Testamenta Taloha 2022
11–17 jolay. 2 Mpanjaka 17–25: “Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany”


“11–17 jolay. 2 Mpanjaka 17–25: ‘Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“11–17 jolay. 2 Mpanjaka 17–25,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
olona mitsoaka tanàna rava

The Flight of the Prisoners [Ny fandosiran’ireo voafonja, nataon’i James Tissot sy olona hafa

11–17 jolay

2 Mpanjaka 17-25

“Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany”

Eo am-panomanana ireo asa atao enti-mianatra ho an’ireo ankizy dia tsarovy fa ireo asa atao ho an’ny ankizy kely ato anatin’ity rindran-damina ity dia azo amboarina koa ho an’ny ankizy lehibe, ary mety koa ny mifamadika amin’izay.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Soraty amin’ny tapa-taratasy iray ny anaran’ny ankizy tsirairay ary ataovy ao anaty fitoeran-javatra ireo taratasy. Any am-piandohan’ny kilasy dia asaivo mifandimby maka anarana iray ireo ankizy. Rehefa voatsapaka ny anaran’ny ankizy iray dia asao izany ankizy izany hizara zavatra nianarany vao tsy ela momba ny filazantsara na momba an’i Jesoa Kristy. Tohizo izany mandrapahazoan’ny ankizy tsirairay avy fahafahana hizara.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

2 Mpanjaka 18:3, 5

Afaka matoky ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy aho.

Ny ohatr’i Hezekia ao amin’ny 2 Mpanjaka 18:3, 5 dia afaka manampy ireo ankizy ampianarinao hametraka ny fitokiany amin’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Milazà zavatra vitsivitsy izay mety hataon’ny mpanjaka tsara ary zavatra vitsivitsy izay mety hataon’ny mpanjaka ratsy. Angataho ny ankizy mba hitsangana sy hihoraka amin’ireo zavatra tsara ary hipetraka amin’ireo zavatra ratsy. Hazavao amin’ireo ankizy fa nanana mpanjaka maro ny Isiraely, marina ny sasany ary ny sasany kosa tsy marina. Asao ireo ankizy hihaino ny naha-mpanjaka tsara an’i Hezekia eo am-pamakianao ny 2 Mpanjaka 18:3, 5. Ampio izy ireo hieritreritra fomba ahafahantsika maneho fa matoky ny Tompo isika tahaka an’i Hezekia.

  • Ampio ireo ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe matoky olona. Miresaha momba ny olona izay atokisanao, dia asaivo manao izany koa ireo ankizy. Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy. Nahoana isika no afaka matoky an’i Jesoa Kristy? Resaho ny fatokisanao fa tia antsika Jesoa Kristy ary hanampy antsika hiverina hiaina mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra.

2 Mpanjaka 22:8–11; 23:2

Fitahiana ny soratra masina.

Na dia mety tsy ho afaka mamaky na mahatakatra ny zavatra rehetra ao amin’ny soratra masina aza ireo zaza kely dia afaka ny ho tahian’ny herin’ny soratra masina izy ireo. Inona no azonao atao mba hanampiana azy ireo hanana faniriana ny hotahian’ny tenin’ Andriamanitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Afeno amin’ny toerana iray ao amin’ny efitrano ny tahadika irain’ny soratra masina, dia asao ireo ankizy mba hitady izany. Hazavao fa tamin’ny andron’ny mpanjaka Josia dia olona maro no tsy nianatra ny soratra masina raha tsy nisy mpisorona nahita azy ireo tao amin’ny tempoly (jereo ny 2 Mpanjaka 22:8–11). Inona no atao hoe soratra masina? Nahoana isika no mila ny soratra masina? Lazao amin’ireo ankizy ny antony mahafaly anao satria manana ny soratra masina ankehitriny, ary avelao izy ireo hizara ny fahatsapany momba ny soratra masina.

  • Vakio amin’ny ankizy ny 2 Nefia 23:2 ary angataho izy ireo hihaino ny zavatra nataon’ny mpanjaka tamin’ny soratra masina. Nahoana no zava-dehibe ho an’ny tsirairay ny maheno ny zavatra voasoratra ao amin’ny soratra masina? Mihirà hira iray momba ny soratra masina, toy ny “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka” (Bokin-kiran’ny ankizy, 66), dia angataho ireo ankizy mba hiresaka momba ny fahatsapany rehefa maheno ireo fampianarana sy tantara ao amin’ny soratra masina.

    Sary
    fianakaviana mandalina ny soratra masina

    Afaka manampy amin’ny fampitodihana ny fontsika any amin’ny Tompo ny soratra masina.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

2 Mpanjaka 18:3–6; 19:14–19

Afaka matoky ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy aho.

Rehefa nandrahona an’i Jerosalema ny Asyriana dia nitodika tamim-pinoana tany amin’ny Tompo i Hezekia mpanjaka marina. Ny ohatr’i Hezekia dia afaka manampy anao sy ireo ankizy hiresaka momba ny fomba ahafahantsika maneho ny finoantsika ny Tompo, na dia efa zahan-toetra aza ny finoana.

Asa atao azo tanterahina

  • Amin’ny alalan’ny fampiasana ny Sarintany ao amin’ny Baiboly laharana faha-3 “Ny fizaran’ny foko 12,” dia hazavao fohifohy amin’ny ankizy fa ny fanjakana avaratr’Isiraely dia babon’ny vahoaka antsoina hoe Asyriana. Hazavao fa niezaka nambabo ny fanjakana atsimon’i Joda ny Asyriana taty aoriana. Asao ny ankizy haka sary an-tsaina ny mety ho fahatsapan’izy ireo raha toa izy ireo ka nipetra tao Joda ary nahafantatra ny Asyriana. Angataho ireo ankizy hamaky ny 2 Mpanjaka 18:3, 5–6 hahitana ny antony nahatonga an’i Hezekia, mpanjakan’i Joda, ho sahy rehefa tonga ny Asyriana.

  • Angataho ireo ankizy hamaky ny 2 Mpanjaka 19:14–19, hitadiavana ny zavatra nataon’i Hezekia rehefa nandrahona ny fanjakany ny Asyriana. Amin’ny fomba ahoana ny fanaovana ireo zavatra ireo no maneho fa natoky ny Tompo izy? Inona no azontsika atao mba hanehoana ny fatokisantsika ny Tompo rehefa mila fanampiana isika?

2 Mpanjaka 22:8–13; 23:2–3

Mampianatra ahy ny fanarahana an’i Jesoa Kristy ny soratra masina.

Taorian’ny haizina ara-panahy nandritra ny taona maro, dia nanavao ny fanoloran-tenany tamin’ny Tompo ny Jiosy. Nitranga izany satria nahita indray ny bokin’ny lalàna i Josia ary namaky izany tamin’ny vahoaka. Io tantara io dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra ny antony maha-manan-danja aok’izany ny soratra masina.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ireo ankizy fa nilaza tamin’ny vahoakany ny mpanjaka Josia mba hanarina ny tempoly, ary rehefa nanao izany izy ireo, dia nahita zavatra tena manan-danja. Asao ireo ankizy hamaky ny 2 Mpanjaka 22:8–11 mba hijerena hoe inona izany. Hazavao fa ny boky izay hitan’izy ireo dia nirakitra ireo fanekempihavanana sy didy izay tsy fantatry ny zanak’Isiraely. Inona no mety hitranga amintsika raha tsy nanana ny soratra masina isika? Anontanio ny ankizy hoe nahoana izy ireo no feno fankasitrana fa manana ny soratra masina. Nahoana no mety ho sarotra kokoa ny manaraka ny Mpamonjy raha tsy nanana ny soratra masina isika?

  • Omeo tapa-taratasy ny ankizy tsirairay, dia asao izy ireo handrovitra izany. Hazavao fa tamin’ny andron’ny mpanjaka Josia dia nandrovitra na “nandriatra” ny fitafiany ny olona rehefa tezitra indraindray. Asaivo jeren’ny ankizy ao amin’ny 2 Mpanjaka 22:11 ny teny hoe “nandriatra.” Inona no mety ho antony nahatezitra an’i Josia? Ampio ireo ankizy hahita valiny ao amin’ny andininy 13. Nahoana no manan-danja ho antsika ny mamaky tsy tapaka ny soratra masina?

  • Iaraho mamaky ny 2 Mpanjaka 23:2–3 dia angataho ireo ankizy mba hitady ny fomba nanampian’ny soratra masina an’i Josia sy ny vahoakany. Zarao amin’ny ankizy ny soratra masina iray izay nitaona anao hanaraka ny Tompo (andininy 3), ary asao ireo ankizy hizara soratra masina izay nanampy azy ireo.

2 Mpanjaka 23:3

Hitandrina ny fanekempihavanako tamin’ Andriamanitra aho.

Rehefa nahafantatra ireo didin’ Andriamanitra i Josia sy ny vahoakany, dia nanao fanekena ny hiaina izany izy ireo. Azonao ampiana ireo ankizy ampianarinao haniry hijanona ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana izay nataony tamin’ny batisa.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hamaky ny 2 Mpanjaka 23:3 ary hitady teny na andian-teny izay maneho ny fahatsapan’ny vahoaka momba ny didin’ny Tompo. Asao izy ireo hitsangana ary hiresaka momba ny mety ho dikan’ny hoe “nanaiky ny fanekena.” Asao izy ireo hihetsika eo am-pitoerana ary hiresaka momba ny mety ho dikan’ny hoe “hanaraka [ny Tompo.]” Asao izy ireo hametraka ny tanany eo amin’ny fony ary hanolotra fomba ahafahantsika mitandrina ireo didy “amin’ny fo[ntsika] rehetra.”

  • Ampio ireo ankizy hitanisa ireo fampanantenana nomeny tamin’ny batisa (jereo ny Môzià 18:10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 77, 79). Inona no ampanantenan’ Andriamanitra antsika rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika isika? Inona no ianarantsika avy ao amin’ny 2 Mpanjaka 23:3 momba ny fomba tokony hitandremantsika ny fanekempihavanantsika?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hizara amin’ny havana iray andinin-tsoratra masina iray na tantara iray avy ao amin’ny soratra masina izay nitahy azy.

Manatsara ny fampianarantsika

Voleo fatokian-tena ireo ankizy. Fomba iray hanampiana ny ankizy hanana ’fatokian-tena ny fiderana azy ireo rehefa mandray anjara izy ireo ao amin’ny kilasy. Ampanantenao ny ankizy fa hanampy azy ireo ny Fanahy Masina rehefa mianatra izy ireo.