Seminera
Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna: Ilay vato ifaharan’ny fivavahantsika


“Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna: Ilay vato ifaharan’ny fivavahantsika,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Ilay vato ifaharan’ny fivavahantsika

Sary
Zazalahy mamaky soratra masina

Nantsoin’i Joseph Smith hoe vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna. Ao anatin’ny boky dia misy fanasana hanontany an’ Andriamanitra raha marina izany. Olona an-tapitrisany no nanaraka io fanasana io ary nandray vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampitombo ny fanirianao handalina ny Bokin’i Môrmôna isan’andro mba hanamafisana orina ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fahamarinany.

Fitahiana avy amin’ny Bokin’i Môrmôna

  • Iza amin’ireto fitahiana manaraka ireto no tsapanao fa hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainanao isan’andro? Vonona ny hanao inona ianao mba hahazoana azy ireo?

    • fahaizana mihaino kokoa ny feon’ny Fanahy Masina

    • valim-panontaniana sy tari-dalana ho an’ny fiainanao

    • fahaizana manohitra kokoa ny fakam-panahy sy ny ratsy

Sasany amin’ny fitahiana izay afaka ny ho tonga avy amin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna ireo.

Vakio ary hevero ny hanamarika ny teny nambaran’i Joseph Smith ao amin’ny andiam-pehezan-teny 6 ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.

  • Inona no hitanao ho niavaka indrindra tamin’ny teny nataon’i Joseph Smith?

Ilay vato ifaharan’ny fivavahantsika

Sary
Andohalambo
  • Nahoana no tena manan-danja ilay vato eo amin’ny tampony afovoany amin’ny andohalambo (ilay vato ifaharana)? Inona no hitranga amin’ilay andohalambo raha esorina izy io?

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) hoe:

Ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izay vato fehizoron’ny zava-drehetra ataontsika koa. Mijoro ho vavolombelona mazava tsara sy amin-kery momba ny fisiany izany. …

… Vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna. Toy ny firodanan’ny andohalambo rehefa esorina ny vato ifaharana dia ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa no mampijoro na maharava ny Fiangonana. (Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 5, 6)

Ilay vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?

Ireo mpanoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nijoro ho vavolombelona tsy tapaka momba an’i Jesoa Kristy. . .

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ity manaraka ity ary valio ireo fanontaniana etsy ambany:

Misafidiana pejy ao amin’ny Bokin’i Mormôna ary tadiavo izay zavatra rehetra manondro ny Mpamonjy ao amin’izany pejy izany.

  • Inona no hitanao momba ny Mpamonjy?

  • Inona no anampian’ny andinin-tsoratra masina hitanao anao hahatakatra na hahatsapa momba ny Mpamonjy?

Eritrereto hoe ahoana no hitahiana anao amin’ny alalan’ny fananana fijoroana ho vavolombelona mafy orina kokoa momba an’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao, dia mitadiava zavatra manondro an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra nianaranao momba Azy. Rehefa manao izany ianao dia hitombo ny fahalalanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy.

Ilay vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona

  • Iza amin’ireto fanambarana manaraka ireto no mamaritra indrindra ny fahatsapanao momba ny Bokin’i Môrmôna?

    • Matoky ny hafa izay nahazo ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo manokana ary nanome toky ahy fa marina ny Bokin’i Môrmôna aho.

    • Tsy azoko antoka hoe fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

    • Nahazo fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina aho fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

  • Nahoana no heverinao fa mety tian’ny Ray any An-danitra hahalala ianao fa marina ny Bokin’i Môrmôna?

Vakio ilay andiam-pehezan-teny faharoa amin’ny farany ao amin’ny teny fanolorana, eo ihany koa ny Môrônia 10:3–5, ka jereo izay zavatra azonao atao hamantarana raha marina ny Bokin’i Môrmôna.

  • Araka ny novakinao, inona no ilaina ataon’ny olona iray mba hahafantarana raha marina ny Bokin’i Môrmôna?

Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny fomba nitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna nananany tao anatin’ny fotoana nanatrehany seminera. Azonao jerena ny “Ny Fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 12:03 hatramin’ny 14:12.

Vakio ny andiam-pehezan-teny farany ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna hitadiavana izay fahalalana hafa miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna.

  • Ahoana no ahafahan’ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna miantraika amin’ny fiainanao?

Halalino isan’andro ny Bokin’i Môrmôna

Nanao fampanantenana ho antsika ny Filoha Russell M. Nelson raha mandalina ny Bokin’i Môrmôna isan’andro isika. Jereo ity fanambarana manaraka ity na jereo ny horonan-tsary “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org manomboka eo amin’ny mari-potoana 11:52 hatramin’ny 13:05.

Mampanantena anareo aho fa rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianareo, isan’andro. Mampanantena aho fa rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo. Mampanantena aho fa rehefa mandalina lalina ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia ho voaro amin’ireo zavatra ratsy amin’izao vaninandro izao, eny na dia ny aretina mamikitry ny pôrnôgrafia sy ireo fiankinan-doha hafa mahadonto ny saina mihitsy aza.

Isaky ny maheno olona, ka tafiditra amin’izany ny tenako, milaza hoe “Fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna,” aho dia te hihiaka mafy hoe, “Tsara be izany, kanefa tsy ampy!” Mila mahatsapa lalina, hatrany amin’ny “aty fo indrindra” isika [Almà 13:27] fa tsy azo iadian-kevitra ny maha tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. Tsy maintsy mahatsapa izany lalina tokoa isika hany ka tsy tiantsika hisy na dia andro iray aza tsy amakiana azy. (Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Ensign na Liahona, nôv. 2017, 62–63)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no manaitra anao amin’io teny nambara io?

    • Ahoana ny fahatsapanao momba ny fanasana hamaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro?

Raha mbola tsy nanao izany ianao dia manaova drafitra mba hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana isan’andro ny Bokin’i Môrmôna. Ohatra, azonao atao ny mamaritra hoe firy minitra isan’andro no handalinanao izany. Afaka manao drafitra momba ny fomba ahafahanao mifantoka amin’ny zavatra ampianarin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny Mpamonjy ianao. Eritrereto izay mety ho sakana rehetra mety mila resenao sy ny zavatra hataonao mba handresena azy ireny.