2025
Mampifandray
Ho zatovo mahery!, Septambra 2025


Mampifandray

Danic L.

17, Negeri Sembilan, Malaisie

zatovolahy

Sary nalain’i Clayton Chan

Nandritra ny andro maro izay dia mahatsapa ho tsy mahatratra foana izay andrandraina amiko aho ary toy ny hoe mandiso fanantenana ny hafa izany. Saingy ny zavatra eritreretin’ Andriamanitra momba ahy foana no heveriko. Tsaroako ny toetra araka an’ Andriamanitra ato amiko sy ny fahafahako ho tonga tahaka Azy, ary izany dia tena tanjaka sy vatofantsika ho ahy mihitsy.

Mpilalao badminton aho, ary rehefa manao fifaninanana ka resy, indrindra raha ohatra ka olona noeritreretinao hoe mety ho resinao ilay nandresy anao, dia lasa tena kivy ianao. Mandritra ireny fotoana ireny dia mieritreritra aho hoe eo Andriamanitra ary manome hery ahy mba hanohy hatrany izany.

Afaka mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ianao rehefa mitodika Aminy. Eo foana Izy ho anao, ary afaka mahazo ilay hery masina izay natokany ho anao ianao.

Tena Mpamonjy marina i Jesoa Kristy. Maty ho an’ny fahotantsika Izy. Ilay fitiavana izay nilainy mba hanomezana ny ainy an-tsitrapo ho antsika—mieritreritra aho hoe fitiavana sarotra fariparitana izany. Tena sarobidy sy mahery vaika ilay izy.