2010–2019
Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika

Ataovy tena manan-danja eo amin’ny fiainanao ny fifantohanao amin’ny fibebahana isan’andro mba hahafahanao mampiasa ny fisoronana amin’ny hery lehibe kokoa noho ny teo aloha.

Ry rahalahy malalako, manentana ny fanahy ny mijery ity tafiky ny mpihazona ny fisoronana an’ny Tompo ity, izay maro dia maro manatrika etoana. Tena hery lehibe ho amin’ny tsara ianareo! Tianay ianareo. Mivavaka ho anareo izahay. Ary tena mankasitraka anareo izahay.

Vao tsy ela izay no voasarik’ilay torolalan’ny Tompo nomena tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny saiko: “Aza milaza na inona na inona afa-tsy fibebahana amin’ity taranaka ity.”1 Miverimberina matetika ao anatin’ny soratra masina izany fanambarana izany.2 Miteraka an’ity fanontaniana ity, izay azo antoka fa hisy hametraka izany: “Moa ve mila mibebaka ny olona tsirairay ?” Ny valiny dia eny.

Maro loatra ireo olona mihevitra ny fibebahana ho toy ny fanasaziana, zavatra iray izay tokony hosorohina afa-tsy ao anatin’ireo toe-javatra faran’izay ratsy. Saingy i Satana no mamorona izany fahatsapana ho voasazy izany. Izy dia miezaka ny manakana antsika tsy hibanjina an’i Jesoa Kristy,3 izay mijoro mamelatra ny sandriny,4 manantena sy vonona ny hanasitrana, hamela, hanadio, hampatanjaka ary hanamasina antsika.

Ny dikan’ny hoe fibebahana ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ny teny Grika dia metanoeo. Ilay tovona meta- dia midika hoe “fiovana.” Ilay tovana -noeo dia misy ifandraisany amin’ireo teny Grika izay midika hoe “saina,” “fahalalana,” “fanahy,” ary “fiaina.”5

Noho izany, rehefa mangataka ahy sy ianao i Jesoa mba “hibebaka,”6 dia manasa antsika Izy mba hanova ny saintsika, ny fahalalantsika, ny fanahintsika, eny, fa na dia ny fomba fiaina aza. Mangataka antsika Izy mba hanova ny fomba fanehoantsika fitiavana, ny fomba fanompoantsika, ny fomba fandaniantsika ny fotoantsika, ny fomba fitondrantsika ny vadintsika, ny fomba fampianarantsika ny zanatsika, eny fa na dia ny fomba fikarakarantsika ny vatantsika aza.

Tsy misy zavatra manafaka kokoa sy maha-olom-banona kokoa na lehibe kokoa eo amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana noho ny fibebahana tsy tapaka sy ny fifantohana amin’izany isan’andro. Ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahina. Fanalahidin’ny fahasambarana sy fiadanan-tsaina izany. Rehefa ampiarahina amin’ny finoana ny fibebahana dia manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.7

Na mandroso amim-pahavitrihana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ianao, na solafaka teny amin’ny lalan’ny fanekempihavanana na tafavoaka an’izany, na tsy afaka mahita akory ilay lalan’ny fanekempihavanana avy any amin’izay misy anao amin’izao fotoana izao, dia miangavy anao aho mba hibebaka. Iaino ilay hery mampatanjaka avy amin’ny fibebahana isan’andro, ka hanao sy ho lasa tsaratsara kely kokoa isan’andro.

Rehefa misafidy ny hibebaka isika, dia misafidy ny hiova! Omentsika fahafahana ny Mpamonjy mba hanova antsika ho lasa ilay tsara indrindra ao amintsika. Misafidy ny hivoatra ara-panahy isika ary hahazo fifaliana, ilay fifalian’ny fanavotana ao Aminy.8 Rehefa misafidy ny hibebaka isika dia misafidy ny hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy!9

Ry rahalahy, mila manao tsaratsara kokoa sy mila mba lasa tsaratsara kokoa isika, satria ao anatin’ny ady iray. Tena misy ny ady atao amin’ny fahotana. Ampitomboin’ny fahavalo inefatra ny ezaka ataony mba hanembantsembanana ireo fijoroana ho vavolombelona sy hisakantsakanana ny asan’ny Tompo. Ampirongoany fiadiany mahery vaika ireo mpanompony mba hanakanana antsika tsy hahazo ilay fifaliana sy fitiavana avy amin’ Andriamanitra.10

Ny fibebahana no fanalahidy entina misoroka ny fahoriana vokatr’ireo fandriky ny fahavalo. Tsy manantena fahalavorariana avy amintsika ny Tompo amin’izao dingana ao anatin’ny fivoarantsika mandrakizay izao. Saingy manantena Izy fa ho lasa hihamadio isika. Ny fibebahana isan’andro no lalana mitondra any amin’ny fahadiovana ary ny fahadiovana dia mitondra hery. Ny fahadiovan’ny tena manokana dia afaka mahatonga antsika ho fitaovana mahery vaika eo am-pelatanan’ Andriamanitra. Ny fibebahantsika, ny fahadiovantsika, dia hanafy hery antsika eo amin’ny fitondrana fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo “fa ireo zon’ny fisoronana dia mifamatotra tsy azo sarahina amin’ny herin’ny lanitra, ary ny herin’ny lanitra dia tsy azo fehezina na ampiasaina raha tsy araka ireo fitsipiky ny fahamarinana.”11

