2011
Loholona Carl B. Cook
Mey 2011


Loholona Carl B. Cook

Ao amin’ny Fitopololahy

Sary
Elder Carl B. Cook

Fony izy tanora misiônera tao amin’ny Toeram-pampianarana Fiteny ho an’ny Asa fitoriana (izay nodimbiasin’ny Foibe Fanofanana ny Misiônera) mba hiomana ny handeha ho any Hamburg, Alemana, dia sahirana i Carl Bert Cook tamin’ny fianarana teny Alema. Raha mbola teo am-piezahana nanakatra ny dikan’ireo voambolana fototra izy dia efa niroso haingana nankany amin’ny zavatra sarotra kokoa sahady ireo olona tao amin’ny distrikany.

Nikorontan-tsaina izy noho ny tsy fisian’ny fivoarany, ka dia nangataka fanampiana avy amin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny tsodranon’ny fisoronana sy ny vavaka. Taorian’ny vavaka iray manokana avy amin’ny fo dia nahatsiaro ho nahazo valim-bavaka manokana ny Loholona Cook: tsy niantso azy mba hahafehy ny teny Alema ny Tompo fa kosa niantso azy mba hanompo amin’ny fony, ny heriny, ny sainy ary ny tanjany rehetra.

“Tonga dia nieritreritra aho hoe: ‘vitako izany,’” hoy ny Loholona Cook izay voantso vao haingana ho mpikambana ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy. “‘Afaka manompo amin’ny fo, ny saina ary ny tanjako rehetra aho.’ Nitsangana aho ary nahatsapa fahamaivanana. Tampoka teo dia niova ny fandrefesako ny fahombiazako, izay tsy tamin’ny alalan’ny fijerena ny fahaizan’ny mpiara-mitory tamiko sy ireo olona tao amin’ny distrikako intsony fa tamin’ny alalan’ny zavatra tsapan’ny Tompo momba ny zavatra nataoko.”

Na dia nilaza aza ny Loholona Cook hoe tsy tonga dia nahay haingana kokoa ilay fiteny izy taorian’izany zavatra niainany izany, dia tsy nahatsapa intsony ilay ahiahiny teo aloha izy satria fantany fa nanao izay tian’ny Tompo hataony izy. Izany lesona izany hoy izy, dia tena nanan-danja tao anatin’ireo antso rehetra izay nananany hatramin’izay, toy ny eveka, mpanolotsain’ny fiadidian’ny tsatòka, filohan’ny tsatòka, filohan’ny Misiônan’i Nouvelle Zélande Auckland, Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ary ilay antso iandraiketany ankehitriny.

Ny Loholona Cook dia nahazo mari-pahaizana licence momba ny haivarotra ao anatin’ny fandraharahana avy amin’ny Oniversiten’i Weber State ary mari-pahaizana maîtrise momba ny fitantanan-draharaha avy amin’ny Oniversiten’i Utah State. Izy dia niompana tanteraka teo amin’ny asa fampivelarana ny fivarotana tany sy trano.

Ny Loholona Cook dia teraka tao Ogden, Utah, Etazonia, tamin’ny Ôktôbra 1957 ary naterak’i Ramona Cook Barker sy Bert E. Cook izay efa nodimandry. Nanambady an’i Lynette Hansen tamin’ny 14 Desambra 1979 izy tao amin’ny Tempolin’i Ogden Utah. Manan-janaka dimy izy ireo.