“30 jona–6 jolay: -Tsy misy fiadiana izay voaforona hamelezana anareo ka hiroborobo-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
I Will Remember the Covenant [Hahatsiaro ny fanekempihavanako aho], nataon’i Enrique Manuel Garcia
30 jona–6 jolay: “Tsy misy fiadiana izay voaforona hamelezana anareo ka hiroborobo”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75
Na dia fony mbola zazalahy aza i Joseph Smith dia niatrika fitsikerana, eny fahavalo mihitsy aza, rehefa niezaka nanao ny asan’ Andriamanitra. Saingy tsy azo ihodivirana fa sarotra tokoa izany tamin’ny faramparan’ny taona 1831 rehefa nanomboka namoaka fitsikerana ampahibemaso ny Fiangonana i Ezra Booth, satria tamin’ity indray mitoraka ity dia avy amina mpino taloha izay niala tao amin’ny Fiangonana ny mpitsikera. Nahita an’i Joseph nampiasa ny herin’ Andriamanitra nanasitranana vehivavy iray i Ezra. Nasaina izy hiaraka tamin’i Joseph tamin’ny fisafoana ny tanin’i Ziona tany Missouri. Saingy nanary ny finoany izy taorian’izany, raha nanandrana ny hanala baraka ny Mpampinany tamin’ny famoahana taratasy maro nisesy tao amina gazety iray tany Ohio. Ary izany ezaka nataony izany dia toa nahomby noho “ny [rivo]-pankahalana … efa nitombo nanohitra ny Fiangonana” teo an-toerana (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71, sasin-tenin’ny fizarana). Inona no tokony hataon’ny mpino amin’ny tranga tahaka izany? Na dia tsy misy valiny tokana tena mety ho an’ny trangan-javatra tsirairay aza, dia toa matetika anisan’ny valintenin’ny Tompo, ao anatin’izany ity tranga tamin’ny 1831 ity, ny manambara ny fahamarinana sy manitsy ireo lainga amin’ny alalan’ny fanambarana ny filazantsara (andininy 1). Eny, ny asan’ny Tompo dia hisy mpitsikera hatrany saingy any amin’ny farany dia “tsy misy fiadiana izay voaforona hamelezana [izany] ka hiroborobo” (andininy 9).
Jereo ny “Ezra Booth et Isaac Morley,” ao amin’ny Révélations dans leur contexte,, 134.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71
Hitarika ahy ny Fanahy rehefa mitory ny filazantsaran’ny Mpamonjy aho.
Mety hanahirana rehefa mitsikera na manaraby ny finoana ny Mpamonjy, na ny filazantsarany, na ny Fiangonany ny olona. Rehefa mitranga izany dia, inona no ataonao? Nisy zavatra nitovitovy tamin’izany nitranga tany Ohio tamin’ny 1831 (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71). Inona no nasain’ny Tompo nataon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon nahakasika izany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71? Azonao atao angamba ny manao lisitra ireo torolalana nomen’ny Tompo azy ireo sy ireo fitahiana nampanantenainy.
Ankoatra ny fandalinana ny fizarana 71, dia afaka mikaroka ihany koa ny fomba namalian’ny Mpamonjy ireo mpitsikera Azy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany ianao. Ireto misy ohatra vitsivitsy: Matio 22:15–22; 26:59–64; Jaona 10:37–38. Inona no ianaranao avy Aminy? Inona no hevi-baovao fanampiny azonao avy amin’ny Matio 18:15; Efesiana 4:31–32; 2 Timoty 3:12; Jakoba 1:19?
Ahoana no mety hampiharana ny toroheviny amin’ireo toe-javatra misy atrehanao ankehitriny? Afaka mieritreritra fomba hanitsiana amim-pitoniana amin’ny teninao manokana ireo lainga ianao. Ohatra, azonao atomboka amin’ny alalan’ny fanehoana fanajana ny hevitr’ilay olona hafa izany, ary avy eo ianao dia afaka mizara ny zavatra inoanao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany amim-panetrentena sy amin-katsaram-panahy. Mba hiomanana amin’ny fotoana toy izany, dia azonao atao angamba ny mizatra mampiasa io fomba io amina namana na olona ao amin’ny fianakaviana.
