Jesoa Kristy

Vavaky ny Fanasan’ny Tompo

  • Votoatiny

  • Fanamasinana ny Mofo

  • Fanamasinana ny Rano

Vavaky ny Fanasan’ny Tompo


Vavaky ny Fanasan’ny Tompo

  • Fanamasinana ny Mofo

    Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, mangataka Anao izahay, amin’ny anaran’ny Zanakao Jesoa Kristy hitahy sy hanamasina ity mofo ity ho an’ny fanahin’ireo rehetra izay mandray amin’izany, mba hahazoany mihinana ho fahatsiarovana ny vatan’ny Zanakao sy hijoroany ho vavolombelona Aminao, Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, fa vonona izy ireo ny hitondra ny anaran’ny Zanakao, ny hahatsiaro Azy mandrakariva ary ny hitandrina ny didiny izay efa nomeny azy ireo; mba hananan’izy ireo mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin’izy ireo. Amena.


  • Fanamasinana ny Rano

    Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, mangataka Anao izahay amin’ny anaran’ny Zanakao Jesoa Kristy, hitahy sy hanamasina ity rano ity ho an’ny fanahin’ireo rehetra izay misotro amin’izany, mba hahazoany manao izany ho fahatsiarovana ny ran’ny Zanakao izay nalatsaka ho azy ireo; mba hijoroany ho vavolombelona Aminao, Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, fa hotsaroany mandrakariva Izy, mba hananan’izy ireo ny Fanahiny miaraka amin’izy ireo. Amena