Fantatsika ny zavatra hanome antsika fahafahana lehibe kokoa hahazo ny herin’ny lanitra. Fantatsika koa ny zavatra hanakantsakana ny fivoarantsika sy ny zavatra ilaintsika hajanona mba hampitomboana ny fahazoantsika ny herin’ny lanitra. Ry rahalahy, katsaho ombam-bavaka ny mba hahatakatra izay zavatra manakantsakana ny lalana mitondra any amin’ny fibebahanareo. Fantaro izay zavatra manakana anareo tsy hibebaka. Ary miovà avy eo! Mibebaha! Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa noho ny hatramin’izay isika rehetra.12

Misy fomba manokana tena ahafahantsika mivoatra. Ny iray dia ao anatin’ny fomba hitondrantsika ny vatantsika. Mahatalanjona ahy ny fahagagana avy amin’ny vatan’olombelona. Zavatra nohariana tena tsara dia tsara izany ary tena ilaina amin’ilay fihanihantsika tsikelikely mba hanatratra ilay hery masina faratampony anatintsika. Tsy afaka ny hivoatra isika raha tsy misy azy. Rehefa nomen’ Andriamanitra vatana isika, dia nomeny fahafahana hanao dingana manan-danja mankany amin’ny fitoviana bebe kokoa Aminy.

Takatr’i Satana izany. Sorena izy satria ilay apôstazia nataony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia tsy ahafahany mahazo intsony io tombontsoa io ka lasa feno fialonana sy lolompo lava izy. Noho izany dia maro, raha tsy izany, dia maro dia maro, amin’ireo fakam-panahy apetrany eo amin’ny lalantsika no mahatonga antsika hanararaotra ny vatantsika na ny vatan’ny hafa. Satria ory i Satana noho ny tsy fananana vatana, dia tiany ho ory isika noho ny vatantsika.13

Tempolinao manokana ny vatanao izay nohariana mba hitoeran’ilay fanahinao mandrakizay.14 Zava-dehibe ny fikarakaranao izany tempoly izany. Ankehitriny, manontany anareo aho ry rahalahy: Moa ve mahaliana anareo kokoa ny mampiakanjo sy mikarakara ny vatanareo mba hahasarika an’izao tontolo izao noho ny hoe mba hahafaly an’ Andriamanitra aminareo? Ny valinteninareo dia mampita hafatra mivantana any Aminy mikasika ireo zavatra tsapanareo momba ilay fanomezana tsara dia tsara nomeny anareo. Mihevitra aho ry rahalahy, fa afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika eo amin’io fanajana ny vatantsika io.

Ny fomba iray hafa ahafahantsika manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa dia ny fomba fanajantsika ireo vehivavy eo amin’ny fiainantsika, manomboka amin’ny vadintsika sy ny zanakavavintsika, ny renintsika sy ny anabavintsika.15

Nahazo taratasy mahavaky fo avy amin’ny rahavavy malala iray aho, volana maro lasa izay. Nanoratra izy hoe: “[Izaho sy ireo zanako vavy] dia mahatsapa ho toy ny ao anatin’ny fifaninanana henjana eo anatrehan’ny firaisan-tsain’ireo vadinay sy ireo zanakay lahy, amin’ireo vaovao farany isan’andro mikasika ny fanatanjahan-tena, amin’ireo jeux vidéos, amin’ireo vaovao farany mikasika ny sanda-petrabola, [ary] amin’ny fifanakalozan-kevitra sy fijerena tsy misy farany ireo lalao ara-panatanjahan-tena [azo eritreretina] rehetra. Tsapa ho toy ny tsy lohalaharana intsony izahay eo anatrehan’ireo vadinay sy ireo zanakay lahy noho ny fanaovan’izy ireo ho lohalaharana tsy tapaka ireo [fanatanjahan-tena sy jeux].”16

Ry rahalahy, ny andraikitrao voalohany indrindra amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana anao dia ny mitia sy mikarakara ny vadinao. Aoka ianao hiray fo sy saina aminy. Aoka ianao ho toy ny mpiara-miasa aminy. Ataovy mora tanterahina aminy ilay faniriana mba ho lasa anao. Tsy misy zavatra mahaliana hafa eo amin’ny fiainana, izay tokony ho lohalaharana noho ny fanorenana fifandraisana maharitra mandrakizay miaraka aminy. Tsy misy zavatra hita ao amin’ny fahitalavitra, na ao amin’ny finday na ao amin’ny solosaina izay manan-danja kokoa noho ny mahasoa azy. Diniho hoe inona avy no ampiasanao ny fotoanao ary aiza no andanianao ny herinao? Hilaza bebe kokoa izay misy ny fonao izany. Mivavaha mba hirindra amin’ny fon’ny vadinao ny fonao. Katsaho izay hitondrana fifaliana ho azy. Mikatsaha torohevitra avy aminy ary mihainoa. Ny anjara biriky entiny dia hanatsara ny vokatra entinao.

