Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:6—“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo”


“Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:6—-Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:6,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: Etera 12:6

Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo

Sary
Zatovovavy roa miresaka

Tamin’ny fandalinanao ny Etera 12:1–22 ianao dia nianatra ny fomba fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany alohan’ny handraisana fanamafisana avy amin’ny Fanahy momba ny fahamarinana (jereo ny Etera 12:6). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Etera 12:6, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Tadidio sy hazavao

Tao amin’ny lesona teo aloha ianao dia nianatra ity fahamarinana manaraka ity avy ao amin’ny Etera 12:6: Raha maniry ny hahazo fanamafisana avy amin’ny Fanahy isika, dia tsy maintsy mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1.  Mba hanampy anao hanazava ireo fampianarana ao amin’ny Etera 12:6, dia mampiasà andian-teny avy amin’ilay andininy sy ny teninao manokana mba hamaliana ity fanontaniana manaraka ity:

    • Inona no torohevitra omena ao amin’ny Etera 12:6 ho an’ireo izay manana fanontaniana tsy voavaly na tsy mbola “nahita” ny fahamarinana?

Ampiasao ny tekinika fitadidianao manokana na ity hevitra manaraka ity mba hanampy anao hitadidy ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) dia nampianatra fa ny olona tsirairay dia hiatrika fotoana izay hidonany amin’ny rindrin’ny finoany ka tsy maintsy hanapahany hevitra raha hino zavatra iray izy na tsia (jereo ny “The Book of Mormon Is the Word of God [Ny Bokin’i Môrmôna no tenin’ Andriamanitra],” Ensign, mey 1975, 65). Amin’ny teny hafa, ny rehetra dia tsy maintsy manapa-kevitra amim-pinoana hino sy hahalala ny fahamarinana.

Manaova sarina rindrina lehibe misy sary tsotra mampiseho ny tenanao eo anoloan’izany. Ampiasao ilay “rindrin’ny finoana” mba hanampy anao hitadidy ilay toko sy andininy amin’ny Etera 12:6 sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Haingoy amin’ny alalan’ny fanoratana ny “Etera 12:6” eo amin’ny tampony ny rindrinao, avy eo dia soraty imbetsabetsaka eo amin’ilay rindrina ny hoe “tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo”. Rehefa feno ilay andian-teny manan-danja ny toerana eo amin’ny rindrinao, dia miezaha manonona mafy izany imbetsabetsaka tsy ankijery.

Fizàrana mampihatra

Avereno jerena ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizaràna hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) mba hanampy anao hiomana hamaly ity rafi-tantara manaraka ity.

Mpinamana be i Christiana sy i Niceta. I Christiana dia mpikambana ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Miezaka mafy ny ho ohatra tsara ho an’i Niceta izay tsy mino fivavahana misy rafitra izy. Matetika i Niceta no mametra-panontaniana amin’ny finoan’i Christiana ary manontany tena momba ny antony andehanany miangona isaky ny alahady, andoavany fahafolonkarena, iainany ny Tenin’ny Fahendrena, ary isafidianany hitafy amim-pahamaotinana.

Manazava amin’i Niceta i Christiana fa tsapany ho marina ary nalefan’ Andriamanitra ny didy sy fenitra iainany. Namaly tamim-pitiavana i Niceta hoe: “Ahoana no ahafahanao milaza fa marina ireo zavatra ireo? Ahoana no ahafahanao mahafantatra fa marina ny zavatra tsy hitanao?”

Ampiasao ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Etera 12:6 mba hanampiana an’i Niceta amin’ny fanontaniany.

  1. Mamalia farafahakeliny fanontaniana iray eo ambanin’ny tsirairay amin’ireto lohateny manaraka ireto:

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Fotokevitra na fahamarinana inona no tianao hanampiana an’i Niceta mba ho takany tsara kokoa? Nahoana?

  • Inona no mety hozarainao amin’i Niceta momba ny Tompo sy ny fomba iarahany miasa amintsika?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofinidin’ Andriamanitra

  • Inona avy no fampianarana avy ao amin’ny Etera 12:6 mety hanampy amin’io toe-java-misy io? Nahoana?

  • Inona avy no andinin-tsoratra masina hafa na teny nambarana mpitarika ato amin’ny Fiangonana ka afaka manome fanampiana sy taridalana ho an’i Niceta?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no traikefa azonao na ny hafa tamin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy? Ahoana no mety hahafahan’ny fizaràna izany amin’i Niceta manampy amin’ny fandrisihana azy hanao asa amim-pinoana?

  • Inona no asa mahatoky azonao atoro mba hatombok’i Niceta atao?