2011
Nahatanteraka Ilay Fampanantenana Ara-paminaniana ny Fonds Perpétuels d’Études
Mey 2011


Nahatanteraka Ilay Fampanantenana Ara-paminaniana ny Fonds Perpétuels d’Études

Folo taona lasa izay ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia namelabelatra olana iray—ny tsy fahafahan’ireo mîsiônera maro avy nanao asa fitoriana sy ireo tanora mendrika hafa any amin’ny faritra an-dalam-pandrosoana miala amin’ny fahantrana—ary nanome vahaolana izy: ny Fonds Perpétuels d’Études. Noho ny maha-petra-bola mihodinkodina azy izay mampiasa ny fanomezana avy amin’ny mpikambana sy ny naman’ny Fiangonana, ny Fonds Perpétuels d’Études dia mampindram-bola ny tanora hianarana ary manantena fa hiomana hahazo asa mahavelona izy ireo eo amin’ny fiaraha-moniny ary mamerina izany vola izany izy ireo mba hahafahan’ny hafa mahazo izany tombontsoa izany. Nilaza izy fa hiantehitra amin’ny mpanao asa an-tsitrapo sy ireo loharano misy eo an-tanana ny Fiangonana mba hahombiazana.

Nitranga ireo Fahagagana

Rehefa nankeo amin’ny polpitra ny Filoha Hinckley tamin’ny 31 Marsa 2001 ary namelabelatra ilay fahitany momba ny Fonds Perpétuels d’Études teo anoloan’ny fisoronan’ny Fiangonana, dia nazava be tamin’ny olona maro fa nahazo fitarihana ny mpaminanin’ny Tompo.

Ny mety hisian’ny tsy fahombiazana dia toy ny nampitahotra ihany rehefa norotorotoan’ireo mpitarika vao avy notendrena mba hatomboka tamin’ny fotoan’ny fararano 2001 ny fanombohana ny fanomezana fampindramam-bola araka ny efa napetraky ny Filoha Hinckley. Ankoatr’ilay drafitra manentana fanahy napetraky ny mpaminany anefa dia tsy nisy ny drafitra hitantanan-draharaha na ny antsipirian’ilay volavolan-kevitra. Ilay fandaharan’asa dia naorina tamin’ny alalan’ny fampiasana ny lahatsoratry ny lahatenin’ny Filoha Hinckley ho toy ny fitsipika fototra iorenany. Fangatahana findramam-bola an-jatony maro no nitobaka tany amin’ny foiben’ny Fiangonana raha mbola vao teo am-piantsoana izay ho mpitantana izany sy raha mbola vao teo am-pametrahana ny lamina fototr’ilay fandaharan’asa.

Saingy efa niseho sahady ireo fahagagana. Tao anatin’ny taona voalohany dia vola dolara an-tapitrisany maro no natolotra maimaim-poana ho an’ilay fandaharan’asa. Olona maro no tonga dia afaka nanompo ho toy ny mpitantana an-tsitrapo satria ny traikefan’izy ireo dia nifanaraka manokana tamin’ny asa atao tao amin’ny Fonds Perpétuels d’Études. Ny rafitra fototra ilaina mba hanohanana ny Fonds Perpétuels d’Études iray manontolo dia efa napetraka amin’ny endriny hoe fandaharan’asan’ny institiota fianarana ny filazantsara ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana sy ny Foiben’ny Fiangonana Misahana ny Fanampiana amin’ny Asa. Mora azo haingana daholo izay nilaina rehetra, izay nanome an’ilay fandaharan’asa ilay zavatra notaterin’ny Filoha Hinckley tamin’ny Aprily 2002 dia tsy inona fa “fototra mafy orina.”1

Hoy i Rex Allen, izay mpitantana an-tsitrapo ny fanofanana sy ny fifandraisana ao amin’ny PEF amin’izao fotoana izao hoe: “Taloha ela be tany dia naninjitra ny tehiny teo amin’ny ranomasina mena i Mosesy ary nizara roa ny rano. Nampiseho ilay finoana tamin’izany toe-javatra izany koa ny Filoha Hinckley rehefa nanatanteraka ny anjara asany amin’ny maha-mpaminany azy izy mba hiatrehana ny fahantrana ary nampiditra ny Fonds Perpétuels d’Études.”

