Seminera
Almà 17: “Araka ny teny sy ny fahefan’ Andriamanitra”


“Almà 17: -Araka ny teny sy ny fahefan’ Andriamanitra,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 17,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 17

“Araka ny teny sy ny fahefan’ Andriamanitra”

Sary
I Amôna niaro ny andian’ondrin’i Lamônia Mpanjaka

Alaivo sary an-tsaina izany hoe miezaka mitory ny filazantsara amina vondron’olona izay azo faritana ho olon-dia, tsy mihontsona ary masiaka. Tena izany mihitsy no nosafidin’ireo zanakalahin’i Môzià hatao rehefa nandeha tany amin’ny tanin’ny Lamanita hitory ny filazantsara amin’izy ireo izy ireo. Ny Almà 17 dia mamariparitra ny fanampiana azon’i Amôna tamin’ Andriamanitra rehefa nanomboka ny asa fanompoany teo anivon’ny Lamanita tany amin’ny tanin’i Ismaela izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra ny fanampiana sy ny hery omen’ny Tompo anao ao anatin’ireo toe-javatra sarotra atrehinao.

Ny filantsika ny fanampian’ Andriamanitra

Eritrereto ireto rafi-tantara manaraka ireto:

Nahatsapa hoe mila mibebaka sy manova ny fomba fiainany ny fiainany i Luci, saingy toa tsy tena mitondra fiovana ny zavatra rehetra noezahiny novana.

Mahatsiaro ho entanim-panahy hanao ny asa fitoriana i Guillermo, saingy sosotra ny ray aman-dreniny satria mila ny fanampiany amin’ny orinasa kelin’ny fianakaviana izy ireo.

  • Inona avy no fomba sasantsasany azon’ Andriamanitra anampiana an’i Luci na i Guillermo?

  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahan’izy ireo mikatsaka na mamantatra ny fanampiany?

Makà fotoana hisaintsainana sy hanoratana ao amin’ny diary fandalinanao momba ny fomba ahatsapanao filana ny fanampiana na herin’ Andriamanitra indrindra eo amin’ny fiainanao. Inona avy no fomba sasantsasany antenainao fa mety hanampian’ Andriamanitra anao? Rehefa mandalina ny Almà 17 ianao anio, dia mitadiava fomba ahafahanao mahafantatra sy manasa ny herin’ Andriamanitra ho eo amin’ny fiainanao.

Ny zanakalahin’i Môzià

Ny toko 1–16 ao amin’ny Almà dia mitantara zava-niseho tamin’ny fiainan’i Almà nandritra ny 14 taona voalohany tamin’ny fanjakan’ny mpitsara. Ao amin’ny Almà 17–27 isika dia mianatra momba ny dia fitorian’ireo zanakalahin’i Môzià tamin’ny Lamanita nandritra izany vanim-potoana izany ihany. Ny Almà 17 dia manomboka amin’ny Almà sy ny namany, ireo zanakalahin’i Môzià, nihaona voalohany rehefa avy tafasaraka nandritra izany 14 taona izany (jereo ny Almà 17:2–4; 27:16). Ny anaran’ireo zanakalahin’i Môzià dia Amôna, Aharôna, Ômnera ary Himnia.

Vakio ireto andininy manaraka ireto, ka tadiavo ireo antsipiriany manan-danja momba ny asa fitorian’i Amôna, i Aharôna, i Ômnera ary i Himnia.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no manaitra anao momba ireo zanakalahin’i Môzià avy ao amin’ireo andininy ireo?

    • Inona no porofo hitanao amin’ny fanampiana sy herin’ Andriamanitra niasa teo amin’ny fiainan’izy ireo? Hevero ny hanisy marika izany porofo izany ao amin’ny soratra masinao.

I Amôna sy i Lamônia Mpanjaka

Talohan’ny nisarahan’ireo misiônera ireo mba hitory ny filazantsara tamin’ny faritra samy hafa dia nampianatra sy nitso-drano azy ireo i Amôna. Avy eo dia nankany amin’ny tany iray nantsoina hoe Ismaela i Amôna. Rehefa niditra izany tany izany izy dia nosamborina ary nentina teo anoloan’ny mpanjaka izay nantsoina hoe Lamônia (jereo ny Almà 17:17–20).

Vakio ny Almà 17:21–25, hitadiavana ny sosokevitra naroson’i Amôna tamin’i Lamônia Mpanjaka. Azonao atao ihany koa ny mijery ilay horonantsary hoe “Ammon Becomes the Servant of King Lamoni (Lasa mpanompon’i Lamônia Mpanjaka i Amôna)” (3:47), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Ahoana no mety ho nahafahan’ny fitenenan’i Amôna tamin’ny mpanjaka hoe “ho mpanomponao aho” (Almà 17:25) namela an’i Amôna ho misiônera mahomby kokoa?

Nandritra ny fotoana niandrasan’i Amôna sy ny mpanompon’ny mpanjaka hafa ny andian’ondry, dia niatrika toe-java-tsarotra iray izy ireo.

Vakio ny Almà 17:26–39, ary tadiavo ny fihetsika nasetrin’i Amôna io zava-nisy io. Mety ho azonao atao ihany koa ny mijery ny “Ammon Defends the King’s Flocks (Niaro ny andian’ondrin’ny mpanjaka i Amôna)” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 3:10. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fahatokian-tenan’i Amôna tao anatin’io toe-javatra io mifandray amin’ny fampanantenana nomen’ny Tompo ny rain’i Amôna, i Môzià, ao amin’ny Môzià 28:7?

  • Raha teo ianao, inona no mety ho noeritreretinao momba an’i Amôna?

Vakio ny Almà 18:1–3, dia tadiavo ny zavatra nolazain’ireo mpanompo Lamanita tamin’i Lamônia Mpanjaka momba io zavatra niainana io.

  • Ahoana no namaritan’ireo mpanompon’ny mpanjaka an’i Amôna?

Na dia sahirana nilazalaza ny antony nahavitan’i Amôna niaro ny andian’ondrin’ny mpanjaka tamin’ny fomba mahagaga aza ireo mpanompon’ny mpanjaka, dia niaiky izy ireo fa nanana fahefana izay lehibe noho ny azon’ny olona mety maty ananana izy.

Azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Amôna fa manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ny mpanompony izay miezaka hanao ny sitrapony ny Tompo.

Rehefa akaiky ny fiafaran’ny asa fitoriany nandritra ny 14 taona, dia nisaintsaina ny hery sy fahefana nomen’ Andriamanitra azy tamin’ny nandritra ny fotoana nanompoany ny Lamanita i Amôna.

Vakio ny Almà 26:12, ary tadiavo ny zavatra nolazain’i Amôna momba ny loharanon’ny heriny.

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy no ohatra sasantsasany amin’ny toe-java-misy ilantsika ny fanampiana sy herin’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika?

    • Inona avy no fomba sasantsasany mety hitahian’ny Tompo antsika amin’ny fanampiany sy ny heriny?

    • Inona no azonao atao mba hanasana na hahazoana ny fanampiana sy herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?