Raha mila mibebaka ianareo noho ny fomba nitondranareo an’ireo vehivavy akaiky anareo indrindra, dia atombohy izao izany. Ary tsarovy koa fa andraikitrareo ny manampy ireo vehivavy eo fiainanareo mba handray ireo fitahiana azo avy amin’ny fiainana ny lalàn’ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena. Aoka tsy ho ianao velively no antony tsy ahafahan’ny vehivavy iray mandray ireo fitahiana ho azy any amin’ny tempoly.

Ry rahalahy, mila mibebaka daholo isika. Mila miala eo amin’ilay sezabe isika, sy mamela ny télécommande ary mifoha amin’ilay torimasontsika ara-panahy. Izao no fotoana hametrahana ny fiarovan-tenan’ Andriamanitra rehetra mba hahafahantsika mirotsaka amin’ilay asa manan-danja indrindra eto an-tany. Izao no fotoana “[handrosoana] ny antsimbilon[tsika] ary [hijinjana] amin’ny herin[tsika] rehetra, ny sain[tsika] rehetra ary ny tanja[tsika] rehetra.”17 Tsy mbola nitroatra na oviana na oviana amin’ny fomba mahery vaika kokoa noho ny ataon’izy ireo amin’izao fotoana izao ireo herin’ny ratsy. Amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo antsika dia tsy afaka ny hatoritory isika mandritra ny fitroatran’izany ady izany.

Mila ny fitarihanareo sy ny fitiavanareo ny fianakavianareo. Mila ny tanjakareo ny kôlejinareo sy ireo ao amin’ny paroasy na sampana misy anareo. Ary ny olona rehetra mihaona aminareo dia mila mahafantatra hoe manao ahoana izany mpianatra marin’ny Tompo izany ary manao ahoana ny fihetsiny.

Ry rahalahy malala, nofidin’ny Raintsika mba ho tonga ety an-tany amin’izao fotoana tena manan-danja izao ianareo, noho ny fanananareo lanja ara-panahy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Ianareo dia anisan’ireo lehilahy tsara indrindra sy be herim-po indrindra tonga teto an-tany hatramin’izay. Fantatr’i Satana hoe iza ianareo tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ary takany ny asa tsy maintsy tanterahina mialoha ny fiverenan’ny Mpamonjy. Ary taorian’izay arivo taona nampiharany ny fametsifetseny izay, dia manan-traikefa sy tsy azo ahitsy ilay fahavalo.

Soa ihany fa mahery lavitra no ho ireo tetikadin’ilay fahavalo ny fisoronana hazonintsika. Miangavy anareo aho mba ho toy ireo lehilahy sy zatovolahy ilain’ny Tompo hahatongavanareo. Ataovy tena manan-danja eo amin’ny fiainanao ny fifantohanao amin’ny fibebahana isan’andro mba hahafahanao mampiasa ny fisoronana amin’ny hery lehibe kokoa no ho ny teo aloha. Izany no hany fomba hahazoan’ny tenanao sy ny fianakavianao fiarovana ara-panahy eo anatrehan’ireo andro sarotra ho avy.

Ny Tompo dia mila lehilahy tsy tia tena izay manao ho lohalaharana ny mahasoa ny hafa mialoha ny mahasoa azy. Mila lehilahy miasa an-tsitrapo mba haheno ny feon’ny Fanahy mazava tsara Izy. Mila lehilahin’ny fanekempihavanana izay mitandrina amim-pahitsiana ny fanekempihavanan’izy ireo Izy. Mila lehilahy izay vonona ny hitandrina ny tenany mba hadio ara-pitondrantena Izy, lehilahy mendrika ny ho antsoina eo no eo ihany mba hanome tsodrano amin’ny fo madio sy saina madio ary tanana vonona. Mila lehilahy maniry mafy ny hibebaka ny Tompo, lehilahy manana fahavitrihana hanompo sy hirotsaka ao amin’ny tafiky ny mpihazona ny fisoronana mendrika izay an’ny Tompo.

Mitsodrano anareo aho mba ho lasa izany lehilahy izany ianareo. Mitsodrano anareo aho mba hanana herim-po hibebaka isan’andro sy hahay hampiasa ny hery fenon’ny fisoronana ianareo. Mitsodrano anareo aho mba hampitainareo amin’ny vadinareo sy ny zanakareo ary ny olona rehetra fantatrareo ny fitiavan’ny Mpamonjy. Mitsodrano anareo aho mba hanao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa. Ary mitsodrano anareo aho fa rehefa manao ireo ezaka ireo ianareo dia hiaina fahagagana eo amin’ny fiainanareo.

Mandray anjara amin’ny asan’Ilay Andriamanitra Tsitoha isika. I Jesoa no Kristy. Mpanompon’Izy ireo isika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.