Seminera
Etera 7–11: “Azo antoka fa izany zavatra izany dia mitondra any amin’ny fahababoana”


“Etera 7–11: -Azo antoka fa izany zavatra izany dia mitondra any amin’ny fahababoana,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Etera 7–11,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Etera 7–11

“Azo antoka fa izany zavatra izany dia mitondra any amin’ny fahababoana”

Sary
Vehivavy ao anaty efitra figadrana

Satria tia antsika Andriamanitra, dia miantso mpaminany Izy hampitandrina antsika amin’ny ratsy sy hamporisika antsika hitandrina ny didy. Tsy nihaino ny fampitandremana iray avy tamin’ny rahalahin’i Jareda ny Jaredita, ka niteraka vokany sarotra tamina taranaka maro izany. Afaka manampy anao hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fanarahana ireo mpaminanin’ny Tompo ity lesona ity.

Fahababoana

Jereo ity sary manaraka ity. Inona no mety hoeritreretin’io olona na ny zavatra tsapany?

Sary
Lehilahy ao anaty efitra figadrana

Hevero hoe inona no safidy tany aloha mety ho nitarika tsikelikely tamin’ireo toe-javatra ireo sy ny antony mety ho nanaovan’io olona io izany safidy izany.

Ny fandraisana anjara amina fitondrantena feno fahotana dia afaka mitarika ny olona ho amina fahababoana ara-panahy sy ara-batana.

Anio ianao dia handalina tantara iray izay hanampy anao hahatakatra fomba manan-danja iray hisorohana fahababoana ara-panahy. Rehefa mandalina ianao, dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy izay afaka manampy anao hahita ny fomba ampiharana ny zavatra nianaranao amin’ny fiainanao manokana.

“Azo antoka fa izany zavatra izany dia mitondra any amin’ny fahababoana”

Rehefa tonga tany amin’ny tany nampanantenaina ny Jaredita, dia nanompo tamim-pahatokiana ny Tompo izy ireo ary nitombo sy nihanatanjaka teo amin’ny tany (jereo ny Etera 6:17–18). Nony antomotra ny fiafaran’ny fiainan’i Jareda sy ny rahalahiny, dia nangonin’izy ireo ny olon’izy ireo, mba hitenenany amin’izy ireo.

Vakio ny Etera 6:19–23, hitadiavana ny zavatra nirìn’ny vahoaka.

  • Inona no fampitandremana nomen’ny rahalahin’i Jareda ny olona ao amin’ny andininy 23?

Alaovy sary an-tsaina hoe tany ianao tamin’ny fotoana nanomezana io fampitandremana io. Saintsaino ny mety ho fihetsika navalinao tamin’izany toe-javatra izany. Eritrereto ny zavatra fantatrao momba an’ Andriamanitra sy ny mpaminaniny ary ny fomba mety hiantraikan’izany amin’ny fanapahan-kevitrao.

Fampitandremana tanteraka

Na dia teo aza ny fampitandreman’ny rahalahin’i Jareda, dia mbola nisafidy ny hanana mpanjaka ihany ny vahoaka. Taorian’ny fandavan’ny maro tamin’ireo zanakalahin’izy ireo, dia nanaiky ny ho tonga mpanjaka ny zanakalahin’i Jareda nony farany ary nanjaka tamin’ny fahamarinana nandritra ny fiainany (jereo ny Etera 6:24–29; 7:1). Na izany aza, ny faminanian’ny rahalahin’i Jareda hoe hitarika amina fahababoana ny fisian’ny mpanjaka iray dia tanteraka imbetsaka nandritra ny tantaran’ny Jaredita.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, hitadiavana ohatra amin’ny fomba nahatanterahan’ny faminanian’ny rahalahin’i Jareda. Mety ho azonao atao ny manao lisitra ireo andinin-tsoratra masina ireo eo akaikin’ny Etera 6:23.

  • Inona no zavatra nisongadina taminao tamin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’io tantara io mikasika ny vokatry ny fandavana ireo mpaminanin’ny Tompo?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe ny fandavana ireo mpaminanin’ny Tompo dia mety hitarika amina fahababoana.

  • Inona avy no ohatra sasantsasany amin’ny fomba mety hiainan’ny olona iray fahababoana amin’ny alalan’ny fanaovana tsinontsinona na fandavana ireo mpaminanin’ny Tompo?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no misafidy ny tsy hiraharaha ny torohevitra sy fampitandremana omen’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny olona?

Torohevitra mifanentana amin’ny vanim-potoana ankehitriny avy amin’ny mpaminanin’ny Tompo

Mitadiava torohevitra na fampitandremana avy amina mpaminany sy apôstôly maoderina. Izany dia mety ho avy ao amin’ny Ho zatovo mahery! (bokikely, 2022), na avy amina lahateny tamina fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Jereo raha hitanao ny teny na andian-teny izay mamaritra ny fomba hitahiana antsika rehefa manaraka io torohevitra io isika, eo ihany koa ireo vokany mety hiainantsika amin’ny tsy firaharahana izany.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy no fampitandremana na torohevitra vitanao ny nahita azy?

    • Inona avy no fomba sasantsasany hitahian’ny Tompo antsika rehefa manaraka ny toroheviny isika?

    • Amin’ny fomba ahoana no hoe mety hitarika ny olona iray ho amin’ny fahababoana ny tsy firaharahana io torohevitra io na ireo fampitandremana ireo?

Mampihatra izany amin’ny fiainanao

Eritrereto ny fomba amalianao ny torohevitra sy fampitandreman’ireo mpaminanin’ny Tompo, ireo fitahiana noraisinao tamin’ny fanarahana Azy ireo, ary ny torohevitra mety hilainao mba hanarahana amim-pahatokiana kokoa.

Mety hahatsapa ho kivy ny sasany rehefa miaina vokatry ny tsy firaharahana ny torohevitra sy fampitandreman’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminaniny izy ireo. Saingy na amin’ny fotoana nanaovantsika fahadisoana aza, dia afaka manafaka antsika amin’ny fahababoantsika ny Mpamonjy rehefa mitodika Aminy isika. Ohatra, vakio ny Etera 7:25–27, ary mariho ny zavatra nitranga rehefa nibebaka ny vahoaka ka niverina nitodika tamin’ Andriamanitra.

  • Inona no ampianarin’io andinin-tsoratra masina io anao momba ny Tompo? (jereo ihany koa ny Môzià 7:33).

Mba hahitana ohatra iray amin’ny fomba niainan’ny olona iray ny fanafahan’ny Tompo taorian’ny fiainana fahababoana ara-panahy, dia hevero ny hijery “The Immediate Goodness of God [Ny fahatsaran’ Andiamanitra eo no ho eo],” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 3:37 hatramin’ny 6:33.

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra nianaranao sy tsapanao momba ny fanarahana ireo mpaminanin’ny Tompo androany. Raketo izay fahatsapana ara-panahy voarainao ary manaova drafitra hanaovana zavatra mifanaraka amin’izany.