2011
Loholona W. Christopher Waddell
Mey 2011


Loholona W. Christopher Waddell

Ao amin’ny Fitopololahy

Sary
Elder W. Christopher Waddell

Ny fitsipika tsy voasoratra iray izay nitarika foana ny fianakavian’ny Loholona Wayne Christopher Waddell dia ny hoe: “Matokia ny Tompo.”

“Rehefa matoky ny Tompo ianao dia tsy mila miahiahy ny amin’ireo fiovana goavana,” hoy ny Loholona Waddell eo anatrehan’ireo kitoantoana tsy ampoizina miseho eo amin’ny fiainana. “Fantatsika fa izay tena mahasoa antsika indrindra no imasoany ary ho voatahy isika.”

Ny Loholona Waddell dia teraka tamin’ny Jiona 1959 tany Manhattan Beach, Californie, Etazonia ary zanakalahin’i Wayne sy Joann Waddell. Nahazo ny mari-pahaizana licence momba ny tantara avy tao amin’ny oniversiten’i San Diego State izy izay toerana nilalaovany volleyball koa. Izy koa dia nitana toerana maro tao anatin’ny orinasa iray misahana ny petrakarena ampiasaina rehetra.

Ny Loholona Waddell dia nanambady an’i Carol Stansel tamin’ny 7 Jiona 1984 tany amin’ny Tempolin’i Los Angeles Californie. Manan-janaka efatra izy ireo. Ny firaisan-kina dia tena zava-dehibe ao amin’ny fianakaviana Waddell. Mihevitra izy ireo fa izany firaisan-kina izany dia vokatry ny fiezahana ny hanaraka ny filazantsaran’ny Mpamonjy ao an-tokantranony. Nanan-danja koa ireo fiaraha-mientan’ny fianakaviana—fanokanana fotoana niarahana teny amoron-dranomasina teny akaikin’ny tranon’izy ireo ary fiarahan’ny fianakaviana mijery lalao ara-panatanjahantena.

Talohan’ny niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy, ny Loholona Waddell dia efa misiônera tany Espagne, eveka, mpanolotsaina avo, mpanolotsain’ny filohan’ny misiôna, filohan’ny tsatòka, filohan’ny Misiônan’i Espagne Barcelone ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.

Rehefa niresaka momba ny fiomanana amin’ilay antsony vaovao ny Loholona Waddell dia niresaka momba ny tempoly.

“Inona no zavatra nanomana anay amin’izany? Tamin’izay nandeha tany amin’ny tempoly voalohany indrindra ary nanao fanekempihavanana dia nanome toky izahay fa ho vonona ny hanao izay zavatra angatahan’ny Tompo mba hataonay na dia manahirana aza izany,” hoy izy. “Ny fandehanana any amin’ny tempoly, ny fanaovana asa fitoriana, ny fanaovana fanekempihavanana ary avy eo mahita ny tanany sy ny fomba hitantanany ny asany—izany rehetra izany no ilainao. Tsy hoe misy zavatra miavaka ataonay. Mitandrina ny fanekempihavanana nataonay izahay toy ny olon-kafa rehetra.”