Dallin H. Oaks, “Fitiavana ny hafa sy fiainana ao anatin’ny fahasamihafana,” Liahona, nôv. 2014, 25–28; Jörg Klebingat, “Mpianatra maherifo amin’ny andro farany,” Liahona, mey 2022, 107–10.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72
Mitahy ahy amin’ny alalan’ny fanompoan’ireo mpitarika toy ny eveka ny Tompo.
Rehefa nantsoina ho eveka i Newel K. Whitney dia nisy fahasamihafana kely tamin’ny an’ny eveka ankehitriny ny andraikiny. Ohatra, ny Eveka Whitney no nanara-maso ny fanokanana ny fananana sy ny fahazoan-dalana honina tao an-tanin’i Ziona tao Missouri. Fa rehefa mamaky momba ny antsony ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72 ianao dia mety hahatsikaritra fifandraisana amin’izay ataon’ny eveka ankehitriny, farafaharatsiny eo amin’ny toetran’ny andraikitr’izy ireo, raha toa ka tsy mitovy ireo antsipirian-javatra atao.
Ohatra, ahoana avy no “hanao[vanao] tatitra momba ny fitantanan-draharaha[nao]” amin’ny evekanao? (andininy 5). Amin’izao androntsika izao dia mety ho tafiditra ao anatin’ny “ny trano fitehirizan’ny Tompo” ny fanatitra, ny fanompoana, ary ny talentan’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy (jereo ny andininy 10, 12). Ahoana no hitondranao anjara biriky amin’izany trano fitehirizana izany?
Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny Tompo anao sy ny fianakavianao tamin’ny alalan’ny fanompoan’ny eveka iray?
Jereo koa ny Quentin L. Cook, “Eveka—Mpiandry ny andian’ondrin’ny Tompo,” Liahona, mey 2021, 56–60.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73
Manana fahafahana maro be hizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy aho.
Rehefa niverina avy tany amin’ny asa fitoriana nampandraiketina azy ireo i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71), dia niteny azy ireo ny Tompo mba hanohizan’izy ireo ny fandikany ny Baiboly (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Dikantenin’i Joseph Smith (DJS),” Médiathèque de l’Évangile). Kanefa tsy nidika izany fa tiany hitsahatra tamin’ny fizarana ny filazantsara izy ireo. Sady isan’ny mandrafitra ny fiainan’ny mpianatra iray rahateo izany.
Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73 ianao dia eritrereto ny fomba ahafahanao manao ny fizarana ny filazantsara ho zavatra mitohy “azo atao” (andininy 4) na azo tanterahina sy ho ampahan-javatra mandrafitra ny fiainanao eo anivon’ireo andraikitrao hafa.
Afaka ny ho toy ny zavatra mahazatra sy mandeha ho azy ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:1–16
“[Miasà] amin’ny herinareo … hanambara ny marina.”
Ilay fanambarana ao amin’ny fizarana 75 dia niantefa tamin’ireo olona izay “nanome ny anara[n’izy ireo] mba handeha hitory ny filazantsara[n’ny Mpamonjy]” (andininy 2). Fomba iray handalinana io fanambarana io ny fanaovana lisitra roa: (1) ny fomba hizarana amim-pahombiazana ny filazantsara sy (2) ny fomba hitahian’ny Tompo sy hanohanany antsika rehefa anao izany.
Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “mitaredretra” na “midonana-poana” amin’ny fizarana ny filazantsara? Toy ny ahoana izany ny hoe “[m]iasa amin’ny herinareo” (andininy 3) izany?
Jereo koa ny “Ny lalanao no lalako,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 92.
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71
Afaka miaro ny fahamarinana aho amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananako.
