Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 12: Takaro ary ampiharo


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 12: Takaro ary ampiharo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatraa (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 12,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana fifehezana fotopampianarana 12

Takaro ary ampiharo

Sary
I Kristy nampianatra tao amin’ny synagoga

Ity lesona ity dia hanampy anao hamerina hijery sy hampihatra fahatakarana sy fampiharana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nohalalininao.

Mahatakatra andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Alaivo sary an-tsaina hoe ianao dia manana fahafahana hiresaka amin’ny olona iray izay mieritreritra fa tsy mahatakatra ny soratra masina izy sady tsy mahazo antoka hoe te hiezaka hanao izany.

  • Nahoana no manan-danja ny miezaka manakatra ny soratra masina?

  • Raha tokony hanome torohevitra momba ny zavatra azon’ny olona iray atao hampitomboana ny fahatakarany ianao, inona no holazainao?

Ao anatin’ny fomba sasantsasany hampitomboana ny fahatakaranao ny

  • fijerena ny teny tsy azonao;

  • famakiana ny lohatenin’ny toko na ireo andininy eo aloha sy eo aorian’ilay andalan-tsoratra masina halalininao hahalalana ny sahan-kevitra;

  • famakiana ny ireo andalana ampifandraisina eo amin’ny fanamarihana ambanin’ny pejy;

  • fijerena teny manan-danja ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina;

  • fangatahana fanampiana amin’ny ray aman-dreny, mpampianatra, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana;

  • famantarana ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy; sy

  • fisaintsainana ny fomba ahafahan’ny fiainana ireny fahamarinana ireny manampy anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Mifantena andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana roa avy ao amin’ny 1 Nefia hatramin’ny Môzià izay tsapanao fa tianao hofantarina kokoa. Avy eo dia makà minitra vitsy hamakiana tsara azy ireo sy hampiasana ny iray amin’ireo fahaiza-manao voatanisa eo ambony mba hampitomboana ny fahatakaranao. Mety ho azonao atao ny manandrana fahaiza-manao iray na roa izay mbola tsy nandramanao tany aloha.

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny manan-danja

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Zarao ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nosafidinao, ny fahaiza-manao nampiasainao mba hampitomboana fahatakarana, ary ny hevi-baovao rehetra azonao tamin’ny fandalinanao.

Mampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

  1. Misafidiana sahanasa A na B mba hizàrana mampihatra ny iray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nofantenanao.

Sahanasa A. Mamoròna rafi-tantara iray

  1. Eo amin’ny lafiny iray amin’ny taratasy iray, manorata fanontaniana momba ny filazantsara izay azo valiana na toe-javatra miseho iray azo ampiana amin’ny alalan’ny fampiasana io andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io.

  2. Ao ambadika, soraty ilay toko sy andininy fifehezana fotopampianarana, ny andian-teny manan-danja ary ny fanazavana fohifohy ny fomba ahafahan’izany manampy.

Sahanasa B. Manaova rindran-damina ho ana horonantsary iray

Alaivo sary an-tsaina hoe ny tsatokanao dia nifantina ny iray amin’ireo andian-teny manan-danja fifehezana fotopampianarana ho lohahevitra amin’ny fihaonamben’ny zatovo. Nangataka taminao izy ireo mba hanao rindran-damina ho anao horonantsary iray hampahafantarana ilay lohahevitra. Mamoròna srindran-damina ho ana horonantsary izay ahitana

  • ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ilay toko sy andininy,

  • fomba mifono fahaiza-mamorona hanazavana ny hevitr’ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny antony maha-zava-dehibe izany amin’ny zatovo ary

  • ny fomba mety hahafahan’izany mihatra amin’ny fiainantsika sy manampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. (Azonao atao ny mampiditra ohatra iray na tantara avy ao amin’ny soratra masina, fihaonambe maneran-tany, na ny fiainanao manokana.)