Seminera
Môzià 26: “Raha miaiky ny fahotany … izy ary mibebaka”


“Môzià 26: -Raha miaiky ny fahotany … izy ary mibebaka,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 26,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 26

“Raha miaiky ny fahotany … izy ary mibebaka”

Sary
zatovo iray miresaka amin’ny evekany na ny filohan’ny sampana misy azy

Ahoana no ahafahan’ny fibebahana manampy antsika amin’ny fiainantsika isan’andro? Nahoana isika no mila miaiky ny fahotantsika ao anatin’ny fibebahantsika? Amin’ny maha-mpisorona avo azy tao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy, i Almà dia naniry ny hanampy ireo izay nanao fahotana goavana. Nanome azy tari-dalana mazava momba izay tokony hataony ny Tompo. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ny toetra be fitiavana sy mamela heloka ananan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ny antony tokony hibebahantsika amin’ny fahotantsika.

Inona no zavatra hataonao?

Alaivo sary an-tsaina hoe naheno olona milaza ireto fanontaniana sy ahiahy manaraka ireto momba ny fibebahana ianao:

  • Tsy azoko antoka hoe tena ilaina ny mibebaka.

  • Nahoana no tsy maintsy mibaboka ny fahotako aho? Fa maninona no tsy maintsy ibabohana amina mpitarika ao amin’ny fisoronana ny fahotana sasany?

  • Nanota be loatra aho ka tsy hamela ahy ny Tompo.

Eritrereto vetivety raha mahalala olona izay mety hampifandray ny tenany amin’ireo ahiahy ireo ianao.

  • Inona avy no fanontaniana na ahiahy hafa mety hananan’ny olona iray momba ny fibebahana?

Saintsaino hoe fanontaniana na ahiahy iray na roa inona amin’ireo no mety hanan-danja indrindra aminao ny hifantoka aminy rehefa mandalina ity lesona ity ianao. Mikatsaha tari-dàlana avy amin’ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahita valiny sy hampitombo ny fahatakaranao ny fibebahana.

Olana ao amin’ny Fiangonana

Taorian’ny nanafahan’ny Tompo an’i Almà sy ny vahoakany tamin’ny fanandevozana, dia nandeha nikambana tamin’ny Nefita sy ny vahoakan’i Limia tany Zarahemlà izy ireo. Tany no nanendren’i Môzià Mpanjaka an’i Almà ho mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Ny olona sasany teo ambany fitarihan’i Almà dia nanao fahotana goavana ary tsy nibebaka (jereo ny Môzià 26:1–6). Nentina teo anatrehan’i Almà izy ireo saingy sahirana tamin’ny famantarana ny zavatra tokony hataony i Almà.

Vakio ny Môzià 26:13–15, 19–24, 28–31 ary tadiavo ny tari-dalana nomen’ny Tompo an’i Almà.

  • Inona no zavatra nolazain’ny Tompo fa tsy maintsy ataon’ny olona mba horaisiny sy havelany heloka?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 23, dia nahoana ny Mpamonjy no mahafeno fepetra mba hamaritra ny hoe iza no azo avela heloka sy hahazo ny fiainana mandrakizay?

  • Inona ihany koa no nianaranao momba ny Tompo avy amin’ireo andininy ireo?

Raha mibebaka isika

Mety nahita fitsipika toy ireto manaraka ireto ianao: raha miaiky ny fahotantsika isika ka mibebaka amin’ny fahitsian’ny fontsika, dia hamela antsika ny Tompo. Isaky ny mibebaka isika dia hamela ny helotsika ny Tompo.

  • Inona no dikan’ny hoe mibaboka ny fahotantsika?

  • Midika inona araka ny hevitrao ny hoe “[mibebaka] amin’ny fahitsian’ny fo[nao]” (Môzià 26:29)?

  • Ahoana no hanovan’ny fahafantarana ny toetra mamela heloka ananan’ny Tompo ny toe-tsainao manoloana ny fibebahana?

Ireo fitsipika ireo dia afaka manampy amin’ireo fanontaniana sy ahiahy momba ny fibebahana hatrany amin’ny fanombohan’ny lesona.

