Jesoa Kristy
Fanamasinana ny Mofo


Fanamasinana ny Mofo

Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, mangataka Anao izahay,
amin’ny anaran’ny Zanakao Jesoa Kristy
hitahy sy hanamasina ity mofo ity
ho an’ny fanahin’ireo rehetra izay mandray amin’izany,
mba hahazoany mihinana ho fahatsiarovana ny vatan’ny Zanakao
sy hijoroany ho vavolombelona Aminao,
Andriamanitra Ray Mandrakizay ô,
fa vonona izy ireo ny hitondra ny anaran’ny Zanakao,
ny hahatsiaro Azy mandrakariva
ary ny hitandrina ny didiny izay efa nomeny azy ireo;
mba hananany mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy.
Amena.