Jesoa Kristy
Fanamasinana ny Rano


Fanamasinana ny Rano

Andriamanitra Ray Mandrakizay ô,
mangataka Anao izahay amin’ny anaran’ny Zanakao Jesoa Kristy,
hitahy sy hanamasina ity rano ity
ho an’ny fanahin’ireo rehetra izay misotro amin’izany,
mba hahazoany manao izany ho fahatsiarovana ny ran’ny Zanakao
izay nalatsaka ho azy ireo;
mba hijoroany ho vavolombelona Aminao
Andriamanitra Ray Mandrakizay ô,
fa hotsaroany mandrakariva Izy,
mba hananany ny Fanahiny miaraka aminy.
Amena