2011
Teny Manentana ny Fanahy mikasika ilay Asa Manentana ny Fanahy: Inona no Nolazain’ireo Mpandahateny momba ny Fifanampiana
Mey 2011


Teny Manentana ny Fanahy mikasika ilay Asa Manentana ny Fanahy: Inona no Nolazain’ireo Mpandahateny momba ny Fifanampiana

Lahateny maro nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana fanao isan-taona faha-181 no niompana tamin’ny fahatsiarovana ny nitsanganan’ny fandaharan’asan’ny fifanampiana an’ny Fiangonana, izay mankalaza ny faha-75 taonany ankehitriny.

Etsy ambany etsy ny sombiny tamin’ny lahatenin’ireo mpandahateny izay nifantoka tamin’ny fandaharan’asan’ny fifanampiana sy ny fitsipiky ny fifanampiana napetraky ny Tompo mba hanampiana ny zanany hanampy ny tenany.

Filoha Thomas S. Monson

Manambara aho fa ny fandaharan’asan’ny Fifanampiana an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia avy amin’ny fitaomam-panahin’Ilay Andriamanitra Tsitoha. (Jereo ny “Ny Tempoly Masina—Fanilo ho an’izao tontolo izao,” pejy 90.)

Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany

Tonga indray ny fotoana ilana fanampiana goavana ara-nofo ho an’ireo zanaky ny Raintsika any an-danitra amin’izao androntsika izao toy ny tamin’ny andro taloha sy amin’ny fotoana hoavy rehetra. Ireo fitsipika fototry ny Fandaharan’asan’ny Fifanampiana an’ny Fiangonana dia tsy natokana ho an’ny fotoana indray mandeha fotsiny na amin’ny toerana iray monja. Ho an’ny fotoana rehetra sy ny toerana rehetra izany.”

“Nanasa sy nandidy antsika [ny Tompo] mba handray anjara amin’ny Asany mba hampitraka ireo izay mila fanampiana. Manao fanekempihavanana hanao izany isika ao amin’ny ranon’ny batisa sy any amin’ny tempoly masin’Andriamanitra. Manavao izany fanekempihavanana izany isika isaky ny Alahady rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.” (Jereo ny “Fahafahana Hanao Zava-tsoa,” pejy 22.)

Loholona H. David Burton, Eveka Mpiahy

“Tsy ambinambin-javatra mahaliana kely fotsiny eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izany drafitry ny fifanampiana izay azo avy amin’ny faminaniana izany. Ireo fitsipika izay iorenany dia mamaritra ny tena maha-izy azy antsika. Izany dia toetra fototra ao anatin’ny anjara asantsika amin’ny maha-mpanara-dia antsika tsirairay ny Mpamonjy sy Ilay ohatra ho antsika dia i Jesoa ilay Kristy.”

“Ity asa masina ity dia tsy hitondra soa sy hitahy fotsiny ireo mijaly na mila fanampiana. Amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra antsika dia tsy afaka ny handova amin’ny endriny feno ny fiainana mandrakizay isika raha tsy mirotsaka tanteraka amin’ny fikarakarana ny hafa mandritra ny fiainantsika ety an-tany. Amin’ny alalan’ny fampiharana an-tsitrapo ny fahafoizan-tena sy ny fanolorana izay ananantsika ho an’ny hafa no ianarantsika ireo fitsipika selestialin’ny fahafoizan-tena sy fanokanana.”

“Ity no asa masina izay andrasan’ny Mpamonjy mba ho ataon’ny Mpianany. Izany no asa tiany fony Izy nandia ny tany. Izany no asa izay fantatro fa ho nataony raha toa ka teto anivontsika Izy ankehitriny.” (Jereo ny “Ny Asa Masin’ny Fifanampiana,” pejy 81.)

Silvia H. Allred, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Maneran-tany

“Ankehitriny, ny lehilahy sy ny vehivavin’ny Fiangonana dia miaraka mandray anjara amin’ny fitondrana fanampiana ho an’ireo izay sahirana. … Rehefa tonga ho fitsipika mitarika antsika ny fitiavana ao anatin’ny fikarakarantsika ny hafa dia lasa ohatra velona amin’ny fiainana ny filazantsara ny fanompoantsika azy ireo. Izany no filazantsara amin’ny endriny tsara indrindra. Fivavahana madio izany.” (Jereo ny “Ny Toetry ny Maha-Mpanara-dia,” pejy 84.)