Toko 8
Nihaza sy namongotra ny Nefita ny Lamanita—Hivoaka amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna—Voatonona ny loza ho an’ireo izay mifofo fahatezerana sy adiady hanoherana ny asan’ny Tompo—Hivoaka amin’ny andron’ny faharatsiana, ny fahalovana ary ny fivadihana ny rakitsoratra Nefita. Tokony ho 400–421 taona taorian’i Kristy.
1 Indro, izaho Môrônia dia mamarana ny rakitsoratr’i Môrmôna raiko. Indro, tsy manana afa-tsy zavatra vitsivitsy hosoratana aho, dia zavatra izay efa nandidian’ny raiko ahy.
2 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, taorian’ny ady lehibe sy goavana teo Komôrà, dia indro, nohazain’ny Lamanita ny Nefita izay efa tafatsoaka tany amin’ny tany andafiatsimo, mandra-pamongotra azy rehetra.
3 Ary novonoiny koa ny raiko, ary dia izaho irery no tafajanona mba hanoratra ny tantara mampalahelo momba ny famongorana ny vahoakako. Nefa indro, efa lasana izy ireo, ary manatanteraka ny didin’ny raiko aho. Ary raha toa ka hamono ahy izy ireo, dia tsy fantatro.
4 Koa hanoratra sy hanafina ny rakitsoratra ao anaty tany aho; ary na aiza na aiza alehako dia tsy ahoako.
5 Indro, efa nanao ity rakitsoratra ity ny raiko, ary efa nosoratany ny antony. Ary indro, ho nanoratra izany koa aho raha nanana toerana teo amin’ny takelaka, saingy tsy manana aho; ary ny metaly dia tsy manana aho, satria irery aho. Efa novonoina tamin’ny ady ny raiko sy ny ankohonako rehetra, ary tsy manana namana aho, na izay aleha; ary mandra-pahoviana no hamelan’ny Tompo ahy ho velona, izany dia tsy fantatro.
6 Indro efajato taona no lasana hatramin’ny niavian’ny Tompontsika sy ny Mpamonjy antsika.
7 Ary indro, ny Lamanita dia efa nihaza ny Nefita vahoakako isan-tanàna sy isan-toerana, mandra-paha-tsy hisy azy intsony; ary lehibe ny fahalavony; eny, lehibe sy mahatalanjona ny famongorana ny Nefita vahoakako.
8 Ary indro, ny tanan’ny Tompo no efa nanao izany. Ary indro koa, ny Lamanita dia miady amin’izy samy izy; ary ny lafiny manontolo amin’ity tany ity dia zary fiverimberenan’ny vonoan’olona sy ny fandatsahan-dra tsy tapaka; ary tsy misy mahafantatra ny fiafaran’ny ady.
9 Ary ankehitriny, indro, tsy milaza intsony ny momba azy aho, satria tsy misy afa-tsy ny Lamanita sy ny jirika no hita eto ambonin’ny tany.
10 Ary tsy misy mahafantatra Ilay tena Andriamanitra afa-tsy ny mpianatr’i Jesoa, izay nitoetra teo amin’ny tany ambara-pahatongan’ny faharatsian’ny vahoaka ho lehibe loatra ka tsy namelan’ny Tompo azy ireo hijanona miaraka amin’ny vahoaka; ary raha toa ka mbola eto ambonin’ny tany izy ireo, dia tsy misy olona mahalala.
11 Nefa indro, izaho sy ny raiko dia efa nahita azy ireo, ary efa nanompo anay izy ireo.
12 Ary na zovy na zovy no mandray ity rakitsoratra ity sy tsy hanameloka izany noho ny tsy fahalavorariana izay ao aminy, dia izy no hahalala ny zavatra lehibe kokoa noho ireto. Indro, izaho no Môrônia; ary raha azo natao, dia ho nampahafantatra anareo ny zava-drehetra aho.
13 Indro, mamarana ny fitenenana momba ity vahoaka ity aho. Izaho no zanakalahin’i Môrmôna ary tamingan’i Nefia ny raiko.
14 Ary izaho ihany no ilay manafina ity rakitsoratra ity ho an’ny Tompo; ny takelaka aminy dia tsy misy vidiny, noho ny didin’ny Tompo. Satria lazainy marina tokoa fa tsy hisy hanana izany mba hahazoan-karena; fa ny rakitsoratra aminy kosa dia misy vidiny lehibe; ary na zovy na zovy no hitondra izany ho eo amin’ny mazava, dia izy no hotahin’ny Tompo.
