Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 13: Tadiavo sy asio marika Almà 7:11–13 hatramin’ny Môrônia 10:4–5


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 13: Tadiavo sy asio marika Almà 7:11–13 hatramin’ny Môrônia 10:4–5,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 13,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 13

Tadiavo sy asio marika Almà 7:11–13 hatramin’ny Môrônia 10:4–5

Sary
zatovovavy manisy marika ny soratra masina

Tanjona iray amin’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fahatakaranao ireo fahamarinan’ny filazantsara hita ao amin’ny soratra masina. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hijery ny toerana misy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 12 ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Toko sy andinin-tsoratra masina ary andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Alaivo sary an-tsaina hoe mahita anao manisy marika ny soratra masinao eo am-pandalinana ny zandrinao iray tam-po aminao. Rehefa avy mahita ilay pejy misy marika ny zandrinao, dia manontany anao ny antony anisianao marika ny soratra masinao.

  • Ahoana no ho fihetsikao?

Ampiasao ity tabilao manaraka ity hanampy anao hijery ny toerana misy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 12 hita ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hevero ny hanisy marika azy ireo amina fomba miavaka mba ahafahanao mahita azy ireo mora foana amin’ny manaraka. Mety ho azonao heverina ihany koa ny hanisy marika ny teny ao amin’ny andian-teny manan-danja mba hanasongadinana azy ireny.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aza mandeha intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

  1. Misafidiana andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana telo izay tianao hianarana misimisy kokoa amin’ity enimbolana ity. Vakio ny andalan-tsoratra masina ary soraty ireto manaraka ireto:

    • Ny antony ieritreretanao fa tian’ny Mpamonjy hahatakatra ny fahamarinana ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo ny olona ankehitriny

    • Ny fanontaniana rehetra anananao momba ny teny sy andian-teny ao amin’ny andalan-tsoratra masina

Mandritra ny andro vitsivitsy manaraka, manomboha manao tsianjery toko sy andininy ary andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina maromaro, ary mitadiava valiny amin’ny fanontaniana rehetra izay mety hanananao momba ny zavatra ampianarin’ireo soratra masina ireo. Azonao atao ny mampiasa ny application Maîtrise de la doctrine hanampy anao (raha misy).