  1. Mifantena roa amin’ireo ahiahy efatra ary valio ny fanontaniana mifanaraka amin’izany:

Ahiahy A: Tsy azoko antoka hoe tena ilaina ny mibebaka.

  • Inona avy no soratra masina na fitsipika avy ao amin’ny Môzià 26, na soratra masina hafa, azonao zaraina ka mety hanampy amin’io ahiahy io?

Tsarovy fa i Almà tenany dia nanao fahotana goavana tany aloha teo amin’ny fiainany ary nibebaka sy nandray famelan-keloka tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy (jereo ny Môzià 11:5–7; 18:1–3; 26:15, 20).

  • Inona araka ny eritreritrao no azon’i Almà zaraina amin’ny olona iray manana io ahiahy io?

Saintsaino ny zavatra niainanao na ireo olona fantatrao rehefa nitodika tamin’i Jesoa Kristy Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fibebahana ianareo.

Ahiahy B: Nahoana no tsy maintsy mibaboka ny fahotako aho? Fa maninona no tsy maintsy ibabohana amina mpitarika ao amin’ny fisoronana ny fahotana sasany?

Niteny tamin’i Almà ny Tompo fa ireo izay nanota dia mila “miaiky ny fahotany eo anatrehanao [Almà, izay mpitarika azy ireo ao amin’ny fisoronana] sy eo anatrehako [ny Tompo]” (Môzià 26:29).

  • Satria efa fantatry ny Tompo ny fahotantsika, dia nahoana no zava-dehibe ny hiaikena izany eo anatrehany? Ahoana no hitahian’izany ny fiainantsika?

Vakio ireto teny nambara manaraka ireto izay nalaina avy amin’ny kiboky Ho zatovo mahery! sy ny Loholona C. Scott Grow, Fitopololahy Manampahefana Ambony nisaorana am-boninahitra, ary mitadiava hevi-baovao momba ny fotoana sy ny antony tokony hibabohantsika amina eveka na filohan’ny sampana.

[Ny Eveka dia manana zo] hahazo fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ireo mpikambana ao amin’ny paroasiny, ao anatin’izany ianao. … Afaka manome fanampiana anao [izy] mandritra ny dingan’ny fibebahana amin’ny fomba tsy azon’ireo ray aman-dreninao na ireo mpitarika hafa omena anao. …

[Raha tsy mibaboka isika] dia manohy mitondra ny enta-mavesatry ny fahotana irery … fa tsy mamela ny Tompo hanaisotra ilay enta-mavesatra. (C. Scott Grow, “Nahoana aho no mila manao fibabohana any amin’ny evekako ary inona avy ny zavatra ilaiko ibabohana? Liahona, ôkt. 2013, 28–29)

  • Ahoana no ahafahan’io teny nambara io manampy ny olona iray amin’ireo ahiahy momba ny fibabohana amin’ny mpitarika azy ao amin’ny fisoronana?

Ahiahy D: Nanota be loatra aho ka tsy hamela ahy ny Tompo.

Ahiahy E: Ny safidinao

Mieritrereta ahiahy na fanontaniana hafa maneho zavatra tena misy mety hananan’ny olona iray momba ny fibebahana. Halalino ny hoe “Fibebahana” na “Miaiky” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org), hitadiavana fahamarinana izay mety hanampy. Azonao atao ihany koa ny mamerina mijery ny soratra masina mifandray amin’ny “Mibebaka, Fibebahana” na ny “Miaiky” ao amin’ny Torolalalana ho an’ny Soratra Masina (ChurchofJesusChrist.org). Mety hilaina ihany koa ny handalinana ny hoe “fibebahana” ao amin’ny kiboky Ho zatovo mahery! sy hisaintsainana ny zavatra fantatrao momba ny Tompo ka mety hanampy.

Inona no nitranga?

Vakio ny Môzià 26:34–37 hitadiavana ny zavatra nitranga rehefa nanaraka ny toromariky ny Tompo i Almà.

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra mety ho tianao hotadidina na hatao noho ity lesona ity. Mety ho tafiditra ao anatin’io fisaintsainana io ny fomba tianao hitadidina ny fahavononan’ny Tompo hamela heloka sy ny fomba tianao hanaovana ezaka hibaboka sy hibebaka amin’ny fahotanao.