Fifandirana tany amin’ny filasiana
Inona ity ataonao? Eo no saika hametrahako ny lay!
Ka ireo ange no hazo tsara indrindra hanantonana ilay fandriana lamba.
Andray kosa! Tsy mety foana ny zavatra ataonao!
Mandreraka be i Clara. Tsy mihaino ahy mihitsy izy!
Mety tsy mitovy hevitra aminy ianao, saingy tsy midika izany hoe tsy afaka miara-miasa ianareo.
Akora tena samy hafa be ny afovato sy ny vý , ary raha mandeha irery izy ireo dia samy tsy azo handrehetana afo. Fa rehefa ampiarahana kosa anefa izy ireo dia mitselatra. Mahazo hazavana sy hafanana isika satria miara-miasa ny afovato sy ny vý.
Nataon’ Andriamanitra samy hafa isika mba hahafahantsika mahavita zavatra mahavariana rehefa miaraka.
Mety hoe afaka miezaka misimisy kokoa ny hifankahazo angamba izaho sy i Clara.
Azonao ampiana ve aho hametraka ilay lay erý? Amin’izay ilay izy tsy manakana ny hahitana zavatra mahafinaritra avy amin’ilay fandriana lamba hahantona!
Eny!