Nohamafisin’ny Filoha Hinckley matetika hoe: “Fahagagana izany.”

Folo taona taty aoriana anefa dia mety vao manomboka fotsiny ihany ireo fahagagana tena lehibe.

Tanteraka ireo Fampanantenana

Tao anatin’ny fanambarana nataony momba ny Fonds Perpétuels d’Études sy tao anatin’ireo lahateniny taty aoriana dia nampanantena fitahiana maro izay hirotsaka avy amin’ny Fonds Perpétuels d’Études ny Filoha Hinckley. Nihahaingana hatrany ny fahatanterahan’ny tsirairay tamin’izany rehefa lasa betsaka ireo mpandray anjara izay nahazo mari-pahaizana tamin’ny alalan’ny Fonds Perpétuels d’Études ary namerina ny volana nindraminy.

Zavatra mahasoa sy Asa

“Ireo [mpandray anjara] dia hanana fahafahana hahazo fahalalana tsara izay hanafaka azy ireo amin’ny vesatry ny fahantrana,” hoy ny Filoha Hinckley.2

Tamin’ny Febroary 2011 dia ny 90 isan-jato latsaka kelin’ireo izay nitady asa taorian’ny fahavitan’ny fianarany dia nahita asa. Teo amin’ny 78 isan-jaton’ireo izay miasa ankehitriny no milaza fa ny asan’izy ireo amin’izao fotoana izao dia fanatsarana an’izay nananan’izy ireo talohan’ny nahazoany fanofanana. Ny salan’ny karama taorian’ny fianarana ho an’ireo nandray anjara tamin’ny Fonds Perpétuels d’Études dia in-telo na in’efatry ny karamany talohan’ny nianarany, izay mampiseho fivoarana lehibe eo amin’ny lafiny ara-toekarena.

Fianakaviana sy Fiaraha-monina

Nanambara ny Filoha Hinckley hoe: “Hanambady izy ireo ary handroso hatrany miaraka amin’ireo fahaiza-manao izay hahafahan’izy ireo hahazo karama tsara sy hanana ny toerany eo amin’ny fiaraha-monina izay ahafahan’izy ireo mitondra anjara biriky lehibe.”3 Vao ny iray ampahatelony mahery amin’ireo mandray anjara amin’ny Fonds Perpétuels d’Études amin’izao fotoana izao no manambady ankehitriny.

Hoy ny Loholona John K. Carmack, izay mpitantana mpanatanteraky ny Fonds Perpétuels d’Études hoe: “Ny iray amin’ireo vokany tena mandrisika avy amin’ny Fonds Perpétuels d’Études hatramin’izao dia ny fahitanay fa lasa manana fanantenana bebe kokoa ny tanora. Izany fanantenana izany dia manome azy ireo ny faharisihana hanambady sy handroso hatrany eo amin’ny fiainany.”

Rehefa manao izany izy ireo dia miandrandra hoavy mamiratra kokoa ny fianakavian’izy ireo izay eo andalam-pitomboana.

Fiangonana sy Fitarihana

“Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana mahatoky azy ireo dia handoa ny fahafolonkarenany sy ireo fanomezany izy ireo ary hatanjaka be kokoa ny Fiangonana noho ny fisian’izy ireo any amin’ireo faritra ipetrahany,” hoy ny Filoha Hinckley.4

Any amin’ireo faritra sasany izay efa nisian’ny Fonds Perpétuels d’Études nandritra ny taona maro, dia eo amin’ny 10 ka hatramin’ny 15 isan-jato eo ny habetsaky ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao izay mpandray anjara amin’ny Fonds Perpétuels d’Études.

