2025
Ilay fanambarana momba ny fianakaviana sy ianao
Ho zatovo mahery!, Septambra 2025


Ilay fanambarana momba ny fianakaviana sy ianao

Feno 30 taona amin’ity volana ity ilay fanambarana momba ny fianakaviana. Jereo hoe ahoana no ahafahan’izany mitondra fitahiana ho an’ny fianakavianao amin’izao andro iainantsika izao.

fianakaviana mandihidihy

Sary nataon’i Irtaxe López de Munáin

30 taona katroka izay, tamin’ny septambra 1995, dia namoaka “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay nilazan’izy ireo fa “ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany.”

Apôstôly ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany fotoana izany. Nilaza izy hoe: “Mijoro ho vavolombelona aho fa fanambarana milaza fahamarinana mandrakizay ilay fanambarana momba ny fianakaviana. … Ampianaro ilay izy, iaino ilay izy, dia hotahiana ianareo.”

Nitahy fianakaviana maro manerana izao tontolo izao ilay fanambarana momba ny fianakaviana nandritra ny 30 taona, ary mbola ho toy izany foana.

fianakaviana mifamihina

Torohevitra mba hananana fianakaviana matanjaka, sambatra

Mijoro ho vavolombelona ao anatin’ilay fanambarana ny mpaminany sy apôstôly fa “ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo.”

Tafiditra ao anatin’izany ny “finoana, ny vavaka, ny fibebahana, ny famelan-keloka, ny fanajana, ny fitiavana, ny fiantrana, ny asa, ary ny fialam-boly mahasoa ny tena sy ny fanahy.”

Ny fampiasana ireo fampianarana ireo dia afaka mitahy ny fianakavianao amin’ny fomba mahavariana maro. Ohatra, azonao atao ny:

  • Mamporisika ny fiaraha-mivavaky ny mpianakavy. Tena manampy tanteraka ny fianakaviana mba hatanjaka kokoa ny vavaka. Raha ohatra ka tsy mbola fahazarana ao amin’ny fianakavianao ny vavaka, dia amporisiho izy ireo hanandrana. Ny fiarahana mivavaka dia afaka mitondra fiadanana sy fitiavana ary firaisam-po.

  • Maneho fitiavana amin’ny alalan’ny fitiavana sy ny zavatra atao. Lazao ny fianakavianao matetika kokoa fa tianao izy ireo, na dia mieritreritra aza ianao fa efa fantatr’izy ireo izany. Mampiasà teny feno fahatsaram-panahy sy fankaherezana. Manasa ny Fanahy ho ao amin’ny tokantranonao izany.

    Fomba tena tsara iray hafa anehoana fitiavana ny fanompoana ny fianakavianao. Hevero ny hanolotra fanampiana miafina ho an’ny mpiray tampo aminao na ny fanampiana amin’ny raharaha tsy angatahana.

  • Miaraha manao zavatra sy miala voly. Manonona ny hoe “fialam-boly mahasoa ny tena sy ny fanahy” ho fomba iray anampiana ny fianakaviana mba hatanjaka sy ho sambatra ilay fanambarana. Mety hoe miaraka mandeha bisikileta any amin’ny valan-javaboahary ianareo, manomana sy mifampizara sakafo, miara-mandeha an-tongotra tsy lavitra, na miara-milalao fanatanjahantena na kilalaon-tsaina. Tsy tambo isaina ny zavatra azo atao, fa ny fiarahana mandany fotoana dia hampahatsiahy anareo fa ny fianakaviana no manan-danja indrindra.

  • Miaraha manompo. Afaka ny ho lasa mifanakaiky kokoa ny fianakavianao amin’ny alalan’ny fiarahana manompo. Mety ho zavatra faran’izay tsotra toy ny fikarakarana sakafo tena ankafizina ho an’ny olona sahirana iray izany na ny famafana ny tokontanin’ny mpifanolobodirindrina.

Afaka manampy amin’ny famahana ireo tsy fifankahazoana sy olana ao amin’ny fianakaviana ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny famelana ary ny finoana. Rehefa manaraka sy miantehitra amin’i Jesoa Kristy isika dia hitombo ny fitiavana sy fanajana tsapantsika ao amin’ny fianakaviantsika.

Mbola maro ireo fomba hafa hahafahan’ny fianakaviana ho lasa matanjaka sy sambatra ary hifanakaiky kokoa.

Inona ihany koa no azonao atao?

fianakaviana

Fahamarinana ho an’ny ankehitriny sy mandrakizay

Tsy misy izany hoe fianakaviana tonga lafatra izany. Misy ireo izay miatrika olana goavana. Mety mahita ny toe-javatra iainan’ny fianakavianao ianao dia manontany tena hoe amin’ny fomba ahoana no hitahian’ilay fanambarana momba ny fianakaviana ny fianakavianao. Kanefa feno fahamarinana mandrakizay ilay izy izay tena hitahy ny fianakavianao, tena tsy isalasalana.