Seminera
Almà 30:1–29: Nampaniasia ny maro hiala tamin’ny Mpamonjy ny fampianaran’i Kôrihôra


“Almà 30:1–29: Nampaniasia ny maro hiala tamin’ny Mpamonjy ny fampianaran’i Kôrihôra,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 30:1–29,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 30:1–29

Nampaniasia ny maro hiala tamin’ny Mpamonjy ny fampianaran’i Kôrihôra

Sary
Nampaniasia ny olona i Kôrihôra

Tonga tany amin’ny Nefita ny lehilahy ratsy fanahy iray nantsoina hoe Kôrihôra. Nitory nanohitra ireo faminaniana momba an’i Jesoa Kristy izy ary nampaniasia ny fon’ny olona maro hiala amin’ Andriamanitra. Amin’izao androntsika izao dia misy feo maro izay mikatsaka ny hampaniasia antsika hiala amin’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahafantatra sy handà ireo fampianaran-diso izay mety hitarika anao hiala amin’i Jesoa Kristy.

Ny famitahan’i Satana

Ny maka-feke dia fanjonoana horita. Ny fanjonoana horita dia natao hitovitovy amina sakafo tena izy izay tsy havelan’ny horita raha vao voarainy. Rehefa mitranga izany, dia azon’ny mpanjono atsipy mora foana ho ao amin’ny sambony ilay horita.

Sary
maka-feke

Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nampiasa ny ohatra momba ny maka-feke mba hampianarana ny fomba fiasan’i Satana.

Ankehitriny isika dia voahodidina maka-feke izay ahanton’ilay ratsy eo anoloantsika ary anandramany mba hisarihana antsika sy hamandrihana antsika avy eo. Raha vao voaray, ny maka-feke toy izany dia tena sarotra, ary indraindray tsy vita mihitsy, ny miala aminy. Mba hiarovantsika tena, dia tsy maintsy mahafantatra ny tanjom-pisian’izy ireny isika ary avy eo dia mihozongozona amin’ny fahavononantsika hisoroka azy ireny. (Thomas S. Monson, “True to the Faith,” Ensign or Liahona, Mey 2006, 18)

  • Manao ahoana ny fahatokian-tenanao mahakasika ny fahaizanao mamantatra ny fampianaran-dison’i Satana izay mety “hisarika” sy “hamandrika” anao?

Misoroka ireo zavatra izay hampiala antsika amin’ny Mpamonjy

Taorian’ny ady lehibe teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita dia tafatoetra teo amin’ny tany ny fandriampahalemana. Teo ho eo amin’ny roa taona taty aoriana, nanomboka nitory teo amin’ny olona tany Zarahemlà ny lehilahy iray nantsoina hoe Kôrihôra. Nolazain’i Satana an’i Kôrihôra ny zavatra holazaina (jereo ny Almà 30:53). Rehefa mandalina ianao androany dia diniho ny fomba nampiasan’i Kôrihôra ny teniny sy ireo fampianaran-disony ho toy ny maka-feke hamandrihana olona.

Vakio ny Almà 30:6, 12 hitadiavana teny sy andian-teny izay mamaritra ilay hafatra sy iraka nataon’i Kôrihôra.

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “antikristy” izy? (Almà 30:6).

Ny teny hoe antikristy dia ilazana “rehefa mety ho olona na zavatra izay misandoka ny drafitry ny famonjen’ny filazantsara marina ary manohitra an-kitsirano na mangingina an’i Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Antikristy,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny tantaran’i Kôrihôra ny hoe i Satana dia mampiasa fampianaran-diso mba hampiala antsika amin’i Jesoa Kristy.

Ny fampianarana antikristy nataon’i Kôrihôra

Vakio ny Almà 30:12–18 hitadiavana ireo fampianaran-dison’i Kôrihôra. Hevero ny hanisy marika ireo fampianaran’i Kôrihôra amin’ny fomba izay hanokanana azy ireo (ohatra, amina loko na mari-pamantarana miavaka) na hevero ny hanoratra azy ireo ao amin’ny diary fandalinanao.

  • Inona avy ny sasantsasany amin’ireo fampianaran-dison’i Kôrihôra?

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto.

    Misafidiana fampianarana manokan’i Kôrihôra roa na telo mba hampiasaina rehefa mamaly ny fanontaniana roa voalohany ianao:

    • Ahoana no mety hilazanao amin’ny fomba hafa ny fampianaran’i Kôrihôra amin’ny alalan’ny fampiasana fiteny mahazatra kokoa amin’izao androntsika izao?

    • Amin’ny alalan’ny fampiasana mari-drefy 1 hatramin’ny 10 (ka ny 10 no matanjaka indrindra), ahoana no fahitanao ny tanjaky ny firoboroboan’ny fampianaran’i Kôrihôra ankehitriny?

    • Inona amin’ireo fampianarana ireo no hitarika ny olona hiala amin’i Jesoa Kristy? Nahoana izy ireo no hevitra mampidi-doza?

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy ary saintsaino ny fiantraikan’ny fampianaran’i Kôrihôra eo amin’ny fiainanao. Mihevera fomba mety hisian’ny iray amin’ireo fampianaran-diso ireo fiantraikany eo aminao manokana.

Niresaka momba an’i Kôrihôra sy ny fampianarany ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Mety ho azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Ilay fanomezana masin’ ny fibebahana” manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:08 hatramin’ny 2:40, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

[Ny olona toa an’i] Kôrihôra … dia mandà ny fisian’i Kristy mihitsy ary milaza fa tsy misy izany ota izany. Ny fotopampianaran’ izy ireo dia mampitovy lenta ireo soatoavina, ireo fitsipika ary hatramin’ny fahamarinana mihitsy aza. Hany ka rehefa mahatsapa ny olona iray fa mety ny ataony dia tsy azon’ ny olona hafa tsaraina izy hoe nanao hadisoana na nanota.

Amin’ ny voalohany dia toa mahasarika tokoa ny foto-pisainana toy izany satria manome antsika fahalalahana hahazo fy amin’izay zavatra irintsika ary tsy miraharaha izay ho vokany isika. (D. Todd Christofferson, “Ilay fanomezana masin’ ny fibebahana,” Liahona, nôv. 2011, 38)

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mety hitarihan’ireo fampianarana ireo ny olona hanota? (Jereo ny andininy 18.)

Vakio ny Almà 30:19–21 hitadiavana ny fihetsika navalin’ny vahoakan’i Jersôna sy i Gideôna ny fampianaran’i Kôrihôra.

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    Nahoana araka ny eritreritrao no “hendry kokoa” (Almà 30:20) noho ny an’ny vahoakan’i Zarahemlà ny fihetsika navalin’izy ireo? (jereo ny Almà 30:18).

    • Ahoana no ahafahantsika ho “hendry kokoa” sy handà ny hafatry ny antikristy?

    • Ahoana no ahafahan’ny fahalalanao ny Mpamonjy sy ny fifandraisanao Aminy hisy fiantraikany eo amin’izay fitaoman’ireo fampianarana antikristy ireo anao?

Saintsaino ny zavatra nianaranao sy tsapanao tamin’ny fandalinanao. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hifantoka amin’i Jesoa Kristy sy handà ny fampianarana izay hitarika anao hiala Aminy.