Testamenta Taloha 2022
6–12 jona. Rota; 1 Samoela 1–3: “Ny foko ravoravo amin’i Jehovah”


“6–12 jona. Rota; 1 Samoela 1–3: ‘Ny foko ravoravo amin’i Jehovah,’” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“6–12 jona. Rota; 1 Samoela 1–3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
I Rota sy i Naomy

Whither Thou Goest, [Izay alehanao] nataon’i Sandy Freckleton Gagon

6–12 jona

Rota; 1 Samoela 1–3

“Ny foko ravoravo amin’i Jehovah”

Eo am-pamakianao ny Rota sy ny 1 Samoela 1–3 dia angataho amin’ny Ray any An-danitra ny fomba ahafahanao manampy ireo ankizy hianatra avy amin’ireo fahamarinana ao amin’ireo toko ireo. Raketo ireo fahatsapana voarainao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra fantany mikasika an’i Rota, na i Naomy, na i Hana, na i Samoela. Mety hanampy ny maneho sary azy ireo, toy ireo izay ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Rota

Afaka maneho fitiavana sy hatsaram-panahy amin’ireo manodidina ahy aho.

Rehefa maty ny vadin’i Rota dia afaka nipetraka tany amin’ny tanàna niaviany izy, saingy nisafidy ny handeha niaraka tamin’i Naomy rafozany izy ary nikarakara azy. Eritrereto ny fomba ahafahan’ny ohatra tahaka ny an’i Kristy izay nananan’i Rota manome aingam-panahy an’ireo ankizy ampianarinao mba ho tsara fanahy amin’ny manodidina azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hisolo toerana an’i Naomy, na i Rota, na i Boaza, na olona hafa rehefa mitantara ny tantarany avy ao amin’ny bokin’i Rota ianao (jereo koa ny “Rota sy Naomy” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha). Asao ny ankizy hanangana ny tanan’izy ireo isaky ny maheno hatsaram-panahy ao anatin’ilay tantara izy ireo. Inona no tsapantsika rehefa tsara fanahy amintsika ny olona? Inona no tsapantsika rehefa tsara fanahy amin’ny hafa isika?

  • Miaraha mihira hira iray momba ny hatsaram-panahy, toy ny “Tsara fanahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 83). Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahany maneho hatsaram-panahy amin’ny fianakaviany sy ny namany. Raha mila fanampiana izy ireo dia ampisehoy sarin’olona maneho hatsaram-panahy . Isaky ny hevitra voalaza dia avelao ireo ankizy hanao sarina fo eny amin’ny solaitrabe.

1 Samoela 1:1–18

Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Rehefa nalahelo i Hana satria tsy afaka nanan-janaka dia nitodika tamim-pinoana tany amin’ny Tompo izy ary novaliany ny vavaka nataony. Ampio ny ankizy hahita fa afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra foana izy ireo, indrindra fa rehefa malahelo izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ny teninao manokana ny antony nampalahelo an’i Hana (jereo ny 1 Samoela 1:2–8; jereo koa ny “Hana” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha). Inona no azontsika atao rehefa malahelo isika? Vakio amin’ny ankizy ny 1 Samoela 1:10, dia asao ny ankizy hihaino ny zavatra nataon’i Hana. Anontanio an’ireo ankizy ny fahatsapany rehefa mivavaka izy ireo. Vakio ny andininy 18 hanazavana fa taorian’ny vavaka nataony dia “tsy nalahelo tarehy intsony” i Hana.

    Sary
    Hana sy Samoela

    For This Child I Prayed, [Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako] nataon’i Elspeth Young

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro mba hampianarana ny ankizy fa afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra izy ireo dia hanampy azy ireo Izy. Eo am-pandokoan’ireo ankizy dia mihirà na mandefasa hira iray izay mampianatra momba ny vavaka, toy ny “Vavaky ny ankizy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 6).

1 Samoela 2:1–10

Nanao zavatra mahatalanjona maro tamiko ny Tompo.

Naneho ny fankasitrahany ny Tompo i Hana tamin’ny alalan’ny tononkalom-piderana mahafinaritra. Ny ohatra nasehony dia afaka manampy ireo ankizy hieritreritra ireo zavatra maro azony hisaorana ny Ray any An-danitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny sasany amin’ny zavatra nolazain’i Hana rehefa nomen’ny Tompo zanakalahy iray izy (jereo ny 1 Samoela 2:1–2). Zarao amin’ny ankizy ny fitahiana iray izay efa azonao avy tamin’ny Tompo sy ny fahatsapana nanananao vokatr’izany. Avy eo dia asao ireo ankizy hiresaka momba ireo fitahiana izay nomen’ny Tompo azy ireo. Ahoana no ahafahantsika maneho fankasitrahana Azy?