15 Fa tsy hisy hanam-pahefana hitondra izany ho eo amin’ny mazava raha tsy omen’ Andriamanitra azy izany; fa sitrak’ Andriamanitra ny hanaovana izany amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahiny, na ny fiadanan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo fahiny sy niely patrana ela.
16 Ary hotahiana anie izay hitondra ity zavatra ity ho amin’ny mazava; fa izany dia hoentina avy ao amin’ny maizina ho eo amin’ny mazava, araka ny tenin’ Andriamanitra; eny, izany dia havoaka avy ao amin’ny tany sy hamirapiratra avy ao amin’ny maizina ary ho tonga any amin’ny fahalalan’ny vahoaka; ary izany dia hotontosain’ny herin’ Andriamanitra.
17 Ary raha misy hadisoana, dia hadisoan’ny olona izany. Nefa indro, tsy mahita hadisoana izahay; na dia eo aza izany, Andriamanitra mahalala ny zava-drehetra; noho izany, izay manameloka, aoka izy hitandrina fandrao hanambana azy ny afon’ny helo.
18 Ary izay milaza hoe: Asehoy ahy, raha tsy izany ianareo dia hokapohina—aoka izy hitandrina fandrao izy mandidy izay voararan’ny Tompo.
19 Fa indro, izay mitsara an-kamehana dia mba hotsaraina an-kamehana ihany koa; fa arakaraka ny asany no ho karamany; noho izany, izay mikapoka dia mba hokapohin’ny Tompo ihany koa.
20 Indro, izao no lazain’ny soratra masina—ny olona dia tsy hikapoka, na hitsara koa; fa Ahy ny fitsarana, hoy ny Tompo, ary Ahy koa ny famaliana, ary Izaho no hamaly.
21 Ary izay hifofo fahatezerana sy fifandirana hanoherana ny asan’ny Tompo sy hanoherana ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo, dia ny mpianakavin’i Isiraely izany, ary hilaza hoe: Horavanay ny asan’ny Tompo, ary ny Tompo tsy hahatsiaro ny fanekempihavanany izay efa nataony tamin’ny mpianakavin’i Isiraely—dia manambana azy ny hikapana sy ny hanipazana azy any anaty afo;
22 Fa hizotra hatrany ny fikasana mandrakizain’ny Tompo, mandra-pahatanteraky ny fampanantenany rehetra.
23 Hadihadio ny faminanian’i Isaia. Indro, tsy afaka manoratra izany aho. Eny, indro, lazaiko aminareo, fa ireo olomasina ireo izay efa lasana talohako, izay efa nizaka ity tany ity, dia hikiaka, eny, avy amin’ny vovoka izy ireo no hikiaka ny Tompo; ary raha velona koa ny Tompo, dia hotsaroany ny fanekempihavanana izay efa nataony taminy.
24 Ary mahalala ny fivavany Izy, fa ireny dia natao ho an’ny rahalahiny. Ary mahalala ny finoany Izy, fa tamin’ny Anarany no nahafahan’ireo namindra tendrombohitra; ary tamin’ny anarany no nahafahan’ireo nampihorohoro ny tany; ary tamin’ny herin’ny teniny no nampianjeran’ireo ny fonja; eny, na dia ny memy mirehitra aza dia tsy afaka nandratra azy ireo, na ny bibidia, na ny menarana misy poizina, noho ny herin’ny teniny.
25 Ary indro, ny fivavany, dia natao koa ho an’ilay havelan’ny Tompo hamoaka ireto zavatra ireto.
26 Ary tsy misy tokony hilaza fa tsy ho avy izy ireto, fa ho avy marina tokoa izy ireto, fa ny Tompo no efa niteny izany; fa avy ao amin’ny tany izy ireto no hivoaka, amin’ny alalan’ny tanan’ny Tompo, ary tsy misy afaka manajanona izany; ary izany dia hitranga amin’ny andro izay hilazana fa efa nitsahatra ny fahagagana; ary izany dia hitranga miova tsy ny olona iray miteny avy ao amin’ny maty.
27 Ary izany dia hitranga amin’ny andro izay hiantsoantsoan’ny ran’ny olomasina ny Tompo, noho ny tsikombakomba miafina sy ny asan’ny maizina.
28 Eny, izany dia hitranga amin’ny andro izay handavana ny herin’ Andriamanitra, ary ireo fiangonana ho tonga voaloto sy ho tafasondrotra ao amin’ny fiavonavonan’ny fony; eny, dia amin’ny andro izay hitsanganan’ny mpitondra ny fiangonana sy ny mpampianatra ao amin’ny fiavonavonan’ny fony, hatrany amin’ny fialona an’ireo izay isan’ny fiangonany.
