Seminera
Almà 19: “Ny sandriny dia mitolotra ho an’ny rehetra izay mibebaka sy mino”


“Almà 19: ‘Ny sandriny dia mitolotra ho an’ny rehetra izay mibebaka sy mino,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 19,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 19

“Ny sandriny dia mitolotra ho an’ny rehetra izay mibebaka sy mino”

Sary
zatovo iray mizara ny filazantsara amin’ny namany

Rehefa mieritreritra momba ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa ianao, mahatsapa ve ianao fa misy olona sasantsasany izay tsy azo inoana fa hanaiky ireo fampianaran’ny Mpamonjy mihitsy? Araka ny hevitrao, ahoana no fahitan’ny Ray any An-danitra ireny olona ireny? Avy amin’ny traikefa-misiônera nananan’i Amôna tamin’ny Lamanita, hitantsika fa ny Tompo dia manomana ny fon’ny olona avy amin’ny lafim-piainana rehetra mba handray ny filazantsara. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra fa tia ny olon-drehetra ny Tompo ary maniry azy ireo hanatona Azy.

Hadihadio ny tenanao

Omeo naoty eo amin’ny 1–5 amin’izay eritreretinao ho mety hanasanao ireto olona manaraka ireto hianatra misimisy kokoa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny tenanao.

  1. Olona iray fantatrao izay naneho fahalianana amin’ny Fiangonana

  2. Namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana izay efa manaraka ny fenitry ny filazantsara amin’ny ankapobeny saingy mbola tsy mpikambana

  3. Namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana izay tsy manaraka ny fenitry ny filazantsara

  4. Olona iray fantatrao fa nandà ny fanasana teo aloha avy amin’ny hafa mba hianatra misimisy kokoa momba ny filazantsara

Saintsaino ireo antony namalianao tamin’ny fomba nanaovanao izany.

  • Ahoana no mety ahafahan’ny hevitsika manokana momba ny hafa miantraika amin’ny ezaka ataontsika hizarana ny filazantsara?

Rehefa nanomboka ny asa fitoriana nataon’izy ireo tamin’ny Lamanita ny zanakalahin’i Môzià, dia nihomehy azy ireo ny olona maro ary tsy nieritreritra ny hahitan’izy ireo fahombiazana teo anivon’ny olona ratsy fanahy toy izany (jereo ny Almà 26:23–25). Tena nahita fahombiazana anefa i Amôna sy ireo rahalahiny. Mety ho tadidinao fa rehefa avy nampianatra ny filazantsara tamin’i Lamônia Mpanjaka i Amôna, dia nino ny tenin’i Amôna ny mpanjaka, nivavaka mba hahazo famindram-po ary nianjera tamin’ny tany rehefa resin’ny Fanahy (jereo ny Almà 18:40–43).

Sary
I Lamônia mivavaka

Anio ianao dia hianatra momba ireo zava-niseho tao amin’ny tokantranon’i Lamônia rehefa avy nampianatra ny mpanjaka izy. Rehefa mandalina ianao dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hahatakatra ny fomba ahitan’ny Ray any An-danitra ny zanany, ka tafiditra amin’izany ireo izay mety ho tsy eritreretina hanaiky ny filazantsara.

Nanohy nampianatra ny tokantranon’i Lamônia i Amôna

Rehefa fantatry ny mpanjakavavin’ny Lamanita ny fahafatesan’ny vadiny, dia nampaka an’i Amôna izy mba hahazoany miresaka aminy (jereo ny Almà 19:1–3).

Vakio ny Almà 19:4–17, hitadiavana ny zavatra niainan’ny mpanjakavavy sy ny hafa rehefa avy niresaka tamin’i Amôna izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Ammon Serves and Teaches King Lamoni (Nanompo sy nampianatra an’i Lamônià Mpanjaka i Amôna)” manomboka eo amin’ny mari-potoana 15:18 hatramin’ny 20:06. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona no ianaranao momba ilay mpanjakavavy avy amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no nianaran’i Lamônia momba an’i Jesoa Kristy nandritra ny telo andro teo aloha?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nitondra fifaliana ho an’i Lamônia io fahalalana io?

Rehefa avy namory ny hafa tao an-tranon’ny mpanjaka i Abisa mpanompon’ny mpanjakavavy, dia gaga sy nalahelo izy rehefa nanomboka nifanditra momba ny antony natorian’ny mpanjaka sy ny hafa teo amin’ny tany toy ireny maty ireny ny olona (jereo ny Almà 19:18–28).

Vakio ny Almà 19:29–36, hitadiavana ny zavatra nataon’i Abisa tamin’io fotoana nisian’ny fifandirana io sy ny zava-nitranga tamin’ny Lamanita taorian’izany. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Ammon Serves and Teaches King Lamoni (Nanompo sy nampianatra an’i Lamônià Mpanjaka i Amôna)” manomboka eo amin’ny mari-potoana 20:07 hatramin’ny 23:04. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona no fiantraikan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ireo Lamanita maro izay nisafidy ny hino?

  • Inona no fahamarinana momba ny Tompo nampianarin’i Môrmona tao amin’ny andininy 36 rehefa avy nizara io tantara io izy?

Ny fanirian’ny Tompo ny hanatonan’ny rehetra Azy

Ianarantsika avy amin’ny tenin’i Môrmôna ao amin’ny andininy 36 fa ny sandrin’ny Tompo dia mitolotra amin’ny olona rehetra izay mibebaka sy mino ny anarany. Hevero ny hanisy marika io fahamarinana io ao anatin’ny soratra masinao.

Ao amin’io sahan-kevitra io, ny sandrin’ny Tompo mitolotra dia ahitana ny famindram-pony sy ny fahavononany hamela heloka.

  • Inona avy no zavatra niainana nanampy anao hahita ny fahamarinan’io fitsipika io teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny hafa?

Indraindray dia mety ho diso fijery isika fa ny olona iray dia ho tsy liana amin’ny filazantsara noho ny endriky ivelany na ny zavatra nataony tany amin’ny lasa. Makà fotoana hakana sary an-tsaina ny olona iray ao anatin’io toe-javatra io. Mety ho olona iray manokana fantatrao izany, na mieritrereta fotsiny olona mifanaraka amin’io famaritana io amin’ny ankapobeny.

  1. Valio ao anatina andiam-pehezanteny ahitana fehezanteny telo hatramin’ny dimy ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no fahatsapan’ Andriamanitra momba io olona io?

    • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny fahatsapan’ Andriamanitra momba io olona io miantraika amin’ny fahatsapanao momba azy?