Avia, hanaraka Ahy
21–27 jolay: Amin’ “izay omena be no takiana be”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83


“21–27 jolay: Amin’-izay omena be no takiana be-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

I Jesoa Kristy miresaka amin’ilay zatovolahy mpanan-karena

Sombin-tsary avy amin’ny Christ and the Rich Young Ruler [I Kristy sy ilay tanora mpanapaka mpanan-karena], nataon’i Heinrich Hofmann

21–27 jolay: Amin’”izay omena be no takiana be”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83

Ny volana martsa 1832 dia niantso an’i Jesse Gause ny Tompo ho mpanolotsain’i Joseph Smith ao amin’ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo (antsoina ankehitriny hoe Fiadidiana Voalohany). Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81 dia fanambarana ho an-dRahalahy Gause momba ny antsony vaovao. Saingy tsy nanompo tamim-pahatokiana i Jesse Gause, ka dia nantsoina hisolo azy Rahalahy Frederick G. Williams. Nosoloina ny anaran-dRahalahy Williams ny anaran-dRahalahy Gause tao amin’ilay fanambarana.

Mety ho toy ny antsipirian-javatra kely izany, kanefa mifono fahamarinana iray manan-danja: ny ankamaroan’ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia natao ho an’olona voafaritra tsara, kanefa azontsika atao hatrany ny mikatsaka ny hampihatra azy ireny amin’ny tenantsika (jereo ny 1 Nefia 19:23). Rehefa mamaky ny torohevitry ny Tompo ho an’i Frederick G. Williams mba “[hampatanjaka] ny lohalika malemy” isika dia afaka mieritreritra ireo olona izay azontsika hampatanjahana (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5). Rehefa mamaky ny fanasana nomen’ny Tompo an’ireo mpikambana tao amin’ny Orinasa Miray ny mba “hamehezanareo ny tenanareo amin’ity fanekempihavanana ity” isika, dia afaka mieritreritra ireo fanekempihavanana nataontsika manokana. Ary afaka mamaky ilay fampanantenany: “Izaho … dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko,” isika, toy ireny hoe miresaka amintsika ireny Izy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82: 10, 15). Afaka manao izany isika satria nanambara ny Tompo fa: “Izay lazaiko amin’ny iray dia lazaiko amin’ny rehetra” (andininy 5).

Jereo ny “Newel K. Whitney et la Firme unie,” “Jesse Gause : conseiller du prophète,” ao amin’ny Révélations dans leur contexte, 142–47, 155–57.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:4–5; 82:18–19

“Hanao ny soa lehibe indrindra amin’ny mpiara-belona aminao ianao.”

Ao amin’ny andininy maromaro ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83, dia manasa antsika ny Tompo hanampy ireo olona sahirana manodidina antsika. Asio marika ireo andininy ireo rehefa hitanao. Isan’ireo ohatra mamariparitra izany indrindra ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:4–5. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hanampiana anao hisaintsaina ireo andininy ireo:

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany maneho fa ny olona dia mety ho “osa”? Inona no dikan’ny hoe mamonjy azy ireo? Oviana ny fanompoana tahaka ny an’i Kristy nataon’ny hafa no nanampy ahy rehefa nahatsapa ho osa aho?

  • Inona no antony mety mahatonga ny tanan’ny olona araka ny hevitra an-kolaka hoe “miraviravy”? Ahoana no ahafahako mampakatra ireny tanana ireny?

  • Inona no mety ho dikan’ny hoe “lohalika malemy”? Ahoana no hampatanjahana azy ireny?

Ahoana no anaovan’ny Mpamonjy ireny zavatra ireny ho anao?

Angamba ny fandalinanao ity andininy ity dia nahatonga anao hieritreritra olona azo “vonjena” sy ankaherezina na hatanjahana. Inona no hataonao mba hanompoana izany olona izany?

Inona koa no ianaranao momba ny fanompoana ny hafa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82: 18–19? Azonao jerena koa ilay horonan-tsary hoe “Enseignements de Thomas S. Monson : Secourir les personnes dans le besoin” (Médiathèque de l’Évangile). Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ireo mpikambana tao amin’ny paroasin’i Eveka Monson ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo?

5:1

Teachings of Thomas S. Monson: Rescuing Those in Need

Jereo koa ny Jakôba 2:17–19; Môzià 18:8–9.

4:21

Works of God

I Jesoa Kristy teo amin’ny farihy Betesda

Carl Heinrich Bloch (1834–1890), Christ Healing the Sick at Bethesda [I Kristy manasitrana ilay marary tao Betesda], 1883, huile sur toile, 256 x 319 santimetatra. Tranombakoky ny zavakanton’ny Brigham Young University, novidina tamin’ny vola nomen’i Jack R. sy i Mary Lois Wheatley, 2001.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:3

Nanome be ahy ny Mpamonjy dia mitaky be amiko.

Ny famakiana io andininy io dia mety hitaona anao handinika ny zavatra nomen’ Andriamanitra anao, na fitahiana ara-nofo na ara-panahy. Ataovy ao an-tsaina izany rehefa mamaky ny ambin’ny fizarana 82 ianao. Inona no tsapanao fa takin’ Andriamanitra aminao?