29 Eny, izany dia hitranga amin’ny andro izay handrenesana afo sy tafio-drivotra ary eton’ny setroka any an-tany hafa;
30 Ary handrenesana koa ady, tabataban’ady ary horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa.
31 Eny, izany dia hitranga amin’ny andro izay hisian’ny fahalotoana lehibe eto ambonin’ny tany; hisian’ny vonoan’olona sy ny fandrobana, ary ny fandaingana sy ny famitahana, ary ny fijangajangana sy ny karazana fahavetavetana rehetra; izay hisian’ny maro hiteny hoe: Ataovy itsy, na ataovy iroa, ary tsy maninona izany, fa ny Tompo no hanohana ny toa azy amin’ny andro farany. Nefa lozan’ny toa azy, fa ao amin’ny ngidin’ny afero sy ao amin’ny fatotry ny heloka izy.
32 Eny, izany dia hitranga amin’ny andro izay hisian’ny fiangonana miorina izay hilaza hoe: Mankanesa aty amiko, ary noho ny volanareo, dia ho voavela amin’ny fahotanareo ianareo.
33 Ry vahoaka ratsy sy mpivadika ary mafy hatoka, nahoana ianareo no efa nanorina fiangonana ho an’ny tenanareo hahazoan-karena? Nahoana ianareo no efa nanova ny teny masin’ Andriamanitra mba hahazoanareo mitondra fanamelohana eo amin’ny fanahinareo? Indro, andrandraonareo ny fanambaran’ Andriamanitra; satria indro, tonga ny fotoana amin’izany andro izany izay tsy maintsy hahatanteraka ireo zavatra rehetra ireo.
34 Indro, ny Tompo dia efa naneho tamiko zavatra lehibe sy mahatalanjona momba izay tsy maintsy ho avy tsy ho ela, amin’izany andro izany rehefa hitranga eo anivonareo ireo zavatra ireo.
35 Indro, miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo, ary tsy eto anefa ianareo. Nefa indro, efa nasehon’i Jesoa Kristy ahy ianareo, ary fantatro ny ataonareo.
36 Ary fantatro fa mandeha ao amin’ny avonavon’ny fonareo ianareo; ary tsy misy afa-tsy vitsivitsy ihany izay tsy manandratra ny tenany ao amin’ny avonavon’ny fony, hatrany amin’ny fitondrana fitafiana tena kanto, hatrany amin’ny fialonana sy ny fifandirana, ary ny hasomparana sy ny fanenjehana, ary ny karazana heloka rehetra; ary ny fiangonanareo, eny, izy rehetra mihitsy, dia efa tonga voaloto noho ny avonavon’ny fonareo.
37 Fa indro, ianareo dia tia vola sy ny fanananareo, ary ny fitafianareo kanto sy ny fandravahana ny fiangonanareo mihoatra noho ny itiavanareo ny mahantra sy ny sahirana, ny marary sy ny ory.
38 Ô ianareo loto, ianareo mpihatsaravelatsihy, ianareo mpampianatra izay mivarotra ny tenanareo noho izay ho harafesina, nahoana ianareo no efa nandoto ny fiangonana masin’ Andriamanitra? Nahoana ianareo no menatra ny hitondra eo aminareo ny anaran’i Kristy? Nahoana ianareo no tsy mihevitra fa lehibe kokoa ny vidin’ny fahasambarana tsisy fiafarany noho ity fahantrana izay tsy maty na oviana na oviana ity—noho ny fideran’izao tontolo izao?
39 Nahoana ianareo no mandravaka ny tenanareo amin’izay tsy manan’aina, ary anefa mamela ny noana sy ny sahirana, ary ny mitanjaka, ary ny marary sy ny ory handalo anareo, ary tsy mahamarika azy ireny ianareo?
40 Eny, nahoana ianareo no manorina ny fahavetavetanareo miafina mba hahazoan-karena sy manao izay hitomanian’ny mpitondratena eo anoloan’ny Tompo sy hitomanian’ny kamboty koa eo anoloan’ny Tompo, ary hiantso ny Tompo avy ao amin’ny tany koa ny ran’ny rainy sy ny vadiny, mba ho eo ambonin’ny lohanareo ny valifaty?
41 Indro, mihantona eo amboninareo ny sabatry ny valifaty; ary avy tsy ho ela ny fotoana izay hamaliany ny ran’ny olomasina aminareo, fa tsy hiaritra ny antsoantson’ireo intsony Izy.