Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Eksodosy 4


DJS, Eksodosy 4:21. Ampitahao amin’ny Eksodosy 4:21; 7:3, 13; 9:12; 10:1, 20, 27; 11:10; 14:4, 8, 17; Deoteronomia 2:30

Tsy tompon’andraikitra tamin’ny hamafin’ny fon’i Farao ny Tompo. Jereo koa DJS, Eksodosy 7:3, 13; 9:12; 10:1, 20, 27; 11:10; 14:4, 8, 17; ireo toko sy andininy rehetra ireo, rehefa voadika tsara, dia mampiseho fa i Farao ihany no nanamafy ny fony.

21 Ary hoy ny Tompo tamin’i Mosesy: Rehefa mandeha miverina any Egypta ianao dia ezaho ny manao ireo fahagagana rehetra ireo, izay efa nataoko eo an-tananao, eo anoloan’i Farao, dia hampahomby anao Aho; saingy hanamafy ny fony i Farao ka tsy hamela ny olona handeha.

DJS, Eksodosy 4:24–27. Ampitahao amin’ny Eksodosy 4:24–27

Rehefa nandrahona ny hamono an’i Mosesy ny Tompo noho ny tsy namorany ny zanany lahy dia navotan’i Zipora ny ainy tamin’ny alalan’ny fanatanterahan’ny tenany mihitsy ilay ôrdônansy. Nibaboka ny fahotany i Mosesy.

24 Ary ny zava-nitranga dia niseho taminy ny Tompo raha teny an-dalana nanakaiky ny tranom-bahiny izy. Tezitra tamin’i Mosesy ny Tompo ary saika hikasi-tanana hamono azy satria tsy noforain’i Mosesy ny zanany lahy.

25 Dia naka vato maranitra i Zipora ka noforainy ny zanany lahy, dia natsipiny teny amin’ny tongotr’i Mosesy ilay vato ka hoy izy: Efa vadiko amin’ny fandatsahan-dra ianao.

26 Ary dia tsy novonoin’ny Tompo i Mosesy fa navelany nandeha satria noforain’i Zipora vadiny ilay zaza. Ary hoy i Zipora: Vady amin’ny fandatsahan-dra ianao. Dia menatra i Mosesy ka nanafina ny tavany tamin’ny Tompo ary nilaza hoe: Nanota teo anatrehan’ny Tompo aho.

27 Ary hoy ny Tompo tamin’i Aharôna: Mandehana any an’efitra hitsena an’i Mosesy. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy teo amin’ny tendrombohitr’ Andriamanitra; teo amin’ilay tendrombohitra nisehoan’ Andriamanitra taminy, dia nanoroka azy i Aharôna.