-
Azonao ampiasaina ny sasin-tenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71 na ny “Toko 25: Nandeha nanao asa fitoriana i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 96) mba hampianarana ny ankizy ireo toe-javatra niainana izay nampisy ny fizarana 71. Avy eo dia ampio izy ireo hahita ao amin’ny andininy 1 ny zavatra tian’ny Tompo hataon’i Joseph sy i Sidney momba ireo “[rivo]-pankahalana” nanoherana ny Fiangonana. Ahoana araky ny filazany no hanampiany azy ireo? Ahoana no fomba ahafahantsika hitovy amin’i Joseph sy i Sidney?
0:45Chapter 25: Joseph Smith and Sidney Rigdon Go on a Mission: December 1831–January 1832
-
Azonareo atao koa ny mihira hira izay mitaona ireo ankizy ho mahatoky amin’ny Mpamonjy, toy ny “Aoka ho marina hatrany ianao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 81). Ampio ny ankizy hizatra ny fomba hizarana ny zavatra fantany momba an’i Jesoa Kristy.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:2
Niantso eveka ny Tompo mba hanampy ahy.
-
Ny fiarahana mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:2 dia afaka mamorona fahafahana hifanakalo hevitra momba ny antony hanomezan’ny Tompo antsika eveka (jereo koa ny “Toko 17: Ireo eveka voalohany tato amin’ny Fiangonana,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 64–66). Afaka mitady sary na zavatra maneho ireo andraikitry ny eveka ianao sy ny ankizy. Ny sary sy ny pejin’ny sahanasa any amin’ny faran’ity lesona ity dia manolotra hevitra vitsivitsy. Avy eo ianareo dia afaka mifampiresaka momba ireo eveka efa fantatrareo sy ny fomba nitahian’ny Tompo ny fianakavianareo tamin’ny alalan’ny fanompoan’izy ireo.
1:45Chapter 17: The First Bishops of the Church: February and December 1831
Mampianara foana momba an’i Jesoa Kristy. “Na inona na inona ampianarinao dia tsarovy fa tena mampianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny fomba hahatongavana tahaka Azy ianao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 6). Ohatra, rehefa mampianatra ny ankizy momba ireo eveka ianao, dia hamafiso fa solontenan’i Jesoa Kristy izy ireo, ary nantsoiny mba hanao ny asany (jereo ny 1 Petera 2:25).
Mangataka ireo eveka hikarakara ireo olona sahirana ny Tompo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:3
Afaka manao ny ezaka tsara indrindra vitako ho an’ny Tompo aho.
-
Mba hiresahana mikasika ny fahasamihafana eo amin’ny “[f]idonana-poana” sy ny “[m]iasa amin’ny herin[tsika],” dia azonao atao angamba ny misafidy asa fanompoana na raharaha any an-trano vitsivitsy ary manasa ny ankizy haneho ny fanaovana izany amim-pidonana-poana ary avy eo amin’ny herin’izy ireo rehetra. Eo am-pamakianao ny hoe “na hidonana-poana” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:3, dia azon’ireo ankizy atao ny mampiseho ny fomba hanaovan’izy ireo ireo raharaha amin’ny hakamoana. Eo am-pamakianao ny hoe “fa hiasa amin’ny herinareo,” dia azon’izy ireo haseho ny fomba hiasan’izy ireo mafy. Nahoana no zava-dehibe ny manao izay tsara indrindra vitantsika rehefa manompo ny Tompo?
-
Ao amin’ilay hafany hoe “Fitsipika roa ho an’ny toekarena rehetra” (Liahona, nôv. 2009, 55–58), dia nitantara tantara roa momba ny asa ny Filoha Dieter F. Uchtdorf. Azonao atao angamba ny mizara izany amin’ireo ankizy sy miresaka mikasika ny zavatra tsapa rehefa mahafantatra fa niasa mafy sy nanao izay tsara indrindra azontsika natao isika.
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.