“Ireo mpandray anjara dia namporisika ireo tanora hafa mba handray anjara amin’ilay fampindramam-bolan’ny Fonds Perpétuels d’Études ary hiala amin’ny fahantrana,” hoy i Rex Allen. “10 taona aty aoriana dia hitanay ny fivelaran’ilay faribolan’ny fanantenana rehefa mizara ilay fitahiana amin’ny hafa ireo izay voatahy.”

Ny Fiantraikany teo amin’ny Fiainan’olona Maro

Nampanantena ny Filoha Hinckley hoe: “[Ny Fonds Perpétuels d’Études] dia ho lasa fitahiana ho an’ireo izay voakasik’izany ny fiainany—ho an’ny zatovolahy sy zavotovavy, ho an’ny fianakavian’izy ireo hoavy, ho an’ny Fiangonana izay ho voatahy noho ireo mpitarika azy ireo eo an-toerana izay matanjaka.”5

Mihoatra ny 47.000 ny olona nandray anjara tamin’ny Fonds Perpétuels d’Études hatramin’ny 2001. Tsy isaina amin’izany ireo olona ao amin’ny fianakaviana ankoatry ny ray aman-dreny sy zanaka izay mahazo fanohanana sy mahazo fanentanam-panahy amin’ny alalan’ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay mandray anjara amin’ny Fonds Perpétuels d’Études, ireo paroasy sy sampana izay mahazo tombontsoa avy amin’ny mpikambana izay manana ny fahaiza-manao lehibe kokoa hanompo sy hitondra anjara biriky ary ny toekarena eo an-toerana izay mila mpiasa mahay mba hivoarana.

“Alaivo sary an-tsaina ny fiantraikany rehefa mandinika ireo olona rehetra voakasik’izany ianao,” hoy Rahalahy Allen. “Izany dia mivelatra hatrany amin’ireo izay nanolotra fanomezana tao amin’ny Fonds Perpétuels d’Études—ireo mpanome, ny fianakaviany, ny paroasiny sy ny sampany—dia voatahy daholo noho ny anjara biriky nentin’izy ireo.”

“Takatry ny ankamaroan’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fahafahana manome zavatra tsy tapaka ao amin’izany petra-bola izany sy any amin’ireo asa manan-danja hafa,” hoy ny Loholona Carmack. “Ny fanasan’ny Filoha Hinckley dia manampy an’ireo izay mitondra anjara biriky ao amin’ny Fonds Perpétuels d’Études ary koa ireo izay [mampiasa izany] hampivoatra ny tenany mba hanakaiky kokoa ny Mpamonjy antsika.”

Fivoarana Mitohy

Ilay fahitana ara-paminanian’ny Filoha Hinckley momba ny Fonds Perpétuels d’Études dia tanteraka noho ny fitohizan’ny fielezan’ny herin’izany fandaharan’asa manentana ny fanahy izany manerana an’izao tontolo izao ary hitohy hitombo be dia be kokoa noho ny hatramin’izay aza izany noho ny fitohizan’ny fanolorana fanomezana ary ny famerenana ny vola nindramina izay mamela taranaka vaovao na mpandray anjara hampivoatra ny tenany sy ny toe-javatra iainany.

Ho fampahalalana bebe kokoa momba ny Fonds Perpétuels d’Études dia tsidiho azafady ny pef.lds.org.

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, “The Church Goes Forward,” Liahona, Jolay 2002, 4; Ensign, Mey 2002, 6.

  2. Gordon B. Hinckley, Liahona, Jolay 2002, 4; Ensign, Mey 2002, 6.

  3. Gordon B. Hinckley, Liahona, Jolay 2002, 4; Ensign, Mey 2002, 6.

  4. Gordon B. Hinckley, “Le Fond Perpétuel d’Etude,” Liahona, Jolay 2001, 62; Ensign, Mey 2001, 52.

  5. Gordon B. Hinckley, Liahona, Jolay 2001, 62; Ensign, Mey 2001, 52.

Ny Fonds Perpétuels d’Études izay nanomboka 10 taona lasa izay dia nanampy mpandray anjara mihoatra ny 47.000.

Sary nalain’i Brian Wilcox