Seminera
Ny fijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna: “Nadika … araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra”


“Ny fijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna: ‘Nadika … tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’Andriamanitra,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Ny fijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Ny fijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna

“Nadika … araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra”

Sary
I Joseph Smith

© 1998 David Lindsley

Ahoana no fomba nahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna? Ahoana no fomba nandikan’i Joseph Smith izany avy amina teny tsy fantatra ho amin’ny teny anglisy? Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra kokoa ny fomba nahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna “araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3).

Ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Avereno jerena ireto sary manaraka izay maneho tranga nandritra ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna ireto. Alamino amina filaharana ara-banim-potoana marina nisehoan’ny tranga izy ireo. Rehefa mijery ireo sary ireo ianao, dia alaovy sary an-tsaina ny zavatra mety tsapan’i Joseph Smith tamin’ny tsirairay tamin’ireo fotoana ireo.

    Any amin’ny faran’ity lesona ity no ahitana ireo valiny marina.

“Tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra”

Mieritrereta olona iray fantatrao izay mety ho afaka hahazo tombony amin’ny fahalalana misimisy kokoa ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna. Mety ho olona iray tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonana na angamba mpikambana ao amin’ny Fiangonana izay miady mafy amin’ny finoany. Soraty fohifohy ao amin’ny diary fandalinanao ny toe-java-misy azy ireo ary fantaro hoe nahoana no hahazoan’izy ireo tombony ny fahalalana misimisy kokoa ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna.

Rehefa mandalina ianao dia mitadiava porofon’ny fahamarinana hoe namoaka ny Bokin’i Môrmôna araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra i Joseph Smith (jereo ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3).

Nanoratra momba ny zavatra niainany nandritra ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith.

Vakio ny “Ny fanambaran’ny Mpaminany Joseph Smith” ao amin’ny pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna. Mariho ny fahatakarana na antsipiriany izay mety hozarainao amin’ny olona vao avy noeritreretinao. Raha afaka miditra amina soratra masina nomerika ianao, dia azonao atao ny mihaino ny lahatsoratra sy manaraka ao amin’ny soratra masinao.

  • Inona avy no fanambarana hitanao milaza fa navoaka tamin’ny alalan’ ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna?

  • Nahoana araka ny hevitrao no i Joseph Smith no nofidina handika ny Bokin’i Môrmôna fa tsy olona manam-pahaizana niavaka tamin’io vanim-potoana io?

  • Inona no zavatra nianaranao momba ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna ka hozarainao amin’ilay olona noeritreretinao?

Antsipiriany ara-tantara

Rehefa avy nandray ireo takelaka i Joseph Smith, dia nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra. “Indraindray i Joseph Smith dia nandika tamin’ny alalan’ny fijerena ny mpandika teny [Orima sy Tomima] sy ny famakiana tamin’ny teny anglisy ireo endritsoratra teo amin’ny takelaka. Matetika izy no nahita vato mpahita tokana mba hahamety kokoa izany. Nataony tao anatin’ny satrony ilay vato mpahita, nataony tao amin’ny satroka ny tavany mba hanakanana ny hazavana ary nibanjina ilay vato izy. Ny hazavana avy amin’ilay vato dia namiratra tao amin’ilay haizina, nanambara teny izay notononin’i Joseph Smith” (Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, bok. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 [2018], 61). Mba hahalalana misimisy kokoa momba ilay vato mpahita sy ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, dia jereo ny Gospel Topics Essay “Book of Mormon Translation.”

Raha misy dia jereo ny “Days of Harmony” manomboka amin’ny mari-potoana 5:44 hatramin’ny 9:24, izay azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity. Azonao atao ihany koa ny mijery ny horonan-tsary “Opposition in All Things [Fifanoherana amin’ny zava-drehetra]” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org manomboka amin’ny mari-potoana 8:18 hatramin’ny 9:24.

Rehefa nahavita ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith dia mbola tsy maintsy nitady mpiantoka boky izy. Tsy mora izany. Nampiahiahy ny fahasarotan’io rakitsoratra lava io sy ny vidin’ny fanaovana printy ary ny fanakambanana ireo tahadika an’arivony maro. Nanatona an’i E. B. Grandin, mpanao printy iray tao Palmyra, aloha i Joseph tamin’ny voalohany ary nolaviny. Avy eo izy dia nitady mpanao printy iray hafa tao Palmyra, izay nandà azy ihany koa. Nandeha tany Rochester izy, 40 km miala eo, ka niresaka tamin’ireo mpiantoka boky malaza indrindra tao New York andrefana, izay mbola nandà azy ihany koa. Nisy mpiantoka boky iray hafa vonona tao Rochester saingy noho ny toe-javatra samihafa dia tsy azo natao izany.

Herinandro maro no lasa, ary tsy maintsy efa very hevitra i Joseph Smith amin’ny fanoherana misy amin’ny fanatanterahana ny andraikitra nampanaovin’ Andriamanitra azy. Tsy nataon’ny Tompo ho mora izany, saingy nataony ho azo tanterahina. Ny andrana fahadimy sy ny firesahana faharoa tamin’i Grandin, mpiantoka boky iray tao Palmyra, vao nahomby. (Dallin H. Oaks, “Fifanoherana amin’ny zava-drehetra,” Ensign na Liahona, mey 2016, 116)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no niantraikàn’ireo antsipiriany ara-tantara ireo tamin’ny fahatsapanao manokana momba ny Bokin’i Môrmôna?

    • Inona no ampianarin’ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Manazava ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Fenoy ity manaraka ity:

    Mieritrereta olona iray vao avy noeritreretinao izay afaka hahazo tombony amin’ny fahalalana misimisy kokoa ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna. Manorata famintinana fohy ho azy. Ampidiro ny antsipiriany izay afaka manampy amin’ny famaliana ny fanontaniana mety hananany. Zarao ny zavatra ampianarin’ireo tranga ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hevero ny hampiditra ny fijoroanao ho vavolombelona manokana momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny fomba nandikana izany tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra.

Ny filaharana marin’ny sary eo am-panombohana dia E, D, B, A, F.