Jereo koa ny: “Seigneur, j’ai tant reçu,” Cantiquesno. 139.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–10

sary famantarana ny seminera
Ny didy dia porofon’ny fitiavan’Andriamanitra antsika.

Raha toa ianao, na ny olona iray fantatrao, efa nanontany tena hoe nahoana ny Tompo no manome didy betsaka tokoa, dia afaka manampy anao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–10. Inona avy ireo hevi-baovao ao amin’ireo andininy ireo izay afaka manampy anao hanazava amin’ny olona iray hoe nahoana ianao no misafidy ny hanaraka ireo didin’ny Tompo? Inona ny zavatra azonao ampitahaina amin’ireo didy ka mety hanampy? Afaka mitady hevi-baovao fanampiny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38; 130:20–21 ianao. Inona no zavatra niainana nampianatra anao hahita ireo didy ho toy ny fitahiana?

5:41

Blessed and Happy Are Those Who Keep the Commandments of God

Eritrereto ny sasany amin’ireo didy nomen’ Andriamanitra anao. Inona no nampianarin’ireo didy ireo anao momba Azy sy ny sitrapony? (jereo ny andininy 8). Inona no fiantraikan’ireo didy ireo teo amin’ny fiainanao?

Inona no ianaranao momba ny Tompo ao amin’ny andininy 10? Midika inona amin’ny Tompo, raha ny hevitrao, ny hoe “voafatotra”? (jereo koa ny andininy 15).

Ahoana no nihazonan’ny Tompo ny fampanantenany teo amin’ny fiainanao? Inona no mety holazainao amin’ny olona iray izay tsy mahatsapa ho marisika hitandrina ny didy satria tsy nahazo ny fitahiana nantenainy izy ireo? Mahita hevitra tsara ao amin’ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “Ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra” ve ianao? (Liahona, mey 2021, 78–80).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10

Mitahy antsika amin’ny fombany mahatalanjona ny Tompo.

Rahavavy Virgina H. Pearce, mpikambana tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha, dia niresaka momba ny vehivavy iray izay nanahy mafy ny amin’ireo zanany izay nanao safidy tsy mendrika. Raha iny efa hila hikoropaka iny izy dia niezaka nanao ny zavatra rehetra tonga tao an-tsainy mba hitadiavana ny fitahian’ny Tompo ho azy ireo. Ankoatra ny vavaka tamin-kafanam-po, dia nametraka tanjona omban’ny fahavononana ny hampitombo ny fandehanana any amin’ny tempoly izy ary nahazo antoka fa ny Tompo dia hanome voninahitra io fahafoizan-tena lehibe io amin’ny alalan’ny fanovana ny fon’ireo zanany. Hoy ilay vehivavy:

“Taorian’ny folo taona nampitomboana ny fandehanana tany amin’ny tempoly sy nanaovana vavaka tsy tapaka dia malahelo aho milaza fa tsy niova ny safidin’ireo zanako. …

“Fa izaho kosa no niova. Lasa vehivavy hafa aho. … Malefaka kokoa ny foko. Feno fangorahana aho. Raha ny marina dia afaka manao zavatra betsaka kokoa aho ary afaka amin’ny tahotra, ny tebiteby, ny fahatsapana ho meloka, ny fanomezan-tsiny, ary ny horohoro. Nafoiko ireo fe-potoana napetrako ary afaka miandry ny Tompo aho. Ary miaina matetika ny fiasan’ny herin’ny Tompo aho. Mandefa famindram-po lehibe Izy, hafatra kely izay miresaka ny fitiavany ahy sy ireo zanako. Niova ny zavatra andrasako. Raha tokony ho niandry ny hiovan’ireo zanako aho dia ireo famindrampony lehibe izay tonga matetika ireo no nandrasako ary feno fankasitrahana aho noho izany. …

Niova ny vavaka fanaoko. Maneho fitiavana misimisy kokoa aho ary feno fankasitrahana kokoa. … Miasa amin’ny fomba mahatalanjona ny Tompo, ary tena heniky ny fiadanana mihoatra ny fahatakarana rehetra aho” (ao amin’ny “Prayer: A Small and Simple Thing,” At the Pulpit [2017], 288–89).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 83

“Hokarakaraina ny mananotena sy ny kamboty.”

Tamin’ny aprily 1832, araka ny torolalan’ny Tompo, dia nanao dia efa saika ho 1288 kilaometatra i Joseph Smith mba hamangiana ireo Olomasina izay nivondrona tany Missouri (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:9). Fony izy tany, dia namangy vondrom-piarahamonina iray izay nahitana vehivavy mananotena izay nitaiza irery ny zanak’izy ireo izy. Anisany tamin’izy ireo ry Phebe Peck sy Anna Rogers, izay fantatry ny mpaminany manokana. Tany Missouri tamin’ny taona 1830 tany ho any dia nisy lalam-panjakana nametra ny zon’ireo vehivavy mananotena amin’ny fananan’ny vadin’izy ireo izay maty. Inona no ianaranao ao amin’ny fizarana 83 mikasika ny zavatra tsapan’ny Tompo momba an’ireo vehivavy maty vady sy ireo kamboty? Mahafantatra olona iray ao anatin’izany toe-javatra izany ve ianao ka hoe afaka misitraka ny fitiavanao sy ny fikarakaranao? Inona avy ny fomba azonao hizarana izay anananao amin’ireo mananotena, ny kamboty, ireo reny tokan-tena, ary ireo olona hafa sahirana?