  • Miaraha mihira hira iray izay manoritsoritra ireo fitahiana omen’ny Tompo antsika, toy ny “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16). Asao ireo ankizy hanao sarin’ireo fitahiana azon’izy ireo tamin’ny Tompo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Rota

Afaka manana finoana ny Tompo aho.

Nanao fanoloran-tena i Rota mba ho mahatoky tamin’ny Tompo sy tsy nivadi-pitokiana tamin’i Naomy. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hianatra avy amin’ny finoana nasehon’i Rota?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’i Rota sy i Naomy (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandroao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana) Dia manorata lohatenikely anankitelo eny amin’ny solaitrabe: Fitsapana, Asa, Fitahiana. Asao ireo ankizy hamaky ny Rota 1:3–5, 8, 16; 2:1–3, 8–12; 4:13–17, ary soraty eo ambanin’ireo lohatenikely ny zavatra hitany ao amin’ireo andininy ireo. Ahoana no nanehoan’i Rota ny finoany ny Tompo? Mizarà ohatra iray momba ny efa nitahiana anao noho ny finoanao an’i Jesoa Kristy, ary avelao ireo ankizy hizara ny zavatra niainany manokana.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny finoana, toy ny “Christ est ma lumière” (Cantiques, no. 50) na “Finoana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 50). Inona no ampianarin’ilay hira antsika momba ny fatokiana ny Tompo? Ahoana no ananantsika finoana an’i Jesoa Kristy na mandritra ireo fotoan-tsarotra aza?

1 Samoela 1

Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Rehefa “nalahelo fanahy indrindra” i Hana dia nitodika am-bavaka tany amin’ny Ray any An-danitra izy (1 Samoela 1:10). Ahoana no fomba ahafahanao mamporisika ireo ankizy ampianarinao mba hanao torak’izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Mba hanampiana ny ankizy hianatra momba an’i Hana avy ao amin’ny 1 Samoela 1, dia omeo andininy vitsivitsy hovakiana avy amin’ilay toko ny ankizy tsirairay. Avy eo dia manipaza baolina iray na zavatra kely iray amin’ny ankizy iray, dia asao izy hilaza ny ampahan’ilay tantara mialoha ny hanipazany ilay baolina amin’ny ankizy iray manaraka hilaza ampahany hafa amin’ilay tantara. Rehefa vita ilay tantara dia angataho ny ankizy hizara zavatra nianarany avy amin’ny ohatr’i Hana.

  • Iaraho vakiana ny 1 Samoela 1:15, ary mifanakaloza hevitra momba ny dikan’ny hoe mamoaka ny ao am-po eo anatrehan’ny Tompo. Miaraha manao lisitra amin’ireo ankizy izay ahitana ireo zavatra azontsika resahina amin’ Andriamanitra rehefa mivavaka. Miaraha mihira hira iray momba ny vavaka toy ny hoe “Vavaky ny ankizy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 6–7). Mijoroa ho vavolombelona momba ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany sy ny faniriany hihaino sy hamaly ny vavaka ataon’izy ireo.

  • Angataho ireo ankizy (tsirairay na mivondrona) mba hitanisa ohatra ana olona ao amin’ny soratra masina izay nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra. (Raha mila fanampiana izy ireo dia azonao atoro azy ireo ny Lioka 22:41–43; Enosa 1:2–6; Joseph Smith—Tantara 1:14–17.) Asao izy ireo hizara ny zavatra ianarany avy amin’ireo tantara ireo.

1 Samoela 3:1–10

Afaka mandre sy mankatò ny feon’ny Tompo aho.

Fony i Samoela zazalahy kely dia nahare ny feon’ny Tompo izy saingy tsy nahafantatra izany tamin’ny voalohany. Ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy ampianarinao handre sy hanao zavatra araka ny bitsika voarainy?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy iray hanao hoe Samoela ary iray hafa hanao Ely eo am-pamakianao ny 1 Samoela 3:1–10ChurchofJesusChrist.org. Inona no azontsika ianarana avy amin’i Samoela momba ny fomba fihainoana ny feon’ny Tompo? Ahoana no hanehoantsika fa vonona ny hihaino isika rehefa miresaka amintsika ny Tompo?

  • Asao ireo ankizy hieritreritra ny fomba hanazavany amin’olona iray ny fomba firesahan’ny Tompo aminy. Asao izy ireo hitady valiny ao amin’ireto soratra masina manaraka ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–23; 8:2–3; 9:7–9.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ireo ankizy hieritreritra olona iray na zavatra iray azon’izy ireo entina am-bavaka amin’ity herinandro ity. Omeo fahafahana izy ireo amin’ny hoavy hizara ny fomba namalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataon’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Ankizy manana fahasembanana. Tsidiho azafady ny disability.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana ny fomba tena tsara manome ireo zavatra ilain’ny ankizy manana fahasembanana.