Masina.

Raha mahazo fitarihana dia afaka mahafantatra ny fiantraikan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’izy ireo ny ankizy kely. Saintsaino ny fomba ahafahanao manampy azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino ho an’ny ankizy ny tantara hita ao amin’ny 1 Mpanjaka 19:9–12, dia vakio ny andininy 11–12. Asao izy ireo hanao zavatra maneho rivotra mahery sy horohorontany ary afo. Avy eo dia asao izy ireo mba hipetraka milamina tsara eo am-pamakianao amin’ny feo malefaka ny faran’ny andininy 12 hoe: “manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy.” Angataho izy ireo hanandrana hiteny amin’ny feo tony sy malefaka. Lazao azy ireo ny fotoana izay nahazoanao bitsika avy tamin’ny Fanahy Masina.

  • Ampio ireo ankizy hahafanatra ny fotoana izay mety nahatsapany ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Ohatra, mitendre na mihirà hira iray momba an’i Jesoa, dia anontanio azy ireo ny fahatsapany rehefa mieritreritra momba Azy Anontanio azy ireo ny zavatra tsapany mandritra ireo hetsika hafa feno fanajana, toy ny fiarahany mivavaka amin’ny fianakaviany, na ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Hazavao fa avy amin’ny Fanahy Masina ireo fahatsapana ireo. Lazao amin’ny ankizy ny nitahian’ny herin’ny Fanahy Masina ny fiainanao.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

1 Mpanjaka 17:8–16

Rehefa mangataka ahy hahafoy zavatra ny Tompo dia afaka mankatò am-pinoana aho.

Natoky ny Tompo sy ny mpaminaniny ilay mpitondratena tao Zarefata, na dia efa nangatahina hahafoy zavatra be aza izy. Io tantara io dia afaka manampy ny ankizy rehefa mangataka azy ireo hahafoy zavatra ny Tompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny 1 Mpanjaka 17:8–16. Asao izy ireo hilalao an-tsehatra ilay tantara eo am-pamakianao indray izany. Miatoa matetika ary anontanio azy ireo ny mety ho fahatsapana nananany raha toa ka Elia na ilay mpitondratena izy ireo. Asao izy ireo mba hizara ny zavatra nianarany avy tamin’io tantara io.

  • Manasà ankizy anankiray hanao ny sarin’ny zavatra nangatahin’ny Tompo homen’ilay mpitondratena an’i Elia eny amin’ny solaitrabe (jereo ny 1 Mpanjaka 17:12–13). Manasà ankizy anankiray hafa hanao sarin’ny zavatra azon’ilay mpitondratena ho valin’izany (jereo ny 1 Mpanjaka 17:15–16). Inona no zavatra sasany izay angatahin’ny Tompo hafointsika? Angataho ny ankizy hizara ny fomba nitahiana azy ireo noho ny fahafoizana.

1 Mpanjaka 18:17–39

Afaka misafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy aho.

Tsy sahy nanapa-kevitra ny hanaraka ny Tompo ny Isiraelita. Saintsaino ny fomba ahafahanao mamporisika ny ankizy hanolo-tena amin’ny maha mpanara-dia azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo mamaky andininy maromaro avy ao amin’ny 1 Mpanjaka 18:17–39 ny ankizy tsirairay ary manaova sarin’ny zavatra resahin’ny andininy nomena azy. Ampio ireo ankizy hahatakatra ireo andininy raha ilaina. Avy eo dia avelao izy ireo hampiasa ny sariny hilazana ilay tantara. Inona no ampianarin’io tantara io antsika momba ny Tompo?

  • Angataho ny ankizy mba hiresaka momba ireo fotoana izay tsy maintsy nisafidianany zavatra iray tamin’ny zavatra anankiroa. Inona no nanampy azy ireo hanapa-kevitra? Ampio izy ireo hieritreritra toe-javatra izay mety hilainy hanapahan-kevitra na hanaraka na tsy hanaraka an’i Jesoa Kristy. Fahamarinana inona avy ao amin’ilay tantara ao amin’ny 1 Mpanjaka 18:17–39 no mety hanampy azy ireo hanapa-kevitra?

1 Mpanjaka 19:9–12

Miresaka amiko amin’ny feo tony sy malefaka ny Fanahy Masina.

Feno feo mandrebireby izao tontolo izao izay mampananosarotra ny fihainoana ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy. Ahoana no hanampiana ireo ankizy haheno izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hihaino tsara rehefa mamaky am-pahanginana ny 1 Mpanjaka 19:11–12 ianao. Asao izy ireo hikaroka ao amin’ny 1 Mpanjaka 19 mba hitady ireo andininy izay vakianao sy hianatra ny zavatra nataon’i Elia. Miresaha momba ny zavatra tsy maintsy nataon’izy ireo mba hahenoana ny zavatra nolazainao, ary ampio izy ireo hampitaha izany amin’ny izay zavatra tokony hataontsika mba hahenoana ilay “feo tony sy malefaky” ny Fanahy. Avelao ireo ankizy hifandimby hamaky am-pahanginana ireo andininy hafa avy amin’ny 1 Mpanjaka 19 raha toa ka ny ankizy sasany indray mitady ireo andininy ireo ao amin’ny soratra masina.

  • Mizarà soratra masina vitsivitsy fanampiny amin’ireo ankizy izay manazava ny fomba firesahan’ny Fanahy amintsika (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fitaoman’ny Fanahy,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Angataho ireo ankizy hiresaka momba ny fotoana izay nahatsapany ny Fanahy Masina nitarika azy ireo na nijoro ho vavolombelona tamin’izy ireo. Inona nataon’izy ireo? Inona no mety hanelingelina antsika tsy hahafantatra ny Fanahy? Vakio miaraka ny Môrônia 4:3, ary amporisiho ny ankizy hisafidy zavatra iray hataon’izy ireo mba hahafahan’izy ireo “manana mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy.”

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy mba hieritreritra zavatra tiany hatao noho ny zavatra nianarany androany. Ohatra, afaka mametraka tanjona ara-panahy, na ara-tsaina, na ara-batana, na ara-piarahamonina izy reo mba ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy hahafantatra ny Fanahy. “Ny iray amin’ireo zavatra manan-danja indrindra azonao atao amin’ny maha-mpampianatra anao dia ny manampy ireo izay ampianarinao mba hahafantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina. … Ampio [ny ankizy] hampiaraka ny fahatsapany ara-panahy sy ny fitaoman’ny Fanahy Masina.” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 11.)