Jereo ihany koa ny Isaia 1:17; Jakoba 1:27.

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy, lah. 01

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:3

Afaka mivavaka amin’ Andriamanitra “amim-peo avo [sy] anakampo” aho.

  • Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81: 3 miaraka amin’ny ankizy ianao, dia ampio izy ireo hieritreritra ireo toerana “an-kalamanjana” sy “mitokana” samihafa izay azon’izy ireo hivavahana. Azonao atao koa ny miara-mihaino na mihira hira iray momba ny vavaka amin’izy ireo, toy ny “Instant de paix, moment si doux” (Cantiques, no. 79). Mifampizarà zavatra avy amin’ilay hira izay mampianatra fahamarinana manan-danja momba ny vavaka. Afaka miresaka momba ny firesahana amim-panajana fatratra amin’ny Ray any An-danitra koa ianareo.

  • Mba hamporisihana ny ankizy hivavaka amin’ny fony, dia azonao omena fo vita amin’ny taratasy izy ireo dia asao hanao sary na hanoratra ny zavatra izay tian’izy ireo entina am-bavaka amin’ny Ray any An-danitra. Mijoroa ho vavolombelona fa mahafantatra ny zavatra eritreretintsika sy tsapantsika ny Ray any An-danitra ary afaka mandre ny vavaka ataontsika Izy na dia tsy miloa-peo aza isika. Azonao atao ny mizara amin’izy ireo zavatra niainana iray izay nivavahanao tao am-po ary nandre anao ny Ray any An-danitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5

Tian’i Tompo hanampy ireo sahirana aho.

  • Miaraha manao sarina tanana sy lohalika amin’ny ankizy, dia angataho izy ireo hitady ireo ampahan-javatra mandrafitra ny vatana ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5. Inona no asain’ny Tompo hataontsika ao amin’io andininy io? Azonareo atao ny mifampizara fomba vitsivitsy nampatanjahan’ny olona anareo rehefa nahatsapa ho “osa” na “malemy” ianareo. ChurchofJesusChrist.org Hevero ny hanampy ny ankizy hanao drafitra mba hanampiana olona iray sahirana farafahakeliny amin’ity herinandro ity.

    2:18

    Pass It On

  • Azonao atao koa ny mampiasa sary na horonan-tsary mba hitantarana tantara tsotra momba an’i Jesoa Kristy manompo ny hafa (jereo ireo sary ato amin’ity lesona ity; Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 41, 42, 46, 47, 55; na ny iray amin’ireo Vidéos sur la Bible ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile). Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fanampiana ny hafa?

    Christ raising the daughter of Jairus
I Jesoa Kristy sy ny vehivavy iray nositraniny

Afaka manolo-tanana ireo olona sahirana tahaka ny nataon’ny Mpamonjy isika.

Ampio ny ankizy handray ny fitaomam-panahy azy ireo manokana. Ny mampianatra dia mihoatra lavitra ny hoe mizara fahamarinana fotsiny, midika hoe manampy ny olona hafa ho lasa mpianatra mahaleotena izany. Ho solon’ny fitenenana fotsiny amin’ireo ankizy ny fomba azon’izy ireo hanompoana ny hafa ohatra, dia amporisiho izy ireo hikatsaka ny fitarihan’ny Tompo mba hahafantarany izay olona azon’izy ireo ampiana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10

Mampanantena fitahiana ny Ray any An-danitra rehefa miezaka mankatò Azy aho.

  • Azonao sy ny ankizy atao ny mitady ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–10 ny valin’ilay fanontaniana hoe “Nahoana ny Ray any An-danitra no manome antsika didy?” Mety ho tianao ny hanampy ny ankizy hieritreritra ohatra amin’ireo didiny (jereo ohatra ny Eksodosy 20:4–17; Matio 22:37–39; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:5–17). Mety hanampy raha mitady na manao sary hanehoana ny sasany amin’izy ireny ianao sy ny ankizy. Ahoana no hanehoan’ny didin’ny Ray any An-danitra ny fitiavany antsika?

  • Angamba mety hanampy ny ankizy hahita ny didin’ Andriamanitra ho toy ny fitahiana fa tsy enta-mavesatra ny fanaovana kilalao tsotra. Misy olona iray afaka manome torolalana hanampiana olona iray hafa mitampi-maso mba hanao zavatra toy ny manamboatra sandwich na manao sary. Mieritrereta zavatra iray mahafinaritra sy mahaliana! Dia resaho avy eo hoe ahoana no maha toy ireo torolalana ao amin’io kilalao io ireo didin’ Andriamanitra.

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

I Jesoa Kristy sy ny lehilahy iray nositraniny

sarin’i Jesoa manasitrana lehilahy iray, nataon’i Dan Burr

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy