Testamenta Taloha 2022
30 mey–5 jona Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16: “Ary Jehovah nanangana mpamonjy”


“30 Mey–5 Jona. Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16: -‘Ary Jehovah nanangana mpamonjy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“30 Mey–5 Jona. Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
i Debora sy ireo miaramila

Sary maneho an’i Debora mitarika ireo miaramila Isiraelita, © Lifeway Collection/licensed from goodsalt.com

30 mey–5 jona

Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16

“Ary Jehovah nanangana mpamonjy”

Misy tantara maro manentana ny fanahy ao amin’ny Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16. Saintsaino ny fomba ahafahanao mampiasa ireo tantara ireo hanampiana ireo ankizy hanatona bebe kokoa ny Mpamonjy sy haniry hanaraka Azy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy tsirairay hizara tantara iray avy ao amin’ny soratra masina izay nianarany vao tsy ela. Avy eo dia angataho izy ireo hizara ny zavatra nianarany avy tamin’ireo tantara ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Mpitsara 3:9

Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy.

Rehefa nivavaka tamin’ny Tompo ny Isiraelita dia nanangana mpamonjy ho azy ireo Izy. Ampio ireo ankizy hahita fa Jesoa Kristy no Mpamonjy natsangan’ Andriamanitra ho antsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao amin’ireo ankizy fa rehefa nitsahatra nitandrina ny didin’ Andriamanitra ny Isiraelita dia tsy nanana ny fiarovany intsony izy ireo ary dia resin’ny fahavalony. Vakio avy ao amin’ny Mpitsara 3:9 ny andian-teny hoe “nitaraina tamin’i Jehovah ny Zanak’ Isiraely.” Inona no nataon’ireo Isiraelita rehefa nila fanampiana izy ireo? Mizarà zavatra niainana iray izay nangatahanao fanampiana ka novalian’ Andriamanitra ny vavaka nataonao.

  • Vakio avy ao amin’ny Mpitsara 3:9 ny andian-teny hoe “Jehovah nanangana mpamonjy,” dia asao ireo ankizy hamerimberina izany miaraka aminao. Hazavao fa ny mpamonjy dia olona izay manavotra antsika. Mampisehoa sarin’olona maromaro amin’ireo ankizy, asio sarin’i Jesoa Kristy miaraka aminy, dia ataovy mihohoka amin’ny tany ireo sary. Avelao ireo ankizy hifandimby hamadika ireo sary hitady ilay sarin’i Jesoa dia hihazona izany ambony. Mijoroa ho vavolombelona fa Jesoa Kristy no Mpamonjy izay natsangan’ Andriamanitra hamonjy antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana.

Sary
i Gideona sy ny miaramila

Natoky ny Tompo i Gideona. © Lifeway Collection/licensed from goodsalt.com

Mpitsara 6:11–16; 7:1–8

Afaka mampiasa zavatra madinika ny Tompo mba hanaovana zavatra lehibe.

Nihevitra ny tenany ho mahantra sy tsy misy dikany i Gideona, saingy Andriamanitra dia nahita azy ho toy ny “lehilahy mahery” (Mpitsara 6:12). Ampio ireo ankizy hahita fa na dia mahatsapa tena ho kely aza izy ireo, dia afaka miasa amin’ny alalan’izy ireo Andriamanitra mba hanaovana zavatra lehibe (jereo Almà 37:6–7).

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao ireo ankizy fa nila olona ny Tompo mba hanampy azy amin’ny fanavotana an’Isiraely amin’ny Midiana fahavalony, dia nisafidy an’i Gideona Izy. Vakio amin’ny ankizy ny Mpitsara 6:15 dia anontanio azy hoe nahoana i Gideona no tsy nahatsapa ho afaka nahavita ny zavatra notadiavin’ny Tompo. Vakio ny andininy 16 dia anontanio azy ireo hoe iza no nolazain’ny Tompo fa afaka manampy an’i Gideona. Lazao amin’ny ankizy ny momba ny fotoana iray izay nangatahan’ny Tompo anao hanao zavatra sarotra mba hanompoana Azy ka nahatsapanao fa niaraka taminao Izy.

  • Mampisehoa sarina ankizy na zatovo manao zavatra lehibe ho fanompoana an’ Andriamanitra (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 19, 23, 90, 102), na miresaha ohatra izay efa hitanao. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra, ary asao izy ireo hanao sarin’ny tenan’izy ireo manao izany zavatra izany.

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity hampianarana ireo ankizy momba ny fomba nanakelezan’ny Tompo ny tafiky ny Isiraely mba hahafantaran’ny Isiraelita fa ny heriny no nanavotra azy ireo tamin’ny fahavalony. Mizarà ohatra ana zavatra kely izay mahavita zavatra ngeza, toy ny tantely manangona mamimbony hanaovana ranon-tantely. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa afaka manampy antsika Andriamanitra hanao asa lehibe, na dia mahatsapa ho kely aza isika.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Mpitsara 3:7–9, 12–15

Jesoa Kristy no Mpanafaka ahy.

Ny Mpitsara 3 dia manazava fiverimberenan-javatra izay azonao ampiasaina hampianarana ny ankizy fa Andriamanitra dia manafaka antsika amin’ny fahotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto manaraka ireto: “nanao ratsy,”nitaraina tamin’i Jehovah,” ary “nanangana mpamonjy.” Asao ny sasany amin’ireo ankizy hitady ireo andian-teny ireo ao amin’ny Mpitsara 3:7–9, ary asao ny sasany hitady izany ao amin’ny Mpitsara 3:12–15. Hazavao amin’ireo ankizy fa ombieny ombieny ao amin’ny bokin’ny Mpitsara dia “nanao ratsy” ny Isiraelita. Avy eo rehefa nanafika ny fahavalony dia “nitaraina tamin’i Jehovah” izy ireo “ary Jehovah nanangana mpamonjy” mba hanampy azy ireo. Inona no ianarantsika momba ny Tompo avy amin’io zavatra miverimberina io?

  • Miaraha mihira hira iray izay manampy ny ankizy hahatakatra fa Jesoa Kristy no Mpanavotra sy Mpamonjy azy ireo, toy ny “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20). Asao ny ankizy hizara ny fahatsapany momba ny zavatra nataon’ny Mpamonjy hanafahana antsika amin’ny fahotana sy ny fitsapana ary ny alahelo sy ny fahafatesana.

Mpitsara 4:1–15

Afaka ny ho mahatoky amin’ny Tompo aho na dia tsy manao izany aza ny hafa.

Na dia niala lavitra ny Tompo aza ny isiraelita maro dia nijanona ho marina taminy ny sasany ary afaka nanampy ny maro hafa hiverina amin’ny fahamarinana. Ahoana no ahafahanao mamporisika ireo ankizy hijanona ho marina amin’ny Tompo na inona na inona ataon’ny hafa?

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ireo ankizy fa nandritra ny fotoana izay naharatsy ny Isiraelita dia nanavotra an’Isiraely tamin’ny fahavalony ny vehivavy marina iray nantsoina hoe Debora sy i Baraka mpitarika ny miaramila Isiraelita (jereo ny Mpitsara 4:1–15). Iaraho mamaky ny Mpitsara 4:14 dia angataho ny ankizy hitady zavatra nolazain’i Debora izay naneho fa mafy ny finoany ny Tompo. Avy eo dia asao izy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88 hitadiavana fitsipika izay hita ihany koa ao amin’ny Mpitsara 4:14. Amporisiho izy ireo hizara ny fiheveran’izy ireo ny dikan’ilay fampanantenan’ny Tompo hoe “Izaho handeha eo alohanareo” .

  • Mihirà hira iray momba ny fankatoavana ny didy, toy ny “Bien choisir” (Cantiques, no. 154) na “Fidio ny tsara” (Bokin-kiran’ny ankizy, 82). Ahoana no hijoroantsika amin’ny marina sy hankatoavantsika ny didy na dia tsy manao izany aza ny manodidina antsika?

Mpitsara 7

Tsy mitovy amin’ny fomban’izao tontolo izao ny fomban’ Andriamanitra.

Nangataka an’i Gideona ny Tompo hanao zavatra izay tsy mbola takany tamin’izany fotoana izany. Inona no manentana ny fanahinao ao amin’io tantara io? Ahoana araka ny fahatsapanao no ahafahan’izany mitahy ireo ankizy ampianarinao?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ireo ankizy haka sary an-tsaina hoe mila manangona miaramila miaraka izy ireo handeha hiady. Olona firy no tian’izy ireo ho ao anatin’ny tafiny? Amin’ny fampiasana ny Mpitsara 7:4–7 dia asao ny ankizy hilalao an-tsehatra ny nanampian’ny Tompo an’i Gideona hisafidy ny miaramila izay hanafaka an’Isiraely amin’ny Midianita. Nahoana no tian’ny Tompo ho kely aok’izany ny tafik’i Gideona? (jereo ny Josoa 7:2). Nahoana no sarotra tamin’i Gideona sy ny tafiny ny fanarahana ny didin’ny Tompo? Asao ireo ankizy hizara zavatra niainana izay nianarany natoky ny Tompo na dia sarotra aza ny nanao azy.

  • Asao ireo ankizy hanao sarina sabatra, ampinga, anjomara, jiro ary siny. Anontanio ireo ankizy hoe iza amin’ireo zavatra ireo no ho raisiny miaraka aminy handeha hiady. Asao izy ireo hamaky ny Mpitsara 7:16 hianarana ny zavatra nentin’ny tafik’i Gideona. Nahoana no nila risi-po ny fanaovana izany? Iaraho mamaky ny Mpitsara 7:19–21 hianarana ny fomba nampiasan’ny miaramila ny anjomara sy ny siny handresena ny Midiana. Inona no ianarantsika momba ny Tompo avy amin’io tantara io?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hizara amin’ny havana iray zavatra izay nianarany androany izay nahatonga azy ireo maniry ny hitandrina ny didy.

Manatsara ny fampianarantsika

Arindrao ireo asa atao mba hifanaraka amin’ny zavatra ilaina. Aza raisina ho toy ny torolalana tsy maintsy arahinao ireto rindran-damina ireto. Ampiasao kosa izany mba hakana hevitra handrehetana ny aingam-panahinao manokana rehefa misaintsaina ireo zavatra ilain’ny ankizy ampianarinao ianao. Ohatra, amin’ny toe-java-miseho sasany dia azonao atao ny manamboatra asa atao ho an’ny ankizy kely mba hampianarana ankizy lehibe, na koa ny mifamadika amin’izay.